Seminera sy Institiota
Lesona 98: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–53


Lesona 98

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–53

Fampidirana

Ity no lesona faharoa amin’ireo lesona roa mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Tamin’ny 6 Mey 1833 no nandraisan’ny ny Mpaminany Joseph Smith ity fanambarana ity. Any amin’ny faramparan’ilay fanambarana dia nanambara fahamarinana manan-danja mikasika ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana ny Tompo. Tamin’ny fotoana nandraisana ity fanambarana ity dia maro ireo olona izay nino fa tamin’ny fotoana nitorontoronina na nahaterahana no nanombohan’ny fisiantsika. Betsaka no mbola mino an’io hevitra io amin’izao fotoana izao. Nampianatra an’i Joseph Smith ny Tompo fa “niaraka tamin’ Andriamanitra koa ny olombelona tany am-piandohana” (F&F 93:29) ary mandrakizay ny fanahintsika. Nampianatra ny fomba ahazoantsika ny fahamarinana sy ny fahazavana koa Izy ary nanome baiko ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mba handamina ny ankohonany mba hahafahan’ny fianakaviany ho matanjaka sy ho voaro.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–39

Mampianatra ireo mpanompony ny fomba fandraisana ny fahamarinana sy ny fahazavana ny Tompo

Asaivo mitsangana ireo mpianatra izay lahimatoa na vavimatoa ao amin’ny fianakaviany.

  • Inona, araka ny eritreritrao, ny sasantsasany amin’ireo andraikitra iantsorohan’ireo lahimatoa na vavimatoa?

Asaivo mipetraka ireo mpianatra. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21–23 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra nambaran’i Jesoa Kristy momba ny Tenany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 21 dia inona no mampiavaka an’i Jesoa Kristy amin’ireo zanaka fanahin’ny Ray any An-danitra? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Lahimatoan’ireo zanaka fanahy rehetra an’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.)

Hazavao ny hoe satria Lahimatoan’ny Ray i Jesoa Kristy dia Izy no “voatendry ho mpandova” ny zavatra rehetra izay an’ny Ray (Hebreo 1:2). Saingy tiany ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra hizara izany lova izany. Manana fahafahana ny ho “mpiray lova amin’i Kristy” (Romana 8:17) isika ka isaina ho ao anatin’ny “fiangonan’ny Lahimatoa” (F&F 93:22); jereo koa ny F&F 76:51–54). Amin’izay lafiny izay dia afaka mahazo ny zava-drehetra izay ananan’ny Ray koa isika (jereo ny F&F 76:55; 84:37–38).

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:22 dia inona no tsy maintsy ataontsika mba ho mpandray anjara amin’ny voninahitry ny Lahimatoa isika?

  • Inona no dikan’ny hoe ateraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy? (Ateraka ara-panahy indray ka diovina amin’ny fahotana rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.)

  • Jereo ao amin’ny andininy 21 fa i Jesoa Kristy dia nilaza hoe “niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana” Izy. Araka ny voalazan’ny andininy faha 23 iza ihany koa ireo niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana? (Ny teny hoe ianareo ao amin’ity andininy ity dia entina hilazana ireo zanaka fanahy rehetra an’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanolo ilay teny hoe ianareo ao amin’ny andininy 23 amin’ny anarany ka hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny soratra masiny.)

Hazavao fa rehefa niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nampianarin’ny Ray sy ny Zanaka ka nanana fahafahana hanaiky na handà ny fahamarinana. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24–26 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny famaritan’ny Tompo ny fahamarinana ao amin’ny andininy 24?

  • Iza no fariparitana ao amin’ny andininy 25? (Satana.)

  • Ahoana no fomba hikatsahan’i Satana hanovana ny fahalalantsika ny fahamarinana? (Ilay andian-teny hoe “izay rehetra mihoatra na latsaka izany” dia entina hilazana fa mikatsaka ny hanova sy hanena ny fahalalantsika ny fahamarinana i Satana.)

  • Inona no ianarana avy amin’ny andininy 26 mikasika an’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36–37 ka hamantatra ny fahamarinana fanampiny izay nambaran’ny Tompo momba ny fahazavana sy ny fahamarinana.

  • Inona no nambaran’ny Tompo momba ny fahazavana sy ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fahazavana sy ny fahamarinana, izay antsoina koa hoe faharanitan-tsaina, dia toetran’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.)

