Lesona 113
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100
Fampidirana
Ity no lesona farany amin’ireo lesona telo izay miresaka momba ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107. Noraketina tamin’ny 1835 ilay fanambarana, kanefa “ireo rakitra ara-tantara dia manamafy fa ny ankamaroan’ny andininy 60 ka hatramin’ny 100 dia ahitana fanambarana izay nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith tamin’ny 11 nôvambra 1831” (fampidirana ny F&F 107). Ireo andinin-tsoratra masina resahina ato anatin’ity lesona ity dia ahitana ny tenin’ny Tompo momba ireo fomba fanao fahiny amin’ny fanolorana ny Fisoronana Melkizedeka avy amin’ny ray ho an’ny zanany lahy. Manolotra torolalana ihany koa izy ireo mikasika ireo adidin’ireo mpitarika samihafa ao amin’ny fisoronana.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–57
Manambara ny Tompo fa ny Fisoronana Melkizedeka dia napetraka hiampita avy tamin’ny ray ho an’ny zanany lahy fahiny
Mialoha ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Inona ireo toe-javatra miseho izay iaiananao amin’izao fotoana izao na hiainanao atsy ho atsy ka ilaina ny fahazoana fitarihana na fampaherezana avy amin’ny Rainao any An-danitra?
Amin’ny fiatombohan’ny lesona dia angataho ny mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana ity. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny. Eo am-panombohan’ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra anio momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100, dia amporisiho izy ireo mba hitady ireo fitsipika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay afaka manampy azy ireo hahazo fitarihana sy fampaherezana avy amin’ny Rainy any An-danitra.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nianatra momba ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fitopololahy izy ireo tao amin’ny lesona teo aloha. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39 ary angataho ny mpianatra mba hitady ny iray amin’ireo adidin’ny Roambinifololahy. Hazavao fa ny andian-teny hoe mpanompo ara-pilazantsara dia entina milaza ireo izay mihazona ny anjara fanompoan’ny patriarka ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Evanjelista,” scriptures.lds.org; ).
-
Araka ny andininy 39, ahoana no hiantsoana ireo patriarka ho amin’ny antson’izy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo mba hahatakatra izao fahamarinana manaraka izao: Antsoina amin’ny alalan’ny fanambarana sy hatokana eo ambany fitarihan’ny Apôstôly Roambinifolo ireo patriarka.)
Angataho ny mpianatra mba hanazava ny adidin’ireo izay mihazona ny anjara fanompoan’ny patriarka. (Ny patriarka dia manome tsodranon’ny fisoronana manokana, izay antsoina hoe tsodranon’ny patriarka, ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika.) Ankoatra izany dia anontanio raha toa ka misy afaka mampahatsiahy an’ny mpianatra rehetra ny atao hoe tsodranon’ny patriaka. (Ny tsodranon’ny patriarka dia ahitana ny torohevitry ny Tompo ho an’ny olona iray ary manambara ny firazanan’izany olona izany ao amin’ny tranon’i Isiraely. Jereo ny Miorim-paka amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], “Tsodranon’ny patriarka,” 111–13.)
Azonao atao ny manasa ny mpianatra izay efa nandray ny tsodranon’ny patriarka mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny asa fanompoan’ny patriarkan’ny tsatòka. (Ampitandremo ny mpianatra fa masina sy manokana ny tsodranon’ny patriarka ary amin’ny ankapobeny dia tsy tokony hozaraina amin’ny olona ankoatra ny olona ao amin’ny fianakaviana mivantana izany.) Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana avy amin’ny fahazoana ny tsodranon’ny patriarka sy ny fandalinana ireo torohevitra ao amin’izany.
Hazavao fa ny teny hoe patriarka ihany koa dia milaza ireo raim-pianakaviana. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:
“Ny lamin’ny fisoronana izay resahina ao amin’ny Soratra Masina dia milaza ny lamina patriarkaly indraindray satria niampita avy amin’ny ray ho an’ny zanany lahy izany” (“What I Hope You Will Teach Your Children about the Temple,” Ensign, aog. 1985, 9).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:40 ary angataho ny mpianatra mba hitady ny fomba nanolorana ny Fisoronana Melkizedeka fahiny. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:41–57 dia mamaky momba ireo zavatra sasany izay nataon’i Adama tamin’ny naha-patriarka marina azy isika. Asao ny mpianatra mba hanisy topi-maso ao amin’ny andininy 41–50, ary hamantatra maodely arahina iray—zavatra roa izay naverimberin’i Adama natao rehefa niahy ny fianakaviany izy.
