Seminera sy Institiota
Lesona 41: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–37


Lesona 41

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–37

Fampidirana

Tamin’ny 9 desambra 1830, roa andro talohan’ny nanaovana batisa an’i Edward Partridge, dia nanome azy fanambarana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Tao anatin’io fanambarana io, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36 amin’izao fotoana izao, dia namela ny fahotan’i Edward Partridge ny Tompo ary niantso azy hitory ny filazantsara. Namoaka didy ho an’ny mpihazona ny fisoronana rehetra ihany koa ny Tompo mba hitory ny filazantsara. Fotoana fohy taorian’ny nahazoana io fanambarana io dia nahazo ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37 i Joseph Smith izay ahitana ny nandidian’ny Tompo ny Olomasina hiala tao New York ary hiangona tao Ohio.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1–3

Mamela ny fahotan’i Edward Partridge ny Tompo ary miantso azy hitory ny filazantsara

Mitondrà valizy ao an-dakilasy (na kitabo babena) izay misy ireo zavatra mety ilain’ny misiônera iray rehefa manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Ohatra, azonao ampidirina ao ny soratra masina, lobaka fotsy, karavato, kiraro mihaja, ary boky Torio ny filazantsarako. Asehoy amin’ny mpianatra ilay valizy mihidy ary asao izy ireo haka sary an-tsaina fa nofenoina entana ho an’ny misiônera iray izay handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ilay izy. Anontanio izay zavatra heverin’izy ireo fa ao anatin’ilay valizy. Dia sokafy ilay valizy avy eo ary asehoy ny zavatra ao anatiny. (Na azonao atao ny manasa ireo mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa mba hanao lisitra na hanao sary ireo zavatra izay mety ilain’ireo misiônera amin’ny asa fitoriana ataon’izy ireo.)

Hazavao fa misy zavatra hafa ilain’ireo misiônera izay tsy voatery ho tafiditra ao anaty valizy (na kitapo babena). Nilaza ny sasany amin’ireo zavatra ireo ny Tompo ao anatin’ny fanambarana iray nomeny an’i Edward Partridge. Io fanambarana io amin’izao fotoana izao dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36. Asao ireo mpianatra hitady ny zavatra ilain’ny misiônera iray alohan’ny mahavonona azy hanao asa fitoriana rehefa mandalina io fanambarana io izy ireo. (Rehefa mahita ireo fahamarinana ny mpianatra mandritra ity lesona ity dia azonao atao ny manoratra ireo fahamarinana ireo amin’ny taratasy kely maromaro. Dia apetaho na paingory eo ivelan’ilay valizy na ilay kitapo babena ireo taratasy kely mba ho hitan’ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny manao lisitra azy ireo fotsiny eo amin’ny solaitrabe.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fampahalalana ny zava-miseho manaraka ity ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36. Angataho ny mpianatra rehetra hihaino ny zavatra nanampy an’i Edward Partridge handray fanapahan-kevitra ny ho atao batisa.

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy nahatongavan’ny Loholona Oliver Cowdery sy ireo mpiaradia taminy tao avaratra andrefan’i Ohio dia olona maro no vita batisa tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Na dia anisan’ireo niova fo ka nataon’ireo misiônera batisa aza i Lydia vadin’i Edward Partridge dia tsy mbola resy lahatra tanteraka i Edward. Naniry ny hamangy ny Mpaminany Joseph Smith izy talohan’ny nanapahany hevitra. Tonga tao Waterloo, New York izy sy i Sidney Rigdon raha mbola teo am-pitoriana teny i Joseph Smith. Rehefa tapitra ny tenin’ny Mpaminany dia nitsangana i Edward mba handray fitenenana. Nitantara izy fa teny an-dalana ho any Waterloo izy ireo dia niresaka tamin’ireo olona nipetraka manodidina ny tany fambolena sy fiompian’ny fianakaviana Smith tao Manchester ary nanontany momba ny toetran’ny fianakaviana Smith. Rehefa afapo tamin’ny zavatra fantany i Edward dia nanontany raha toa ka afaka hanao batisa azy i Joseph. (Jereo ny Documents, Volume 1: July 1828–June 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 197, 199, 224.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1 mba hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Edward Partridge taorian’ny batisany.

  • Inona no fitahiana azon’i Edward Partridge avy amin’ny nanaovana batisa azy? (Namela ny fahotany ny Tompo.)

