Lesona 105
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42
Fampidirana
Tamin’ny 16 sy 17 desambra 1833 dia nahazo fanambarana iray mikasika ireo Olomasina tany Missouri izay nandao ny tranony mba hitsoaka fanenjehana mahatsiravina ny Mpaminany Joseph Smith. Maro tamin’ireo Olomasina ireo no noterena handao ny fananan’izy ireo rehetra. Voaresaka ao anatin’ny lesona telo ato anatin’ity boky torolalana ity ilay fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany sy voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101. Ity lesona faharoa ity dia ahitana ny famaritan’ny Tompo ny sasany amin’ireo fepetra amin’ny Arivotaona. Izany ihany koa dia ahitana teny fankaherezana sy torohevitra ho an’ny Olomasina.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–34
Manazava ny sasany amin’ireo fepetra amin’ny Arivotaona ny Tompo
Asaivo mitanisa ny sasany amin’ireo zava-mitranga amin’ny hoavy izay hiomanany ny mpianatra. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zava-mitranga ireo. Anontanio ny mpianatra ny zavatra ataon’izy ireo mba hiomanana amin’izany zava-mitranga izany.
-
Nahoana ianareo no manao ezaka mba ho vita omana?
Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 dia ahitana ireo toromarika amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny Arivotaona. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny fampanantenan’ny Tompo mba hanangona ny Olomasina tao amin’ny tanàn’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri dia “nampiandrasana raha mbola hamasinina ho amin’ny fanomezana lehibe sy ireo andraikitra lehibe mifanaraka amin’izany. Mandritra izany fotoana izany dia miangona ao amin’ny lemaky ny Rocky Mountains (tendrombohi-bato) [sy any amin’ireo tsatòka manerana izao tontolo izao] ireo izay mahitsy fo. … Natsangana ny tempoly. … Mbola hatsangana amin’ny toerana voafidy anefa i Ziona” (James E. Talmage, The Articles of Faith, ed. faha-12 [1924], 353; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 240).
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22–23 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady zavatra iray izay nolazain’ny Tompo tamin’ireo Olomasina mba hataony hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany.
-
Araka ny andininy 22 sy 23, dia inona no azontsika atao mba hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? (Ny mpianatra dia tokony haneho fa afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fiantsoana ny anarany, ny fiainana araka ireo fitsipiky ny filazantsara, ny fiarahana miangona, ary ny fijoroana amin’ireo toerana masina. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
-
Inona no dikan’ny hoe: “mijoroa eny amin’ny toerana masina” aminao? Oviana ianao no nahatsapa fa tamin’ny toerana masina iray?
-
Ahoana no manampy anao hiomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany ny fiangonana amin’ny toerana masina?
Mba hanomanana ireo mpianatra hahatakatra ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34, dia hazavao fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia milaza ny fandringanana ireo olon-dratsy amin’ny fotoana hiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ireo toe-javatra hiainana eto an-tany mandritra ny Arivotaona. Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ireo mpiara-miasa tsiroaroa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34, ka hitady ireo toe-javatra hiainana mandritra ny Arivotaona. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo. Asaivo manao lisitra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray.
-
Inona amin’ireo fepetra eny amin’ny solaitrabe no mahaliana anao indrindra ny hiaina izany? Nahoana?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38
Nanome toky ny Olomasina tany Missouri ny Tompo fa rehefa miaritra am-pinoana izy ireo dia handray anjara amin’ny voninahiny any aoriana any.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nanome ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 ny Tompo dia niaina zava-tsarotra goavana ny Olomasina tany Missouri. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hamintina ny sasany amin’ireo fahasarotana nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona teo aloha.
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo fahamarinana nampianarin’ny Tompo sy ny torohevitra nomeny mba hankaherezana sy hampatanjahana ireo Olomasina tao anatin’ny fisedrany.
-
Inona ireo fahamarinana sy torohevitra ao amin’ny andininy 35–38 izay mety nitondra fankaherezana ho an’ireo Olomasina izay nijaly tany Missouri? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia anontanio azy ireo hoe amin’ny fomba manao ahoana no mety ho nitondran’ireo fahamarinana na torohevitra manokana tsirairay izay nolazain’izy ireo ireo fankaherezana ho an’ny Olomasina.)
