Seminera sy Institiota
Lesona 1: Ny drafitry ny famonjena


Lesona 1

Ny drafitry ny Famonjena

Fampidirana

Nanome torolalana an’ireo mpampianatra ao amin’ny seminera ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hamintina fohifohy ny drafitry ny famonjena isaky ny fiandohan’ny taom-pianarana:

“Ny famintinana fohifohy ny -drafitry ny fahasambarana- dia hanan-danja lehibe tokoa eo amin’ireo mpianatrao … raha atao any am-piandohan’ny taom-pianarana izany, ary haverimberina indraindray. …

“Manontany tena ireo tanora hoe ‘nahoana?’—Nahoana isika no didina hanao zavatra sasantsasany, ary nahoana isika no didina tsy hanao zavatra hafa? Ny fahalalana momba ny drafitry ny fahasambarana, na amin’ny endrika famintinana aza, dia afaka mampanontany tena ireo tanora hoe ‘nahoana’” (“The Great Plan of Happiness” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 10 Aog. 1993], LDS.org).

Ity lesona ity dia famintinana fohy ny drafitry ny famonjena. Mifantoka amin’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy ny lesona, izay “ivo sy fototra manan-danja indrindra, ary fotopampianarana fototry ny drafitry ny famonjena lehibe sady maharitra mandrakizay” (Jeffrey R. Holland, “Missionary Work and the Atonement,” Ensign, mar. 2001, 8).

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra

Asao hamaky mafy ny Mosesy 1:39 ny mpianatra iray. (Na afaka mitanisa izany ilay mpianatra raha toa ka efa hainy tsianjery izany.) Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nambaran’ny Ray any an-danitra fa tanjony amin’ny Asany. Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fanambarana manaraka izao: Ny tanjon’ny drafitry ny Ray any an-danitra dia ny hanolotra fomba iray ho antsika mba hahazoantsika tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay.

  • Inona no maha-samy hafa ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay? (Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay ao amin’ny toetra efa nitsangana tamin’ny maty; tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hahazo io fanomezana io ny olona rehetra. Ny fiainana mandrakizay, na fisandratana, dia fiainana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra miaraka amin’ny fianakaviantsika ; ity fanomezana ity dia azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany koa, saingy ho an’ireo izay mankatò ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara irery ihany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny voambolana hoe “fiainana mandrakizay” dia asao ny mpianatra iray mba hamaky izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Bruce R. McConkie

Fiainana mandrakizay ny fiainan’ Andriamanitra; ny fiainana mandrakizay dia fiainan’ Andriamanitra mitovy ny dikan’ireo teny ireo” (Mormon Doctrine, boky navoaka faharoa [1966], 237).

  • Inona avy ny sasany amin’ireo fitahiana omena ireo izay mahazo ny fiainana mandrakizay?

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary nampiarahina ity. Asao ny mpianatra handika ilay kisary na handray an-tsoratra ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina rehefa mianatra momba ny drafitry ny famonjena izy ireo ato anatin’ity lesona ity.

drafitry ny famonjena kisary 1

Hazavao fa tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia niaina teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra tamin’ny naha-fanahy antsika isika. Tany no nianarantsika momba ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny fahasambarantsika sy ny fomba hanampian’ny fanarahana izany drafitra izany antsika mba hahatontosa ny tanjony ho antsika (jereo ny F&F 138:55–56; Abrahama 3:22–28).

  • Inona no tsy nampitovy antsika tamin’ny Raintsika any An-danitra tany amin’ny fiainantsika talohan’ny fahaterahana? (Nanana vatana sy toetra tonga lafatra Izy. Tsy nanana izany isika.)

  • Tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, inona no natolotry ny Ray any An-danitra ho antsika mba hanampiana antsika hahazo tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay? (Ny drafitry ny famonjena.)