  • Inona no ho andraikitra hazonin’i Edward aorian’ny batisany ?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho an’ireo izay antsoina hitory ny filazantsara ny mibebaka sy voavela amin’ny fahotany?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fibebahana amin’ny fahotany ho an’ireo olona ho lasa misiônera dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. (Azonao atao ny manazava fa rehefa mampiasa ireo andian-teny hoe “milalao ho an’ny ekipan’ny mpifanandrina” sy “hilalao ao amin’ny ekipan’ny Mpamonjy” ny Loholona Holland dia mampitaha ilay fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena izy.) Manomàna tahadikan’io teny nambara io ho an’ny mpianatra tsirairay.

Loholona Jeffrey R. Holland

“Eo amin’ io fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy io dia tsy afaka ny milalao ho an’ny ekipan’ny mpifanandrina aminareo ianareo isaky ny tonga ny fakam-panahy ary avy eo manantena hilalao ao amin’ny ekipan’ny Mpamonjy amin’ny fotoana hankanesana any amin’ny tempoly sy hanaovana asa fitoriana, toy ireny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga ireny. … Tsy azo vazivaziana Andriamanitra. …

“… Ny Tompo dia nanoritra tsipika izay mamaritra ny fahamendrehana ho an’ ireo voantso hiasa hiaraka Aminy amin’ ity asa ity. Tsy misy misiônera afaka ny tsy hibebaka amin’ ireo fandikan-dalana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena nataony na ny fampiasana teny maniratsira na ny fironana amin’ ny pôrnôgrafia ary avy eo hanantena fa afaka ny hanentana ny hafa hibebaka amin’ ireo zavatra ireo! … Tsy hiaraka aminareo ny Fanahy ary hanakenda anareo ireo teny eo am-pitenenanareo izany. Tsy afaka hidina any amin’izay nantsoin’i Lehia hoe ‘lalana voarara’ [1 Nefia 8:28] ianareo ka hanantena hitarika ny hafa ho any amin’ilay lalana ‘ety sy tery’ [2 Nefia 31:18], tsy azo atao izany” (Mpandray anjara avokoa isika,” Liahona, nôv. 2011, 45).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra azon’izy ireo atao amin’izao fotoana izao mba hadio ka ho afaka hanao asa fitoriana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanasana hibebaka ity, izay nataon’ny Loholona Holland ihany koa:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Na iza na iza ianareo ary na inona na inona vitanareo dia afaka ny ho voavela heloka ianareo. Ianareo tsirairay … dia afaka manajanona ireo fandikan-dalana izay misakantsakana anareo. Izany no fahagagan’ny famelan-keloka, ilay fahagagan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Kanefa tsy hahavita izany ianareo raha tsy manolo-tena marina amin’ny filazantsara, ary tsy afaka hanao izany raha tsy mibebaka amin’izay ilàna izany. Miangavy anareo aho … mba ho mazoto sy ho madio. Ary raha ilaina dia miangavy anareo aho hiverina ho mazoto ary hiverina ho madio” (“Mpandray anjara avokoa isika,” 45).

Hazavao fa na dia natao batisa talohan’ny nahazoana io fanambarana io aza i Edward Partridge dia tsy mbola nahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina izy. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:2–3 mba hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Edward mikasika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Edward Partridge dia nahoana ireo misiônera no mila ny Fanahy Masina ho naman’izy ireo?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, dia inona no ho ampianarin’ny Fanahy Masina an’i Edward Partridge? Inona aminareo ny dikan’ny hoe mianatra “ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana”? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia angataho izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61.)

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ireo zavatra niainany rehefa nampianatra azy ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana ny Fanahy masina. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa masina loatra na an’ny tena manokana ireo traikefa sasantsasany ka tsy tokony hozaraina.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:4–8

Namoaka didy iray mikasika ireo izay voantso hitory ny filazantsara ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:4–5, 7. Alohan’ny hamakin’ilay mpianatra dia hazavao fa ny Tompo dia miresaka amin’ireo “loholon’ny fiangona[ny]” (F&F 36:7) ao amin’ireo andininy ireo. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady andraikitra iray nomen’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana.

  • Inona no andraikitra nomen’ny Tompo an’ireo mpihazona ny fisoronana? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Antsoina hitory ny filazantsara ireo mpihazona ny fisoronana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe io fahamarinana io sy ny maha mbola manankery izany amin’izao androntsika izao dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity.

Filoha Thomas S. Monson

“Mamerina izay efa nampianarin’ireo mpaminany hatry ny ela aho—fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay tena nomena be dia be” (Eto am-pihaonana indray isika izao,” Liahona, nôv. 2010, 5–6).

