Seminera sy Institiota
Lesona 73: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67


Lesona 73

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67

Fampidirana

Ny volana Nôvambra 1831 dia nivory tao anatin’ny fihaonambe manokana tao Hiram, Ohio ny andiana loholona iray. Ny zavatra iray noresahana tao anatin’ilay fihaonambe dia mikasika ny famoahana ny fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nandritra io fivoriana io dia nanome fanambarana an’i Joseph Smith ny Tompo ka niantso izany ho sasin-tenin’ny bokin’ireo fanambarana izay havoaka. Ankehitriny, izany fanambarana izany no fizarana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Tany amin’ny faramparan’ilay fihaonambe dia nanome fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67 ny Tompo. Tao anatin’io fanambarana io dia niresaka tamin’ireo rahalahy izay nanana fanontaniana momba ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ireo fanambarana nomeny ny Mpaminany ireo ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–3

Mandre ny vavaka ataontsika ny Tompo ary mahafantatra ny fontsika

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana: Oviana ianao no nahatsapa fa re sy novaliana ny vavakao? Eo am-piatombohan’ny fotoam-pianarana dia asao hamaly ny fanontaniana ireo mpianatra.

Hazavao fa ny volana Nôvambra 1831 dia nivory ny andiana loholona, ary anisan’izany i Joseph Smith, mba handinika ny famoahana ireo fanambarana izay voarain’ny Mpaminany. Nangataka ireo loholona i Joseph Smith mba hijoro ho vavolombelona fa avy amin’ny Tompo ireo fanambarana ireo, saingy nisalasala ny hanao izany ny sasany tamin’izy ireo. Nitarika tamin’ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67 io fisalasalana io.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–2 sy hitady ny zavatra nolazin’ny Tompo momba ny vavaka.

  • Inona no lazain’ny Tompo momba ny firaharahiny ny vavaka ataontsika ao amin’ireo andininy ireo? (Na dia mety samihafa aza ny valintenin’ireo mpianatra dia ataovy izay hamantarany ity fitsipika manaraka ity: Mandre ny vavaka ataontsika ny Tompo ary mahafantatra ny fontsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Ahoana no ahafahan’io fitsipika io manampy anao hanatsara ny vavakao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe an’ilay fitsipika eny amin ny solaitrabe dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny fomba ahafantarany fa mandre ny vavaka ataony ny Ray Any an-danitra ary mahafantatra ny fanirian’ny fony. Rehefa avy nanana fahafahana nizara ny mpianatra vitsivitsy dia amporisiho ny mpianatra mba hivavaka hahazoana fahalalana fa mandre ny vavaka ataony Andriamanitra ary mahafantatra ny fony.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:3. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny antony nahatonga ny loholona sasany tsy nahazo ny fitahiana izay natolotry ny Tompo azy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no mety hanakanan’ny tahotra ny olona iray tsy hahazo fitahiana? Asao ireo mpianatra hamaly. Eo am-pamalian’izy ireo io fanontaniana io dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mamela ny tahotra hitsofoka ao am-pontsika isika dia mety hanary ny fitahiana.

  • Inona avy ireo tahotra izay ananan’ny olona ka mety manakana azy ireo tsy handray fitahiana? (Toy izao ireo ohatra mety ho hita: tahotra ny tsy ho voaray, tahotra ny hanao fahadisoana, tahotra ny hanova ny fiainany, tahotra ny tsy fahombiazana, tahotra ny fibebahana, sy ny sisa sy ny sisa.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny tahotra izay mety nanakana azy ireo hampihatra ny finoana. Amporisiho ny mpianatra mba hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fanoloana ny tahony amin’ny finoana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4–9

Manome fomba iray ho an’ireo loholona ny Tompo mba hahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona momba ny fanambarana amin’ny alalan’i Joseph Smith

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana isika no tokony hanohana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na dia fantatsika aza fa tsy tonga lafatra izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny fanolorana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67. Asao ny mpianatra hafa iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:5. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fahatsapan’ireo loholona momba ny fanambarana izay havoaka ao anatin’ny Bokin’ireo Didy. (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny rakitsoratra voalohany tamin’ny fanambaran’i Joseph Smith dia nitondra ny lohateny hoe ny Bokin’ireo Didy. Tamin’ny 1835 dia navoaka tamin’ny lohateny hoe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ilay boky.)