Hazavao fa mampiasa ny andian-teny hoe tsy fahafatesana isika mba hilazana ny fiainantsika eto an-tany. Araka ny hita eo amin’ilay kisary nampiarahina, dia ampio faribolana lavalava izay maneho ny fiainana an-tany eny amin’ny solaitrabe, ary omeo anarana hoe Fiainana an-tany izany. Asio tsipika manondro avy eo amin’ny Fiainana talohan’ny nahaterahana mankany amin’ny Fiainana an-tany.

drafitry ny famonjena kisary 2

Omeo fotoana hisaintsainana izao fanontaniana manaraka izao ny mpianatra:

  • Nahoana no nilaintsika ny nandao ny fiainana niaraka tamin’ Andriamanitra mba hahatongavantsika ho toa Azy bebe kokoa ? (Mety hahitana izao manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: mba hahazoana vatana; mba hianarana sy hitomboana amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy.)

Rehefa avy namaly ny mpianatra vitsivitsy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Filoha Spencer W. Kimball

“Nanome drafitra iray ho antsika Andriamanitra. Nalefany tety an-tany isika rehetra mba hahazo vatana sy hahazo traikefa ary hivoatra” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 25).

  • Araka ny Filoha Kimball, inona avy ireo antony sasany nandefasan’ Andriamanitra antsika tety an-tany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia tokony ho fantatr’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Nandefa antsika tety an-tany Andriamanitra mba hahazo vatana sy hahazo traikefa ary hivoatra.)

  • Inona no anjara asan’ireo olana toy ny fakam-panahy, ny aretina, ny alahelo, ny fanaintainana, ny fahakiviana, ny kilema ary ireo fahasarotana hafa ety an-tany eo amin’ireo ezaka ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:19–20. Asaivo manaraka ny kilasy ary mamantatra ireo sakana izay mety hahatonga antsika tsy hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Inona avy ny sasany amin’ireo sakana izay atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany izay mety hanakana antsika tsy hahazo ny fiainana mandrakizay? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Ny fahotana dia manakana antsika tsy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy hiverina hiaina miaraka Aminy. Jereo ihany koa ny Mosesy 6:57 izay mampianatra fa afaka miverina miara-miaina amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fibebahana.)

Asio soratra hoe Fahotana eo amin’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe, eo akaikin’ilay teny hoe Fiainana an-tany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 10:21, ny iray hafa hamaky ny Mosesy 6:57, ary ny iray hafa hamaky ny Almà 41:10–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo antony hanakanan’ny fahotana antsika tsy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, nahoana ny fahotana no manakana antsika tsy ho tonga tahaka ny Ray any an-danitra sy hahazo ny fiainana mandrakizay? (Mety hanolotra valinteny isan-karazany ireo mpianatra. Ampio izy ireo hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-hitoetra amin’ Andriamanitra.

Asao ho eny aloha ny mpianatra roa. Angataho ny anankiray mba hitazona sarin’i Jesoa Mivavaka ao Getsemane (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 56; jereo ihany koa ny LDS.org) ary ilay hafa hitazona ny sarin’ny Fanomboana (lah. 57). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra ny zavatra nomen’ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mandresy ny fahotana.

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42, inona no ahafahantsika mandresy ny fahotana? (Mety hamaly amin’ny fomba hafa ny mpianatra, saingy ataovy izay ahatakaran’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Nijaly sy nohomboana noho ny fahotan’ny olona rehetra i Jesoa Kristy.)

Asao ireo mpianatra izay mitazona ireo sary mba hanazava ny ifandraisan’ny zava-nitranga hita eo amin’ny sary izay hazoniny amin’ny fahafahantsika mandresy ny vokatry ny fahotana. Asehoy eny amin’ny solaitrabe ireo sary araka ny hita ao amin’ilay kisary.

drafitry ny famonjena kisary 3 miaraka amin’ny sary

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: F&F 18:22–23; F&F 25:13, 15. Tendreo hiasa tsiroaroa ny mpianatra. Asaivo mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:22–23 ny mpiara-miasa iray ary asaivo mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13, 15 ny mpiara-miasa iray hafa. Samy asaivo mitady izay zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ilay hery manadion’ny Sorompanavotana sy hahazoana ny fiainana mandrakizay izy ireo. Asao izy ireo mba hizara amin’ny namany ny zavatra hitany.

