Seminera sy Institiota
Lesona 106: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101


Lesona 106

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101

Fampidirana

Nandray fanambarana iray mikasika ireo Olomasina tany Missouri izay nandao ny fonenan’izy ireo mba hitsoahana ny fanenjehana ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 16 sy 17 desambra 1833. Maro tamin’ireo Olomasina ireo no noterena handao ny fananan’izy ireo rehetra. Ny fanambarana noraisin’ny Mpaminany, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101, dia resahina ao anatin’ny lesona telo. Ity lesona fahatelo ity dia ahitana ny fanoharana nataon’ny Tompo momba ny andriandahy sy ireo hazo oliva, izay mampianatra ny sitrapony mikasika ny fanavotana an’i Ziona. Izany ihany koa dia ahitana ny torohevitry ny Tompo mba hanohizan’ny Olomasina ny fivondronana miaraka (raha niresaka momba ny fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary) ka hikatsaka ny fanarenana amin’ireo heloka natao tamin’izy ireo (raha niresaka momba ny fanoharany momba ilay vehivavy sy ilay mpitsara tsy marina).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101: 43–62

Manome ny fanoharana momba ilay andriandahy sy ireo hazo oliva ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Ny fanoharana momba ny …

Hazavao fa ny fanoharana dia “tantara tsotra enti-maneho sy mampianatra fahamarinana na fitsipika ara-panahy. Ny fanoharana dia mifototra amin’ny fampitahana fahamarinana iray amin’ny zavatra na fitrangan-javatra fahita andavanandro” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanoharana,” scriptures.lds.org).

Angataho ny mpianatra iray mba hanao lisitra ireo fanoharana izay nampianarin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoana teto ambonin’ny tany. Ny mpianatra ohatra dia mety hanonona ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy na ilay fanoharana momba ireo virijiny folo.

Hazavao fa ato anatin’ny lesona androany hifanakalo hevitra momba ny fanoharana iray izay nomen’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny mpianatra ato anatin’ny lesona androany. Fenoy ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hilaza hoe: Ny fanoharana momba ilay andriandahy sy ireo hazo oliva.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ilay hafatra izay tian’ny Tompo nolazain’ny Tompo fa tiany hampitaina ao anatin’ity fanoharana ity. (Tiany ho takatry ny olona ny “sitrapony mikasika ny fanavotana an’i Ziona.”) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:44–45 ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hijery akaiky ireo antsipirian-javatra ao anatin’ilay fanoharana. Mba hanaovana izay hahatakaran’ny mpianatra ilay tantara dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nasain’ilay andriandahy ataon’ny mpanompo?

  • Nahoana ilay andriandahy no nila mpitily tao amin’ny tanimboalobony? Nahoana no nila mpitily teny ambony tilikambo izy?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:46 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady raha nanaraka tsara ny toromarik’ilay andriandahy ireo mpanompony?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:47–50 ka hitady indray raha nanaraka tsara ireo toromarik’ilay andriandahy ireo mpanompony.

  • Nanaraka tsara ireo toromarika ve ireo mpanompo? (Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 50, ilay andian-teny hoe “tsy nifanaraka teo izy ireo” dia midika fa nifanditra ireo mpanompo.)

  • Nahoana ireo mpanompo no tsy nahavita nanangana tilikambo?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:51 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hitady izay nitranga satria tsy nanangana ilay tilikambo ireo mpanompo. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

Vakio amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:52–54. Angataho izy ireo mba hanaraka ny vakiteny ka hikaroka ireo tenin’ilay andriandahy tamin’ny mpanompony.

  • Araka ny andininy 54, nahoana ilay andriandahy no tezitra fa tsy nanangana tilikambo iray ireo mpanompony?

  • Ahoana no hifandraisan’ireo zava-nitranga ao anatin’ity fanoharana ity amin’izay nitranga tamin’ireo Olomasina tany Missouri?

Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity fa nanondro ny toerana hisian’ny tempoly ao Independence, Missouri ny Tompo tao anatin’ny fanambarana iray izay nomena tamin’ny volana jolay 1831 (jereo ny F&F 57). Nanokana ny toerana hisian’ny tempoly any Independence i Joseph Smith tamin’ny 3 aogositra 1831. Tsy nanao na inona na inona anefa ireo Olomasina mba hananganana ilay tempoly. Nandidy ireo Olomasina tao Missouri indray ny Tompo tamin’ny 2 aogositra 1833 mba hanangana tempoly iray (jereo ny F&F 97).

  • Ahoana no mety hifandraisan’ilay tilikambo ao anatin’ilay fanoharana amin’ilay tempoly izay tsy natsangan’ireo Olomasina?

  • Inona ireo fitsipika sasany ao anatin’ity fanoharana ity izay azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika? (Satria mety hanana heviny maro ny fanoharana iray dia mety hanolotra fitsipika samihafa ny mpianatra ka anisan’izany izao manaraka izao: Rehefa mankatò ireo didin’ny Tompo isika dia ampatanjahina mba hahatohitra ireo fahavalo ara-panahy sy ara-batana. Mpitily eo ambony tilikambo ireo mpaminany, mampitandrina antsika ny amin’ireo loza manatona. Miomana ny handresy ny fahavalo isika amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly.)

Asao ny mpianatra mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:55–62. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nodidian’ilay andriandahy mba ho ataon’ny mpanompony.

  • Inona no nasain’ilay andriandahy hataon’ny mpanompony? (Hanangona tafika sy hanavotra ny tanimboaloboka.)

Hazavao fa ilay mpanompo izay notononina ao amin’ny andininy 55 dia maneho an’i Joseph Smith (jereo ny F&F 103:21). Nanaraka ny didin’ny Tompo i Joseph Smith ka nanangana vondrona iray izay nantsoina hoe Tobin’i Ziona mba hanavotra ny tanin’i Ziona. Horesahina ao amin’ny lesona 108 sy 110 ny momba ny Tobin’i Ziona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:63–75

Mandidy ny Olomasina mba hanohy ny asa fanangonana ny Tompo

Hazavao fa ny dia noroahina avy tao amin’ny fonenany aza ireo Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia nandidy azy ireo mba hanohy ny fananganana ny fanjakany ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:63–64 dia angataho ny mpianatra rehetra mba hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa mbola hataony hatrany. Asaivo zarain’ireo mpianatra ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:65–66 ka hitady fanoharana iray izay noresahan’ny Mpamonjy.

  • Maneho inona ny vary sy ny tsimparifary ato anatin’ity fanoharana ity? (Maneho ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana ny vary ary maneho ireo olon-dratsin’izao tontolo izao ny tsimparifary. Azonao atao ny manazava fa ny tsimparifary sy ahi-dratsy izay mitovy amin’ny vary rehefa mbola tanora.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fanoharana ity dia hazavao fa tamin’ny andro taloha dia toerana nanangonana sy nitehirizana ho fiarovana ny vary ny sompitra. Raha niresaka momba ity fanoharana ity sy ireo fampianarana hafa ao amin’ny Soratra Masina ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Ny sompitra dia ny tempoly masina” (“Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Ensign na Liahona, mey 2009, 97). Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: sompitra = tempoly masina.

  • Araka ity fanoharana ity dia inona avy ireo fitahiana izay horaisintsika amin’ny alalan’ny fiangonana any amin’ny tempoly sy fanompoana ao? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hamantatra izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Rehefa miangona any amin’ny tempoly isika dia mandray fiarovana sy manomana ny tenantsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.)