-
Inona ireo asa roa izay naverimberin’i Adama rehefa niahy ny fianakaviany izy? (Natokany tamin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana ireo taranany lehilahy izay mendrika ary notsofiny rano izy ireo.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:53 ary angataho ny mpianatra mba hamantatra hoe iza no notsofin’i Adama rano ankoatra ireo taranany lehilahy izay mendrika. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. (Atao izay hahatakaran’izy ireo fa nitsodrano ny taranany marina rehetra i Adama, anisan’izany ireo zanany vavy.)
-
Ahoana ho ahafahan’ny ohatra nasehon’i Adama ho ohatra arahina ho an’ireo ray? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Manana fahefana hitsodrano ny zanany ireo ray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka.)
-
Ankoatra ny fanokanana ny zanakalahy iray ho amin’ny fisoronana dia rahoviana no ahafahan’ny ray iray manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny zanany lahy na ny zanany vavy iray? (Ireo valinteny dia mety ahitana fa afaka manome ireo tsodranon’ny fisoronana ny ray amin’ireo fotoan’ny aretiny na mba hanolotra fitarihana sy fampaherezana.)
Hazavao fa ankoatra ny fitsofan-drano ny zanany dia afaka manome tsodrano ho an’ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana sy ho an’ireo izay mangataka izany ireo mpihazona ny fisoronana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ireo tokantrano tsy ahitana fisoronana dia natao ho tandrovana sy karakarain’ireo kôlejy ao amin’ny fisoronana. Amin’izany fomba izany dia tsy hisy fitahiana tsy ho voarain’ny fianakaviana rehetra ato am-piangonana” (“Ny herin’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 9).
Angataho ny mpianatra mba hieritreritra momba ireo fotoana izay nahazoany tombontsoa tamin’ny fandraisana ireo tsodranon’ny fisoronana avy tamin’ny rain’izy ireo na ireo mpihazona ny fisoronana hafa. Raha toa ka tsy mbola nanana fahafahana nandray ny tsodranon’ny fisoronana izy ireo dia asao izy ireo mba hisaintsaina ny fomba ahafahany mahazo tombontsoa avy amin’ny fikatsahana ny tsodrano toy izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo sy ny eritreriny.
Ivereno ilay fanontaniana nosoratanao teny amin’ny solaitrabe alohan’ny lesona. Zarao ny tenivavolombelonao fa afaka mikatsaka fitarihana sy fampaherezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny mpianatra amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny patriarka sy amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny fisoronana izay ataon’ny rain’izy ireo na ireo mpihazona ny fisoronana Melkizedeka hafa.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:58–100
Nanambara ny adidin’ireo filohan’ny kôlejin’ny fisoronana ny Tompo
Ho famerenana fohy dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Fisoronana Melkizedeka sy Fisoronana Aharôna. Asao ny mpianatra mba hanao lisitra ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany. Angataho ny mpianatra iray mba hanoratra anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana iray dia hampita ny tsaoka na ny penina fanoratana amin’ny solaitrabe amin’ny mpianatra iray hafa, ka hanohy izany mandra-pahavitan’ny mpianatra ny lisitr’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fisoronana. Amporisiho ny mpianatra mba hifanampy raha ilaina izany. (Ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Melkizedeka dia ny loholona, mpisorona avo, patriarika, Fitopololahy ary Apôstôly. Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny eveka.)
-
Inona no atao hoe kôlejin’ny fisoronana? (Vondrona rahalahy nalamina izay mihazona ny anjara fanompoana mitovy ao amin’ny fisoronana.)
Asao ny mpianatra iray mba hanatona eny amin’ny solaitrabe ka hanisy faribolana eo amin’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana izay voarafitra ho kôlejy. Amporisiho ny mpianatra mba hanampy raha ilaina izany. (Ireto anjara fanompoana manaraka ireto dia manana kôlejy: Apôstôly, Fitopololahy, mpisorona avo, loholona, mpisorona, mpampianatra ary diakona. Azonao atao ny manazava fa manana kôlejin’ny mpisorona avo iray ny tsatòka tsirairay, miaraka amin’ny filohan’ny tsatòka ho filohan’ny kôlejy. Harafitra ao amin’ny vondron’ny mpisorona avo ireo mpisorona avo ao amin’ny paroasy tsirairay.)
Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:60–63, 85–89, 93–94. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hamantatra ny zavatra mampitovy ireo kôlejy voatonona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no hitovian’ireo kôlejin’ny fisoronana ireo? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Misy filoha iray izay notendrena hiahy sy hitarika ny asan’ny kôlejin’ny fisoronana tsirairay.)
-
Araka ny andininy 87–88, dia inona no maha-samy hafa ny kôlejin’ny mpisorona amin’ny kôlejin’ny diakona sy ny kôlejin’ny mpampianatra? (Ny evekan’ny paroasy no miahy ireo kôlejin’ny mpisorona. Miahy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy ihany koa izy. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona.)
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny hananan’ny kôlejy tsirairay filoha iray? Ahoana no ahafahan’ny filohan’ny kôlejin’ny fisoronana manampy ireo mpikambana ao amin’izany kôlejy izany?
Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68–84 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manome torolalana mikasika ny anjara fanompoan’ny eveka sy ny anjara asan’ireo filankevitra ato amin’ny Fiangonana.
Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:65–66 ary asao ny mpianatra mba hamantatra ilay mpitarika ny Fiangonana izay miahy ireo mpihazona ny fisoronana rehetra. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia miresaka ny Filohan’ny Fiangonana.
Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:67, 91–92 ary asao ny mpianatra mba hitady ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny fahefana sy andraikitry ny Filohan’ny Fiangonana.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, ahoana no hamintinanao ny fahefana sy ireo andraikitry ny Filohan’ny Fiangonana? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hamantatra izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Ny Filohan’ny Fiangonana dia mihazona ny fahefana hanatanteraka ireo ôrdônansy sy tsodrano rehetra ary miahy ny Fiangonana iray manontolo. Azonao angatahina hanoratra izany fahamarinana izany eo amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray.)
Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny.
-
Inona ireo fitahiana azonao noho ny fahefan’ny fisoronana izay hazonin’ny Filohan’ny Fiangonana?
Mariho fa ny mpikambana sasany ato amin’ny Fiangonana dia mety hahatsapa fa tsy manan-danja ny antsoiny na ireo andraikiny ato amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Hazavao fa niteny izao tamin’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana ny Filoha Hinckley.
“Ny andraikitrao dia tena zava-dehibe ao amin’ny tontolo misy anao tahaka ny maha-zava-dehibe ny andraikitro ao amin’ny tontolo misy ahy. Tsy misy antso kely na ahazoana vokany kely ato amin’ity fiangonana ity. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fiezahantsika mafy hanatanteraka ny adidintsika” (“This Is the Work of the Master,” Ensign, May 1995, 71).
-
Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “tsy misy antso kely na vokany kely ato amin’ity fiangonana ity”?
-
Inona no ampianarin’ny tenin’ny Filoha Hinckley anareo momba ny andraikitrareo ao amin’ny Fiangonana?
Angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99–100 ka hisaintsaina ny fomba ifandraisan’ny tenin’ny Filoha Hinckley amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.
-
Araka ny andininy 99–100, dia inona no tsy maintsy ataontsika mba hitoetra ho mendrika eo anoloan’ny Tompo? (Tokony hamantatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Mba hitoetra ho mendrika eo anoloan’ny Tompo dia tsy maintsy mianatra ny adidintsika isika ary manao asa amin’ny zotom-po rehetra mba hanatontosana izany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny.)
Na dia natokana ho an’ireo mpihazona ny fisoronana aza ireo andininy ireo tany am-piandohany dia mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fitsipika ampianariny.
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana manaraka ireto. Vakio tsirairay ireo fanontaniana na soraty eny amin’ny solaitrabe izany.
-
Ahoana no nitahiana anareo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay nanatontosa tamin’ny zotom-po ny adidiny?
-
Inona no ataonareo mba hianarana ny adidinareo sy hanaovana asa amin’ny zotom-po rehetra mba hanatontosana izany?
Omeo fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny adidintsika ao am-piangonana sy ao amin’ny fianakaviantsika ny mpianatra. Asao izy ireo mba hametraka tanjona mba hanatanteraka amin’ny zotom-po ny adidin’izy ireo.