Seminera sy Institiota
Lesona 136: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129; 130:1–11, 22–23


Lesona 136

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129; 130:1–11, 22–23

Fampidirana

Tamin’ny 9 febroary 1843 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome fampianarana mba hanampiana ireo Olomasina amin’ny fomba hanavahana ny toetran’ny anjely sy ny fanahy manompo. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129 ireo torolalana ireo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 dia ahitana ireo fampianaran’i Joseph Smith mikasika ireo fotopampianarana maro samihafa nandritra ny fotoana nihaonany tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois, tamin’ny 2 aprily 1843.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129

Manome fampianarana mikasika ny toetoetran’ny anjely manompo sy ny fanahy ny Mpaminany Joseph Smith

Anontanio ireo mpianatra hoe inona no holazainy amin’ny olona izay te hahafantatra raha mino ny anjely ireo Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Hatrany am-boalohany nankany amin’ireo fotoam-pitantanana nifandimby dia nandefa anjely foana Andriamanitra ho mpisolo tena Azy amin’ny fampitana fitiavana sy fitahiana ho an’ireo zanany. …

“Matetika dia tsy hita izany olona izany. Indraindray hita. Fa na hita na tsy hita dia eo akaiky eo foana izy ireo. Indraindray ny iraka ampanaovina azy dia misy lanjany lehibe ho an’izao tontolo izao manontolo. Indraindray izany ho an’ny olona iray manokana. Indraindray ny iraka nampanaovina an’ireo anjely dia ny hampitandrina” (“Ny fanompoan’ny anjely,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 29).

Hazavao fa nanomboka tamin’ny taona 1839 ka nitohy hatramin’ny 1843 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome fampianarana ho an’ny olona maromaro mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fomba fanavahana ny toetran’ireo anjely sy fanahy manompo. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129 ny sasantsasany amin’ireo fampianarana ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny fahasamihafana lehibe eo amin’ireo anjely sy ireo fanahy. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe marina dia midika hoe manao ny marina.)

  • Inona no maha-samy hafa ny anjely sy ny fanahy? (Manana vatana nofo sy taolana natsangana tamin’ny maty ireo anjely fa ny fanahy kosa tsy manana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:4–7 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny fomba iray hanavahana ny anjely sy ny fanahy marina. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny andininy 7 mikasika ny toetran’ireo iraka marina nalefan’ny Ray any An-danitra? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ity fotopampianarana manaraka ity eo amin’ny sisin’ny pejin-tsoratra masiny: Tsy hamitaka antsika ireo iraka marina nalefan’ny Ray any An-danitra.)

Hazavao fa indraindray ny devoly dia miezaka ny miseho amin’ny endriky ny “anjelin’ny fahazavana” mba hamitahana ny olona (jereo ny F&F 129:8). Ankoatra izay dia “miresaka koa ny momba ny anjelin’ny devoly ny soratra masina. Ireo dia fanahy izay nanaraka an’i Losifera ka nesorina hiala avy teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany ary nazera ety an-tany (Apo. 12:1–9; 2 Ne. 9:9, 16; F&F 29:36–37)” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Anjely,” scriptures.lds.org). Aza mitantara ireo traikefa mikasika an’i Satana na ireo fanahy ratsy na mamela ny fifanakalozan-kevitra hivadika amin’ny fitantarana tantara mampientanentana sy zavatra mampisalasala ny fahamarinany.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:8–9 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny fomba hahafantarana ny fanahy ratsy izay mikatsaka ny hamitaka amin’ny alalan’ny fisehoana amin’ny endriky ny anjelin’ny fahazavana. (Hazavao fa ny teny hoe fisehoana ao amin’ny andininy 9 dia entina hilazana ny famangian’ny anjely iray na ny fanahy iray.) Asao hizara ny zavatra nianarany ireo mpianatra.

  • Ankoatra ny fampianarana amin’ireo andininy ireo dia inona koa no nomen’ny Ray any An-danitra anao hanampiana anao hamantatra ny fitak’i Satana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:1–11, 22–23

Manazava ireo fotopampianarana maro isan-karazany ny Mpaminany Joseph Smith

Hazavao fa tamin’ny 2 aprily 1843 i Joseph Smith dia nanao fihaonamben’ny tsatòka niaraka tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois, izay sahabo ho 32 kilaometatra any atsimo atsinanan’i Nauvoo. Nandritra ny fivoriana maraina dia nanao toriteny ny Loholona Orson Hyde ary nampianatra momba ny fandikana ny soratra masina izay nianarany tany amin’ny fiangonana hafa izay nandehanany taloha.