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahan’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny tempoly miaro sy manomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny naha-loharanom-piarovana sy fiomanana ny tempoly ho azy ireo sy ny fianakaviany. Azonao atao ny manampy ny fijoroanao ho vavolombelona momba izany fitsipika izany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:67–75 amin’ny alalan’ny fanazavana fa na tsy noterena hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri aza ireo Olomasina dia nanoro hevitra azy ireo ny Tompo mba hanohy hividy tany tao sy tao amin’ireo fivondronana manodidina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:76–101

Manoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hanohy hikatsaka fomba iray hiverenana any amin’ny fonenany any Missouri

Hazavao fa ankoatra ny fandidiana ny Olomasina mba hividy tany dia niteny tamin’izy ireo ny Tompo mba “hitambezoana ho an’ny fanarenana” noho ny asan’ireo izay nanenjika azy ireo (jereo ny F&F 101:76). Amin’ny teny hafa dia niteny tamin’izy ireo Izy mba hikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny fanaovan-draharaha araka ny lalàn’ny fanjakana.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:76–80 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fanaovan-draharaha araka ny lalàna izay hamela ny Olomasina hikatsaka fanampiana avy amin’ireo mpitondra fanjakana.

  • Nitarika ny fananganana ny Lalam-panorenan’i Etazonia taona maro tany aloha ny Tompo araka ireo andininy ireo. Nahoana no mila tazomina izany lalam-panorenana izany?

  • Nilaza ny Tompo fa anisan’ny tanjon’ny “safidim-pitondrantena” ny hanaovana izay hahatonga antsika ho “azo ampamoahina amin’ny fahotantsika” (F&F 101:78). Nahoana ny fampamoahana—ny maha-tompon’andraikitra amin’ny zavatra atao—no zava-dehibe iray amin’ny fahafahana misafidy? Inona no havalinao ny olona iray izay miteny hoe: “Malalaka hanao izay tiako atao aho”?

  • Nilaza ny Tompo fa tsy misy olona tokony ho andevozin’ny olona iray hafa. Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny tsy hanandevozana ny olona?

Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Andriamanitra dia nanome antsika ny safidim-pitondrantena, hery hanao safidy, fa isika no …

Asao ny mpianatra mba hameno io fehezan-teny io araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78. (Rehefa mahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra dia fenoy ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe: Andriamanitra dia nanome antsika ny safidim-pitondrantena, hery hanao safidy, fa isika no tompon’andraikitra amin’ny safidintsika.)

Hazavao fa nampiasa fanoharana iray ny Tompo mba hamporisihana ny Olomasina hikatsaka fanampiana avy amin’ireo mpitarika eo amin’ny fanjakana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanoharana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:81–84 (jereo ihany koa ny Lioka 18:1–8). Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hisaintsaina ny fomba niharan’ilay fanoharana tamin’ireo Olomasina tao Missouri. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:85–88. Angataho ny mpianatra mba hijery ny fomba nampiharan’ny Mpamonjy io fanoharana io tamin’ireo Olomasina ireo.

  • Nandritra ity vanim-potoan’ny tantaran’ny Fiangonana ity dia iza no mety hasehon’ilay mpitondrantena? (Mpikamban’ny Fiangonana.) Afaka maneho an’iza ilay mpitsara? (Afaka maneho ireo mpitsara sy mpitarika eo amin’ny fanjakana izay nangatahin’ny Olomasina fanampiana ny mpitsara. Mety haneho ny Ray any An-danitra ihany koa izy, izay nanoloran’ny Olomasina vavaka tsy tapaka.)

  • Raha mampiasa ity fanoharana ity, inona ireo zavatra miavaka izay nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba hataony?

Hazavao fa nitaraina sy nampiakatra tamin’ny fitsarana teo an-toerana ny Olomasina kanefa tsy nahazo ny fanohanana nantenain’izy ireo. Nangataka an’i Daniel Dunklin, governoran’i Missouri, sy i Andrew Jackson, filohan’i Etazonia izy ireo mba hanampy azy ireo hiverina any amin’ny fonenany sy taniny ary hanolotra fiarovana ho azy ireo. Samy nandà ireo mpitarika ireo tsy hanampy azy ireo. Nangataka fanampiana tamin’ny antenimiera mpanao lalàna tao Missouri ihany koa izy ireo kanefa nandà ny tsy hanampy koa ireo.

