Seminera sy Institiota
Lesona 111: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:1–107:20


Lesona 111

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:1–107:20

Fampidirana

Nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106 ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 25 nôvambra 1834. Niantso an’i Warren A. Cowdery, zokin’i Oliver Cowdery, ny Tompo tao anatin’izany fanambarana izany mba hiahy ny Fiangonana tany Freedom, New York sy ireo fiarahamonina manodidina. Nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 i Joseph Smith tokony ho tamin’ny volana aprily 1835 rehefa niomana hanao asa fitoriana tany atsinanan’i Etazonia avokoa ireo mpikambana rehetra tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tao anatin’ny teny nambara an-tsoratra dia niteny ny Roambinifololahy hoe: “Efa akaiky ny fotoana hisarahantsika; ary Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny fotoana hihaonantsika indray; koa mangataka amin’ilay olona izay ekenay ho Mpaminany sy Mpahita izahay, mba hangatahany amin’ Andriamanitra ho antsika, ka hahazoany fanambarana, … mba hiandrandrantsika izany rehefa misaraka isika, mba hampaherezana ny fontsika (ao amin’ny History of the Church, 2:209–10). Noraketina tamin’ny 1835 ilay fanambarana, kanefa “ireo rakitra ara-tantara dia manamafy fa ny ankamaroan’ny andininy 60 ka hatramin’ny 100 dia ahitana fanambarana izay nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith tamin’ny 11 nôvambra 1831” (fampidirana ny F&F 107). Ity no lesona voalohany amin’ny lesona telo ao anatin’ity boky torolalana ity momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106

Miantso an’i Warren Cowdery ho mpisorona avo mpiahy any in Freedom, New York ny Tompo

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny fotoana iray izay nanohanan’izy ireo ny eveka ny filohan’ny sampana vaovao.

  • Inona araka ny eritreritrareo no tsapan’ilay olona rehefa notohanana izy?

Hazavao fa tamin’ny 1834 dia niaina fitomboana goavana ny Fiangonana tany Freedom, New York, izay 320 kilaometatra latsaka kely avy teo Kirtland, Ohio. Niantso mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hiahy ny mpikambana tany ny Tompo. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:1–3.

  • Inona no nasain’ny Tompo nataon’i Warren Cowdery?

Hazavao fa ny fahatsapan’ny Rahalahy Cowdery dia mety hitovy tamin’ny an’ireo eveka na filohan’ny sampana vaovao amin’izao fotoana izao. Nizara teny mampahery ny Tompo rehefa nanaiky ny antsony vaovao ny Rahalahy Cowdery. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony nankasitrahan’ny Tompo an’ny Rahalahy Cowdery.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “nitsaoka ny tehim-piandrianako”? (Mba hanampiana ny mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manazava fa ny tehim-piandrianana dia tehina lava izay entin’ny mpanjakalahy sy ny mpanjakavavy. Mariky ny fahefana izany.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “nanala ny tenany tamin’ny famitahan’ny olona”?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Raha , dia . Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torohevitra sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo ny Rahalahy Cowdery. Asao ny mpianatra mba hanoratra izay hitan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana fitsipika iray misy ny hoe “raha–dia” ao anatin’ny soratra masiny. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo fitsipika hitan’izy ireo. (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony haneho izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha manetry ny tenantsika eo anoloan’ny Tompo isika dia hanana indrafo amintsika Izy sy hankahery antsika ary hanome famindram-po sy toky ho antsika.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hankaherezan’ny Tompo ireo izay manetry ny tenany eo anoloany?

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mahazo ireo fitahiana nampanantenaina tamin’i Warren Cowdery isika raha toa ka manetry ny tenantsika eo anoloan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20

Nampianatra momba ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna ny Tompo

Hazavao fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 dia nanampy tamin’ny fanazavana ny rafitra sy ireo andraikitry ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Kôlejin’ny Fitopololahy.

Vakio ireo famaritana manaraka izao momba ny mpaminany iray tao amin’ny Testamenta Taloha. Asao ny mpianatra mba hamantatra hoe iza araka ny eritreritreriny no faritanao.

Io mpaminany io dia “lehilahin’ny finoana, izay niasa fahamarinana; ary raha mbola zaza izy dia natahotra an’ Andriamanitra sy nanakombona ny vavan’ny liona ary namono ny fidedadedan’ny afo” ( Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Tamin’ny naha-mpanjakan’i Salema azy dia “nanorina fiadanana teo amin’ny tany tamin’ny androny; koa nantsoina hoe andrian’ny fiadanana izy” (Almà 13:18). Nandoa ny fahafalonkarenany taminy ny mpaminany Abrahama (jereo ny Almà 13:15).

