Seminera sy Institiota
Lesona 76: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–74


Lesona 76

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–74

Fampidirana

Ny fihitaran’ny Fiangonana tao Missouri sy ny fifindran’ny Eveka Edward Partridge tany dia niteraka ny filàna hiantso eveka iray hafa tany Ohio. Tamin’ny 4 Desambra 1831 dia nandray fanambarana telo izay natambatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72 i Joseph Smith. Ireo fanambarana ireo dia nampahafantatra ny antson’i Newel K. Whitney amin’ny maha-eveka vaovao azy tany Ohio sy nanambara ny andraikitra sasany iantsorohan’ny Eveka Whitney ary nanome torolalana momba ny fanangonana any Ziona. Ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73 nomena ny volana Janoary 1832 dia ahitana ny toromariky ny Tompo ho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hanohizany ny asa fandikany ny Baiboly. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74 dia noraisina tamin’ny 1830, talohan’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana. Ahitana ny fanazavan’ny Tompo momba ny 1 Korintiana 7:14 izany, izay soratra masina ampiasain’ny olona sasantsasany entina hanamarina ny batisan’ny zazakely.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:1–8

Miantso an’i Newel K. Whitney ho eveka tany Ohio ny Tompo

Anontanio ny mpianatra hoe inona amin’ireo antso ato am-piangonana no heveriny ho sarotra indrindra.

  • Moa ve ianao efa nandray antso na efa nangatahana hanao zava-tsarotra tato am-piangonana ka nahatsapa sahirana na tsy nahavita nanatanteraka izany? Raha eny ny valiny, nahoana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:1–2 sy hamantatra ny antso izay nilaina hatao tao amin’ny Fiangonana. (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “ao amin’ity faritry ny tanimboaloboky ny Tompo ity” dia entina hilazana an’i Ohio.)

  • Antso inona no nilaina natao tany Ohio?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony nilàna eveka vaovao tany Ohio dia angataho izy ireo hahatsiaro hoe iza no nantsoina ho eveka voalohany tao amin’ny Fiangonana (Edward Partridge; jereo ny F&F 41:9). Hazavao fa noho ny fihitaran’ny Fiangonana tao Missouri sy ny fifindran’ny Eveka Partridge tany Independence, Missouri (izay sahabo 1 600 kilaometatra miala an’i Kirtland) dia nanambara ny Tompo fa nila eveka vaovao ny tao Ohio. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:3–6. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hitady ireo andian-teny izay manazava ny antony nahatonga ny Olomasina tao Ohio nila eveka.

  • Araka ny andininy 3 sy 5, nahoana no nila eveka ny Olomasina tao Ohio? (Mba hahafahany ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny eveka mikasika ny fitantanan-draharahany.)

  • Ahoana no fomba itovizan’izany amin’ny maha-tompon’andraikitra antsika manoloana ny eveka na ny filohan’ny sampana amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra hoe iza no nantsoina ho eveka vaovao tao Ohio ary iza no nifidy azy hanatanteraka izany antso izany.

  • Iza no nantsoina ho eveka vaovao tao Ohio?

  • Iza no nifantina an’i Newel K. Whitney ho eveka vaovao?

  • Inona no fotopampianarana azontsika tsoahina avy ao amin’ny andininy 8 mikasika ireo antso ho fanompoana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo? (Mety ahitana taratra ity fotopampianarana manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Ny antso mba hanompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny Mpamonjy.

Asaivo dinihin’ireo mpianatra ny mety ho fahatsapany raha toa ka nantsoina tamin’ny antso sarotra iray ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Orson F. Whitney, zafikelin’i Newel K. Whitney, tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny iray kilasy hihaino ny fahatsapan’ny Rahalahy Whitney fony izy nantsoina ho eveka ary ny zavatra nianarany momba ny fiavian’ny antsony.

Loholona Orson F. Whitney

“Saika tsy zakany [Newel K. Whitney] ny nieritreritra fa handray io andraikitra lehibe io (ny anjara fanompoan’ny eveka) izy. … Izy … dia tsy nahatoky ny fahaizany ary [nahatsapa] tena tsy hahatontosa izany asa ambony sy masina izany. Tao anatin’ny fahasahiranan-tsainy dia niantso ny fanampian’ny Mpaminany izy:

“‘Toa tsy hitako ho toy ny Eveka ny tenako, ry Rahalahy Joseph. Kanefa raha miteny ianao hoe izay no sitrapon’ny Tompo dia hiezaka aho.’

“‘Tsy voatery hino ny teniko fotsiny ianao,’ hoy ny Mpaminany namaly azy tamin-kalemem-panahy, ‘Mandehana mangataka amin’ny Ray ho anao manokana.’

