Seminera sy Institiota
Lesona 146: Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana


Lesona 146

Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana

Fampidirana

Taorian’ny fahafatesana maritioran’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny ny 27 jona 1844, dia nikorontan-tsaina mikasika ny hoe iza no hitarika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny olona sasany. Fa talohan’ny nahafatesany, dia efa nanomana ny famindrana fitarihana tamin’ny alalan’ny fametrahana ny fanalahidy rehetra sy ny herin’ny fisoronana rehetra teo amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Mpaminany. Rehefa niresaka tamin’ny Olomasina i Brigham Young izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny 8 aogositra 1844 dia maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no nandray fijoroana ho vavolombelona ara-panahy fa nantsoina sy nomanin’ Andriamanitra mba hitarika ny Fiangonana izy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Taorian’ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith ho maritiora, dia nisy olom-bitsy nitaky ny zo mba hitarika ny Fiangonana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

Iza no lasa Filohan’ny Fiangonana indray rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny? Ahoana no fomba hifidianana azy?

Ahoana no fomba andraisan’ny Filohan’ny Fiangonana ny fahefan’ny fisoronana ilaina mba hitarihana ny Fiangonana?

Asao ireo mpianatra handinika ny ny fomba hamalian’izy ireo ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho izy ireo mba hihaino ireo valim-panontaniana anio raha mianatra mikasika ny fiovana eo amin’ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana izay nitanga taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith sy Hyrum rahalahiny.

Hazavao fa taorian’ny namonoana maritiora an’i Joseph sy i Hyrum Smith,dia nalahelo fatratra ireo Olomasina. Ny sasany dia nikorotan-tsaina ny amin’ny hoe iza no hitarika ny Fiangonana. Nandritra ny tsy fisian’ny Filohan’ny Fiangonana, dia nihevitra ny olona sasany fa rariny ny hitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fiangonana. Na izany aza , dia nisy olom-bitsy nanohy ny fitakiana diso fa izy ireo no nanana ny zo hitarika ny Fiangonana. Anisan’izany i Sidney Rigdon sy i James Strang.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andian-tsoratra telo manaraka ireto. Asao ny kilasy hihaino ny antony niheveran’i Sidney Rigdon, izay mpitarika lehibe tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro fa izy no tokony hitarika ny Fiangonana.

“I Sidney Rigdon, izay Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia tonga [tao Nauvoo] avy tany Pittsburgh, Pennsylvania, ny 3 aogositra 1844. Nandritra ny taona talohan’izay, dia nanomboka nizotra tamin’ny fomba fiainana tsy nifanaraka tamin’ny toro-hevitry ny Mpaminany Joseph Smith sy nisitaka tamin’ny Fiangonana izy. Tsy nanaiky hihaona tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy miisa telo efa tany Nauvoo izy fa niresaka tamin’ny vondron’Olomasina lehibe izay niangona tamin’ny andro fivavahana Alahady” (Our Heritage: A Brief History of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1996], 66).

Nangataka fivoriana manokana hatao ny talata 6 aogositra i Sidney, mba hahafahan’ireo mpikambana misafidy mpitandrina iray ao amin’ny Fiangonana. Hita fa toa niezaka ny hampivory ny mpikamban’ny Fiangonana i Sidney Rigdon mba hahafahan’izy ireo mankatò ny toerany amin’ny maha-mpitandrina ny Fiangonana azy alohan’ny hiverenan’ny Apôstôly Roambinifolo rehetra avy tamin’ny asa fitorian’izy ireo tany amin’ny faritra atsinanan’ny Etazonia. Ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia nahatsapa fa ny Rahalahy Rigdon dia nitetika “hanararaotra ny olomasina fotsiny” (History of the Church, 7: 225). Soa ihany fa noho ny ezaky ny Loholona Willard Richards sy ny Loholona Parley P. Pratt dia nahemotra ny alakamisy 8 aogositra 1844 ny fivoriana mba hahafahan’ny ankabeazan’ireo Apôstôly miverina ao Nauvoo.

Nitaky i Sidney Rigdon fa satria izy no efa nantsoina sy natokana ho mpitondratenin’i Joseph Smith teo aloha (jereo ny F&F 100: 9), dia andraikiny no “miantoka fa voatantana araka ny tokony ho izy ny fiangonana” (History of the Church, 7:229). Nitaky koa izy fa tokony izy no “mpiandry ny vahoaka” ary amin’ny fanatanterahany ny andraikiny, dia manao izay nandidian’ Andriamanitra azy izy (jereo ny History of the Church, 7:230).

