Lesona 118
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110
Fampidirana
Tamin’ny 3 aprily 1836 dia nisy fivoriana fanasan’ny Tompo natao tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Nandritra ilay fivoriana dia nandeha tany amin’ny toerana iray tao amin’ny tempoly izay nosarahin’ny voaly iray tamin’ny daholobe i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Nanolotra vavaka iray izy ireo tao. Rehefa nitsangana avy nivavaka izy ireo dia niseho taminy i Jesoa Kristy ka nanaiky ilay tempoly izay vao notokanana. Niseho i Mosesy sy i Elià ary i Elia taorian’izay, ary naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana. Fitantarana momba izany fahitana izany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110: 1–10
Niseho ny Tompo ka nanaiky ny Tempolin’i Kirtland
Anontanio ny mpianatra izay voasoratra eo ivelan’ny tempoly rehetra. (“Fahamasinana ho an’ny Tompo—ny Tranon’ny Tompo.”)
-
Midika inona aminareo ilay andian-teny hoe “ny Tranon’ny Tompo”?
Rehefa avy mifanakalo hevitra momba izany fanontaniana izany ny mpianatra dia hazavao fa nitsidika ny Tranony tao Kirtland, Ohio ny Tompo fotoana fohy taorian’ny nanokanana izany. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo toe-javatra niseho manodidina izany tranga masina izany dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-teny ho an’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady hoe iza no nanatrika teo sy ny zavatra nataon’izy ireo mialoha ny nitrangan’ity fahitana ity.
-
Iza no teo nandritra ilay fahitana? Inona no nataon’izy ireo mialoha ny nitrangan’ilay fahitana?
Asao ny mpianatra iray hafa mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–3. Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra dia asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hiezaka haka sary an-tsaina izay voafaritra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.
Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4–5 mba hamantarana izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.
-
Inona no manan-danja aminareo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana?
Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:6–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo antony nilazan’ny Tompo fa afaka mifaly ny Olomasina.
-
Araka ny andininy 7, dia nahoana ny Olomasina no nanana antony lehibe hifaliana? (Nanaiky ny tempoly ny Tompo ary nampanantena fa haneho ny Tenany amin’izy ireo ao amin’izany.)
-
Ahoana no ahafahan’ny Tompo maneho ny Tenany amin’ny olona ao amin’ny tempoly? (Ny teny hoe maneho dia midika hoe mampiseho. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa niresaka momba izany izy ireo rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109. Matetika tokoa no hanehoan’ny Tompo ny Tenany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.)
Asao ny mpianatra mba hamantatra fitsipika iray avy ao amin’ilay fampanantenana ao amin’ny andininy 7–8. Mety hahita fitsipika maro ny mpianatra kanefa ataovy izay hanantitranterana izao manaraka izao: Raha toa ka mankatò ny didin’ny Tompo isika ka mitandrina ny tranony ho madio dia haneho ny Tenany amintsika Izy ao amin’ireo tempoliny. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ahafahantsika mitandrina ny tranon’ny Tompo ho madio sy tsy voaloto?
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no mitaky antsika mba hankatò sy ny ho madio ny Tompo mialoha ny hanehoany ny Tenany amintsika ao amin’ny tranony?
Raha toa ka efa tany amin’ny tempoly ny mpianatra dia asao izy ireo mba hieritreritra momba ny zavatra niainany iray izay nananan’izy ireo rehefa nahatsapa ho akaikin’ny Tompo izy ireo tao. Zarao ny fahatsapanao rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly ianao.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady hoe iza no hifaly ary nahoana.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, iza no hotahiana noho ny famerenana tamin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly?
-
Ahoana no hitahiana ity izao tontolo izao ity noho ny tempoly sy ny asa famonjena ho an’ny velona sy ny maty?
-
Nahoana no fitahiana eo amin’ny fiainanareo ny tempoly?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16
Niseho i Mosesy sy i Elià ary i Elia ary naverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ireo fanalahidin’ny fisoronana
Asao ny mpianatra mba hilaza momba ny fotoana iray izay nisarahan’ny olona tao amin’ny fianakaviany nandritra ny fotoana tsy maharitra. Angataho izy ireo mba hizara ny fahatsapan’izy ireo nandritra izany fisarahana izany. Eo am-pandalinan’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16, dia asao izy ireo mba hitady ny fomba hanomezan’io fahitana io antoka fa afaka mandresy izay mety ho fisarahana ny fianakaviantsika.
Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Aza soratana ireo fampahalalana ao anaty fonon-teny.
Mosesy |
Elià |
Elia | |
---|---|---|---|
Fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny |
(Ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely) |
(Ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama) |
(Ireo fanalahidin’ity fotoampitantanana ity) |
Izay tarihin’ireo fanalahidy ireo |
(Asa fitoriana) |
(Fanambadiana selestialy sy taranaka mandrakizay) |
(Herin’ny famehezana, anisan’izany ny asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana) |
Hazavao fa taorian’ny nihidin’ilay fahitana ny Mpamonjy dia niseho tsirairay tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny olona telo hafa. Asehoy ny sarin’i Mosesy sy Elia (Jereo ny Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 14, 20; jereo koa ny LDS.org). Angataho ny mpianatra mba hanazava hoe iza i Mosesy sy i Elia ary hilaza ny sasany amin’ireo zavatra manan-danja nataon’izy ireo (raha mila fanampiana ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hitady ireo mpaminany ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Hazavao fa i Elià dia mpaminany mety niaina tamin’ny andron’i Abrahama. Ankoatra ny maha-anarana izany, ny hoe Elià ihany koa dia fiantsoana midika hoe mialoha lalana na mpamerina amin’ny laoniny (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Elià,” scriptures.lds.org).
Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Ampiandraiketo anarana iray amin’ireo anarana telo ao amin’ny tabilao eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Hazavao fa ireo mpitondra hafatra tsirairay dia nanolotra fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Angataho ny mpianatra mba handalina ireo andinin-tsoratra masina voasoratra eo ambanin’ny anarana nomena azy ireo ka hamantatra izay naverin’ireo iraka avy any an-danitra ireo tamin’ny laoniny. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay mba hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ho an’ny mpianatra rehetra. Manasà mpianatra faharoa avy amin’ny vondrona tsirairay mba hanoratra izay naverin’ilay iraka tamin’ny laoniny ao amin’ilay laharana nomena anarana hoe “Fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny” eo amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny atao hoe fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely dia hifanakalozy hevitra izao fanontaniana manaraka izao:
-
Amin’izao androntsika izao, ahoana no hanangonan’ny Tompo ny zanany ao amin’ny fanjakany?
Ampio na hamafiso ny valintenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanasana olona iray hamaky izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Manan-danja amin’ny fanangonana an’i Isiraely ny asa fitoriana. … Mitady ireo izay niparitaka avy tao amin’i Isiraely any amin’ny firenena maro ny misiônerantsika” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 81).
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe asa fitoriana eo ambanin’ny “Mosesy” ao amin’ilay laharana nomena anarana hoe “Izay vahain’ireo fanalahidy ireo.’
-
Ahoana no nampiova ny fiainanao tamin’ny alalan’ny famerenan’i Mosesy tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny asa fitoriana?
Ny fotoampitantana ny filazantsaran’i Abrahama, izay natolotra tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’i Elià, dia namerina tamin’ny laoniny ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fotoampitantana ny filazantsaran’i Abrahama izay naverin’i Elià tamin’ny laoniny dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“I Elià dia namerina ‘ny filazantsaran’i Abrahama,’ ilay fanekempihavanana lehiben’i Abrahama izay ahazoan’ny mahatoky ireo fampanantenan’ny fitomboana mandrakizay, fampanantenana fa amin’ny alalan’ny fanambadiana selestialy dia ho maro isa tahaka ny fasi-dranomasina eny amoron-tsiraka na tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranany mandrakizay. I Elià dia manome ilay fampanantenana—izay noraisin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba fahiny—fa amin’ny alalan’ny lehilahy amin’ny andro maoderina sy ao amin’ny taranak’izy ireo no hitahiana ny taranaka rehetra. Ary manolotra ireo fitahian’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba isika ankehitriny ho an’ireo rehetra izay handray izany” (“The Keys of the Kingdom,” Ensign, mey 1983, 22).