  • Inona no andraikitra niantsorohan’ny Mpaminany teto amin’ity toe-javatra ity? (Manitsy izay mety ho fotopampianarana diso nampianarina nandritra an’ilay fivoriana).

Hazavao fa ny mpitarika miahy ao amin’ny Fiangonana toy ny mpaminany, filohan’ny tsatòka ary eveka dia manana andraikitra amin’ny fakana antoka fa fotopampianarana marina no ampianarina ao amin’ny Fiangonana. Taorian’ilay fivoriana maraina dia nisakafo tao amin’ny tranon’i Sophronia anabavin’i Joseph i Joseph Smith sy i Orson Hyde ary ireo olona hafa vitsivitsy. Nandritra ny sakafo antoandro dia nilaza ny Mpaminany fa “hanolotra fanitsiana vitsivitsy tamin’ny lahateny nataon’ny [Rahalahy Hyde]” Izy. Namaly Rahalahy Hyde hoe: “Horaisiko amim-pankasitrahana izany” (ao amin’ny History of the Church, 5:323).

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba niatrehan’i Joseph Smith an’io toe-javatra io?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’i Orson Hyde an’ny Mpaminany?

Hazavao fa nandritra ny lahateniny tamin’ny maraina dia nandika vilana ny Jaona 14:23 i Orson Hyde. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andininy ity.

Ampahafantaro ny iray kilasy fa rehefa avy niresaka momba an’io andininy io i Orson Hyde dia nilaza tamin’ny olona izy fa “tombontsoa lehibe ho antsika ny manana ny Ray sy ny Zanaka mitoetra ao am-pontsika” (ao amin’ny History of the Church, 5:323). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 dia mirakitra ny fanitsian’ny Mpaminany Joseph Smith an’io hevitra io. Ahitana fampianarana fanampiny vitsivitsy ihany koa izany.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:1–3 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny antony nahadiso ny fanambaran’i Orson Hyde mikasika ny dikan’ny Jaona 14:23. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Hazavao fa maro ireo olona ankehitriny izay na tsy manana ny hevitra momba an’ Andriamanitra na angamba tahaka an’i Orson Hyde, izay mpitory Campbellite fahiny, ka diso ny fahatakarana ny toetran’ Ny Andriamanitra noho ireo fomban-drazana diso. Afaka manampy ny hafa hahatakatra ny toetra marin’ny Ray any An-danitra sy ny fifandraisan’izy ireo Aminy isika.

  • Ahoana no ahafahantsika mamaly amin-katsaram-panahy sy amin’ny fahatakarana rehefa mifanakalo hevitra momba ny filazantsara amin’ireo izay manana hevitra diso noho ny fomban-drazana diso isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ireo fotopampianarana izay azon’izy ireo hazavaina rehefa mampianatra ny hafa momba Ny Andriamanitra izy ireo.

  • Inona no fotopampianarana izay ampianarina amin’ireo andininy ireo? (Tokony hamantatra ireto fotopampianarana manaraka ireto ny mpianatra: Olona samy hafa izay manana vatana nofo sy taolana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny Fanahy masina dia manana vatana fanahy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra fa olona samy hafa izay manana vatana nofo sy taolana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

handout iconMba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay fotopampianarana momba Ny Andriamanitra dia tendreo izy ireo hiara-hiasa tsiroaroa. Omeo ny tahadikan’ity teny nambara ity ny vondron’ olon-droa tsirairay avy. Asao ireo mpianatra mba handalina ilay teny nambara miaraka amin’ny ekipany ka hanipika ireo fahamarinana momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay manaitra azy ireo.

Andriamanitra Ray: Amin’ny ankapobeny dia ny Ray na Elohima no tondroina amin’ny hoe Andriamanitra. Atao hoe Ray Izy satria Izy no rain’ny fanahintsika. … Andriamanitra Ray no mpanapaka faratampony amin’ny tontolo. Izy dia tsy toha … , mahalala ny zava-drehetra … , ary manerana izao rehetra izao amin’ny alalan’ny Fanahiny. … Ny olombelona dia manana fifandraisana manokana amin’ Andriamanitra izay manavaka ny olona amin’ireo zavatra nohariana hafa rehetra: ny lehilahy sy ny vehivavy dia zanak’ Andriamanitra araka ny fanahy. …