Rehefa avy miezaka mamantatra ny anaran’ity mpaminany ity ny mpianatra vitsivitsy dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Melkizedeka. Angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4 ka hitady izay ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba an’i Melkizedeka.

  • Inona no niantsoana ny Fisoronana Melkizedeka talohan’ny andron’i Melkizedeka? Nahoana izany no antsoina hoe Fisoronana Melkizedeka ankehitriny?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra ny Fisoronana Melkizedeka. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny ao amin’ny andininy 3.

  • Inona no torohevitra avy amin’ity fitsipika ity momba ny fomba tokony hanatanterahan’ireo mpihazona ny fisoronana ny andraikitr’izy ireo?

Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Rehefa ampiasaina araky ny tokony ho izy ny fahefan’ny fisoronana dia hanao izay ho nataon’ [i Jesoa Kristy] ireo mpihazona ny fisoronana, raha toa ka teto an-tany Izy” (“Ny herin’ny fisoronana,” Ensign, mey 2010, 7).

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto rafitra ao amin’ny Fiangonana manaraka ireto: Fikambanana Ifanampiana, Sekoly alahady, Zatovolahy, Zatovovavy, ary Kilonga. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:5, 8–9 ka hikaroka ireo teny na andian-teny izay mampianatra ny fomba ifandraisan’ireo rafitra ireo amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no atao hoe tovana? (Ampahany amin’ny vatana iray, toy ny sandry na tongotra.)

  • Araka ny andininy 18, inona no fahefana hazonin’ny Fisoronana Melkizedeka? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra izao fahamarinana manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Ny Fisoronana Melkizedeka dia mihazona ny zon’ny fiadidiana sy ny hery ary ny fahefana eo amin’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny Fiangonana, ary ny fahefana hitantana ny zavatra ara-panahy. Hazavao fa ny “fitantanana ny zavatra ara-panahy” dia ahitana ny fanatanterahana ireo tsodrano sy ôrdônansy ary fanekempihavanana.)

Hazavao fa ilay fiadidiana voalaza ao amin’ny andininy 9 dia ny Fiadidiana Voalohany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:10 ary angataho ny mpianatra mba hitady hoe iza ihany koa no manana ny zo hitantana eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany. Rehefa manao tatitra ny zavatra nianarany ny mpianatra dia ampio izy ireo mba hahatakatra fa mitantana eo amin’ny faritra misy azy eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany ireo fiadidian’ny tsatòka sy ny episkôpà.

Ivereno ireo anarana fikambanana izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fifandraisana eo amin’ireo fikambanana ireo sy ireo mpitarika ny fisoronana ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Joseph F. Smith:

Filoha Joseph F. Smith

“Tsy misy fanjakana misaraka sy mitokana, ambony, na ivelan’ny Fisoronana masina na ny fahefan’izany ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. … Tsy ivelan’izany na ambonin’izany, na tsy takatr’izany [ireo vondrona fanampiny]. Manaiky ny fitsipiky ny Fisoronana izy ireo. Na aiza na aiza misy azy ireo dia misy mandrakariva izy ireo miaraka amin’ny fijery mba hanatanteraka zava-tsoa sy fanavotana ny fanahy na ara-batana na ara-panahy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 341–42).

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18–19 mba hahitana ireo fahefana fanampiny hazonin’ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Araka ny andininy 18, inona no fahefana hazonin’ny Fisoronana Melkizedeka? (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao rehefa hitan’ny mpianatra izany: Ny Fisoronana Melkizedeka dia mihazona ny fanalahidin’ ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ ny Fiangonana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinana ity dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo teny manaraka izao izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith. Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo fitahiana ara-panahy izay azo avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka.

Mpaminany Joseph Smith

“[Ny Fisoronana Melkizedeka] no lalana izay hanambarana avy any an-danitra ny fahalalana rehetra, ny fotopampianarana, ny drafitry ny famonjena, ary ny zavatra manan-danja rehetra” (ao amin’ny History of the Church, 4:207).

  • Inona tamin’ireo fitahiana ara-panahy voafaritra ao amin’ny andininy 19 no manaitra anareo? Nahoana?

Ampio ny mpianatra mba hahatakatra fa ireo izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia tokony hampiasa izany mba hanampiana ny olona hafa handray ireo fitahiana toy ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ireo fitahian’ny tempoly.

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay azonareo tamin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka?