  • Raha tany Nauvoo ianao tamin’izany fotoana izany dia inona no mety ho eritreritrao mikasika ny fitakian’i Sidney Rigdon? Inona no fanahiana mety nananao mikasika ny Rahalahy Rigdon?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andian-tsoratra manaraka. Asao ny mpianatra hihaino ny antony nilazan’i James Strang fa tokony izy no hitarika ny Fiangonana.

I James Strang, izay vita batisa tamin’ny volana febroary 1844, dia namantatra tany izay nokasaina ho an’ny Olomasina tao Wisconsin tamin’ny fahavaratry ny taona 1844. Taorian’ny famonoana maritiora, dia nilaza i James Strang fa nandray taratasy avy tamin’i Joseph Smith izy, izay milaza fa izy no efa voatendry ho mpandimby an’i Joseph Smith. Ilay taratasin’i James Strang, izay nasehony tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana, dia toa ahitana ny sonian’i Joseph Smith. I James Strang dia nitaky ny ho mpaminany vaovao ary nanambara ny toerany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tany Michigan ny 5 aogositra 1844.

  • Raha toa niaraka tamin’ireo Olomasina tao Michigan ianao, inona no mety nandresy lahatra anao tamin’ireo fitakian’i James Strang? Inona no mety ahiahinao manoloana an’ireo fitakiana ireo?

Asao ny mpianatra iray hamakymafy ireto andian-tsoratra manaraka ireto. Asao ny mpianatra hihaino ny hoe inona no nolazain’i Brigham Young tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay anisan’izany ny mpikamban’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay tao Nauvoo, mikasika ny hoe iza no tokony hitarika ny Fiangonana:

Ireo Loholona John Taylor, Willard Richards ary Parley P. Pratt dia efa tao Nauvoo rehefa tonga i Sidney Rigdon. Ny ankabeazan’ny ambin’ireo Apôstôly, izay anisan’izany i Brigham Young dia niverina tao Nauvoo ny harivan’ny 6 aogositra1844. Ny andro manaraka, ny 7 aogositra dia nihaona tamin’ny alalan’ny filan-kevitra tao an-tranon’i John Taylor ny Apôstôly. Ny tolak’andro, taorian’izay, dia niara-nivory ny Apôstôly Roambinifolo, ny filan-kevitra avo ary ny mpisorona avo. Ny Filoha Young dia nanasa an’i Sidney Rigdon mba hilaza ny hafany amin’ireo Olomasina. I Sidney Rigdon dia nilaza tamim-kasahiana fa nahita fahitana izy ary tsy misy olon-kafa afaka mandimby an’i Joseph Smith ho Filohan’ny Fiangonana. Ary nanome sosokevitra izy avy eo mba ho tendrena ho mpitandrina ny vahoaka ny tenany.

Rehefa namarana ny resaka nataony i Sidney Rigdon, dia nilaza i Brigham Young hoe:

Filoha Brigham Young

“Tsy raharahiko izay hitarika ny Fiangonana, … fa zavatra iray no tokony ho fantariko, dia ny hoe inona no lazain’ Andriamanitra mikasika izany. Manana ireo fanalahidy sy ny fomba hahafahana mahafantatra ny eritreritr’ Andriamanitra mikasika izany aho. …

“Nomen’i Joseph teo ambonin’ny lohanay [miresaka ny Apôstôly Roambinifolo] avokoa ireo fanalahidy sy hery rehetra amin’ny maha-Apôstôly izay nohazoniny izy tenany talohan’ny nahalasana azy. …

“Impiry moa i Joseph no nilaza tamin’ireo Roambinifololahy hoe: ‘Efa nametraka ny fototra aho ary ianareo dia tsy maintsy manangana eo ambonin’izany, fa eo ambonin’ny sorokareo no hipetrahan’ny fanjakana’” ( Ao amin’ny History of the Church, 7: 230)

  • Nahoana no manan-danja ny fijoroana ho vavolombelon’i Brigham Young mikasika an’ireo fanalahidin’ny fisoronana? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ireo Apôstôly dia mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra izay ilaina mba hitarihana ny Fiangonana.)

Hazavao fa rehefa voatendry ny Apôstôly iray, dia homena azy ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra ilaina eto an-tany (jereo ny F&F 112:30–32), fa ny fahefana hampiasa ireo fanalahidy ireo dia voatokana ho an’ny Apôstôly efa ela niasana indrindra, dia ny Filohan’ny Fiangonana.

Vakio mafy ny torolalana manaraka nomen’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny volana janoary 1836, valo taona mahery talohan’ny nahafatesany:

Mpaminany Joseph Smith

“Tsy misy eo ambonin’ny Roambinifololahy afa-tsy ny Fiadidiana Voalohany, … ary rehefa tsy eo intsony aho, dia tsy misy Fiadidiana Voalohany eo ambonin’ny Roambinifololahy’” (ao amin’ny History of the Church, 2:374)

  • Raha mifototra amin’io fanambarana io, inona no mitranga amin’ny Fiadidiana Voalohany rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana? Iza no mitarika ny Fiangonana? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny fotopampianarana manaraka: Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana, dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no lasa kôlejy mpiahy.)

Hazavao fa rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia mandray ny toerana misy azy avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, araka ny fotoana niasana ela tao amin’ny Kôlejy. Rehefa nitsangana tamin’ny voalohany ny Kôlejy tamin’ny 1835, dia notapahana araka ny taona ny maha-ela niasana ao amin’ny Kôlejy. Ankehitriny ny maha-ela niasana ao amin’ny Kôlejy dia voafaritra amin’ny alalan’ny daty naha-mpikamban’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ny lehilahy iray.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–128, ary asao ny mpianatra rehetra hikaroka ny hoe iza no Apôstôly efa ela niasana indrindra sady Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fotoana nahafatesan’i Joseph Smith. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

  • Raha miainga amin’ny zavatra nianaranao, nahoana no mety nanam-paniriana hanaraka an’i Brigham Young ianao taorian’ny fahafatesan’i Joseph Smith?

Fenoy ilay fotopampianarana eo amin’ny solaitrabe amin’ny famenoana ny ampahany voatsipika: Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana, dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no lasa kôlejy mpiahy eo ambany fitarihan’ny Apôstôly efa ela niasana indrindra.

Maro ny Olomasina no vavolombelona fa i Brigham Young no tokony hitarika ny Fiangonana

Hazavao fa ny 8 aogositra 1844, dia niangona tamin’ny 10 ora maraina ireo Olomasina tany Nauvoo mba hihaino an’i Sidney Rigdon hitaky ny tokony ho mpitandrina ny Fiangonana azy. Satria nitsoka teny amin’ny lampihazo ny rivotra dia naka toerana tao anaty sarety tao aorian’ny mpiangona i Sidney Rigdon mba hahafahan’izy ireo maheno tsaratsara kokoa ny feony. Nitodika ny vahoaka mba hahafahan’izy ireo mahita an’i Sidney Rigdon mandritra ny fotoana nitoriany. Niresaka tamin’ireo Olomasina niangona niisa an’arivony izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony tokony maha mpitandrina ny Fiangonana azy. Vahoaka maro no namariparitra fa ny toriteniny dia tsy nahatsapana aingam-panahy.

Ny Filoha Brigham Young sy ny mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia tonga sy nipetraka teo amin’ny toerana mifanatrika amin’i Sidney Rigdon. Ary nitsahatra ny rivotra tamin’izany. Rehefa vita ny tenin’ny Sidney Rigdon, dia nandray fitenenana i Brigham Young. Nitodika ireo mpihaino mba handre an’i Brigham Young ary nanome lamosina ilay sarety nisy an’i Sidney Rigdon izy ireo. (Jereo ny George Q. Cannon, “Discourse,” Deseret News, 21 feb. 1883, 67.) Niresaka fohy i Brigham Young ary nilaza izy fa naleony kokoa miverina any Nauvoo mba hisaona ny Mpaminany toy izay voatery manendry mpitarika vaovao. Nanambara izy fa hisy fivorian’ireo mpitarika sy mpikambana io andro io ihany, amin’ny 2 ora tolakandro. Mpikambana maro avy eo no nijoro ho vavolombelona fa rehefa niresaka i Brigham Young, dia nahita izy ireo fa niova ny endriny ary niova ny feony, ary dia nitovy tamin’ny ny endrika sy ny feon’i Mpaminany Joseph Smith izany. Io tranga mahagaga io dia nanampy ny Olomasina maro hahafantatra fa hirian’ny Tompo ny hitarihan’i Brigham Young ny Fiangonany.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireto ohatra manaraka ireto izay hita sy ren’ny Olomasina ireto:

Benjamin F. Johnson

I Benjamin F. Johnson dia nitantara hoe: “ Raha vao vantany vao niteny i [Brigham Young] dia tafatsangana aho, satria nahavariana fa ny feon’i Joseph izany, ary ny tenany, raha amin’ny endrika, fihetsika, akanjo sy bika dia i Joseph izy tenany mihitsy, izy tanteraka; ary fantatro tamin’ny fotoana iray fa teo aminy ny fanahy sy ny fahefan’i Joseph” (My Life’s Review, 104, voatanisa ao amin’ny Church History in the Fulness of times Student Manual, ed. faharoa [Church Educational System manuaal, 2003], 291).

I William C. Staines dia namariparitra ny firesak’ i Brigham Young ho “feo mitovy amin’ny an’ny Mpaminany Joseph Smith. Noheveriko fa izy no hitanay, ary dia toy izany koa no nambaran’ireo olona an’arivony naheno izany” (ao amin’ny History of the Church, 7: 236)

Filoha Wilford Woodruff

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy nanatri-maso aho, dia tsy nisy afaka nandresy lahatra ahy fa tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza nahafantatra azy mirahalahy ireo dia afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’izany ” (ao amin’ny History of the Church, 7: 236).

Hazavao fa nandritra ny fivoriana nisy tamin’io tolakandro io tamin’ny 2 ora, dia niresaka i Brigham Young sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Olona maro hafa no niteny fa i Brigham Young dia nitovy endrika sy feo tamin’i Joseph Smith rehefa nandray fitenenana io tolakandro io. George Q. Cannon, izay 17 taona tamin’izany fotoana izany, dia nahatsiaro hoe: “Tena feon’i Joseph tenany no reko. … Teo imason’ireo vahoaka dia toa i Joseph tenany mihitsy no nijoro teo anoloan’izy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7: 236 ; jereo koa ny Edward William Tullidge, Life of Brigham Young [1877],115) Ho fanampin’izany fahagagana izany, dia maro tamin’ireo Olomasina no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo fa i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no voantson’ Andriamanitra hitarika ny Fiangonana. Ho famaranana an’io fivoriana io, dia nifidy tamim-piraisam-peo ny Olomasina tany Nauvoo fa hanohana ny fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fiangonana, Kôlejy izay notarihan’i Brigham Young. Na izany aza, dia tsy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra no nisafidy hanara-dia ny Apôstôly. Ny olona sasany dia nisafidy ny hanaraka ireo olo-tokana tahaka an’i Sidney Rigdon sy i James Strang, izay nanangana ny fiangonan’izy ireo manokana.

  • Ahoana no notahian’ny Tompo ireo Olomasina mba hahafantaran’izy ireo hoe iza no notendreny hitarika ny Fiangonana?

  • Ahoana no ahafantarantsika fa voantson’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia afaka mahazo teny vavolombelona isika fa ireo izay mitarika ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona fa ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra?

  • Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nandray teny vavolombelona fa ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray dia nantsoin’ Andriamanitra? Inona no zavatra nataonao mba hahafahana mandray izany teny vavolombelona izany?

Hazavao fa rehefa maty i Joseph Smith, dia afaka nampiasa avy hatrany ireo fanalahidin’ny fisoronana ny Apôstôly ela niasana indrindra (i Brigham Young). Nanana ny zo handray fanambarana mikasika ny fotoana tokony hananganana ny Fiadidiana Voalohany izy. Tamin’ny 1847—roa taona mahery taorian’ny fahafatesana ho maritiora—dia nahazo aingam-panahy i Brigham Young fa tsaratsara kokoa ny fananganana ny Fiadidiana Voalohany indray noho ny fanohizana ny fitarihana ny Fiangonana amin’ny maha Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy.

Asehoy ireo sary misy ny Fiadidiana Voalohany ankehitriny sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianarany, dia asao izy ireo hanazava ny zava-nitranga tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy tamin’ny ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana. Asao koa izy ireo hamantatra hoe iza no ho Filohan’ny Fiangonana na Apôstôly ela niasana indrindra raha toa maty ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana.

Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa ireo fanalahidy sy herin’ny fisoronana izay nomen’ny Joseph Smith ho an’i Brigham Young sy ho an’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia hazonin’ny Filohan’ny Fiangonana, sy ireo mpanolotsainany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra. Asao ireo mpianatra hikatsaka ombam-bavaka ny fahazoana na fanamafisana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nifampiresahana androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fampahafantarana ireo datin’ny fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidiana taorian’ny fahafatesana ho maritioran’i Joseph Smith

Daty

27 jona 1844

I Joseph sy i Hyrum Smith dia maty maritiora.

29 jona 1844

Fampisehoana eo imasom-bahoaka ny vatan’i Joseph sy i Hyrum Smith.

27 jona–7 jolay1844

I Willard Richards sy i John Taylor izay naratra no hany Apôstôly tany Nauvoo.

8 jolay 1844

I Parley P. Pratt dia niverina tany Nauvoo ary nanampy an’i Willard Richards sy i John Taylor mba hisian’ny lamina ao amin’ny Fiangonana.