Andriamanitra Zanaka: Ny Andriamanitra fantatra amin’ny hoe Jehovah no Jesoa Kristy Zanaka. … Miasa eo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa ary mifandrindra tanteraka Aminy. Ny olombelona rehetra dia rahalahiny sy anabaviny, satria Izy no zokiny indrindra amin’ny zanak’i Elohima ara-panahy. [Izy no Mpanavotra izay nijaly noho ny fahotana sy ny fanaintainan’ny olombelona rehetra sy nandresy ny fahafatesan’ny vatana ho an’ny rehetra.] …

Andriamanitra Fanahy Masina: Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ihany koa ary atao hoe ny Fanahy na ny Fanahin’ Andriamanitra, ankoatra ireo anarana na fiantsoana hafa mitovy amin’izany [toy ny hoe ny Mpampionona]. Amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina no ahafantaran’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra Ray ary ahafantarany fa i Jesoa no Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Andriamanitra, Ny Andriamanitra,” scriptures.lds.org). Ny anjara asa voalohany iandraiketan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny momba an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy. Mampianatra sy manamafy ny fahamarinana ny Fanahy Masina.

Rehefa nahavita io asa nampanaovina io ireo mpianatra dia asaivo manao tatitra ny zavatra nasiany marika ny sasantsasany sady manazava ny antony mahatonga ireo fahamarinana ireo ho nanaitra azy ireo. Azonao atao ny mamarana io fiaraha-mientana io amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra iray na roa hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba Ny Andriamanitra amin’ny iray kilasy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fotopampianarana iray hafa izay nampianarin’i Joseph Smith an’ireo Olomasina tao Ramus dia asao izy ireo hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2 sy hitady ny zavatra nolazainy momba ny fifandraisantsika.

  • Inona no dikan’ny hoe fiaraha-miaina? (Ny fiaraha-miaina dia misy ifandraisany amin’ny toetran’ny fifaneraserantsika sy ny fifandraisantsika manokana.)

  • Inona no nampianarin’i Joseph Smith mikasika ny toetran’ny fifandraisantsika tany an-danitra? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Ny fifandraisana izay mety ananantsika any an-danitra dia mitovy amin’ireo izay ananantsika eto an-tany saingy hahitana voninahitra mandrakizay izany.)

  • Inona no mety fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fifaneraseranao amin’ny hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fijoroana ho vavolombelona manaraka momba ny fifandraisana mandrakizay ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Henry B. Eyring

“Noho ny famerenana amin’ny laoniny ny fahalalana momba ny fianakaviana mandrakizay dia manana fanantenana sy toetra tsara kokoa isika eo amin’ny fifandraisantsika rehetra ao amin’ny fianakaviana. Ny fifaliana lehibe indrindra eo amin’ity fiainana ity dia mifototra ao amin’ny fianakaviana, ary toy izany koa ny fisehony any amin’ny fiainana ho avy. Feno fankasitrahana aho noho ny fahatokiana ananako fa raha mahatoky isika dia ilay fiaraha-miaina misy eto amin’ity fiainana ity ihany no hiaraka amintsika mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy sy omban’ny voninahitra mandrakizay” [jereo ny F&F 130:2] (“Ilay Fiangonana marina sy velona,” Ensign na Liahona, mey 2008, 22).

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fifandraisany amin’ny hafa, indrindra amin’ny fianakaviany. Asao izy ireo hanoratra tanjona iray hanamafisana orina ireny fifandraisana ireny.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ireo fotopampianarana hafa izay nampianarin’ny Mpaminany nandritra io fivoriana tao Ramus io dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:4–11.

  • Inona no zavatra ianarantsika momba ny anjely avy amin’ny andininy 4–7?

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny andininy 9 mikasika ny hoavin’ny tany?

Azonao atao ny manazava fa araka ny voalazan’ny andininy 10–11 dia handray ny Orima sy Tomima avokoa ireo rehetra izay mandova ny fanjakana selestialy mba hanampiana azy ireo hianatra sy hahatakatra momba an’ireo zavatra any an-danitra. Tsy nanome fampahalalana bebe kokoa momba io fampianarana io ny Mpaminany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:8–9. “Ny devoly ho toy ny anjelin’ny fahazavana”

“Miezaka ny mamitaka i Satana amin’ny alalan’ny fakana tahaka ny fahazavana izay manaraka ny fanahin’ny olona marina natao fanaperana. Ny olona marina natao fanaperana izay tonga ho iraka dia hiseho amin’ny voninahiny, ‘satria izay ihany no fomba ahafahany miseho’ (F&F 129:6). Indray andro dia nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: ‘Manana ny kiadiny sy ny fetrany ary ny lalàna izay mifehy azy ireo fanahy ratsy … ary hita miharihary tokoa fa manana hery izy ireo izay tsy misy afaka mifehy raha tsy ireo manana ny fisoronana ihany’ (ao amin’ny History of the Church, 4:576).