“I Newel … dia vonona ny hanaraka ny torohevitra izay naroson’ [ny Mpaminany]. … Novaliana ny vavaka nataony tamim-panetrentena sy avy amin’ny fony. Tao anatin’ny alina mangina sy ny fanirerin’ny efitranony no nandrenesany feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Ao amiko ny herinao.’ Vitsy dia vitsy ary tsotra ireo teny, kanefa nisy dikany lehibe. Nanjavona toy ny ranon’andon’ny maraina ny fisalasalany. Nitady ny Mpaminany avy hatrany izy, ka nilaza taminy fa afa-po sady vonona ny hanaiky ny anjara fanompoana izay niantsoana azy” (“The Aaronic Priesthood,” Contributor, Jan. 1885, 126).

  • Inona no nanampy an’i Newel K. Whitney ho vonona ny hanaiky ny antso ho eveka?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny traikefany ka afaka manampy antsika rehefa mahatsapa ho sahirana amin’ny antso na andraikitra iray ao am-piangonana isika?

  • Ahoana no mety hanampiana anao hanaiky sy hilofo fatratra amin’ny fanatanterahana ny antsonao rehefa takatrao fa avy amin’ny Mpamonjy ireo antso ho fanompoana ato am-piangonana?

Azonao atao ny mizara traikefa izay nanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny antso ho fanompoana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia avy Aminy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:9–26

Manazava ny andraikitry ny eveka ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Mitantana ny raharaha ara-panahy sy ara-nofon’ny Fiangonana ao amin’ny sampana na paroasy iandraiketany ny eveka sy ny filohan’ny sampana. (Azonao atao ny manazava fa ny hoe ara-nofo dia entina hilazana ny zavatra mifandraika amin’ny fiainana ara-batana. Ohatra, mitantana ny fananan’ny Fiangonana sy ny volam-piangonana ary ny fampiasana ny zavatra ao amin’ny trano fitehirizan’ny eveka ny eveka sy ny filohan’ny sampana.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:9–26 amin’ny alalan’ny fanazavana fa manoritsoritra ny andraikitry ny Eveka Whitney ireo andininy ireo. Hazavao fa ny andraikitry ny eveka izay voafaritry ny Tompo ao amin’io fanambarana io dia mifandraika indrindra indrindra amin’ny anjara asan’ny eveka eo ambanin’ny lalàn’ny fanokanana. Nandritra io vanim-potoana io dia tsy nizarazara ho paroasy miaraka amin’ny eveka miahy ny paroasy tsirairay tahaka ny amin’izao fotoana izao ny Fiangonana. Tamin’izany fotoana izany dia roa ihany ny eveka: Eveka Whitney no evekan’ny Olomasina tao Ohio ary Eveka Partridge kosa no evekan’ireo tany Missouri.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73

Nitaona an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hanohy ny fandikana ny Baiboly ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe ny Tompo dia nanome toromarika ireo loholona izay nitory ny filazantsara mba hanohy izany ambara-pahatongan’ny fihaonambe manaraka, izay hatao afaka roa herinandro. Nitory ny filazantsara ny Mpaminany Joseph Smith sy Sidney Rigdon mba handresena ny fampahalalana diso momba ny Fiangonana izay vokatry ny famoahana ireo taratasin’i Ezra Booth. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:3–4 Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hifantohan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon aorian’ny fihaonambe.

  • Inona no nasain’ny Tompo hifantohan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon? Inona no tian’ny Tompo hambara amin’ilay hoe “asa fandikan-teny”? (Ny fanitsiana ny Baiboly.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74

Nanazava ny dikan’ny 1 Korintiana 7:14 ny Tompo

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ho an’ny Fiangonana izy ireo. Raha teo am-piresahana tamin’ny mpivady izay nanadihady mikasika ny Fiangonana izy ireo dia nahafantatra fa nodimandry ny zanakalahiny izay mbola amam-bolana. Nambaran’ireo mpitondra fivavahany tamin’ireo mpivady fa tsy afaka ny ho any an-danitra ilay zaza satria tsy vita batisa talohan’ny nahafatesany. Nalahelo mafy ireo ray aman-dreny noho ny famoizana ny zanany sy noho ny finoany fa tsy nahazo ny famonjena ny zanany.

Angataho ireo mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany io toe-javatra io ary ampahafantaro izy ireo fa hanana fahafahana ny hamaly izany any amin’ny faramparan’ny lesona.

