Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–29:30 (Fizarana 7)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–29:30 (Fizarana 7)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–29:30 (fizarana 7) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–26)

Tamin’ny alalan’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery momba ny fiatrehana fitsapana dia nianatra ireo mpianatra fa tokony hanana faharetana sy haharitra ireo fahoriana hatramin’ny farany isika satria miaraka amintsika ny Tompo. Rehefa nandalina ny torohevitry ny Tompo ho an’i Emma Smith momba ny anjara asany ao amin’ny Fiangonana ny mpianatra dia nahita fitsipika vitsivitsy ka nisafidy iray tamin’izany mba hifantohana amin’izay tsapany fa tokony ho hampihariny amin’ny fiainany. Farany, ireo mpianatra dia nandalina ny filazan’ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony hotontosaina amin’ny faneken’ny rehetra ao amin’ny Fiangonana ary nandinika ny fomba hahafahany manatanteraka tsaratsara kokoa ny fanoloran-tenany hanohana ireo izay nantsoina sy notohanana hanompo ao amin’ny paroasy na sampana misy azy.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27)

Rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 ireo mpianatra dia nianatra fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia tokony hahatsiaro ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nianatra koa izy ireo fa miaina mandritra ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana isika izay ahitana miaraka ireo fanalahidin’ny filazantsara sy ôrdônansy ary fahamarinan’ny fotoampitantanana lasa rehetra. Namporisihina hitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra rehetra ireo mpianatra mba hahafahana mahatohitra ny ratsy amin’izao fotoana.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28)

Avy tamin’ny torohevitry ny Mpamonjy ho an’i Oliver Cowdery dia nianatra ireo mpianatra fa ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy mandray fanambarana hitarihana olona izay mitarika eo amboniny ary ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany no handray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. Mety handray fanambarana ho an’ny tombotsoantsika manokana sy fanambarana hanampiana antsika amin’ny antsotsika sy andraikitsika anefa isika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa ireo mpitarika ny Fiangonana dia manana andraikitra ny hanitsy ireo izay mitarika ny hafa hania ary ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy atao am-pilaminana.

Andro 4: (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–30)

Avy tamin’ny torolalan’ny Mpamonjy momba ny Fiaviana Fanindroany sy ireo zavatra hitranga manodidina ny Arivotaona dia niatra ireo mpianatra fa ireo izay manatona ny Mpamonjy dia ho voaomana amin’ny fitsapana sy ny fahoriana amin’ny andro farany ka handray ny fiainana mandrakizay. Ity lesona ity ihany koa dia nanampy ny mpianatra hahatakatra fa noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho an’ny fahotantsika sy noho ny maha mpisolovavantsika Azy amin’ny Ray dia afaka manandratra ny fontsika isika ka mifaly.

Fampidirana

Ity lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fahatakarany ny maha-zava-dehibe ny fitafiana ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra rehetra. Rehefa mianatra momba ny singa rehetra amin’ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra ny mpianatra dia hanana fahafahana hanao tombatombana ny herin’ny fiarovan-tenan’izy ireo ka hanisy fanovana araka ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Mandidy ny vahoakany ny Tompo mba hitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra

Mitondrà karazana fitaovana hoentina miaro tena mandritra ny fotoam-pampianarana toy ny kojakoja fiarovana amin’ny fanatanjahatena, solomaso fiarovana, arotanana ho an’ny mpitsabo, satro-bỳ ho an’ny mpanao trano na akanjo fiarovana. Asao ny mpianatra mba hanazava ny tanjon’ny fitaovana sy ny fomba fiasan’izany mba hiarivana an’izay manao azy. Hazavao fa raha miaro antsika amin’ny loza ara-batana ireo fitaovana ireo dia nanome torohevitra mba hanampiana ny fiarovana antsika ara-panahy ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tsy maintsy ataontsika mba ho voaro ara-panahy.

  • Inona no tokony ataontsika mba ho voaro ara-panahy?

  • Inona, araka ireo andininy ireo no fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra rehetra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra rehetra isika dia hahatohitra ny ratsy.