Hazavao ihany koa fa mamariparitra ireo fahamarinana nambara amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna ihany koa ny Tompo. Manasà mpianatra telo mba hifandimby hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:13–14, 20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fahefana izay hazonin’ny Fisoronana Aharôna.

  • Inona no fahefana hazonin’ny Fisoronana Aharôna? (Tokony hamantatra izao fotopampianarana manaraka izao ny mpianatra: Ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy mitantana ireo ôrdônansy ivelany.)

  • Inona no ôrdônansy voalaza ao amin’ny andininy 20? Ordônansy ivelany hafa inona koa no tantanana amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna? (Ny fanasan’ny Tompo.)

  • Inona no fitahiana sasany izay azonareo tamin’ny alalan’ny Fisoronana Aharôna?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto:

Ireo anjara fanompoan’ny Fisoronana Melkizedeka Ireo anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna

Mialoha ny fotoam-pianarana dia soraty amin’ny taratasy misaratsaraka ireto anjara fanompoan’ny fisoronana manaraka ireto: diakona, mpampianatra, mpisorona, eveka, loholona, mpisorona avo, patriarka, Fitopololahy, Apôstôly. Apetraho ao anaty fitoeran-javatra ireo taratasy ary aza atao milahatra.

Eto dia zarazarao amin’ny mpianatra vitsivitsy ireo taratasy. Asao ireo mpianatra mba ho eny amin’ny solaitrabe ka hametraka ny anjara fanompoana tsirairay eo ambanin’ilay lohateny mifanaraka amin’izany.

Mety hiteny ny mpianatra sasany fa ny anjara fanompoan’ny eveka dia anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Raha manao izany izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:13, 15. Angataho ny mpianatra mba hampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hamantarana ny toerana tokony hametrahany ny anjara fanompoan’ny eveka eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa ny anjara fanompoan’ny eveka dia anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Ny eveka no filohan’ny Fisoronana Aharôna ary mpisorona avo miahy ao amin’ny paroasiny. (Marihina fa ny fiantsoana ho taranak’i Aharôna ara-bakiteny, araka ny voalaza ao amin’ny andininy 16–17, dia voaresaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:15–21 sy ao amin’ny lesona 74.)

Ataovy izay hametrahana araka ny tokony ho izy eny amin’ny solaitrabe ireo anjara fanompoana. (Ireo anjara fanompoan’ny Fisoronana Melkizedeka dia ny loholona, mpisorona avo, patriarka, Fitopololahy, Apôstôly. (Ireo anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna dia ny diakona, mpampianatra, mpisorona ary eveka.) Hazavao fa ireo lisitra ireo dia hanampy ny mpianatra amin’ireo lesona roa manaraka, izay hianaran’izy ireo bebe kokoa momba ireo anjara fanompoan’ny fisoronana.

Farano amin’ny fanasana ny mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba izay nianarany sy tsapany tao am-pianatra androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1. Inona no fifandraisana eo amin’ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Mpaminany Joseph Smith

“Na dia misy Fisoronana roa aza dia mbola tafiditra ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka ihany ny Fisoronana Aharôna na Fisoronan’i Levy, ary izany no lohany indrindra, sy mihazona ny fahefana ambony indrindra mahakasika ny Fisoronana sy ireo fanalahidin’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ny vanim-potoana rehetra teto amin’izao tontolo izao ka hatramin’ny taranaka farany indrindra eto an-tany, ary izany no lalana izay hanambarana avy any an-danitra ny fahalalana rehetra, ny fotopampianarana, ny drafitry ny famonjena, ary ny zavatra manan-danja rehetra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 108).

“Melkizedeka avokoa ny fisoronana rehetra; saingy misy ampahany na ambaratonga samy hafa ao amin’izany. … Nanana ny Fisoronana Melkizedeka avokoa ireo mpaminany rehetra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 109).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8–9, 18. Ireo Fanalahidin’ny Fisoronana

“Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana dia tantanan’ ireo izay mihazona ireo fanalahidiny (jereo ny F&F 65:2; 81:2; 124:123). Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia manana zo hiahy sy hitarika ny Fiangonana eo amin’ny sehatra iray iandraiketany.

“I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana mikasika ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Izay Apôstôly velona, efa ela niasana indrindra velona, ny Filohan’ny Fiangonana, no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana (jereo ny F&F 43:1–4; 81:2; 107:64–67, 91–92; 132:7).

“Ireo Fitopololahy dia miasa amin’ny alalan’ny fanomezana andraikitra sy ny fanomezana fahefana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ireo Filohan’ny Vondrom-paritra dia voatendry hitantana vondrom-paritra rehefa nomena lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy. Ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia atokana ary omena ireo fanalahidy hiahiana ireo Kôlejin’ny Fitopololahy.