Hazavao fa ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 74 dia ahitana ny fanazavan’ny Tompo momba ny 1 Korintiana 7:14. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:1izay tenin’i Paoly Apôstôly ao amin’ny 1 Korintiana 7:14 Ampahafantaro ny mpianatra fa io andininy ao amin’ny 1 Korintiana io dia nampiasaina mba hanohanana ny fanaovana batisan’ny zazakely. (Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny teny hoe tsy mino ao amin’ny andininy 1 dia entina hilazana ireo Jiosy izay tsy nanaiky ny filazantsaran i Jesoa Kristy. Tsy nilaza akory i Paoly hoe azo hovonjena amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny vadiny ny olona iray fa ny fiovam-pon’ny vady iray kosa dia afaka mitondra hery manamasina ho an’ny fianakaviana.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:2–6. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny olana nitranga tamin’ny andron’i Paoly Apôstôly rehefa niova fo tao tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny iray amin’ireo mpivady fa ny anankiray kosa mbola nampihatra ny lalàn’i Mosesy.

  • Inona no fahasarotana izay nosedraina tao anatin’izany karazana fanambadiana izany? (Nifanditra ny mpivady raha toa ka tokony hampianarina hino sy hankatò ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny zanany na ny lalàn’i Mosesy [jereo ny andininy 3].Ireo ankizy izay nobeazina hankatò ny lalàn’i Mosesy dia nihalehibe tao anatin’ny tsy finoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [jereo ny andininy 4].)

  • Ahoana no mety fiantraikan’ny finoana ara-pivavahana samihafa ao anatin’ny fanambadiana eo amin’ny fianakavian’izany mpivady izany?

Hazavao fa nahatanteraka ny lalàn’i Mosesy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ka tsy notakiana intsony ny famorana. Kanefa, ny Jiosy izay nanaraka ny lalàn’i Mosesy dia nino fa tsy nadio ny zazalahy kely iray raha tsy efa noforana. Izany finoana izany dia niteraka olana teo amin’ny fianakaviana izay nino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny anankiray amin’ireo mpivady fa ny iray hafa kosa nino ny lalàn’i Mosesy. Ny fifanoherana eo amin’ny finoana ara-pivavahana sy ny fomba amam-panao tahaka izany dia mety hitranga amin’izao fotoana izao eo amin’ny fianakaviana izay mpikamban’ny Fiangonana ny iray amin’ireo mpivady fa ny iray kosa tsy mpikambana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:7 Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny ankizy madinika.

  • Inona no ampianarin’ny Tompo mikasika ny ankizy madinika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony hita taratra ao kosa ity manaraka ity: Masina ny ankizy madinika ka amasinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izany fotopampianarana izany ao amin’ny soratra masiny.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ilay toe-javatra momba ny misiônera izay naseho teo aloha tao anatin’ny lesona. Asao ny mpianatra hanoratra ny Môrônia 8:8–12 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–50 mba hifandray amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:7. Omeo vakian’ny mpianatra miaraka amin’ny namana iray ny Môrônia 8:8–12 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–50 ka diniho avy eo ity fanontaniana manaraka ity:

Asao ny ekipa iray na roa hanazava izay zavatra hampianariny. Farano ny lesona amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hanavotra ny ankizy madinika.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:13 Nanompo teo ambanin’ny fitarihan’ny Eveka Partridge ny Eveka Whitney

Nantsoina ho eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana ny Eveka Edward Partridge. Niasa teo ambanin’ny fitarihan’ny Eveka Partridge ny Eveka Newel K. Whitney. Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Nasaina ‘nanome’ ny rakitsoratry ny fitantanan-draharaha tamin’ny evekan’i Ziona [Edward Partridge], izay toerana tokony nitehirizana ny rakitsoratra maharitra, ny eveka tao Kirtland [Newel K. Whitney]. Noho io andraikitra io dia nantsoina mba hiasa ho eveka i Newel K. Whitney. Nasaina hitana ny trano fitehirizan’ny Tompo tao Kirtland sy handray ny vola avy amin’izany faritry ny tanimboaloboka izany izy. Nasaina handray ny tatitr’ireo loholona araka izay nandidiana azy koa izy: ny hikarakara izay ilain’ izy ireo, ary ny handoa izay horaisin’ izy ireo raha toa ka manan-kandoavana izy ireo. Ireo vola voaray ireo dia nasaina natokana ho tombontsoan’ny fiangonana, ‘ho an’ny mahantra sy ny sahirana.’ Raha toa ka nisy tsy afaka nandoa dia nisy ny tatitra natao izay ‘natolotra ny evekan’ i Ziona izay handoa ny trosa amin’ izay hapetraky ny Tompo eo an-tanany’” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:270). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky navoaka faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana], 2001, 152–53.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:9–26 Ny lalàn’ny fanokanana tao Ohio sy ny andraikitry ny Eveka Whitney