  • Inona no tombontsoa azontsika avy amin’ny fandraisana ny fahazavana sy ny fahamarinana? (Mety hanolotra valinteny isan-karazany ireo mpianatra. Rehefa mamaly izy ireo dia ampio hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Afaka ho tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fahazavana sy ny fahamarinana.)

Sary
fahazavana sy fahamarinana

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity kisary ampiarahana eto ity kanefa aza soratana ireo fehezan-teny ao amin’ireo faritra roa. Ho hitan’ny mpianatra ireo fitsipika ireo rehefa mandeha ny lesona. Asao ny mpianatra mba handika io kisary io ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:26–28 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fahamarinana sy ny fahazavana.

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny fahamarinana sy ny fahazavana? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mitandrina ny didy isika dia mandray ny fahamarinana sy ny fahazavana. Soraty ao anatin’ilay efajoro eo amin’ny sisiny ankavanan’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fankatoavana ny didy antsika handray ny fahamarinana sy ny fahazavana?

  • Oviana ianao no efa nahatsapa fa nahazo fahamarinana sy fahazavana noho ny fitandremana ny didy?

Hazavao fa fony isika niaina niaraka tamin’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahantsika dia nanana fahafahana misafidy—ilay fahaizana misafidy sy hanao zavatra araka ny sitrapon’ny tenantsika. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29–32 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba fiantraikan’ny fampiasantsika ny fahafahana misafidy eo amin’ny fahafahantsika mandray fahazavana sy fahamarinana. Avy eo dia asaivo manao tatitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 31–32 dia inona no vokatra ho azo raha mifidy ny tsy handray ny fahazavana isika? (Mametraka ny tenantsika eo ambanin’ny fanamelohana isika. Izany hoe manakana ny fandrosoantsika ara-panahy isika rehefa mandà ny handray ny fahazavana izay omena antsika.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mety ho very ve ny fahazavana sy ny fahamarinana izay efa noraisintsika? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia asao izy ireo handinika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hanadihady ny Almà 12:10–11.)

  • Inona no antony mahatonga antsika hanary ny fahazavana sy ny fahamarinana? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Ny tsy fankatoavana sy ny fomban-drazana diso no antony mahatonga antsika hanary ny fahazavana sy ny fahamarinana. Soraty ao anatin’ilay efajoro eo amin’ny sisiny ankavian’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona ireo ohatra sasantsasany amin’ny fomban-drazana na hetsika izay mahazatra ny ankamaroan’ny olona ny manao azy kanefa mety hitarika antsika hanary ny fahazavana sy ny fahamarinana avy amin’ny Raintsika any An-danitra?

Ity asa atao manaraka ity dia manampy amin’ny fanehoana ny fiantraikan’ny safidintsika manokana ny hankatò na tsy hankatò ny didin’ Andriamanitra amin’ny fahafahantsika mandray ny fahazavana sy ny fahamarinana na hanary izany. Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity fampahalalana manaraka ity na adikao amin’ny taratasy ho zaraina amin’ny mpianatra tsirairay. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny andininy voalohany. Asaivo hazavain’ireo mpianatra ny hoe amin’ny fomba ahoana sy nahoana no hiantraika amin’ny fahafahany mandray ny fahazavana sy ny fahamarinana ny safidin’i Maria. Rehefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia asaivo manao toy izany koa amin’ny andininy 2–4.

  1. Mivavaka isaky ny maraina sy ny hariva i Maria. Faly izy manao asa fanompoana sy mitandrina ny fanekempihavanany ary mandinika ny soratra masina isan’andro. Manampy tsy tapaka amin’ny fanangonana ny fianakaviany izy mba hanaovan’ny mpianakavy ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka. Tsy andriny ny handraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro any am-piangonana.

  2. Mivavaka sy mandalina ny soratra masina matetika i Maria saingy tsy isan’andro no anaovany izany. Amin’ny ankabeazan’ny fotoana dia mandeha any am-piangonana izy ary mihaino matetika ireo izay manao lahateny sy mampianatra. Mandeha manatrika ny fiaraha-mientan’ny Zatovovavy izy raha fantany fa any ireo namany.