“Nampianatra ny Mpaminany fa rehefa angatahana hifandray tanana ny devoly dia ‘hanolotra ny tanany izy’ (F&F 129:8). Tsy hahatsapa na inona na inona ilay olona mety maty satria ny devoly dia fanahy tsy manam-batana. Noho izany azo atao ny manavaka azy, araka izany fomba izany, amin’ny fanahy marina na anjely nirahin’ Andriamanitra. Ny olona marina dia tsy hiezaka ny hamitaka (jereo ny F&F 129:7); ny anjelin’i Satana dia tsy hitsahatra ny hiezaka ny hamitaka” (Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 321).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:9. Inona no ho avin’ity tany ity sy ireo izay mitoetra eo aminy?

Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe:

Filoha Brigham Young

“Rehefa ho lasa amin’ny endriny selestialy izany [ny tany] dia ho tahaka ny masoandro, ka homanina ho lasa fonenan’ireo Olomasina ary haverina eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka. Dia tsy ho vatana tsy tantera-kazavana toy ny ankehitriny izy fa ho tahaka ireo kintana eny amin’ny habakabaka, feno fahazavana sy voninahitra. Ho vatana feno fahazavana izany.—Nampitahain’i Jaona tamin’ny ranomasina fitaratra izany rehefa tao amin’ny toetrany selestialy” (“Sermon,” Deseret News, 15 jona 1859, 114).

Tokony ho roa taona taty aoriana dia hoy izy:

Filoha Brigham Young

“Ity tany ity, rehefa nodiovina sy nohamasinina, na natao amin’ny endriny selestialy, dia ho lasa tahaka ny ranomasina fitaratra, ka ny olona iray dia afaka mahafantatra ireo zavatra lasa sy ankehitriny ary ho avy amin’ny alalan’ny fijerena izany. Saingy tsy misy afaka mahazo an’io tombontsoa io afa-tsy ireo olona lasa selestialy ihany. Hijery ny tany izy ireo ka ho aseho azy ireo ny zavatra izay iriany hofantarina, tahaka ny tarehy hita amin’ny alalan’ny fijerena fitaratra iray” (“Remarks,” Deseret News, 3 jolay 1861, 137).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23. Ny Andriamanitra

Nanambara tamin’ny fomba hentitra ny fisian’ Ny Andriamanitra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fanekem-pinoantsika voalohany sady manan-danja indrindra ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hoe ‘Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika, ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina’ [Fanekem-pinoana 1:1]. Mino isika fa ireo olona masina telo ireo izay mandrafitra ny hoe ny Andriamanitra tokana dia iray eo amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany, sy ny fijoroany ho vavolombelona ary eo amin’ny iraka tanterahiny. Mino isika fa Izy Ireo dia samy henik’ilay toetra araka an’ Andriamanitra feno famindram-po sy fitiavana, fahamarinana sy fahasoavana, sy faharetana, sy famelan-keloka ary fanavotana. Mihevitra aho fa mety tsara ny ilazana fa mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsyny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho olona iray, hevitra iray araka ny Trinité izay tsy mbola voalaza mihitsy ao amin’ny soratra masina satria tsy marina.

“Ny loharano iray izay manana ny maha-izy azy antsoina hoe Rakibolan’ny Baiboly nataon’i Harper dia mirakitra tokoa ‘fa ny fotopampianarana mazava momba ny telo izay iray araka ny namaritan’ny filan-kevitry ny fiangonana lehibe azy tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy dia tsy hita ao amin’ny [Testamenta Vaovao]’ [Paul F. Achtemeier, ed. (1985), 1099; nampiana fanamafisana].

“Noho izany izay mety ho fitsikerana fa Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy mino ny foto-kevitry ny Kristiana ankehitriny momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia fanamarihana tsy mahakasika ny fanoloran-tenantsika amin’i Kristy fa fiekena kosa (izay marina tsara) fa ny foto-kevitsika momba Ny Andriamanitra dia tsy mifanaraka amin’ny tantaran’ny Kristiana taorian’ny Testamenta Vaovao fa miverina kosa amin’ny fotopampianarana nampianarin’i Jesoa mihitsy. …

“Manambara izahay fa mibaribary avy amin’ny soratra masina fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia olona telo miavaka, samy andriamanitra” (“The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 40, 41).