Lesona 36
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:30–50
Fampidirana
Fotoana fohy talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay natao tamin’ny 26 Septambra 1830 dia naharay fanambarana teo anatrehan’ny loholona enina ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo loholona ireo dia nahafantatra avy amin’ilay fanambarana ny mikasika ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny fanavotana amin’ilay Fahalavoana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:30–45
Manambara ny Mpamonjy fa nanavotra antsika tamin’ny Fahalavoana Izy ary manome famonjena amin’ny fahotantsika
Zarao amin’ny mpianatra ity tantara kely noforonina ity ary avy eo dia apetraho ilay fanontaniana aorian’izay:
Alaivo sary an-tsaina hoe manatona anao ny iray amin’ireo namanao ary somary kivy izy. Rehefa nanontany ny antony maha kivy azy ianao dia nilaza taminao izy fa tsy fantany raha nilaina ny nanao ezaka mba ho lasa olona tsara. Nohazavainy fa na dia niezaka nitandrina ny didy aza izy dia tsy hitany akory izay nahatsara kokoa ny fiainany raha nampitahaina tamin’ny an’ireo namany izay nisafidy ny hanota. Ankoatra izay dia nilaza izy fa toa tsy misy zavatra ratsy mitranga amin’ireo namany noho ireo safidy ratsy ataon’izy ireo.
-
Ahoana no mety hamalianao ireo ahiahy ananan’ny namanao?
Asao ny mpianatra hitady fotopampianarana sy fitsipika izay afaka hanampy azy ireo hamaly ireo ahiahy ananan’ilay namany rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–32 ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fampianarana ao anatin’ireo andininy ireo dia hazavao ireto manaraka ireto alohan’ny hamakian’ny mpianatra izany mafy:
Tamin’ny Fahariana dia tao anatin’ny toetra ara-panahy i Adama sy i Eva sy ny tany ary ny zavatra rehetra teto an-tany. Na dia nanana vatana nofo sy taolana aza i Adama sy i Eva dia tsy niharan’ny fahafatesana izy ireo ary afaka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay. Kanefa tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ho lasa ara-nofo avokoa ny zavatra rehetra nohariany. Izany hoe ho voafetra ny fotoana iainan’izy ireo ary hihatra amin’izy ireo ny fahafatesana. Aorian’ny fitsanganana amin’ny maty dia hiverina amin’ny toetra ara-panahy izy ireo—manana vatana nofo sy taolana fa tsy mety maty ihany koa.
Asao ny mpianatra iray hafa hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34–35. Angataho ireo mpianatra hitady ny fomba fahitan’ny Tompo ireo didy omeny antsika.
-
Ahoana no namaritan’ny Tompo ny didiny? (Ny valintenin’ny mpianatra dia tokony hahitana taratra an’ity fotopampianarana manaraka ity: Ara-panahy daholo ny didin’ Andriamanitra rehetra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)
-
Ahoana no mety hanazavanao ilay fanambaran’ny Tompo fa ara-panahy avokoa ny didiny rehetra? Inona avy ireo ohatra azo omena amin’ireo fitahiana ara-panahy izay azo rehefa mitandrina ny didy isika?
Rehefa mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa maro ireo didy izay hahazoana ireo fitahiana ara-nofo, toy ny Tenin’ny Fahendrena sy ny lalàn’ny fahafolonkarena. Kanefa dia mbola hahazoana fitahiana ara-panahy lehibe kokoa aza izy ireo. Ireo fitahiana ara-nofo dia misy fetrany fa ireo fitahiana ara-panahy kosa dia maharitra mandrakizay.
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ilay fotopampianarana voasoratra eo amin’ny solaitrabe ilay namanao voalaza ao anatin’ilay tantara kely noforonina tany am-piandohan’ny lesona?
Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–39 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nikomy tamin’ Andriamanitra ny devoly tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana ary nampiodina “ny ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra” hiala tamin’ Andriamanitra. Koa satria nikomy ny devoly sy ireo mpanaradia azy dia noroahina izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ireo antony hamelan’ny Tompo ny devoly haka fanahy antsika.
-
Nahoana ny Tompo no mamela ny devoly haka fanahy antsika ? Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fananana fahafahana misafidy ny tsara na ny ratsy ?