  • Ahoana no fahatsapan’ireo loholona momba ireo fanambarana? (Maro ireo loholona izay “nijoro ho vavolombelona marina tokoa” mikasika ny fahamarinan’ireo fanambarana. Kanefa, “nandeha ny resaka nanakiana ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ ireo fanambarana.” Araka ny andininy 5 dia nihevitra ireo loholona sasany fa afaka “maneho mihoatra noho ny fitenin[in’i Joseph Smith].”)

Hazavao fa sahiran-tsaina momba ny fomba fiteny izay nanehoana ireo fanambarana ny loholona sasany. Mety nahatsapa izy ireo fa nilana fanatsarana be ireo fanambarana vao afaka homanina amin’ny famoahana, ary mety feno tahotra izy ireo mikasika ny zavatra hataon’ny fahavalon’ny Fiangonana momba ireo fanambarana raha vantany vao navoaka izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hitady ny valintenin’ny Tompo momba ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ireo fanambarana.

  • Inona no zavatra neken’ny Tompo momba an’i Joseph Smith?

Amafiso fa tsy tonga lafatra ny fahaizan’i Joseph Smith teo amin’ny fomba fiteny. Tsy dia mahay mandaha-teny loatra izy rehefa miresaka. Na dia teo aza izany dia nanambara ny fahamarinana taminy ny Tompo ary namela azy hilaza izany araka izay azony natao.

  • Nahoana no mety manampy ny mahafantatra fa nanambara ny sitrapony tamin’i Joseph Smith ny Tompo na dia fantany aza fa tsy tonga lafatra i Joseph?

Manasà mpianatra efatra mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:6-9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fanamby izay nomen’ny Tompo ireo izay nitsikera ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ireo fanambarana.

  • Inona no fanamby izay nomen’ny Tompo ireo izay nihevitra fa afaka naneho mihoatra noho ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ireo fanambarana?

Anontanio ny mpianatra ny zavatra tsaroany tao amin’ny lesona teo aloha momba an’i William E. McLellin. Hazavao fa nanapa-kevitra ny hiatrika ilay fanamby hanoratra fanambarana mitovy amin’ireo izay noraisin’i Joseph Smith i William. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nalaina avy tao amin’ny tantaran’i Joseph Smith ity:

Mpaminany Joseph Smith

“I William E. M’Lellin, izay nihevi-tena ho olona faran’ny hendry indrindra sy nanam-pahaizana nihoatra noho ny fahendrena dia niezaka nanoratra didy iray tahaka ny iray amin’ireo faran’ny kely indrindra nataon’ny Tompo, saingy tsy nahavita izany; tena andraikitra goavana tokoa ny manoratra amin’ny anaran’ny Tompo. Ny Loholona sy ireo rehetra tonga nanatrika teo ka nahita maso io tsy fahombiazan’ny ezaky ny lehilahy iray naka tahaka ny fomba fitenin’i Jesoa Kristy io, dia nanavao ny finoany momba ny fahafenoan’ny Filazantsara, sy momba ny fahamarinan’ireo didy sy fanambarana izay nomen’ny Tompo ny Fiangonana tamin’ny alalako. Koa naneho fahavononana ireo Loholona mba hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany amin’izao tontolo izao” (ao amin’ny History of the Church, 1:226).

Hazavao fa taorian’io zava-nitranga io dia maro tamin’ireo loholona izay nanatrika teo no nanao sonia ny taratasy iray izay manome ny fijoroany ho vavolombelona ara-dalàna momba ny fahamarinan’ireo fanambarana tao amin’ny Bokin’ireo Didy.

  • Araka ny hevitrao, nahoana no afaka namoaka ireo fanambarana ireo i Joseph Smith, izay zara raha nahita fianarana ara-dalàna, kanefa i William E. McLellin, izay tena avara-pianarana, tsy afaka nanao izany?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity mikasika ny fitsarana ireo mpitarika noho ny tsy fahatanterahany?