Ny lalàn’ny fanokanana dia tsy niainana tanteraka mihitsy teo anivon’ny fiarahamonina tao Ohio. Nandramana natao izany teo amin’ireo Olomasin’i Colesville tao Thompson, Ohio fa tsy nahomby noho ny antony maro isan-karazany, ary anisan’izany ny fiovan’i Leman Copley hevitra mikasika ny famelana ny Olomasin’i Colesville hipetraka teo amin’ny taniny (jereo ny F&F 54). Kanefa, mbola niainana ny fitsipika sy ny fampiharana ny lalàn’ny fanokanana. Nitazona ny fitantanan-draharaha ny mpikambana sasantsasany, ary napetraka ny trano fitehirizana mba hanampiana amin’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ary ny filàna ara-nofon’ny Fiangonana. Ny Eveka Newel K. Whitney no nasaina nanara-maso sy nitantana ireo singa tao amin’ny lalàn’ny fanokanana ireo sy ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonana tao Ohio. Tao anatin’izany ny andraikitra hitantana ny fananan’ny Fiangonana tao amin’io faritra io.

Iray amin’ireo andraikitra lehibe niantsorohan’ny Eveka Whitney ny fanampiana amin’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Anisan’ny fomba nataony tamin’izany ny fizarana sakafo izay nomen’ny mpikambana nanao “fivoriana fifadian-kanina” mba hanomezana sakafo ireo sahirana. Tao anatin’ny antsony dia nanolotra ny fahaiza-manaony tamin’ny naha-mpandraharaha azy ny Eveka Whitney ka nahafoy ny ampahany be tamin’ny fidiram-bolany ho an’ny Fiangonana sy ho fikarakarana ny hafa. Nanompo tamim-pahatokiana hatramin’ny farany tao amin’ny anjara fanompoan’ny eveka izy—izay naharitra efa ho 19 taona—ka nandritra izany dia nanompo ho toy ny Eveka Mpiahy tao amin’ny Fiangonana koa izy, ka nandray ny toerana izay notanan’i Edward Partridge tamin’ny voalohany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:20–22 Ny Orinasa momba ny Literatiora

Taorian’ilay fihaonambe izay natao ny volana Nôvambra 1831 tao Hiram, Ohio, dia nantsoina hanokana ny fotoany sy ny heriny amin’ny fitantanana ny famoahana sy ny fanontana printy ary ny fanapariahana ny fanontan’ny Fiangonana, izay ahitana ny soratra masina, ny lehilahy enina (jereo ny F&F 70:3–4). Io andian-dehilahy io—izay ahitana an’i John Smith, Martin Harris, Oliver Cowdery, John Whitmer, Sidney Rigdon ary William W. Phelps—dia lasa fantatra tamin’ny anarana hoe: Orinasa momba ny Literatiora. Nanome lalana ireo lehilahy ireo ny Tompo mba hangataka fanampiana avy amin’ny eveka ho fanohanana azy ireo (jereo ny F&F 72:20) ary ny tanjona tamin’izany dia hoe hiteraka fidiram-bola sahaza io fandraharahana momba ny famoaham-boky io mba hahavitana tena. Nasaina nampiana tamin’ny alalan’ny ’io fandraharahana io ireo mpikambana tao amin’ilay Orinasa momba ny Literatiora ka ny ambin’izany dia haverina harotsaka any amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo (jereo ny F&F 70:5–8). Na dia tsy naharitra nandritra ny taona maro aza ny Orinasa momba ny Literatiora dia nandray anjara biriky lehibe teo amin’izao tontolo izao izy tamin’ny famoahana ny Bokin’ireo Didy sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay nandimby azy, ary ireo gazetin’ny Fiangonana toy ny Evening and the Morning Star. (Jereo ny Documents, Volume 2: July 1831–January 1833, vol. 2 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], xxv–xxvi).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74: 4–6. Fomban-drazana diso

Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome torohevitra momba ny fiatrehana ny fomba amam-panao nentin-drazana izay mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy:

Loholona Richard G. Scott

“Mety mahasalama sy mahasoa ny fankasitrahana ny lova ara-poko, ara-kolontsaina na lovam-pirenena, kanefa mety mitarika ny fanohizana ny modelim-piainana izay tokony hajanon’ny Olomasin’ny Andro Farany izay feno fanoloran-tena ihany koa izany. …

“[Hoy ny Filoha Howard W. Hunter]: ‘Manoro hevitra anareo aho ny mba hametrahanareo ho laharam-pahamehana ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anareo. Refeso ny zava-drehetra izay asain’ny olon-kafa ataonareo, na izany ny fianakavianareo, ny olon-tianareo, ny lova ara-kolontsainareo na ny fomban-drazana izay nolovainareo—refeso amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny zava-drehetra. Rehefa mahita fifanoherana amin’izany fampianarana izany ianareo dia avelao izany zavatra izany ka aza tohizana intsony. Tsy hitondra fahasambarana ho anareo izany’ (“Counsel to Students and Faculty,” Church College of New Zealand, 12 nov. 1990)” (“Removing Barriers to Happiness,” Ensign, mey 1998, 85).