  • Inona no tokony hataon’ireo mpihazona ny fisoronana, araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:5 alohan’ny hanokanana azy ireo sy hanirahana azy ireo hitory ny filazantsara?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny zatovolahy iray mampiseho amin’ny Tompo fa manaiky tanteraka ilay didy hitory ny filazantsara izy?

  • Iza no olona fantatrareo fa nanaiky tanteraka ilay didy hitory ny filazantsara? Nitaona anareo hanao inona ny ohatra nasehon’io olona io?

Azonao atao ny manazava fa na dia adidin’ny fisoronana aza ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia afaka manompo koa ny zatovovavy. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Filoha Thomas S. Monson

“Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny anananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha-mpitory anareo koa ianareo, ary mandray anareo an-tanan-droa amin’izany asa izany izahay” (Eo Am-pihaonana indray isika izao,” 6).

Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:6 mba hitady ilay hafatra fototra asain’ny Tompo hampianarin’ireo misiônerany. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay andian-teny hoe “fitafiana voapentina tamin’ny nofo” dia hazavao fa tamin’ny andron’i Isiraely fahiny dia nodorana ireo lamba nifindran’ny aretina mba hisorohana ny fihanahan’ilay aretina. Ao amin’io andininy io ny Tompo dia mampitaha ny aretina amin’ny ota, ka noho izany dia mandidy antsika mba hiala amin’ny zavatra rehetra na inona na inona izay mifandray amin’ny ota. (Jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 3:428.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba tokony haneken’ireo mpihazona ny fisoronana ny antson’izy ireo.

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny mpihazona ny fisoronana iray “hanaiky [ny antsony] amin’ny fahatsoram-po”? (Ireo valinteny dia mety ahitana hoe manolo-tena amin’ny antsony sy manompo amin-kitsimpo sy amim-pahamarinana.)

Raha efa nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno ianao dia zarao ny zavatra niainanao mikasika ny fanekena ilay antso hitory ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37

Nandidy ny Fiangonany hiangona tao Ohio ny Tompo

Hazavao fa nandritra ny fotoana naha-naman’ny Fiangonana an’i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge tao amin’ny Fiangonana tao Ohio dia nihanitombo ny fanenjehana ireo Olomasina tao New York. Tao anatin’ny fotoana sasantsasany dia nisy ny fandrahonana ny hifofo ny ain’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, ary nivory miafina ireo fahavalon’izy ireo mba hanao drafitra hamonoana azy ireo (jereo ny F&F 38:13, 28–29). Rehefa akaiky hifarana ny volana desambra 1830, izay herinandro vitsy taorian’ny nahatongavan’i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge tao New York, dia nahazo fanambarana i Joseph Smith, izay nahitana ny nandidian’ny Tompo an’ireo Olomasina mba hitsoaka ireo fahavalony ka hifindra tany Ohio.

Manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:2–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fiomanana tian’ny Tompo hataon’i Joseph talohan’ny nandehanany tany Ohio. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Nahoana ny Tompo no nandidy an’i Joseph Smith handeha tany amin’ireo Olomasina tao Colesville?

  • Inona ireo fitsipika mikasika ny vavaka izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany, kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha mivavaka amim-pinoana isika dia hamaly ny vavaka ataontsika ny Tompo. Matetika ny Tompo no mampiasa ny olona hafa mba hamaliana ny vavaka ataontsika.)

  • Oviana ny olona iray hafa no valim-bavaka ho anao?

Zarao araka izay bitsihin’ny Fanahy ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika noresahina ato amin’ity lesona ity. Asao ireo mpianatra hanao asa avy amin’ny zavatra tsapany rehefa nandalina ireo fanambarana ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36. Edward Partridge

