Seminera
Lesona 150: Ireo mpisava lalana mitarika sarety, 1856–1860


Lesona 150

Ireo mpisava lalana mitarika sarety, 1856–1860

Fampidirana

Ireo Olomasina izay tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny taona 1847 dia nandeha niasa mba hampitombo ny loharano ara-pambolena sy ireo loharano hafa ho an’ny fifindra-monina ho avy. Ny volana septambra 1851, dia namerina ny fiantsoana ireo Olomasina rehetra niaina tao Iowa sy maneran-tany mba hivondrona ao amin’ny Lohasan’i Salt Lake i Brigham Young sy ireo mpanolotsaina azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Maro ireo Olomasin’ny Andro Farany no namaly ny antson’ny Filoha Young tamin’ny fahafoizan-tena lehibe. Ireo mpikamban’ny Roambinifololahy dia nasaina hanara-maso ny fifindra-monina, ary tamin’ny taona 1852 dia betsaka kokoa noho ny tamin’ny taona rehetra hafa ny isan’ny Olomasina nanao ny dia nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Ankoatra izany dia Olomasina maro no nanao dia nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake an-tsarety tarihin-tanana teo anelanelan’ny taona 1856 sy 1860.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nankatò ny torohevitra momba ny tokony hiangonana ao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ireo Olomasina

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe nasaina handeha tongotra 2.090 km sady mitarika sarety no tsy nahazo lalana hitondra entana manokana afa-tsy 7.7 kg ihany izy ireo. Anontanio ny mpianatra hoe iza no mety hazoto hanao izany dia izany.

Mampisehoa sarina sarety tarihin-tanana amin’ny mpianatra na atao sary eo amin’ny solaitrabe ity sary nampiarahina eto ity. Hazavao fa tamin’ny taona 1856, dia nandroso hevitra ny Filoha Brigham Young ny tokony hifindrana monina amin’ny fampiasana sarety tarihin-tanana fa tsy sarety tsotra noho ny olana ara-bola. Mora kokoa ny sarety tarihin-tanana ary hamela Olomasina maromaro kokoa hifindra-monina. Teo anelanelan’ny taona 1856 sy 1860 dia Olomasina efa ho 3.000 no nisafidy hanao ny dia miakandrefana izay mamakivaky ireo lemak’i Etazonia mankany Utah, sady mitarika ny fananan’izy ireo amin’ny sarety tarihin-tanana. Ny ankamaroan’ireo andiana sarety tarihin-tanana dia nitondra vatsy, fananana manokana, ary sakafo tao anatin’ny sarety tarihin-tanana ary nandeha an-tongotra avy any Iowa City mankany Salt Lake City, Utah. Ireo andiany telo farany dia nanomboka ny dian’izy ireo tany Florence, Nebraska.

Sary
sarintany, ny lalan’ny sarety tarihin-tanana
Sary
sarety tarihin-tanana

Asehoy ny vata na siny iray izay ahitana zavatra maro izay milanja eo amin’ny 7.7 kilao eo. Mamelà ankizy vitsivitsy hibata izany. Hazavao fa ny olon-dehibe iray nandeha tamin’ny sarety tarihin-tanana dia nahazo nitondra entana milanja 7.7 kilao. Ny ankizy tsirairay dia afaka nitondra 4.5 kilao. Anisan’ny fananana manokana ny akanjo sy zavatra hafa. Nolanjaina isan-olona ny fananana ary na inona na inona mihoatra ny lanja nofaritana dia tsy maintsy nesorina.

  • Raha anisan’ireo mpamaky lay an-tsarety tarihin-tanana ianao dia inona tamin’ireo fitaovana nanananao no nosafidianao hoentina? Nahoana?

  • Araka ny hevitra, nahoana ireo Olomasina no vonona hanao fahafoizan-tena goavana mba hahatongavana any Utah?