“Manome ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana ny Filohan’ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo miahy ao amin’ny faritry ny andraikitra sahanin’izy ireo. Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia omena ireo filohan’ny tempoly, filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, filohan’ny distrika, eveka ary filohan’ny sampana. Izany fahefana hiahy izany dia tsy manankery raha tsy amin’ny andraikitra izay nanendrena azy ihany sy ao anatin’ny fari-piadidian’ny antson’ny mpitondra tsirairay. Rehefa hisaorana amin’ny antsony ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tsy mihazona intsony ireo fanalahidy mifandraika amin’izany.

“Ireo mpanolotsain’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tsy mandray fanalahidy. Atokana izy ireo ary miasa ao amin’ny antsony amin’ny alalan’ny fanendrena sy fanomezam-pahefana.

“Ireo vondrona fanampiny rehetra ao amin’ny paroasy sy tsatòka dia miasa eo ambany fitarihan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka, izay mihazona ireo fanalahidy ahafahana miahy. Ireo filohan’ny vondrona fanampiny sy ireo mpanolotsainy dia tsy mandray fanalahidy. Mahazo fahefana natolotra izy ireo mba hanaovana asa ao amin’ny antsony” (Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 2.1.1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8–12. Ny Fiadidiana Voalohany, ny fiadidian’ny Fisoronana Melkizedeka

“Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Tompo dia manambara ny sitrapony amin’ny alalan’ny fiadidian’ny Fisoronana Melkizedeka, izay midika hoe ny Fiadidiana Voalohany: ‘Tsy hafa amin’ny Fisoronan’ny Zanak’ Andriamanitra ny Fisoronana Melkizedeka; … misy ôrdônansy sasany izay an’ilay Fisoronana, izay ahitana karazana voka-tsoa miboiboika avy amin’izany; ary ireo Filoha na ny Fiadidiana no miahy ny Fiangonana; ary tonga amin’ny alalan’ny Fiadidiana ireo fanambarana ny eritreritra sy ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonana. Izany no lamin’ny lanitra, sy ny hery ary ny tombontsoan’izany Fisoronana izany’ (ao amin’ny History of the Church, 2:477)” (Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Church Educational System manual, 2001], 263).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18 Ny Fisoronana Melkizedeka dia mihazona “fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana”

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

Filoha Spencer W. Kimball

“Ny Fisoronana Melkizedeka no fitaovana hanaovan’ny Tompo asa amin’ny alalan’ny lehilahy mba hanavotana fanahy. Very ny olombelona raha toa ka tsy misy izany herin’ny fisoronana izany. Amin’ny alalan’izany fisoronana izany ihany ny lehilahy no ‘mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana,’ mahatonga azy handray ‘ny misterin’ny fanjakan’ny lanitra, ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany (jereo ny F&F 107:18–19), mahatonga azy hiditra ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ka hanana ny vadiny sy ny zanany ho voafehy aminy amin’ny fatotra maharitra mandrakizay, mahatonga azy ho patriarka mandrakizay ho an’ny taranany, ary mahatonga azy handray ny fahafenoan’ireo fitahian’ny Tompo” (“The Example of Abraham,” Ensign, jona 1975, 3; jereo ihany koa ny Doctrine and Covenants Institute Student Manual, ed. faharoa [Church Educational System manual, 2001], 263).

Nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana mifanaraka amin’ny Fisoronana Melkizedeka ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Nahita ny herin’ Andriamanitra niseho tao an-tokantranoko sy teo amin’ny asa fanompoako aho. Nahita ny ratsy voahitsy aho ary ny zavaboary voafehy. Fantatro ny dikan’ny hoe mamindra tendrombohitry ny fahasarotana sy mampisaraka Ranomasina Mena goavana. Fantatro ny dikan’ny hoe manana ny anjely mpandringana ‘handalo azy ireo’ [F&F 89:21]. Fitahiana lehibe ho ahy sy ho an’ny fianakaviako araka izay nantenaiko teo amin’ity izao tontolo izao ity ny nandraisako ny fahefana sy ny nampiasako ny herin’‘ilay Fisoronana Masina, araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra’ [jereo ny F&F 107:1–3]. Ary amin’ny farany dia izany no hevitry ny fisoronana amin’ny teny tsotra—dia ny fahafahany mitahy tsy misy toa izany, tsy misy fiafarany ary tsy tapaka” (“Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey 2005, 45).