Teo ho eo amin’ny volana ôktôbra 1830 no nandrenesan’i Edward Partridge voalohany ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa nijanona tao Kirtland, Ohio, teny amin’ny lalan’izy ireo ho any Missouri ireo misiônera izay nirahina ho any amin’ny Lamanita (jereo ny F&F 28:8; 32:2–3). Tsy natao batisa anefa izy raha tsy afaka roa volana teo ho eo. I Lucy Mack Smith, izay renin’ny Mpaminany, dia nanoratra izao manaraka izao mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’i Edward Partridge mba hatao batisa: “Tamin’ny desambra tamin’io taona io ihany [1830], dia nanao fivoriana tao an-tranonay i Joseph. Raha mbola nitory teny izy dia niditra i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge ary nipetraka teo anivon’ny mpanatrika ny fivoriana. Rehefa vita ny lahatenin’i Joseph dia nanome fahafahana ireo rehetra izay nanana zavatra hotenenina izy, na inona izany na inona, mba handray fitenenana. Tamin’izay indrindra dia nitsangana Andriamatoa Partridge, ka dia nilaza fa tany Manchester izy, ary nanana tanjona ny hahazo fahalalana bebe kokoa mikasika ny fotopampianarana izay nampianarinay; saingy noho izy tsy nahita anay dia nametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny toetranay tamin’ireo olona nipetraka manodidina anay, izay nolazain’izy ireo fa ohatra tsara mandra-pahatongan’ny fotoana nandisoan’i Joseph anay [azy ireo] fanantenana mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Nilaza ihany koa izy fa nandeha teo amin’ny taninay ary nijery ny filaminana sy ny asa mafy nabaribarin’izany, ary rehefa nahita ny zavatra nafoinay noho ny finoanay, sy rehefa nandre fa tsy nampisy ahiahy tamin’ny zavatra hafa ankoatra ny fivavahanay ny fahamarinanay, dia nino ny fijoroana ho vavolombelona nataonay izy ary vonona ny ho atao batisa, ‘raha hanao batisa ahy Rahalahy Joseph’ hoy izy” (History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 191–92). Nataon’i Joseph Smith batisa tamin’ny 11 desambra 1830 i Edward Partridge.

Lasa eveka voalohany an’ny Fiangonana i Edward Partridge taty aoriana ary niaritra fanenjehana maro tao Missouri. Mpikambana mahatoky tato amin’ny Fiangonana izy rehefa nodimandry tamin’ny taona 1840 tao Nauvoo, Illinois, teo amin’ny faha 47 taonany. (Mba hahalalana bebe kokoa mikasika an’i Edward Partridge dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1–7; 41:9–11; 42:10; 50:39; 51:1–4, 18; 52:24; 57:7; 58:14–16, 24–25, 61–62; 60:10; 64:17; 124:19; jereo koa ny Histoire de l’église dans la plénitude des temps, manuel de l’étudiant, boky natonta faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 82; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana : Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky natonta faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:4–8. Tokony hanao asa fitoriana ny zatovolahy rehetra

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Filoha Ezra Taft Benson

“Mipetraka matetika ilay fanontaniana hoe: Tokony hanao asa fitoriana ve ny zatovolahy rehetra? Nomen’ny Tompo ny valin’io fanontaniana io. Eny ny valiny. Tokony hanao asa fitoriana ny zatovolahy rehetra.

“Raha tokony hanao asa fitoriana ny zatovolahy rehetra dia hitantsika fa tsy ny zatovolahy rehetra no vonona ara-batana, na ara-pihetsehampo, na ara-tsaina. Vokatr’izany dia mety tsy hanana fahafahana hanao asa fitoriana ny sasany. Saingy tokony hiomana ny handeha avokoa ny rehetra—ho mendrika ny hanompo ny Tompo” (“Our Commission to Take the Gospel to All the World,” Ensign, May 1984, 45).

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

Filoha Spencer W. Kimball

“Matetika no nipetraka ilay fanontaniana hoe: Voatery handray anjara amin’ny asa fitoriana ve ny olona iray? Mazava ho azy fa tsia ny valiny. Nomena safidy malalaka ny tsirairay. Mipetraka ilay fanontaniana hoe: Tokony hanao asa fitoriana ve ny zatovolahy rehetra? Dia eny ny valinteny avy amin’ny Fiangonana, ary eny ny valintenin’ny Tompo. Raha resahintsika misimisy kokoa izany valinteny izany dia hoy isika hoe: Azo antoka fa ny lehilahy mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanao asa fitoriana, tahaka an’ilay hoe tokony handoa fahafolonkarena izy, tahaka an’ilay hoe tokony hanatrika ireo fivoriam-piangonany izy, tahaka an’ilay hoe tokony hitandrina ny fiainany mba ho madio sy tsy ahitana ny faharatsian’izao tontolo izao izy ary manomana fanambadiana selestialy ao amin’ny tempolin’ny Tompo” (“Planning for a Full and Abundant Life,” Ensign, May 1974, 87).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:4–8. Ireo Rahavavy misiônera

Nandidy ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonany ny Tompo mba hizara ny filazantsara. Mankato io didy io ny vehivavy sasany amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno, na dia tsy manana adidy hanao izany tahaka ireo zatovolahy aza izy ireo.

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson:

Filoha Ezra Taft Benson

“Tsarovy ry zatovovavy fa manana fahafahana ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno koa ianareo. … Rahavavy tanora ny sasany amin’ireo misiônerantsika tsara indrindra” (“To the Young Women of the Church,” Ensign, Nov. 1986, 83).