-
Ahoana no hilazanao an’ilay fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny andininy 35 amin’ny teninao manokana? (Tokony hamaly amin’ny alalan’ny filazana teny toy izao manaraka izao ny mpianatra: Ireo izay miaritra fanenjehana noho ny anaran’ny Mpamonjy sy maharitra amim-pinoana dia handray anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe.)
Hazavao fa ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy dia manaraka Azy foana, na dia enjehina noho ny finoany aza. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity izay notantarain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Mialoha ny hamakiany izany dia hazavao fa ilay tantara dia momba an’i Rafael Monroy sy i Vicente Morales, Olomasin’ny Andro Farany roa izay niaina tany Mexique tany amin’ny fiandohan’ny taona 1900. Nosamborin’ny andiana miaramila mahery setra izy ireo tamin’ny 1915. Anontanio ny mpianatra hoe nahatoky tamin’ny fomba ahoana ny Rahalahy Monroy sy ny Rahalahy Morales rehefa niaritra fanenjehana izy ireo.
“Filohan’ny sampana kely tao San Marcos Mexique i Rafael Monroy ary i Vicente Morales no mpanolotsaina azy voalohany. … Nolazaina tamin’izy ireo fa tsy hovonoina izy ireo raha toa ka hanary ny fitaovam-piadiany sy hiala amin’ny fivavahana hafahafan’izy ireo. Nolazain’ny Rahalahy Monroy tamin’ireo mpisambotra azy fa tsy nanana fitaovam-piadiana izy ary navoakany moramora avy tao am-paosiny ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Niteny izy hoe: ‘Andriamatoa isany, ireto no hany fitaovam-piadiana entiko manaraka ahy; izany no fitaovam-piadian’ny fahamarinana hanohitra ny fahadisoana.’
“Rehefa tsy nisy fitaovam-piadiana hita dia nampijaliana tamin-kerisetra ireo rahalahy ireo mba hampitenenana azy ireo ny toerana nanafenana fitaovam-piadiana. Kanefa tsy nisy fitaovam-piadiana mihitsy. Nentin’ny mpiambina teo amin’ny sisin’ny tanàna kely iray izy ireo ka natsangan’ireo mpisambotra azy ireo teo akaikin’ny hazo lehibe iray nanoloana ny miaramila vonon-kitifitra. Nanolotra fahafahana ho azy ireo ilay miaramila tompon’andraikitra raha toa ka hanadino ny fivavahany izy ireo ary hiditra ao amin’ny [tafika], namaly anefa ny Rahalahy Monroy hoe: ‘Mamiko kokoa noho ny fiainako ny fivavahako ary tsy afaka hanadino izany aho.’
“Dia nolazaina tamin’izy ireo fa hotifirina izy ireo ka nanontaniana raha toa ka nanana fangatahana hatao izy. Nangataka mba havela hivavaka mialoha ny hamonoana azy ny Rahalahy Rafael. Teo anoloan’ireo mpitifitra teo no nandohalika izy ary nivavaka tamin’ Andriamanitra tamin’ny feo izay henon’ny rehetra mba hitahiana sy hiarovana ireo olon-tiany sy hikarakarana ilay sampana kely sahirana izay hanjary tsy hanana mpitarika. Rehefa vita ny vavaka nataony dia nampiasa ireo tenin’ny Mpamonjy izy rehefa teo ambony hazofijaliana ka nivavaka ho an’ireo mpamono azy hoe: ‘Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izy ataony.’ [Lioka 23:34.] Niaraka tamin’izay dia ntifitra ny Rahalahy Monroy sy ny Rahalahy Morales izany andiana miaramila izany” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 21–22; miainga avy amin’ny Rey L. Pratt, “A Latter-day Martyr,” Improvement Era, jona 1918, 720–26).
-
Ahoana no nampisehoan’ny Rahalahy Monroy sy ny Rahalahy Morales an’ohatra ilay fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35?
Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay nanenjehana azy ireo (nanihaniana na nanarabirabiana) noho ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo.