  3. Mivavaka i Maria rehefa tsy reraka na maika. Manampy tsy sazoka amin’ny fanaovan-draharaha ao an-trano izy ary rehefa metimety aminy ihany izany vao mamaky ny soratra masina miaraka amn’ny fianakaviana izy. Matetika izy no tsy manatrika ny fivoriam-piangonana sy ireo fiaraha-mientan’ny Zatovovavy. Indraindray dia mandika ny Tenin’ny Fahendrena izy.

  4. Tsy mivavaka sy mamaky ny soratra masina na mandeha manatrika ny fivoriam-piangonana mihitsy i Maria. Nangataka ny hihaona aminy ny eveka kanefa tsy mety hiresaka aminy izy. Matetika mandika ny Tenin’ny Fahendrena izy. Mifamaly foana amin’ny fianakaviany izy. Mahatsiaro ho lavitry ny Ray any An-danitra izy.

  • Raha miainga avy amin’ireo ohatra ireo dia ahoana no hamintinanao ny lanjan’ny fanapahan-kevitra ataontsika isan’andro sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana azontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–53

Manoro hevitra ny mpanompony ny Tompo mba handamina ny tokantranony

Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra amin’ny namana iray mikasika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fifaneraseranao amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny fianakavianao manampy anao hitombo ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana?

Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ilay fanontaniana ny mpianatra dia asao ny sasantsasany amin’izy ireo hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny andraikitra nomen’ Andriamanitra ireo ray aman-dreny.

  • Inona no andraikitra nomen’ Andriamanitra ny ray aman-dreny?

  • Ahoana no hitazain’ny ray aman-dreny ny zanany “ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana”?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:41–48 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanoro lalana an’i Frederick G. Williams sy i Sidney Rigdon ary i Joseph Smith Zanany ny Tompo mba hampianatra tsara kokoa an’ny zanak’izy ireo ny fahazavana sy ny fahamarinana ary handamina ny fianakavian’izy ireo. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:49–50 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny fampitandremana izay mihatra amin’ny fianakaviantsika.

  • Inona no fampitandremana izay nomen’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? (Ampio ny mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Tsy maintsy mivavaka mandrakariva sy mazoto ary mikarakara ny ao an-tokantrano isika fa raha tsy izany dia hanana fahefana amintsika ilay ratsy.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe: “hazoto sy hikarakara … ao an-tokantrano”?

Asehoy fa na dia nomena ny ray aza ity fampitandremana ity dia natao ho an’ny fianakaviany koa izany. Asao ny mpianatra mba handroso hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny tanora ho mazoto sy hikarakara ao an-tokantrano. Asao ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Farano ity lesona ity amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy fitsipika izay vao avy nianaran’ny mpianatra nandritra ity lesona ity. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  1. Mitadiava didy iray izay afaka ankatoavinao amim-pahatokiana bebe kokoa mba ahafahanao mitombo ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana. Inona no hataonao mba hahatonga anao ho mahatoky bebe kokoa amin’ny fitandremana izany didy izany?

  2. Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga anao hazoto sy hikarakara bebe kokoa ny ao an-tokantrano? Manoràta tanjona iray izay milaza ny fomba hikatsahanao ny fivoarana mandritra ny herinandro manaraka.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–50. Mitaiza ny zanaka ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana

Ny Fiadidiana Voalohany dia nanome izao torohevitra manaraka izao:

“Manao antso avo amin’ ireo ray aman-dreny izahay hanokana ny ezaka rehetra vitan’izy ireo ho amin’ny fampianarana sy ny fitaizana ireo zanany ao amin’ ireo fitsipiky ny filazantsara izay hihazona azy ireo ho akaikin’ny Fiangonana. Ny tokantrano no fototry ny fiainana marina, ary tsy misy fitaovana hafa afaka maka ny toerany na afaka mahatontosa ny anjara asany manan-danja eo amin’ny fampandrosoana io andraikitra nomen’ Andriamanitra io.

“Manoro hevitra ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka izahay mba hametraka ho laharam-pahamehana voalohany indrindra ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana sy fampianarana ny filazantsara ary ny fanaovana fiaraha-mientana mahasoa ny mpianakavy. Na dia tsara sy mendrika ho atao tahaka izany aza ny zavatra tiana hatao na ny fiaraha-mientana hafa dia tsy tokony havela izany hanolo toerana ireo andraikitra masina manokana izay ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana ihany no afaka manatanteraka azy tsara” (First Presidency letter, Feb. 11, 1999, quoted in Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 1.4.1).

Hamoaka printy