Tondroy ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mikasika ny fanarahana ireo mpitarika tsy tonga lafatra. Asao ny mpianatra hanoratra ny valinteny eo ambanin’ilay fanontaniana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10–14

Nanoro hevitra ireo mpanara-dia Azy mikasika ny fomba hiomanana mba hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fitahiana sasantsasany izay mety ho azo rehefa mahari-po amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa isika? Asao ireo mpianatra hamaly.

Asaivo mamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity ny mpianatra iray.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tamin’ny taona 1960 dia nisy mpampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Stanford nanomboka nanao fanandramana tsotsotra hahitana ny finiavan’ny ankizy efa-taona. Nasainy nipetraka teo anoloan’ny vatomamy gimaovy lehibe izy ireo ary dia nolazainy fa afaka mihinana izany avy hatrany izy ireo na, raha toa ka afa-miandry 15 minitra, dia afaka hahazo gimaovy anankiroa.

“Navelany irery teo ireo ankizy ary notazaniny taorian’ny fitaratra mahita avy any ambadika. Nisy tamin’ireo ankizy no nihinana ilay vatomamy gimaovy avy hatrany, ny sasany kosa niandry minitra vitsivitsy talohan’ny naharoboka azy tamin’ilay fakam-panahy. 30 isan-jato monja tamin’izy ireo ihany no nahavita niandry” (“Mitozoa ao amin’ny faharetana,”Ensign na Liahona, mey 2010, 56).

  • Araka ny hevitrao, ahoana no mety ifandraisan’ny fanandramana sy ny zavatra hitan’io mpampianatra io amintsika?

  • Inona avy ireo fitahiana izay noraisinao noho ny faharetanao?

Asao ny mpianatra mba hanao tabilao misy tsanganana roa ao amin’ny kahie ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Asao izy ireo hanisy anarana ilay tsanganana voalohany hoe Valisoa ary Ny fomba hahazoana valisoa kosa ho an’ilay tsanganana faharoa. Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Asao ireo mpianatra hamaky miaraka amin’ny namany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10–14 ary hitady ny valisoa nampanantenain’ny Mpamonjy sy ny asa ilaina atao mba hahazoana ny valisoa. Asao izy ireo handrakitra an-tsoratra ny valinteniny eo amin’ireo tsanganana tokony hisy izany ao amin’ilay tabilao.

Rehefa ampy tsara ny fotoana nomena ireo mpianatra mba handalinana sy hiresahana mikasika ilay andinin-tsoratra masina dia ampiasao ireto fanontaniana eto ambany ireto mba hanampiana azy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy.

  • Inona no valisoa natolotry ny Tompo ho an’ireo loholona ireo?

  • Inona no zavatra nilaina nataon’ireo loholona mba hahazoana ireo valisoa ireo? (Rehefa milaza ny andian-teny hoe “mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra” ireo mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mitoetra dia midika hoe maharitra na mitozo amin’ny toerana iray.)

Hazavao fa miantefa amintsika rehetra io andinin-tsoratra masina io. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha manaisotra ny fialonana sy ny tahotra, hanetry tena ary hitozo ao amin’ny faharetana isika dia ho afaka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no mila maharitra isika ao anatin’ny ezaka ataontsika ho mendrika hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity zavatra hita manaraka avy amin’ilay fanandramana gimaovy lehibe ity, araka izay nolazain’ny Filoha Uchtdorf. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra azontsika ianarana amin’ny fahalasanana ho madio eo anatrehan’ Andriamanitra.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Nefa rehefa nandeha ny fotoana dia narahin’ [ilay mpampianatra] maso hatrany ireo ankizy ary nanomboka nahatsikaritra fifandraisan-javatra izy: ireo ankizy izay tsy nahandry dia sahirana teo amin’ny fiainany taty aoriana ary nanana olana kokoa teo amin’ny toetrany, ary ireo niandry kosa dia nanana toe-tsiana hivoatra sy nanana zotompo kokoa, ary nahazo naoty tsara kokoa sy tsara fidiram-bola kokoa ary nilamina kokoa teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa.