Mba hanomanana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:40–45 dia hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:35 ny Tompo dia nilaza ny didy nomeny an’i Adama tao amin’ny Saha Edena (jereo koa ny F&F 29:40). Asao ny mpianatra hamaky mangina io didy io ao amin’ny Mosesy 3:16–17.
-
Inona no didy nomen’ny Tompo an’i Adama? (Nandidy an’i Adama ny Tompo mba tsy hihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.) Inona no nolazain’ny Tompo fa hitranga tamin’i Adama raha nandika ilay didy izy? (Ho faty i Adama. Nanomboka tamin’ny andro nandikan’i Adama lalàna dia nihatra taminy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:40–41. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny dikan’ilay andian-teny hoe “fahafatesana ara-panahy.”
-
Araka ny voalaza ao amin’io andininy io dia inona no atao hoe fahafatesana ara-panahy? (Tokony hilaza ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Ny fahafatesana ara-panahy dia ny fanesorana tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ilay andian-teny hoe “ny fahafatesana voalohany” ao amin’ny andininy 41 dia hazavao fa misy karazany roa ny fahafatesana ara-panahy. Ny voalohany dia vokatry ny Fahalavoana, ary misy fetrany. Ny faharoa dia vokatra avy amin’ireo fahotana tsy nibebahana ary maharitra ho an’ireo izay tsy mibebaka sy tsy mankatò.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:42. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady karazana fahafatesana iray hafa izay tonga noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama.
-
Inona ilay karazana fahafatesana iray hafa izay tonga noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama? (Fahafatesan’ny vatana. Ity fahafatesana ity dia ny fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny vokatry ny Fahalavoana eo amin’ny olombelona rehetra dia asao izy ireo hamaky mangina ny Helamàna 14:16. Asao izy ireo hamantatra hoe iza no miaritra ny vokatry ny fandikan-dalàna nataon’i Adama.
-
Iza no miaritra ny vokatry ny fandikan-dalàna nataon’i Adama ? (Ny olombelona rehetra.)
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 14:17. Angataho ny mpianatra rehetra hitady ny zavatra lazain’io andininy io mikasika ny fomba handresena ireo vokatry ny fandikan-dalàna nataon’i Adama.
-
Amin’ny fomba ahoana no handresena ireo vokatry ny fandikan-dalàna nataon’i Adama? Iza no handray ireo fitahiana ireo?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Almà 33:22; 42:23. Hazavao fa hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina ny olona rehetra, kanefa tsy ny olona rehetra no ho mendrika ny hitoetra eo anatrehany mandrakizay. Dia asao avy eo ireo mpianatra hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina nosoratanao eo amin’ny solaitrabe mba hitady ny porofon’io fahamarinana io. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza ho an’izany dia asao izy ireo hanao tatitra momba ny zavatra hitany.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:43–44. Resaho ilay fanambarana fa ireo izay “tsy mino” an’i Kristy dia “tsy afaka avotana amin’ ny fahalavoana ara-panahiny.” Hazavao fa na dia havotana amin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva aza ny olona rehetra dia tsy havotana amin’ny fahalavoana ara-panahiny ireo izay mandà ny hino an’i Jesoa Kristy sy hibebaka.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:42–43. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba ahafahana mamonjy antsika amin’ireo vokatry ny fahotana ataontsika.
-
Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia inona no tokony hataontsika mba ho voavonjy amin’ireo vokatry ny fahotana ataontsika? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hilaza ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: I Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia manolotra famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay mino Azy sy mibebaka amin’ny fahotany. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)
Mijoroa ho vavolombelona fa ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia anisan’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika. Na dia niaina teo anatrehan’ Andriamanitra aza isika talohan’ny nahaterahantsika dia nilain’ny tsirairay avy amintsika ny ho tonga eto an-tany sy hahazo vatana nofo sy taolana ary hianatra amin’ny alalan’ny zavatra iainana hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ny toetrantsika ara-panahy rehefa mahazo ny fiainana mandrakizay dia ho tsara kokoa noho ny toetrantsika ara-panahy nananantsika tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana. Asao ny mpianatra iray hamaky izao fanazavana manaraka izao ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana:
“Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay amin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty. Handray izany fanomezana izany ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana dia ny fandovana toerana iray ao amin’ny ambaratonga avo indrindra misy ao amin’ny fanjakana selestialy, ka hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra isika ao ary hitohy ho fianakaviana (jereo ny F&F 131:1–4). Toa ny tsy fahafatesana dia tanteraka koa izany fanomezana izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Kanefa izany dia mitaky ny ‘fankatoavantsika ireo lalàna sy ôrdônansin’ny Filazantsara’ (Fanekem-pinoana 1:3)” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 52).
