Seminera sy Institiota
Lesona 2: Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana


Lesona 2

Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana “ireo fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ireo fanambarana avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy, nomena mba ho fanorenana sy ho fitantanana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’ny andro farany” (Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana). Amin’ny alalan’ny fandalinana ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy sy mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana ny mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ahitana ireo fanambarana azon’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpandimby azy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fametrahana izao fanontaniana manaraka izao amin’ny mpianatra:

  • Araka ny hevitrareo, inona avy ireo boky izay ahitan’izao tontolo izao tombontsoa ny famakiana azy? Nahoana? (Manehoa boky vitsivitsy izay azonao atolotra.)

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao izay nambaran’i Joseph Smith. Asaivo mihaino ny zavatra nampianaran’ny Mpaminany mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny mpianatra.

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“[Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no] fototra iorenan’ny Fiangonana amin’izao andro farany izao, sy tombontsoa iray ho an’izao tontolo izao, izay mampiseho fa ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakan’ny Mpamonjintsika dia nomena ny olona indray” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007],

Hazavao fa tena tombontsoa ho an’izao tontolo izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ka nanambara ny Filoha Joseph Fielding Smith fa “manan-danja ho antsika noho ny haren’ny tany izany” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols [1954–56], 3:199). Amporisiho ny mpianatra mba hitady mandritra ny lesona anio ireo fomba ahazoany tombontsoa eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ireo mpianatra hanokatra ny pejin-dohatenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Hazavao fa mba hahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho mahasoa dia tsy maintsy mahatakatra aloha isika hoe inona no atao hoe Fotopampianarana sy fanekempihavanana. Asaivo mamaky mafy ny pejin-dohateniny sy ny fehezanteny voalohany ao amin’ny fampidirana ny mpianatra iray.

  • Ahoana no hamaritanao ny teny hoe fotopampianarana? Inona no atao hoe fanekempihavanana ? Inona no atao hoe fanambarana? (Mety ilainao ny manazava fa ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra sy mandrakizain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy; ny fanekempihavanana dia fifanekena masina iray eo amin’ Andriamanitra sy ny zanany; ary ny fanambarana dia fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny zanany. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ireo famaritana ireo ary amporisiho ny mpianatra mba handika izany eo amin’ny pejin-dohateny ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

Asaivo mankeo amin’ny andiam-pehezan-teny fahavalo ao amin’ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny mpianatra (manomboka eo amin’ny “Ampahafantarina ao amin’ireo fanambarana …”). Hazavao fa ity andiam-pehezan-teny ity dia mitanisa ireo ohatra sasany amin’ireo Fotopampianarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny fehezanteny voalohany ary hamantatra ny fotopampianarana iray na maromaro izay tian’izy ireo ny hianarana bebe kokoa.

  • Inona avy ireo fotopampianarana izay tianareo ny hianarana bebe kokoa? Ahoana araka ny eritreritrareo no fomba hahazoanareo tombontsoa avy amin’ny fahalalana sy fahatakarana bebe kokoa momba ireo fahamarinana ireo?

Hazavao fa na dia tena manan-danja tokoa aza ny fahafantarana ireo fotopampianarana ireo, ny tena lanjan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia hita ao amin’ny fahamarinana faran’izay manan-danja ao anatiny. Asao ny mpianatra iray hamaky ny fehezanteny farany ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahavalo, ary asao ny mpianatra mba hanaraka izany sy hitady ilay fahamarinana izay mahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho tena manan-danja.

  • Inona no mahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho “manan-danja tokoa”? Nahoana ny tenivavolombelona omena momba an’i Jesoa Kristy no sarobidy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampitomboan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fijoroana no vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy isika.

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba mety hahazoan’ny fiainany tombontsoa avy amin’ny fananana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Mpamonjy. Zarao ny fomba nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezanteny faharoa ao amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny fampidirana. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra hoe feon’iza no ho ren’izy ireo ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika dia afaka mandre ny feon’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36. Asao ny kilasy mba hanaraka ny vakiteny, ka hitady ny fomba ahafahantsika mandre ny feon’ny Tompo rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika.

  • Inona no azontsika ijoroana ho vavolombelona raha toa ka mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika?

Azonao hazavaina fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ireo voambolana toy ny hoe “ny Tompo” na “Andriamanitra” dia milaza an’i Jesoa Kristy amin’ny ankapobeny. Izy no miteny ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana iray manontolo.

Asaivo mamaky mafy ny andiam-pehezan-teny fahatelo ao amin’ny fampidirana ny mpianatra iray. Asao ny kilasy mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo teny izay mamaritra ny feon’ny Mpamonjy. (Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.)

  • Inona no teny nampiasaina mba hamariparitana ny feon’ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo tombontsoa izay mety ho tonga eo amin’ny fiainanao noho ny fahafahana mandre sy mahafantatra ny feon’ny Tompo? (Hazavao fa mandritra ny herinandro vitsivitsy ho avy dia hianatra momba ireo fomba hafa handrenesana ny feon’ny Tompo ny mpianatra ary hamantatra ny fotoana hiresahany amin’izy ireo.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny tombontsoa ho azon’izy ireo eo amin’ny fiainany avy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia asehoy ny sarin’ireo olona sasany resahina ao amin’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Rahalahy Joseph (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 87; jereo ihany koa ny LDS.org), Emma Smith (lah. 88), Jaona Mpanao Batisa manome ny fisoronana Aharona (lah. 93), Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana Melkizedeka (lah. 94), Elia niseho tao amin’ny tempolin’i Kirtland (lah. 95). Hazavao fa eo am-pandalinany ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia hianatra zavatra manan-danja mikasika ireo olona ireo izy ireo. Asaivo mamaky ireo fehezanteny roa voalohany ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahenina ao amin’ny fampidirana ny mpianatra iray (manomboka amin’ny hoe “Ho valin’ny vavaka natao …”). Asao ny kilasy mba hanaraka ny vakiteny ary hamantatra ireo toe-javatra mitranga izay nahazoana ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo.

Sary
Mpaminany Joseph Smith
Sary
Emma Smith
Sary
Nanome ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa
Sary
Ny famerenana ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny laoniny
Sary
Miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Elia
  • Andian-teny inona avy amin’ity andiam-pehezan-teny ity no mamaritra ny toe-javatra nitranga izay nahazoana ireo fanambarana ireo? (“Tamin’ny valim-bavaka,” “tamin’ny fotoana nanahirana,” ary “tamin’ny toe-javatra tena niainana”).

Mampisehoa taratasy iray misy soratra hoe Ianao. Hazavao fa tahaka ireo olona tsirairay tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia mandalo toe-javatra mitranga izay ilantsika fitarihana avy any an-danitra koa isika. Asao ireo mpianatra hamaritra toe-javatra izay mety hitranga mandritra ny taom-pianarana ka mety hahazoany tombontsoa avy amin’ny fitarihan’ny Tompo. Manasà ankizy iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Hazavao fa ny fanambarana tsirairay izay hianaran’ny mpianatra amin’ity taona ity dia vavolombelona fanampiny fa tena velona marina Andriamanitra, miresaka amin’ny zanany Izy, ary mitarika ny Fiangonany Izy.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo vavolombelona fanampiny ireo manampy anao rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra ianao?

  • Araka ny zavatra novakinao tao amin’ny andiam-pehezan-teny fahenina ao amin’ny fampidirana, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fitarihana avy any an-danitra amin’ny fotoana ilantsika izany?

Ampio ny mpianatra hamantatra fitsipika iray avy amin’ny andiam-pehezan-teny fahenina amin’ny alalan’ny fanoratana ity fehezan-teny tsy feno ity eo amin’ny solaitrabe : Raha toa isika , dia ny Tompo.

Asao ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny famenoana ity fanambarana ity. Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hahitana taratra izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo : Raha toa isika mangataka fanampiana amin’ny fotoana mahasahirana antsika dia hanome fitarihana antsika ny Tompo.

Asaivo mijery ny andiam-pehezan-teny fahefatra sy fahadimy ao amin’ny fampidirana ny mpianatra. Fintino ireo andiam-pehezan-teny ireo amin’ny alalan’ny fanazavana fa mitondra famintinana ireo zava-nitranga manan-danja ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Kristy eto an-tany izany, anisan’izany ny Fahitana Voalohany sy ireo fahitana masina hafa, ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana, ary ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Lazao ny mpianatra fa hianatra bebe kokoa momba ireo zava-nitranga masina ireo izy ireo mandritra ny fandaharam-pianarany. Hazavao fa tonga ireo traikefa masina ireo rehefa nikatsaka ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo hafa.

  • Oviana ianao no niatrika toe-javatra niseho izay nilanao ny fanampiana na ny fitarihan’ny Tompo ka azonao izany?

Asao ny mpianatra hijery ny “Tenivavolombelon’ireo Apôstôly Roa Ambin’ny Folo ny amin’ny Fahamarinan’ny Boky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” izay ao anatin’ny fampidirana. Asaivo mamaky mafy ny andiam-pehezan-teny roa voalohany ny mpianatra iray (manomboka eo amin’ny hoe “Noho izany izahay dia vonona …”). Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra ireo andian-teny izay manaitra azy ireo.

  • Andian-teny inona avy amin’ny tenivavolombelon’ny Apôstôly Roa Ambiny Folo momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no manaitra anao? Nahoana?

Rehefa avy namaly ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo fa tany amin’ny fiantombohan’ny lesona dia namporisihana izy ireo mba hitady fomba ahafahan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho tonga tombontsoa eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba antenainy fa hitondran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tombontsoa eo amin’ny fiainany ary inona no hataony mba hahatanteraka izany.

Rehefa avy manoratra ny mpianatra dia amporisiho izy ireo handalina ombam-bavaka isan’andro ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandritra ity taom-pianarana ity ho fomba iray hanampiana azy ireo hihaino ny feon’ny Mpamonjy sy hahazo fitarihana avy Aminy. Azonao faranana amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fomba nanampian’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana anao hahazo ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainanao izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no ifandraisan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Nampianatra ny ifandraisan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Filoha Ezra Taft Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia navoaka niaraka amin’ny maha-fanambarana avy amin’ny Andriamanitr’Isiraely izany mba hanangonana sy hanomanana ny vahoakany amin’ny fahatongavan’ny Tompo fanindroany. …

“Mifampijoro ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Tsy afaka mino ny iray ianao kanefa tsy mino ny anankiray. …

“Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ilay rohy mampitambatra ny Bokin’i Môrmôna sy ny asa mitohin’ny Famerenana amin’ny Laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpandimby azy. …

“Mitondra ny olona ho eo amin’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mitondra ny olona ao amin’ny fanjakan’i Kristy, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, –Ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo– [F&F 1:30]. Fantatro izany.

“Ny Bokin’i Môrmôna no –vato ifaharan’ny– finoantsika, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no tilikambo, miaraka amin’ny fanambarana mitohin’ny andro farany. Napetraky ny Tompo teo amin’ny vato ifaharana sy ny vato faratampony ny tombokase maneho ny fankatoavany” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, mey 1987, 83).

Nanomboka tany amin’ny fanambarana ka hatramin’ny famoahana: Ireo edisiôna samihafa an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Tamin’ny Nôvambra 1831 dia nihaona tamin’ireo loholona tao Hiram, Ohio ny Mpaminany Joseph Smith. Nanapa-kevitra io vondron’olona io fa hanambatra sy hamoaka ny sasany amin’ireo fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany. Nisafidy fanambarana 65 izy ireo ary nanome anarana izany fitambaran’ny fanambarana samihafa izany hoe ny Bokin’ny Didy. Voatonta avokoa ny ankamaroan’ireo fitambaran’ny fanambarana samihafa tamin’ny fahavaratra 1833 saingy nosimbain’ny mpisotasota avokoa ny ankamaroan’ny tahadika. Vokatr’izany dia tahadika vitsy sisa no misy amin’izao fotoana izao. Nankatoavina sy navoaka ny boky iray hafa tamin’ny 1835. Ity boky navoaka iray ity dia ahitana ireo Lahateny momba ny Finoana (jereo ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana) ary fanambarana miisa 103. Ity boky navoaka ity noho izany no nitondra voalohany ny anarana hoe Fotopampianarana (ireo lahateny) sy Fanekempihavanana (ireo fanambarana). (Jereo ny History of the Church,2:243–251.)

Nisy famoahana vitsivitsy hafa (izay nanampy fanambarana vaovao na nanisy fanovana kely tamin’ny fikambanana ny tsirairay tamin’izany) dia natonta isaky ny fotoana voafaritra hatramin’ny 1981, fotoana izay namoahan’ny Fiangonana ny boky telo mitambatra vaovao, tamin’ny teny Anglisy, miaraka amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy soratra masina mifandray ary fanovozan-kevitra manaraka ny abidia vaovao izay nampitomboina. Tamin’izany fotoana izany no nampidirana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fizarana faha-137 sy faha-138 izay ahitana ny fahitana hitan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1836 momba ny fanjakana selestialy sy ny fahitana hitan’ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny 1918 momba ny fanavotana ny maty, izay samy nankatoavin’ny Fiangonana ho soratra masina tamin’ny 1976 ary nampidirina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy tany am-piandohana. Ny boky navoaka tamin’ny 1981 dia ahitana fizarana miisa 138 sy filazana ôfisialy roa: ny Manifestô izay navoakan’ny Filoha Wilford Woodruff ary ny fanambarana momba ny fisoronana izay navoakan’ny Filoha Spencer W. Kimball. Nanao filazana momba ny edisiôna vaovaon’ny soratra masina amin’ny teny Anglisy ny Fiadidiana Voalohana tamin’ny 1 martsa 2013. Ny ankamaroan’ny fanovana izay natao tamin’ity boky navoaka ity dia teo amin’ny fanampiana amin’ny fandalinana na ny lohatenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana na teo amin’ny fampidirana fanitsiana madinidinika amin’ny fanoratana ny lahatsoratra. (Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ny antsipirian’ireo fanontana samihafa ireo dia jereo ny tabilaom-pifandraisana momba ireo fanambarana ao amin’ny “Laharan’ny Fizarana Mifanaraka ao amin’ireo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana natonta,” JosephSmithPapers.org/reference/library.)

Hamoaka printy