“… Ny fahaizana miandry—maharitra—dia toetra iray manan-danja izay mety hamaritra ny fahombiazana any aoriana eo amin’ny fiainana. …

“… Raha tsy misy anefa ny faharetana dia tsy afaka manao izay hahafaly an’ Andriamanitra isika. Tsy afaka ny ho tonga lafatra isika. Ny faharetana tokoa dia dingana manadio izay manadio ny fahatakarana, mahalasa lalina ireo fifaliana, mampifantoka amin’ny asa atao ary manolotra fanantenana ho amin’ny fiadanana” (“Mitozoa ao amin’ny faharetana,” 56).

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io fanandramana io momba ny fitahiana izay azo rehefa maharitra isika?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina sy hivavaka momba ny lafin-javatra eo amin’ny fiainany izay ilaina hananany faharetana bebe kokoa amin’ny tenany sy amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona izay hanampy azy ireo ho lasa mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:3. “Tahotra tao am-ponareo”

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Filoha Thomas S. Monson

“Tsarovy fa ny finoana sy ny fisalasalana dia tsy afaka miaraka ao an-tsaina amin’ny fotoana iray satria manafoana ny iray ilay iray hafa. Esory ny fisalasalana. Kolokoloy ny finoana” (“The Call to Serve,”Ensign, nôv. 2000, 49).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:5 “Ny tsy fahalavorariany dia efa fantatrareo”

Ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fihetsika tokony hasehontsika rehefa mahafantatra ny tsy fahalavorarian’ny olona manodidina antsika isika:

Loholona Neal A. Maxwell

“Raha ny marina dia ny Tompo izay tonga lafatra no miantso ireo olona tsy lavorary mba hanampy Azy amin’ny asany. Nilaza tamin’ny mpiara-miasa sasany tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa fantany fa nahatsikaritra ny tsy fahatanterahana kely nisy teo amin’i Joseph izy ireo. Na teo aza nefa izany dia mbola nijoro ho vavolombelona ihany ny Tompo fa marina ireo fanambarana nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany! (Jereo ny F&F 67:5, 9.)

“Noho izany dia tsy mahagaga raha toa ka mahatsikaritra ny fahalementsika tsirairay avy isika. Nefa tsy tokony hifaly amin’izany isika. Andeha isika hankasitraka ny fivoarana kely izay vitantsika sy vitan’ny hafa, fa tsy hiravoravo kosa amin’ny fahadisoana. Ka rehefa mitranga ny fahadisoana dia aoka ho lasa fianarana izany fa tsy zavatra hanimba.

“Ankamamiako tokoa ireto andalana avy amin’i Môrônia, izay mpaminany sy tonian-dahatsoratra havanana nefa tena manetry tena ireto:

“‘Aza manameloka ahy noho ny tsy fahatanterahako, na ny raiko, noho ny tsy fahatanterahany, na ireo izay efa nanoratra teo alohany; fa aleo kosa manati-tsaotra an’ Andriamanitra fa Izy no efa naneho taminareo ny tsy fahatanterahanay mba hahazoanareo mianatra ny ho hendry kokoa noho izahay.’ (Môrm. 9:31; nampiana soramandry.)

“Raha toa izany ny fihetsika asehontsika dia tsy ho mora tafintohina isika.

“Ankoatra izay, raha atao ny safidy eo amin’ny fanitsiana ny mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana sy ny tenantsika, dia tokony hisy tokoa ve ny fanontaniana hoe aiza no tokony hanombohantsika izany? Ny fanalahidiny dia hoe: sokafantsika amin’ny fahadisoana ataon’ny tenantsika ny masontsika fa hakipy kely kosa amin’ny fahadisoan’ny hafa—fa tsy ny mifamadika amin’izay! Tsy manafaka antsika amin’ny tokony hanitsiantsika ny hadisoantsika ny tsy fahatanterahan’ny hafa” (“A Brother Offended,” Ensign, Mey 1982, 38–39).