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy hahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotany? (Ny valiny dia mety ahitana hoe fampisehoana finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, fanaovana batisa, fandraisana ny Fanahy Masina, faharetana amim-pinoana, fitandremana ireo fanekempihavanana, ary fankatoavana ny didy. Araka ny ampisehoana eo amin’ny sary manaraka dia manaova sarina tsipika manondro avy any ankavia mankany ankavanana eo amin’ilay faribolana lavalava. Soraty eo ambonin’ilay tsipika manondro ny valintenin’ny mpianatra.)

Fintino ny valintenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa raha mankato ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara isika, dia ho afaka mandresy ny fahotana amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Hazavao fa rehefa manatanteraka sy mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa isika dia voavela soa aman-tsara amin’ireo fahotantsika raha toa isika ka mibebaka. Ankoatra izany dia manana fahafahana hahazo fanampiana isan’andro isika eny amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ Andriamanitra anao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina tamin’ireo ezaka nataonao isan’andro mba hiaina ny filazantsara?

Hazavao fa ankoatra ny fahotana dia misy sakana faharoa izay tsy maintsy resena mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Anontanio ny mpianatra raha toa ka azon’izy ireo fantarina izany sakana izany.

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia manorata hoe Fahafatesana ara-batana eo amin’ilay kisary eo akaikin’ilay teny hoe Fahotana. Asao ny mpianatra iray hanazava ny zava-mitranga amin’ny fanahintsika sy ny vatantsika aorian’ny fahafatesantsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34 ary ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny valin’izao fanontaniana manaraka izao :

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fisarahana maharitra eo amin’ny fanahy sy ny vatana ho sakana amin’ny fahatongavana tahaka an’ Andriamanitra? (Tokony ho fantatry ny mpianatra izao fotopampianarana manaraka izao: Tsy afaka ny hitovy amin’ny Ray any an-danitra isika raha tsy manana vatana nofo sy taolana.)

Asehoy ny mpianatra rehetra ilay sarin’i Maria sy i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah. 59; jereo ihany koa ny LDS.org), ary asaivo manazava ny zavatra nitranga teo amin’ilay sary ny mpianatra iray. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 11: 42–44. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mandresy ny sakan’ny fahafatesana ara-batana.

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahazoana antoka fa afaka mandresy ny fahafatesana ara-batana isika ? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fotopampianarana manaraka izao: Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olombelona rehetra ary hiaina mandrakizay.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:14–17.

  • Amin’ny fomba ahoana ho hitondran’ny “fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra” fifaliana ho anao sy ny fianakavianao?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny tsy fahafatesana dia fanomezana izay ho azon’ny olon-drehetra. Ny fiainana mandrakizay kosa dia fanomezan’ny Tompo ho an’ireo izay mankatò ny lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsarany irery ihany. Apetraho eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo sary hafa ilay sarin’i Maria sy i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty. Soraty hoe Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo ambonin’ireo sary telo.

Manaova sarina faribolana iray hafa ao anatin’ilay faribolana lavalava eo ambony ary omeo anarana hoe Fiainana Mandrakizay. Manaova sarina tsipika manondro mitsangana iray avy eo amin’ny faran’ilay tsipika manondro eo ambanin’ilay sary mankeny amin’ireo teny hoe Fiainana Mandrakizay.

sary fenon’ny drafitry ny famonjena

Asaivo mamintina ny zavatra nianarany momba ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny fahasambarantsika ny mpianatra. Asao izy ireo hitady fahafahana hampianatra ny drafitry ny fahasambarana amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray.