Miverena amin’ilay fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:89–91 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hijery ny fomba ampamoahina ireo mpitarika ny governemanta raha toa ka nandà ny hanampy ny Olomasina izy ireo. Asaivo zarain’ireo mpianatra ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:92–95 ka hitady izay nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina ho an’ireo mpitarika azy ireo tao amin’ny governemanta.

  • Inona no ampianarin’ny andininy 92 antsika momba ny Tompo? (Tsy te hanasazy olona Izy. Tiany hibebaka avokoa ny olona rehetra mba hahafahany mamindra fo amin’izy ireo.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:96–101 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hihazona ny taniny any amin’ny Fivondronan’i Jackson na dia tsy navela hiaina tao aza izy ireo. Nampanantena Izy fa raha toa ka miaina am-pahamendrehana izy ireo dia ho afaka hiaina ao indray andro any.

Hamaranana ny lesona dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitsipika izay nifanakalozan’ny mpianatra hevitra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:44–64. Ny fanoharana momba ilay andriandahy sy ireo hazo oliva

Ireo andinin-tsoratra manaraka ireto dia manazava fomba iray handikana ilay fanoharana momba ilay andriandahy sy ireo hazo oliva:

“Toa miendrika tahaka izao ny fandikana ilay fanoharana: ilay andriandahy dia ny Tompo, izay Ziona any Missouri no tany nofinidiny ho an’ny tanimboalobony. Ny hazo oliva dia ireo toerana izay hipetrahan’ireo Olomasina ao Ziona. Ireo Olomasin’ny Andro Farany nanamaintimolaly ny tany no ireo mpanompo ary ny mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana no mpitily. Raha mbola nanangana an’i Ziona izy ireo dia tsy nifanaraka ka tsy nanangana ilay tilikambo na Tempoly izay efa notokanana tamin’ny 3 aogositra 1831 ny toerana hisy izany. Raha nanangana araka ny nolazaina taminy izy ireo dia ho fialofana ara-panahy ho azy ireo izany, satria ny mpitilin’ny Tompo dia ho afaka nahita avy lavitra tamin’ny alalan’ny fanambarana ireo fihetsiky ny fahavalo. Ho nanavotra azy ireo sy ny asa mafy nataony izany fahafantarana mialoha izany rehefa nitarika ady ny fahavalo.

“Kanefa nanjary kamo, nalaina ary natoritory ireo Olomasina. Tonga ny fahavalo ary ny fanenjehana tao Missouri no vokatr’izany. Niparitaka ny vahoakan’ny Tompo ary very maina ny asany maro. Niteny mafy ny vahoakany ilay Tsitoha, araka ny efa hitantsika, kanefa nandidy ny iray tamin’ireo mpanompony Izy (and. 55), Joseph Smith (103:21), mba hanangona ny ‘tanjaky ny tranoko’ ka hanavotra ny taniny sy ireo fananany avy amin’ireo izany nivondrona hanohitra azy ireo.

“Fotoana fohy taorian’izay dia nandeha tany Missouri ny Mpaminany sy ny rahalahiny tao amin’ilay Tobin’i Ziona nalaza tamin’ny 1834 mba hanandrana hitondra ny fahatanterahan’ireo izay voalaza ao amin’ilay fanoharana. Mialoha ny nandehanan’izy ireo dia nisy fanambarana fanampiny azo (jereo ny 103:21–28) mikasika ny fanavotana an’i Ziona. Nomena torolalana ireo rahalahy mba hanandrana hividy tany tao Missouri, ka tsy hampiasa hery; ary raha toa ka tonga miady amin’izy ireo ny fahavalo dia andraikitr’izy ireo ny mitondra fanozonana eo aminy. Tsy navotana i Ziona tamin’izay fotoana izay kanefa azontsika andrandraina amin’ny ho avy izay tsy ho ela izany. … Havotana izany rehefa izay no sitraky ny Tompo.” (Sidney B. Sperry, Doctrine and Covenants Compendium [1960], 521–22; naverina nolazaina ao amin’ny Doctrine and Covenants Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 243).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78 Ny safidim-pitondrantena sy ny maha-tompon’andraikitra