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana safidy izay hanampy azy ireo handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson ity:
“Aza sangisangiana ny fiainanao mandrakizay. Raha toa ka nanota ianao dia atombohy faran’izay haingana ny fiverenana amin’ilay lalana mba hahazoana haingana ny fiadanana sy fifaliana malefaka azo avy amin’ny fahagagan’ny famelan-keloka.
“… Manana anjara amin’ny fitahian’ny fizokiana ianao. Ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakan’ny Raintsika no tanjontsika. Tsy ho tratra amin’ny alalan’ny andrana goavana iray izany, fa vokatry ny fahamarinana iainana mandritra ny fiainana manontolo kosa, izay fitambatambaran’ny safidy feno fahendrena maro, ary ny tanjona tsy miovaova. Toy ireo zavatra rehetra mahasoa dia mitaky ezaka koa ny valisoan’ny fiainana mandrakizay.
“… Enga anie isika ho feno fankasitrahana amin’ny zo hisafidy, hanaiky handray andraikitra ny hisafidy ary handinika tsara ao an-tsaintsika izay mety ho vokatry ny safidintsika” (“Ny dingana telon’ny safidy,” Ensign naLiahona, Nôv. 2010, 69–70).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–50
Manambara ny Mpamonjy fa ny ankizy madinika sy ireo izay tsy manana fahazavan-tsaina dia avotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany
Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–50 dia hitantsika fa hafa ny vokatry ny fandikana ireo lalàn’ Andriamanitra ho an’ireo ankizy madinika sy ireo izay tsy tompon’Andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Hitantsika ihany koa ny hery sy ny famindram-po lehibe an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–47.
-
Inona no tian’izany hambara mikasika ireo ankizy madinika izay maty alohan’ny fahavalo taonany? (Voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy izy ireo. Jereo koa ny F&F 137:10. Azonao atao ny manazava fa araka ny voalaza ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:11 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina] sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25, ny ankizy dia manomboka ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Tompo eo amin’ny fahavalo taonany. Mba ho fanampim-pampianarana mikasika io lohahevitra io dia jereo ny Môrônia 8 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10.)
-
Ahoana no hanamafisan’io andininy io ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
Ho famaranana dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:49 ary hisaintsaina ny zavatra andrandrain’ny Tompo ho an’ny tenan’izy ireo manokana. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara hoe midika inona amin’izy ireo ny fahafahana miverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy mitoetra ao mandrakizay. Rehefa avy mamaly ny mpianatra vitsivitsy dia amporisiho ny mpianatra rehetra hanao safidy izay hanome fahafahana azy ireo hitoetra mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:30–50.
Ity tabilao manaraka ity dia milazalaza mikasika ireo fiovana nitranga teo amin’i Adama sy i Eva noho ny nihinanany ilay voankazo voarara:
Talohan’ny Fahalavoana |
Taorian’ny Fahalavoana |
---|---|
|
|
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34–35. Vokatry ny fankatoavana na ny tsy fankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra
Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
“Napetraka hatrany am-piandohan’ny fanorenana izao tontolo izao ireo lalàn’ny zavaboary sy lalàna ara-panahy. … Mandrakizay izy ireo, tahaka ny maha-mandrakizay ireo vokatra ateraky ny fankatoavana na ny tsy fankatoavana azy ireo. Tsy mifototra amin’ny foto-kevitra ara-pôlitika na ara-piaraha-monina izy ireo, ary tsy azo ovaina. Tsy misy tsindry na fanoherana na lalàna novolavolain’olombelona afaka manova azy ireo” (For Time and All Eternity,” Ensign, nôv. 1993, 22).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:41. “Ny fahafatesana farany … izay ao amin’ny fanahy”
Nanazava ilay fahafatesana ara-panahy faharoa ny Filoha Joseph Fielding Smith:
“Ny fahafatesana faharoa dia ao amin’ny fanahy; izy io dia ny fanaisorana tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Izany dia mitovy amin’ilay fahafatesana ara-panahy voalohany, izay nahatratra ny olona rehetra izay tsy nety nibebaka ary tsy nandray ny filazantsara. Ireo izay niaritra ilay fahafatesana ara-panahy voalohany na ny fandehanana, dia ny fanesorana tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra izany, dia manana tombontsoa ny hohavotana amin’io fahafatesana io amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsara. Izy ireo, amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, dia ateraka indray ka noho izany dia lasa tafaverina ao anatin’ny fiainana ao amin’ny fanahy, ary amin’ny alalan’ny fankatoavan’izy ireo tsy tapaka hatramin’ny farany dia ho lasa mpandray anjara amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izy ireo.