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Mila zatovovavy maromaro isika. Manatanteraka asa mahavariana izy ireo. Afaka miditra ao amin’ireo tokantrano izay tsy azon’ireo elders hidirana izy ireo.

“… Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Roambinifololahy dia miray hina amin’ny filazana amin’ireo rahavavy tanorantsika fa tsy voatery handeha hanao asa fitoriana izy ireo. Manantena aho fa ho afaka hilaza ny zavatra tokony holazaiko amin’ny fomba izay tsy hanohina na iza na iza. Ny zatovovavy dia tsy tokony hahatsapa fa manana adidy mitovy amin’ny an’ireo zatovolahy. Haniry mafy ny handeha ny sasany amin’izy ireo. Raha izany no izy dia tokony haka torohevitra amin’ny evekany sy amin’ireo ray aman-dreniny izy ireo” (“Some Thoughts on Temples, Retention of Converts, and Missionary Service,” Ensign, Nov. 1997, 52).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:6. Inona no atao hoe “taranaka maditra”?

Ny teny hoe maditra dia midika hoe tsy manaraka fitsipika sy sarotra tarihina. Noho izany, ny olona maditra dia olona tsy manaraka fitsipika sy mpikomy izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo ny fiainany. Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith raha niresaka mikasika ireo olon’ny andro farany hoe: “Taranaka maditra ity, izay mandeha ao anatin’ny haizina ara-panahy” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:163). Hita ao amin’ny Asan’ny Appstoly 2:40 koa io fomba fitenenana io. (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:6. Inona ny dikan’ny hoe “mivoaka avy ao amin’ny afo, ka mankahala hatramin’ny fitafiana voapentina tamin’ny nofo”?

Rehefa niresaka mikasika ny Joda 1:23, izay mirakitra fomba fiteny mitovy amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:6 ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra hoe: “Mba hampitsaharana ny fihanahan’ny aretina tao amin’i Isiraely fahiny dia nopotehina tamin’ny alalan’ny fandoroana izany ireo lamba voaloton’ny areti-mifindra. (Lev. 13:47–59; 15:4–17.) Dia toy izany koa ny mikasika ny ota ao amin’ny Fiangonana, ny olomasina dia tsy tokony hikasokasoka amin’izany mihitsy na dia kely aza; ireo lamba, izay toy ny hoe an’ireo mpanota dia hodorana amin’ny afo, izay midika fa tsy maintsy halavirina ny zavatra rehetra nifampikasoka tamin’ny fahalotoan’ilay ratsy fanahy. Dia toy izany koa ireo izay mbola eto an-tany ka asaina hiditra ao amin’ny fanjakana” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 3:428). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1. “Tsy … handika teny misimisy kokoa”

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1 dia miresaka ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Baiboly. Vitan’ny Mpaminany Joseph ny fandikana ny bokin’i Môrmôna. Kanefa na dia tena nanan-danja lehibe aza ny asa nataony tamin’ny Baiboly dia lasa laharam-pahamehana ny tsy maintsy nifindràna tany Ohio “noho ny fahavalo” (F&F 37:1). Nanohy ny asa fanatsarana ny Baiboly tao Ohio izy taty aoriana. (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:3. Niangona tao Ohio mandra-piverenan’i Oliver Cowdery

Namita iraka nanomboka tamin’ny tapaky ny volana ôktôbra 1830 i Oliver Cowdery (jereo ny F&F 30:5–6; 32:2). Io iraka io dia nahavitan’izy sy ireo mpiaradia taminy dia mirefy 2.200 km nanavatsava an’i New York, Indiana, Illinois, ary i Ohio ka hatrany Missouri, izay toerana nitorian’izy ireo tamin’ireo tompontany Amerikana izay nipetraka tamin’ny sisin-tany andrefan’i Missouri ary nanondroan’izy ireo ny toerana izay hanorenana ny tempoly sy i Jerosalema Vaovao (jereo ny “Covenant of Oliver Cowdery and Others, 17 October 1830,” ao amin’ny Documents, Volume 1: July 1828–June 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 202–5). Nodidiana hifindra tany Ohio ireo Olomasina ary hiandry ny fiverenan’i Oliver Cowdery. Ity fandehanana tany Ohio ity dia fiomanana tamin’ny fandraisana toromarika bebe kokoa mikasika ny fananganana an’i Ziona (jereo ny F&F 38:31–33). Taty aoriana dia tsy niverina i Oliver Cowdery fa naniraka an’i Parley P. Pratt kosa izy. (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)