-
Rehefa enjehina noho ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana ianareo dia inona no azonareo atao mba hamaliana izany amim-pinoana?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39–42
Nanambara ny Tompo fa ny vahoakan’ny fanekempihavanany no siran’ny tany
Mba hanomanana ny mpianatra hahatakatra ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39–42, dia manehoa santionan-tsira roa: santionan-tsira madio sy santionan-tsira mifangaro amin’ny zavatra hafa, toy ny vovoka.
Sariho amin’ilay sira voalohany ny sain’ny mpianatra.
-
Inona avy no hampiasana ny sira? (Mety ho isan’ny valinteny ny hoe azo ampiasaina mba hanomezan-tsiro na hitehirizana ny sakafo, ary hanasitranana ireo fery toy ny fanalana mikraoba ny sira.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39 ary angataho ny mpianatra mba hamantatra ny vahoaka izay nampitahain’ny Tompo tamin’ny sira.
-
Iza no lazain’ny Tompo fa “toy ny siran’ny tany”?
Hazavao fa ny teny hoe tsiro dia entina ilazana hanitra na kalitao miavaka.
-
Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe tsiron’ny olona?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe tsiron’ny olona dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Carlos E. Asay ao amin’ny Fitopololahy:
“Rehefa nampiasa ny fiteny hoe ‘tsiron’ny olona’ ny Tompo dia niresaka momba ireo izay misolo-tena azy Izy. Ireo izay nibebaka no tiany hambara, ireo izay nodiovina tao amin’ny ranon’ny batisa ary ireo izay nanao fanekempihavanana hitondra eo amin’izy ireo ny anarany sy ny foto-keviny. Fa indrindra, niresaka momba ireo izay hizara ny herin’ny fisoronany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Niresaka momba ahy sy ianao Izy” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, mey 1980, 42).
-
Inona no ampianaran’ireo andian-teny hoe “siran’ny tany” sy “tsiron’ny olona” antsika momba ny andraikitsika amin’ny hafa?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra antsika dia manana andraikitra isika hanampy ny olona rehetra eto an-tany handray ny fitahiany (jereo ny Abrahama 2:8–11). Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Mba hanampiana ny olon’ny tany handray ireo fitahian’ Andriamanitra, isika dia tsy maintsy …
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40–42 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo fampitandremana sy fampanantenana nataon’ny Tompo.
Hazavao fa ny andininy 40 dia ahitana ilay andian-teny hoe “raha ny fanasin’ny tany no manary ny tsirony.” Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitr’izany andian-teny izany dia sariho ny sain’izy ireo amin’ilay karazana sira faharoa. Hazavao fa tsy manary ny tsirony ny sira rehefa mihaela. Manary ny tsirony izany rehefa mifangaro amin’ny singa hafa sy lotoin’izany.
-
Araka ny andininy 41, dia inona no mahatonga antsika hanary ny tsirontsika amin’ny maha-fanasin’ny tany antsika? (Fahotana.) Nahoana araka ny eritreritrareo no mahasarotra ny fanampiantsika ny hafa mba hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra ny fahotantsika?
-
Ahoana no hilazanao amin’ny teninao manokana ny andininy 42? (Raha toa ka mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana izany fanontaniana izany dia hazavao fa ny olona iray izay manandratra ny tenany dia mirehareha, raha toa ka manetry tena eo anoloan’ny Tompo ny olona iray izay manetry ny tenany.)
-
Araka ireo fampitandremana sy fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40–42, ahoana no hamenoanareo ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe? (Fenoy ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe amin’ny fampiasana ny valintenin’ny mpianatra. Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Mba hanampiana ny vahoakan’ny tany hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika isika ka manetry tena.)
-
Inona no azontsika atao isan’andro izay hanampy antsika tsy ho voaloton’ny fahotana?
Asao ny mpianatra mba hieritreritra mangina raha toa ka misy fahotana mandoto ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hibebaka amin’ireny fahotana ireny mba hahafahan’izy ireo ho tonga madio eo anoloan’ny Tompo ka hahafahany ho mahomby kokoa amin’ny fanampiana ny hafa hahazo ny fitahiany.