-
Araka ny Loholona McConkie, inona ireo fampanantenana nomena an’i Abrahama? (Eo am-pamalian’ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe fanambadiana selestialy sy taranaka mandrakizay eo ambanin’ny tsanganana hoe “Elià.”)
-
Inona no dikan’ireo fitahian’ny fanambadiana selestialy sy taranaka mandrakizay aminareo? Nahoana izy ireo no manan-danja aminareo?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’i Elià dia asao ny mpianatra roa mba hamaky ireto teny nambara manaraka ireto:
Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Ity herin’ny famehezana izay nomena an’i Elià ity no ilay hery izay mamatotra ny mpivady, sy ny zanaka amin’ny ray aman-dreny ho amin’ny fotoana sy mandrakizay. Izany no ilay hery mamatotra izay misy ao amin’ny ôrdônansin’ny Filazantsara rehetra. … Amin’izany hery izany no hamatorana na hamehezana ireo ôrdônansy rehetra mifandraika amin’ny famonjena, ary asa nanirahana an’i Elia ny ho tonga sy hamerina izany amin’ny laoniny” (Elijah the Prophet and His Mission [1957], 5).
Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy izay naverina tamin’ny laoniny antsika dia andraikitra nanaovantsika fanekempihavanana ny mikaroka ny momba ireo razambentsika ary manatanteraka ho azy ireo ny ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara. … Noho ireo antony ireo no hanaovantsika fikarohana ny tantaram-pianakaviana, hananganantsika tempoly ary hanatanterahantsika ireo ôrdônansy isoloana tena. Noho ireo antony ireo no nandefasana an’ i Elia hamerina ny fahefana mamehy izay mamatotra eto an-tany sy any an-danitra” (Hitodika ny fon’ny zanaka,”Ensign na Liahona,Nov. 2011, 26).
-
Araka ireo fanazavana ireo, inona no hery na fahefana naverin’i Elià tamin’ny laoniny? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe herin’ny famehezana, anisan’izany ny asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana ao amin’ilay tsanganana eo ambanin’ny hoe “Elià.” Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa raha tsy misy ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo dia “hofongorana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany” [F&F 2:3].)
-
Inona no fitahiana azonareo tamin’ny alalan’ny famerenana tamin’ny laoniny ny herin’ny famehezana?
Hazavao fa ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanamarika fa ny tempolin’i Kirtland dia “naorina voalohany ho an’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fahefana. Nambara ny fahafenoan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara tamin’ny fandraisana ireo fanalahidy ireo” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 2:242). Manohy mampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo ny Filohan’ny Fiangonana sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny.
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao teny natao tsy feno manaraka izao: Ireo fanalahidin’ny asa fitoriana sy ny fianakaviana mandrakizay, ary ny asa atao any amin’ny tempoly dia manampy antsika …
Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16 ka hitady ny fomba mety hamenoan’izy ireo izany fitsipika izany.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia nahoana no ilaina ny asa fitoriana sy ny fianakaviana mandrakizay, ary ny asa atao any amin’ny tempoly? (Eo am-pamalian’ny mpianatra dia fenoy ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Ireo fanalahidin’ny asa fitoriana sy ny fianakaviana mandrakizay, ary ny asa atao any amin’ny tempoly dia manampy antsika hiomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fotopampianarana ity dia omeo ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny vondrona tsirairay mba hosaintsaininy: (1) Ahoana no hanomanan’ny asa fitoriana ny olona amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany? (2) Ahoana no hanomanan’ilay fampanantenan’ny fanambadiana sy fianakaviana mandrakizay ny olona amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany? (3) Ahoana no hanomanan’ny asa atao any amin’ny tempoly ny olona amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany? Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia anontanio ny mpianatra iray isaky ny vondrona tsirairay ny fomba hamaliany ireo fanontaniana ireo.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:
Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asa ny mpianatra mba hifanakalo ny heviny amin’ny namana iray. Zarao ny fomba nitahiana ny fiainanao satria satria naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo.