Seminera sy Institiota
Lesona 154: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–24,38– 50


Lesona 154

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–24, 38–50

Fampidirana

Ny 3 ôktôbra1918 tao amin’ny Beehive House tany Salt Lake City (trano izay nipetrahan’ny Filoha Brigham Young tamin’izy Filohan’ny Fiangonana), dia nahita fahitana ny Filoha Joseph F. Smith izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. Tao amin’io fahitana io ny Filoha Smith dia nahita ny Mpamonjy, teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy ny fotoana nitsanganany tamin’ny maty, izay nanompo olo-marina izay niandry fatratra tao amin’ny paradisa ny fanafahana ny fatotry ny fahafatesana. Ity no lesona voalohany amin’ny lesona roa izay miresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana138:1–11

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nandalina ireo soratra masina sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina momba ny drafitry ny famonjena sy ny zavatra hitranga amin’ny fanahy sy ny vatana rehefa maty.

  • Inona no mitranga amin’ ny vatantsika sy ny fanahintsika rehefa maty isika? Mankaiza ny fanahintsika?

  • Ahoana no fiheveranao izany hoe tontolon’ny fanahy izany?

Hazavao fa ny Filoha Joseph F. Smith, Filohan’ny Fiangonana fahenina dia nandray fahitana mikasika ny tontolon’ny fanahy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka hoe inona no zavatra niainan’ny Filoha Smith ny enim-bolana talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana ôktôbra 1918. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Lazao ireo mpianatra fa tamin’ireo volana ireo ny Filoha Joseph F. Smith dia nitomany ny fahalasan’ny zanany Hyrum Mack Smith, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny Loholona Smith dia maty tamin’ny fiantombohan’io taona io noho ny fahavakisan’ny kambon-tsinay tamin’ny faha 45 taonany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–4. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fotopampianarana nosaintsainin’ny Filoha Joseph F.Smith ny 3 ôktôbra 1918 raha tao amin’ny efitranony irery izy.

  • Inona no fotopampianarana nosaintsainin’ny Filoha Smith? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Ny olombelona rehetra dia afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ireo fisipiky ny filazantsara.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:5. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny iray kilasy, ary hikaroka hoe inona no zavatra niainan’ny Filoha Smith raha nisaintsaina ny Sorompanavotana izy.

  • Inona no tonga tao an-tsain’ny Filoha Smith nandritra ny nisaintsainany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Anontanio ireo mpianatra raha efa nisy andinin-tsoratra masina tonga tao an-tsain’izy ireo nandritra ny fotoana nisaintsainany ny zavatra iray ao amin’ny filazantsara. Asao izy ireo mba hizara ny zavatra niainany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6–10. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ireo fampianarana izay nahatalanjona ny Filoha Smith. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Avy eo dia hazavao fa ny Filoha Smith dia nahita fahitana izay manampy antsika hahatakatra ireo fampianaran’i Petera mikasika ny tontolon’ny fanahy.

Asao ireo mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11 ary hikaroka hoe inona no hitan’ny Filoha Smith raha nisaintsaina ny soratra masina izy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hazavao fa alohan’ny hianaran’ny mpianatra mikasika ny fahitan’ny Filoha Smith ny amin’ny tontolon’ny fanahy, dia tokony hahatsikaritra izy ireo fa ny dingan’ny fanambarana dia fariparitany ho toy izao: Raha teo am-pisaintsainana ny soratra masina izy, dia nieritreritra ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana ary ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy ny olombelona rehetra. Ireo eritreritra ireo dia nahatonga tao an-tsainy ny tenin’i Petera. Avy eo, raha nisaintsaina ny tenin’i Petera izy, dia “nisokatra ny mason’ny fahatakara[ny],” nitoetra taminy ny Fanahy Masina ary nahita ny tontolon’ny fanahy izy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Filoha Joseph F. Smith mikasika ny fiomanana amin’ny fandraisana fanambarana? (Afaka mampiasa teny hafa ireo mpianatra, fa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isika dia manomana ny tenantsika amin’ny fandraisana fanambarana. Afaka manome sosokevitra ny mpianatra ianao ny handraisany an-tsoratra io fitsipika io ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 11.)

  • Amin’ny fomba ahoana no famakiana sy ny fisaintsainana ny soratra masina no manampy amin’ny fandraisana fanambarana?

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. (Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ilay teny nolazaina ny mpianatra ary asaivo manaraka ny vakiteny izy ireo.) Asao ireo mpianatra mba hihaino ny famariparitan’ny Loholona Christofferson ny fomba tokony handalinantsika ireo soratra masina:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Rehefa miteny aho hoe ‘mandalina,’ dia zavatra mihoatra noho ny mamaky no tiako holazaina. … Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara ianareo, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy, ary manoratra ireo hevitra sy fahatakarana izay tonga ireo mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 11).

  • Tamin’ny fotoana inona ianao no nanaraka io fomba io amin’ny fandalinanao ny soratra masina? Ahoana no nanovan’izany ny zavatra niainanao?

Asao ireo mpianatra mba hametraka tanjona ny hamaky sy hisaintsaina ireo soratra masina amin’ny fomba nofariparitan’ny Loholona Christofferson.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–24, 38–50

I Joseph F. Smith dia nahita ireo olo-marina nodimandry eo am-piandrasana ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny naman’izy ireo :

  • Inona no tranga ho avy izay handrandrainao fatratra? Nahoana ianao no tsindrin-daona ny amin’izany?

Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hitatitra ireo valinteny hitany amin’ny kilasy. Hazavao fa rehefa nahita ny tontolon’ny fanahy tamin’ny fahitana ny Filoha Joseph F. Smith, dia nahita fiangonan’ny fanahy maro be izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–13. Asao ny mpianatra rehetra mba hikaroka famariparitana ireo fanahy izay niangona.

  • Ahoana no namariparitan’ny Filoha Smith ireo fanahy izay hitany?

Asao ireo mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–49 sy hikaroka ny anaran’ny sasantsasany tamin’ireo fanahy izay hitany tamin’izay. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo lesona ireo ao amin’ny soratra masiny.) Asao ireo mpianatra mba hitatitra ny sasany amin’ireo anarana hitany.

  • Araka ny andininy 49, dia inona no nandrasan’ireo fanahy ireo? (Fanafahana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:14–16, 50. Asao hanaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra sy hikaroka ny antony nahafeno fifaliana sy haravoana an’ireo fanahy ireo.

  • Nahoana no feno fifaliana sy haravoana ireo fanahin’ny olo-marina ireo? (“Satria efa antomotra ny andro fanafahana azy ireo” [andininy 15]. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia nahafantatra izy ireo fa hitsangana amin’ny maty tsy ho ela intsony noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana araka ny hevitrao ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana no fanafahana ho an’ireo fanahin’ny olo-marina ireo?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana138:17 ary asao ny mpianatra rehetra hikaroka ireo fitahiana ho azon’ireo fanahi’ny olo-marina aorian’ny fitambaran’ny vatany sy ny fanahiny. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no azontsika raisina rehefa hitsangana amin’ny maty isika? (Ny fahafenoan’ny fifaliana.)

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:14–17, 50 mikasika ny fanafahana amin’ny fahafatesana ara-nofo? (Mety hahita fotopampianarana sy fitsipika samy hafa ny mpianatra fa alaivo antoka anefa fa takatr’izy ireo ireto fotopampianarana roa manaraka ireto: Amin’ny alalan’ny famindrapon’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy, dia hafahana amin’ny fatotry ny fahafatesana isika, ary afaka mandray ny fahafenoan’ny fifaliana amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Azonao atao ny manoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay nilaza mikasika ny ilaina sy ny fitahian’ny fananana vatana. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino nyantony maha-zava-dehibe ny fananana vatana amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika mba hananantsika fahafenoan’ny fifaliana.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Noho izany, ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika ny hanaiky sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahatsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamafy amin’ny alalan’ny vatantsika. …

“Ny drafitry ny Ray dia natao mba hanome torolalana ho an’ireo zanany, mba hanampiana azy ireo ho faly, ary hitondrana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Aminy miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty sy nasandratra” (“Mino isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 41, 43).

  • Nahoana no mila vatana ara-nofo isika mba hahazoana fahafenoan’ny fifaliana?

Ho fanampin’ny valintenin’ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny fahafenoan’ny fifaliana dia karazana fifaliana hiainan’ny Ray any An-danitra. Ny Ray any An-danitra dia manana vatana nofo sy taolana (jereo ny F&F 130:22). Rehefa misaraka ny vatantsika sy ny fanahintsika, dia tsy mitovy Aminy isika ka tsy afaka handray ny fahafenoan’ny fifaliana (jereo ny F&F 93:33–34). Rehefa tafaray tsy azo sarahina intsony ny vatana sy fanahintsika—rehefa mitsangana amin’ny maty isika—dia afaka hitovy amin’ny Raintsika any An-danitra sy hanana ny fahafenoan’ny fifaliana amin’ny farany.

Hazavao fa ireo olo-marina ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia miandry ny “fiaviana,” na ny fahatongavan’ny Zanak’ Andriamanitra mba hanafaka azy ireo ary hamerina ho azy ireo amin’ny laoniny ny “vatany tonga lafatra” (F&F 138:16–17). Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina ny zava-nitranga teto an-tany nandritra ny fivorian’ireo fanahin’ny olo-marinaireo. Nanao ny sorompanavotana ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra tamin’ny alalan’ny fijaliany tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa Kristy. Ny sasany tamin’ireo fanahy marina ireo dia efa niandry izany fanafahana izany nandritra ny arivo taona maro. Ny sorona nataon’i Jesoa Kristy dia hahitana ny fanavotana avy amin’ny fahotana sy ny fanavotana avy amin’ny fahafatesana ara-batana koa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18–19. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra, sady haka sary an-tsaina ny mety fitrangan’izany zavatra fariparitan’ireo andininy ireo izany.

  • Ahoana araka ny hevitrao izany fisehon’i Jesoa Kristy tao amin’ny tontolon’ny fanahy izany ho an’ireo izay novangiany?

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo fanahy ireo?

  • Inona no mety nataonao manoloana ny Mpamonjy izay avy nanantanteraka ny Sorompanavotana ho anao, raha toa ianao nahare Azy nitory tany amin’ny tontolon’ny fanahy? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hisaintsaina io fanontaniana io am-pahanginana fa tsy hamaly izany amin’ny am-bava.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:23–24. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra, ary hikaroka ny zavatra nataon’ny fanahin’ny olo-marina manoloana ny famangian’ny Mpamonjy azy ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Tondroy eny amin’ny solaitrabe ny fotopampianarana voalohany nosoratanao: Afaka ho voavonjy no olona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsara. Hazavao fa rehefa manohy ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ny mpianatra dia hianatra mikasika ny fomba nanomezan’ny Ray any An-danitra lalana ho an’ny zanany rehetra mba hahazo tombontsoa avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. Ny manodidina ny fiainana manokan’ny Filoha Joseph F. Smith

Teo anelanelan’ny taona 1869 sy 1918 ny Filoha Joseph F. Smith dia nahatsapa hakiviana sy alahelo izay nifandray tamin’ny fahafatesan’ny mpikambana iray tao amin’ny fianakaviany. Nandevona zanaka telo ambin’ny folo izy, izay sivy tamin’izay no maty tao amin’ny fahazazany avokoa, ary nahalasa vady iray koa. Nanoratra ity taratasy manaraka ity ny Filoha Smith ho an’ny vadiny Edna, rehefa nodimandry ny zanany voalohany, Mercy Josephine raha tsy mbola ampy telo taona akory.

Sary
Filoha Joseph F. Smith

“Mbola sahiko ny manoratra, na dia malahelo aza ny foko, ary ny saiko dia mikorontana tanteraka; raha himonomonona aho, dia enga anie havelan’ Andriamanitra ny tenako, fa ny fanahiko dia efa nizaka fitsapana, ary mbola mizaka ny fitsapan’ny alahelo fatratra, ny foko dia torotoro ary mahatsapa fahaverezana tanteraka ny tenako. Irery aho, ny tranoko dia toa ringana ary kely foana sisa dia mahonena; nefa ato no misy ny fianakaviako sy ny zanako kely; tsy haiko ny tsy hahatsapa fa ny tiako indrindra, ny mamiko indrindra ary ny fifandraisana izay mamatotra ahy amin’ny ankohonako sy ity tany ity dia rava, ilay zanako, ilay Dodo mamiko dia lasa! Zara raha mino aho ary ny foko dia manontany hoe: izany tokoa ve? Niandrandra ao nefa tsy nisy na inona na inona, nihaino aho fa tsy nisy feo reko, nivezivezy eran’ny trano aho fa tsy nahitako olona avokoa, irery, lao ary nilaozana izany rehetra izany. Nijery tany amin’ny lalan-jaridaina aho, nihodikodina ny trano, nijery tetsy sy teroa ny loha kely volamena sy feno hafanana ary takolaka mavokely, fa tsia, indrisy, tsy nahita ny firefodrefotry ny dian-tongotra keliny. Tsy nisy maso kely miloko mainty izay faly mamirapiratra amim-pitiavana ho an’i dada. Tsy nisy feo kely mahafatifaty manontany fanontaniana an’arivony, ary milaza zavatra kely mahafinaritra, manao akanjom-piravoravoana, tsy misy tanana kely malefaka sy mavesatra mankeo amin’ny tendako, tsy nisy ireo molotra mavokely tsy manan-tsiny izay mikasika sy manoroka ny saokako, fa fitoerana banga fotsiny. Ny kilalao keliny dia niafina, ny fitafiny dia natokana ary ny hany eritreritra tonga ao amin’ny foko feno alahelo—dia ny hoe tsy eto intsony izy, lasa izy! Fa tsy hiverina ve izy? Tsy afaka ny handao ahy irery izy, fa aiza izy? Efa kely sisa dia tezitra aho, ary Andriamanitra irery no mahafantatra hoe hatraiza ny fitiavako ny zanakovavy, ary izy no fahazavana sy fifalian’ny foko.

“Ny maraina talohan’ny nahafatesany, rehefa avy niaraka taminy ny alina manontolo aho, satria mijery azy isak’alina aho, dia niteny taminy aho hoe: ‘Tsy natory mihitsy ianao izany ry malalan’ny foko.’ Nanetsika ny lohany izy ary namaly hoe: ‘Hatory aho anio ry dada.’ Indrisy! ireo teny ireo dia nanohina ny foko. Fantatro anefa fa tsy hino aho, raha feo hafa izany, fa izany dia manambara ny torimason’ny fahafatesana ary dia natory izy. Ary, indrisy!lasa ilay fahazavan’ny foko. Ilay sarin’ny lanitra voasokitra tao an-tsaiko dia efa saika niala tanteraka” (ao amin’ny Joseph Fielding Smith, Life of Joseph F. Smith [1938], 455–56).

Hamoaka printy