Nampianatra ny antony hitiavana kokoa ny voambolana hoe safidim-pitondrantena noho ny voambolana hoe safidy malalaka ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona D. Todd Christofferson

“Tao anatin’ny taona maro lasa dia nampiasa ny voambolana hoe safidy malalaka isika amin’ny ankapobeny. Tsy diso izany, saingy vao haingana izahay no nahatsikaritra fa ny safidy malalaka dia toa tsy teny ampiasaina ao anatin’ny Soratra Masina. Miresaka momba ny maha-‘malalaka mba hisafidy’ antsika izany sy ‘malalaka hanao asa’ ho an’ny tenantsika sy ny andraikitsika hanao zavatra marobe amin’ny ‘nahim-pony.’ Kanefa ny teny hoe safidy dia na miseho mitokana na, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 101, andininy 78, miaraka amin’ny voambolana manova hevitra hoe fitondrantena: ‘Hahazoan’ny olona tsirairay miasa araka ny fotopampianarana sy ny fitsipika … araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko azy, ka ny olona tsirairay dia ho azo ampamoahina ny amin’ny fahotany avy amin’ny andro farany’ (nampiana fanamafisana). Rehefa mampiasa ny voambolana hoe safidim-pitondrantena isika dia manantitrantitra araka ny tokony ho izy ny maha-tompon’andraikitra izay ampahany manan-danja amin’ny fanomezam-pahasoavana masin’ny fahafahana misafidy. Olona manana fitondrantena isika ary tompon’andraikitra ho an’ny tenantsika, malalaka ny hisafidy kanefa tompon’andraikitra ihany koa amin’ireo safidintsika (“Moral Agency” [lahateny tamin’ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young University, 31 jan. 2006], 1, speeches.byu.edu).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:80. Nametraka ny Lalam-panorenan’i Etazonia Andriamanitra

Nilaza ny Filoha J. Reuben Clark tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Ny Filoha J. Reuben Clark

“Amiko ry rahalahy sy anabaviko dia mametraka ny Lalam-panorenan’i Etazonia ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy raha toa ka nosoratana tao amin’ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ilay fanambarana nataon’ny Tompo hoe: ‘efa nametraka ny Lalam-panorenan’ity tany ity Aho’ Izany dia mahatonga ny Lalam-panorenana ho tenin’ny Tompo ho antsika. Fa nomena izany, tsy tamin’ny teny nolazaina am-bava, fa tamin’ny alalan’ny fiasan’ny eritreriny sy ny fanahiny eo amin’ny sain’ny olombelona, izay nitaona azy ireo tamin’ny famoronana izany taratasim-panjakana mahavariana momba ny fitantanana ny olombelona izany, izay tsy manova ny fahefany” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1935, 93).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:80. “Olon-kendry izay natsangako ho amin’izany tanjona izany indrindra”

Niresaka momba ny sasany amin’ireny olona izay fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra amin’ny fanorenana ny Lalam-panorenan’i Etazonia ny Filoha Brigham Young:

Filoha Brigham Young

“Mino isika fa ny Tompo dia nanomana fa rehefa havoakany ity asa ity, rehefa tonga tanteraka ny fotoana voatondro, dia hisy toerana eo amin’ny fitoeran-tongony izay ahitana fahafahan’ny feon’ny fieritreretana ampy, mba hahafahan’ny Olomasina mitoetra amim-piadanana eo ambanin’ny fiarovana lehiben’ny lalàn’ny Lalampanorenana sy ny fitovian-jo. Miaraka amin’izany fahatakarana izany dia eritreretintsika fa notaomin’ilay Tsitoha fanahy ireo olona nandritra ny Revolisionan’i Amerika (ady teo amin’i Amerika sy Grande Bretagne mba hahazoana fahaleovantena) mba ho tonga mahaleo tena amin’ilay governemanta reny, miaraka amin’ny fivavahana izay napetraka ao amin’izany. Noho izany antony izany no nitaona an-dry Adams, Jefferson, Franklin, Washington ary ireo marobe hafa hanohitra ny governemantan’ny Mpanjakan’i Grande Bretagne … ka nanangana governemanta vaovao mifototra amin’ny fitsipiky ny fahafahana lehibe kokoa, governemanta ho an’ny tena manokana izay mamela ny fahafahana mitsaoka eo amin’ny lafiny ara-pivavahana.

“Feon’ny Tompo izany izay nitaona fanahy ireo olona rehetra izay nitondra ohatra arahina tamin’ireny fotoam-pitsapana ireny, tsy handroso amin’ny ady ihany fa ny hampiasa fahendrena tao anatin’ny filankevitra, herim-po, fahasahiana, ary faharetana tao amin’ny sahan’ny ady, ary taty aoriana kely koa dia ny hanorina na hampiasa ireny volavolan-dalàna hendry sy mahomby ireny izay nanolotra ho an’ny tenan’izy ireo sy ireo taranaka nandimby ireo fitahian’ny governemanta afaka sy mahaleo tena” (Discourses of Brigham Young, nofantenan’i John A. Widtsoe [1954], 359–60).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:81–95. “Tokony [hotohizan’]izy ireo ny fitambezoana ny fanarenana”

Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101, dia namerina ny fanoharana nataony momba ilay vehivavy iray izay nitalaho fatratra tamin’ny mpitsara iray mandra-pahazoana ny zavatra nangatahiny ny Tompo (jereo ao amin’ny Lioka 18:1–8). Nampitahainy tamin’ny toe-javatra nisy teo amin’ny Olomasina izay noroahina tamin’ny fonenany tany Missouri ilay fanoharana. Nila nandeha tany amin’ireo mpitarika ny governemanta izy ireo mba hikatsaka fahamarinana sy fiarovana, manomboka amin’ny mpitsara iray ary, raha ilaina, dia handeha any amin’ny governoran’i Missouri sy ny filohan’i Etazonia. Raha toa ka tsy nohenoina ny fangatahan’ireo Olomasina ireo dia nilaza ny Tompo fa hitsangana amim-pahatezerana Izy ka hampihatra ny fahamarinana amin’ireo izay nandroaka ny Olomasina, satria “tsy havela ho afa-tsiny” ny olon-drehetra (F&F 101:93). Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Nasaina nitondra ny alahelony teo anoloan’ny fitsarana izay mifanaraka amin’izany ihany koa ny Olomasina ka hikatsaka ny fanorenana ny fahadisoany. Dingana tena nilaina izany, ary rehefa nanao izany ny Olomasina ka tsy nomena ireo zony ara-panjakana sy ara-pivavahana dia tsy navela ho afa-tsiny ireo manampahefana ireo, ary voamarina ireo fitsaran’ilay Tsitoha izay tonga tamin’izy ireo nandritra ny Ady an-trano. …

“Satria misy ny lalàn’ny famaizana izay marina, izay tsy miova sy mandrakizay tahaka ireo lalàna rehetra hafan’ny Tsitoha [jereo ny 2 Korintiana 9:6; F&F 6:33], dia tsy maintsy ho avy ny andro izay hisian’ny fanitsiana atao eo anoloan’ny Mpitsara Marina iray izay tsy hatahotra noho ny fandrahonan’ny mpihetraketraka” (Church History and Modern Revelation, boky miisa 2 [1953], 1:462, 469).