Hamaranana ny lesona dia hazavao amin’ny mpianatra fa hianatra fahamarinana marobe izay mifandray amin’ny drafitry ny fahasambarana izy ireo amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nampiseho famintinana fohy ihany ity lesona ity. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay nifampiresahan’ny kilasy tao anatin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ivon’ny drafitry ny famonjena ny Sorompanavotana

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nantsoina hoe ilay ‘zava-nitranga faratampony indrindra amin’ny zava-nitranga rehetra hatramin’ny fanombohan’ny fahariana ka hatramin’ny mandrakizay.’ [Bruce R. McConkie, The Promised Messiah: The First Coming of Christ (1981), 218.] …

“Izany sorona izany—ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy—no ivon’ny drafitry ny famonjena” (Sacrifice,” Liahona, mey 2012, 19).

Ireo lesona avy amin’ny fiainana an-tany

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa afaka manefy antsika ireo olana mandritra ny fiainana an-tany:

Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ny fianarana miaritra ny fotoan’ny fahadisoam-panantenana, ny fijaliana, ary ny fahoriana dia anisan’ny zavatra miseho ianarantsika avy amin’ny fiainana. Ireny zavatra iainana ireny, izay mila tsy ho zaka matetika, dia karazana zavatra iainana izay mampivelatra ny fahatakarantsika, sy mamolavola ny toetrantsika, ary mampitombo ny fangorahantsika ny hafa” (Avelao ho avy izay ho avy dia tiavo izany,” Liahona, nôv. 2008, 27).

Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa anisan’ireo tanjon’ny fiainana an-tany ny hiainana fifaliana: “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25).

Miandry ny fiverenantsika ny Ray any an-danitra

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Thomas S. Monson momba ny fanirian’ Andriamanitra mba hiveranan’ny tsirairay amin’ny zanany ho eo anatrehany:

Filoha Thomas S. Monson

“Ilay fanjakana selestialy no katsahintsika rehetra. Ny hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra no iriantsika. Te-hiaraka eo anivon’ ny fianakaviana mandrakizay isika. Ireo fitahiana ireo dia azo avy amin’ ny alalan’ ny fiainana feno ezaka, sy fikatsahana, ary farany fahombiazana. …

“Mifaly amin’ ireo izay mitandrina ny didiny ny Raintsika any an-danitra. Sahiran-tsaina ny amin’ ilay zanany very koa Izy, ny amin’ilay zatovo tsy miraika hanaraka ny lalana, ny amin’ ilay tanora nania, ary ny amin’ ireo ray aman-dreny tsy tompon’ andraikitra. Miresaka amim-pitiavana amin’ireo sy amintsika rehetra koa ny Mpampianatra manao hoe: ‘Miverena. Miakara. Mandrosoa. Modia. Mankanesa atỳ Amiko.’

“… Amin’ ny maha-vavolombelony manokana ahy dia mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa velona Izy ary miandry ny fiverenantsika amim-boninahitra” (“Ny hazakazaky ny fiainana,” Liahona, mey 2012, 93).

“Aoka isika ho tonga tahaka izay tian’ny Raintsika any an-danitra hahatongavantsika”

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny Fitsarana Farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Drafitra iray izay mampiseho ny fomba hahatongavantsika amin’ilay irin’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (“The Challenge to Become,”Ensign, Nov. 2000, 32).

Inona no maha-samy hafa ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay?

Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin hoe:

Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ny fiainana mandrakizay dia … zavatra tsy mitovy tanteraka amin’ny [tsy fahafatesana]. Ny tsy fahafatesana dia resaka habetsahana. Ny fiainana mandrakizay dia resaka hatsarana. …

“Ny fiainana mandrakizay no fiafarana ambony indrindra amin’ny fisiana. Mpandova io harembe tsy voavidy vola io izaho sy ianao amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ Andriamanitra antsika, mpiara-migoka ilay hoavy be voninahitra, mpahazo tombontsoa amin’ny famindrampo.

“Raha toa ka asan’ Andriamanitra ny tsy fahafatesana, dia voninahitr’ Andriamanitra izany ny fiainana mandrakizay” (“What Is the Difference between Immortality and Eternal Life?” New Era, Nov. 2006, 8).