3 aogositra 1844

Tonga tao Nauvoo i Sidney Rigdon avy tany Pittsburgh, Pennsylvanie.

4 aogositra 1844

Niteny tamin’ny vondron’Olomasina i Sidney Rigdon fa tokony ho mpitandrina ny Fiangonana izy ary nangataka ny hanaovana fivoriana manokana izay hatao ny 6 aogositra izy mba hankatoavana ny fanendrena azy. Natao ny 8 aogositra ilay fivoriana.

6 aogositra1844

Ny ankamaroan’ireo Apôstôly ambiny, izay nahitana an’i Brigham Young, dia niverina tao Nauvoo avy tamin’ny asa fitoriana nataon’izy ireo.

7 aogositra 1844

Ny maraina, dia niara-nivory tao an-tranon’i John Taylor izay naratra ny Apôstôly.

Nandritra ny fivorian’ny Apôstôly sy ny filan-kevitra avo ary ny mpisorona avo izay natao ny tolakandro dia nitaky indray ny tokony maha mpitandrina ny Fiangonana azy i Sidney Rigdon. Nilaza i Brigham Young fa ny tenany [Brigham Young] no mihazona ireo fanalahidy ary te hanao ny sitrapon’ny Tompo izy manoloana ny toe-javatra.

8 aogositra 1844

Nandritra ny fivoriana natao tamin’ny 10 maraina, dia niresaka nandritra ny adiny iray sy sasany tamin’ireo Olomasina an’arivony niangona i Sidney Rigdon ary nanazava fa izy no tokony ho mpitandrina. Nanao lahateny ihany koa i Brigham Young ka niantso ny Olomasina mba hiangona indray ho amin’ny fivoriana natao tamin’ny 2 ora tolakandro. Nandritra ireo fivoriana roa ireo dia Olomasina maro no nijoro ho vavolombelona fa nisy fotoana i Brigham Young no niendrika sy niteny tahaka ny Mpaminany Joseph Smith.

Nandritra ny fivoriana tamin’ny 2 ora tolakandro, dia nanohana an’i Brigham Young sy ny Apôstôly Roambinifolo ho mpitarika ny Fiangonana ireo Olomasina. Maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no vavolombelona fa ny fahefan’i Joseph Smith dia niampita tamin’i Brigham Young, izay nitovy endrika sy fiteny tamin’i Joseph Smith nandritra ny fotoana vitsivitsy.

Ny fifandimbiasana teo amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana dia notendren’ny Tompo

Ny Tompo no nanendry ny fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana. Tsy hisy mihitsy fotoana izay tsy hananan’ny Fiangonana mpitarika avy amin’ Andriamanitra, ary tsy misy antony tokony hanaovana tombatombana na ady hevitra ny amin’ny hoe iza no ho lasa Filohan’ny Fiangonana manaraka.

Filoha Ezra Taft Benson

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra hoe: “Andriamanitra dia mahalala ny zava-drehetra, mahalala ny farany hatrany am-boalohany Izy, ary tsy misy olona lasa filohan’ny fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny fomba kisendrasendra, na mijanona ho filoha noho ny vintana, na esorina tsy ho filoha tampoka sy amin’ny fomba kisendrasendra” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” New Era, mey 1975, 16–17).

Ny nanomezan’i Joseph Smith ireo fanalahidin’ny fanjakana tamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

I Wilford Woodruff, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nitahiry an-tsoratra ny zava-nitranga tamin’ny volana martsa 1844 talohan’ny namonoana an’i Joseph Smith:

Ny filoha Wilford Woodruff

“Nijoro nanditra ny adin’ny telo tao amin’ny efitra iray izy mba hanomezany anay ny lesona farany avy taminy. Ilay efitra dia toy ny hoe voarakotry ny afo mandoro. Ny tarehiny dia nazava toy ny ambira; ny teniny dia sady nazava tsara no feno hery. Niantefa tamin’ny ny faritry ny vatanay rehetra izany nanomboka tany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Hoy izy: ‘Ry rahalahy, ny Tompo Tsitoha dia efa namehy teo ambonin’ny lohako ny Fisoronana rehetra, ny fanalahidy rehetra, ny hery rehetra, ary ny fitsipika rehetra izay ao amin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana, sy mikasika ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Nofeheziko teo ambony lohanareo ireo fitsipika rehetra ireo, ny Fisoronana, ny zo maha apôstôly ary ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ary izao ianareo dia hiomanana hisahana ny andraikitrareo sy hitondra ity fanjakana ity raha tsy izany dia ho voaozona ianareo’” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], xxxii).