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra rehetra fa tsy ny ampahan’izany ihany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:16–18. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra kaa hijery ny singan’ny fiarovan-tena ara-panahy tsirairay izay mila tafiana mba hahafahana manohitra ny ratsy. Asao ny mpianatra iray mba ho mpitantsoratra ka hanao lisitra (na hanao sary) ny singan’ny fiarovan-tena eny amin’ny solaitrabe arakaraka ny hahitan’ny mpianatra izany. (Azonao hamafisina fa ny Apôstôly Paoly dia nampianatra ihany koa momba ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra rehetra [jereo ny Efesianina 6:11–17].)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny fiarovana ara-panahy nofariparitana tao amin’ireo andininy ireo dia zarao ho vondrona kely ny mpianatra ka omeo andraikitra hisahana singan’ny fiarovan-tena iray ny vondrona tsirairay. Omeo ny vondrona tsirairay ny tahadikan’ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Harold B. Lee sy izao fampahalalana manaraka izao sy ireto fanontaniana ireto izay mikasika ny singan’ny fiarovan-tena nampiandraiketana azy ireo. Asao ny mpianatra hiasa ao anatin’ny vondrona misy azy avy mba hamaliana ireo fanontaniana mikasika ny singan’ny fiarovan-tena nampandraiketina azy ary hiomana hizara ny valiny amin’ny mpianatra rehetra.

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Manana ireo singa efatry ny vatana izay nolazain’ny Apôstôly Paoly fa mora tratran’ny herin’ny maizina avokoa isika. Ny valahana, izay tandindon’ny fahadiovan-tena, na ny fahadiovam-pitondrantena. Ny fò izay tandindon’ny fitondrantsika ny tenantsika. Ny tongotsika, izay maneho ny tanjontsika eo amin’ny fiainana ary ny lohantsika izay maneho ny eritreritsika” (Harold B. Lee, Feet Shod with the Preparation of the Gospel of Peace, Brigham Young University Speeches of the Year [9 nôv. 1954], 2).

“Sikin[o] fahamarinana ny valahanareo” (jereo ny F&F 27:15–16):

Hoy ny Filoha Lee: “Ny valahana dia ilay faritra eo amin’ny vatana eo anelanelan’ny taolan-tehezana farany ambany sy ny maoja izay fantatrareo fa itoeran’ireo taova antoky ny aina izay mifandray amin’ny fiterahana” (Feet Shod, 2). Ny hoe misikina dia midika hoe mamatotra mafy amin’ny fehinkibo.

  • Nahoana araka ny hevitrao i Satana no mikasa hamotika ny fahadiovantsika sy ny fahadiovan-tenantsika ary ny fahadiovam-pitondrantenantsika?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fahafantarana ireo fitsipi-pitondrantenan’ Andriamanitra antsika hijanona ho madio fitondrantena?

Ny fandalinana soratra masina dia manampy antsika ho voafatotra ao amin’ny fahamarinana ary hanampy ny fiarovana ny fahamarinana sy ny fahadiovam-pitondrantena.

“Ny rariny ho saron-tratra” (F&F 27:16):

  • Inona araka ny voalazan’ny Filoha Lee no harovan’ny saron-tratra?

  • Ahoana araka ny hevitrao no hiantefan’ny rariny ao am-pontsika (ny faniriantsika) amin’ny fahafahantsika mitolona ady ara-panahy?

“Akiraroy ny tongotrareo ny fanomanana ny filazantsaran’ny fiadanana” (F&F 27:16)

:

  • Manambara inona araka ny voalazan’ny Filoha Lee ny tongotsika?

  • Ahoana no fomba handratran’i Satana ny tarigetra na ny tanjontsika amin’ny fiainana?

  • Inona no nomen’ Andriamanitra ho antsika mba “hohazonina” mba hanampiana ny tongotsika handeha amin’ny lalan’ny fiainana mankany amin’ny tanjontsika hatrany? (Jereo ny 1 Nefia 8:24.)

  • Ahoana no hanampian’ny fifantohana amin’ny tanjona tsara antsika handresy ny fakampanahy?