“Ireo izay ho tratran’ny fahafatesana faharoa dia ireo izay efa nanana ny fahazavana ara-panahy ary niodina tamin’izany. Ireo olona ireo dia mijanona ao amin’ny fahotany any amin’ny toerana izay nandroahana azy” (Doctrines of Salvation, navoakan’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 2:222–23).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–47. “Avotana … ny ankizy madinika”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny famonjena ny ankizy madinika alohan’ny maha lasa tompon’andraikitra azy ireo eo anatrehan’ Andriamanitra:
“Eo anivon’ireo fahamarinana be voninahitra ao amin’ny filazantsara nomen’ Andriamanitra ny olony dia ankavitsiana no ahitana fotopampianarana tena mamy sy mahafapo ny fanahy ary manamasina ny fanahy toy ilay iray izay manambara fa—Ho voavonjy ny ankizy madinika. Velona ao amin’i Kristy izy ireo ary hanana ny fiainana mandrakizay. Hitohy ny firaisan’ny fianakaviana ho azy ireo ary azy ireo ny fahafenoan’ny fisandratana. Tsy hisy fitahiana tsy holavina ka tsy ho azony. Hitsangana ao amin’ny voninahitry ny tsy fahafatesana izy ireo, hihalehibe, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny lanitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy—izy rehetra amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’i Mesia Masina, izy rehetra noho ny sorompanavotan’Ilay maty mba hahafahantsika ho velona …
“Tonga dia voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy ve ny ankizy madinika?
“Ny valin’io fanontaniana io dia eny, toy ny feon-kotro-baratra izay manakoako avy eo amin’ny fara-vodilanitra iray mankany amin’ny iray hafa. Nampianarin’i Jesoa tamin’ireo mpianany izany. Naverimberin’i Môrmôna izany. Maro amin’ireo mpaminany no niresaka mikasika izany, ary tena manan-danja ao anatin’ny drafitry ny famonjena iray manontolo izany. Raha tsy marina izany dia tsy ho tsy manam-petra amin’ny fiasany ny fanavotana. Ary noho izany, araka izay nandrasantsika, dia ahitana ity fanambarana ity ao anatin’ny Fahitan’i Joseph Smith ny Fanjakana Selestialy: ‘Ary tazako koa fa ny ankizy rehetra izay maty alohan’ ny hahatongavany amin’ ny taona maha-tompon’ andraikitra azy dia voavonjy ao amin’ ny fanjakana selestialin’ ny lanitra.’ [F&F 137:10.] …
“Amin’ny fomba ahoana no hamonjena azy ireo ary nahoana?
“Voavonjy amin’ny alalan’ny sorompanavotana izy ireo ary voavonjy noho izy ireo tsy manam-pahotana. Tonga avy any amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahadiovana izy ireo; tsy misy fahotana na loto izay mamatotra azy ireo mandritra ny fiainana eto an-tany, ary miverina any amin’ny Mpanao azy ao anatin’ny fahadiovana izy ireo. Ireo olona tompon’andraikitra dia tsy maintsy lasa madio amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fankatoavana. Ireo izay tsy tompon’andraikitra amin’ny fahotana dia tsy lavo ara-panahy mihitsy ary tsy mila havotana amin’ny fahalavoana ara-panahy izay tsy mbola nihatra taminy mihitsy. Dia izay no nahatonga ilay filazana fa velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika. ‘Avotana amin’ ny alalan’ ny Lahitokako ny ankizy madinika hatry ny fanorenana izao tontolo izao,’ hoy ny Tompo. (F&F 29:46.)” (“The Salvation of Little Children,” Ensign, apr. 1977, 3, 4–5).