“Ny ampingan’ny finoana” (F&F 27:17):

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mamono ny zana-tsipìka mirehitra [ireo fakam-panahy] alefan’ilay ratsy”?

  • Tamin’ny fomba ahoana no niarovan’ny finoanao anao?

“Ny satro-bin’ny famonjena” (F&F 27:18):

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Lee, inona no voaro rehefa misarona ny lohantsika?

  • Nahoana no zava-dehibe ny miaro ny eritreritsika?

  • Ahoana no hanafihan’i Satana ny eritreritsika?

  • Inona ireo zavatra manokana azontsika atao mba hiarovana ny eritreritsika?

“Ny sabatry ny Fanahiko” (F&F 27:18):

  • Ahoana no hahafahan’ny Fanahy manampy antsika hahatohitra ny fanafihan’i Satana?

  • Inona no tombotsoa manokana misy noho ny fananana ny Fanahy manoloana ny ady amin’ny ratsy?

  • Ahoana no hanampian’ny tenin’ Andriamanitra antsika amin’ny fampiasana ny sabatry ny Fanahy?

  • Inona no azonao atao mba hanasana bebe kokoa ny Fanahy ao amin’ny fiainanao?

Rehefa avy milaza ny valinteniny ny mpianatra dia vakio ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary angataho ny mpianatra hihaino ny fomba hitafiantsika sy hanamafisantsika ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Tiako ny mieritreritra ity fiarovan-tena ara-panahy ity ho toy ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy fa tsy toy ny vongam-bỳ mafy iray misarona ny vatana. Ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy dia mirakitra singam-bỳ madinika maro mifamatotra mba hahafahan’ny mpitondra azy mihetsika tsaratsara kokoa nefa voaro hatrany. Miteny izany aho satria noho ny traikefako no hilazako fa tsy misy ny zavatra lehibe sy goavana iray monja izay afaka atao mba hiarovana ny tenantsika ara-panahy. Ny hery tena izy ara-panahy dia hita ao amin’ireo asa kely marobe izay voarary ao anatin’ny lamban’ny fampatanjahana ara-panahy izay miaro antsika amin’ny ratsy rehetra” (“Be Strong in the Lord,” Ensign, jolay 2004, 8).

  • Inona avy ireo zavatra bitika ataontsika izay hanampy antsika ho voaro amin’ny fakam-panahy sy ny ratsy rehefa mitambatra ny heriny?

Asao ireo mpianatra hiverina hijery ireo andalana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15.

  • Inona no toe-tsaintsika tokony hananantsika rehefa mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra isika? (Tokony “hanandratra ny fon[tsika] sy hifaly” isika.) Nahoana isika no tokony hanana io toe-tsaina io?

  • Inona no andinin-tsoratra masina fehezina nianaranao nandritra ity herinandro ity izay manoro hevitra antsika ihany koa ny amin’ny tokony hanandratana ny fontsika sy hifaliantsika? (F&F 25:13. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamerina izany miaraka na hanonona izany tsy an-jery.)

  • Ahoana ny fanarahana ny didy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13 izay milaza fa tokony hifikitra amin’ny fanekempihavanana isika no miaro antsika amin’i Satana?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo tao anatin’ny lesona androany, ary asao izy ireo hifidy zavatra iray manokana izay azon’izy ireo atao mba hitafiana ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba mahomby kokoa. Amporisiho izy ireo mba hanoratra ny zavatra izay hataony amin’ny taratasy iray izay azony atao ho fampahatsiahivana ny fanapahan-kevitra noraisiny.

Ho famaranana ity lesona ity dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny lesona.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50; 30–35)

Firy tamin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra no noroahina avy tany an-danitra nandrita ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Nahoana izy ireo no noroahina? Inona no dikan’ny hoe “hively ireo firenena”? Mandritra ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hianatra momba ny valin’ireo fanontaniana ireo. Hianatra ihany koa izy ireo fa ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nantsoina mba “hively ireo firenena amin’ny herin’ny Fanahy” (F&F 35:13).

Hamoaka printy