Na dia sarotra aza ny dia dia valo tamin’ireo sarety tarihin-tanana folo no nahavita ny dia amim-pahombiazana teo anelanelan’ny taona 1856 sy 1860. Kanefa ny taona 1856, dia tara ny niaingan’ ny sarety tarihin-tanana fahefatra sy fahadimy ary niaina fisedrana mahery izy ireo. Izany dia ny sarety tarihin-tanan’i Willie, izay notarihan’i James G. Willie, sy ny sarety tarihin-tanan’i Martin, izay notarihan’i Edward Martin. Rehefa avy nandeha teo amin’ny 1.600 km avy any andrefan’i Iowa izy ireo dia nampidi-doza ny saika tsy nananana sakafo sy vatsy intsony. Ny volana ôktôbra dia raikitra tao anatin’ny tafio-drivotra amin’ny ririnina mahery vaika teny amin’ny lemak’i Wyoming ny andiany roa, izay nampiato ny fandrosoan’izy ireo. Ireo Olomasina ireo dia nijaly fatratra tao anatin’ny hatsiaka sy oram-panala mamirifiry. (Asehoy ny sarin’ireo mpamaky lay nitondra sarety tarihin-tanana, toy ny Mpamaky lay nitondra sarety tarihin-tanana nanatona ny Lohasahan’i Salt Lake (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara 2009], lah. 102; jereo koa ny LDS.org].)

Sary
Nanakaiky ny Lohasahan’i Salt Lake ireo Mpisava lalana Mitarika sarety

Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity tantara manaraka ity momba an’i Aaron and Elizabeth Jackson ny mpianatra: Hazavao fa ny fianakaviana Jackson dia nanao ny dia niaraka tamin’ny andian-tsarety notarihin-tanan’i Martin, izay teo amin’ny 160 km tao aorian’ny andiany notarihin’i Willie. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay tantara. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ireo mpianatra ary hikaroka ny porofon’ny fihariharian’ny finoan’i Elizabeth sy i Aaron.

Ny 19 ôktôbra 1856, dia tsy maintsy niampita renirano lehibe nandritra ny tafio-drivotra ririnina ny mpikamban’ny andian-tsarety notarihin-tanan’i Martin. Maro tamin’ireo mpikambana, ka anisan’izany i Aaron Jackson no nalemy sy narary ary ny fiampitàna ny renirano dia tsy moramora hany ka niteraka takaitra mahatsiravina ho azy ireo. I Elizabeth Jackson dia namariparitra ny zava-nitranga tamin’ny vadiny andro vitsivitsy taty aoriana:

“Niala sasatra aho tokony teo amin’ny 9 ora teo ho eo. … Natory aho hatramin’ny misasak’alina teo ho eo. Tena nangatsiaka loatra ny toetrandro. Ny toetrandro dia nahatsiravina. Nihaino aho mba handre raha mbola miaina ny vadiko—satria tsy nihetsika firy izy. Tsy afaka nahare azy aho. Dia nanomboka natahotra aho. Napetrako teo amin’ny vatany ny tanako ary tamin’ny horohoro no nahitako fa voamarina ny tahotra ratsy indrindra nananako. Maty ny vadiko. … Niantso vonjy tamin’ireo mpiray lay amiko aho. Tsy afaka nitondra fanampiana ho ahy anefa izy ireo. … Rehefa niposaka ny masoandro dia nikarakara ny vatana mba ho alevina ny sasany tamin’ireo lehilahy mpiray dia. … Nofonosin’izy ireo bodofotsy izy ary napetraka nilahatra teo akaikin’ireo maty hafa telo amby folo isa, ary avy eo dia nototofana tao anatin’ny oram-panala. …

“Tsy hivalampatra aho hitantara ny zavatra tsapako tamin’ny nahatonga ahy ho vady mananotena miaraka amin’ny zaza telo. Eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany. Tsy vitako izany. Fa mino aho fa ilay Anjely Mpirakitra an-tsoratra dia nanoratra amin’ny boky firaketana ao ambony ao, ary ireo fijaliako noho ny filazantsara dia hanamasina ahy ho tombontsoako” (Leaves from the Life of Elizabeth Horrocks Jackson Kingsford [1908], 6–7; jereo ihany koa ny history.lds.org).

  • Inona no hoentin’ny fijaliana noho ny filazantsara ho azy, raha araka ny voalazan’i Elizabeth? Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny andian-teny hoe “hanamasina ahy ho tombontsoako”? (Ny fijaliany dia ho lasa masina ka hitondra tombontsoa ho azy.)

  • Inona no mety hitranga amintsika raha ilaina ny hijaliantsika amim-paharetana noho ny filazantsara? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mijaly amim-paharetana noho ny filazantsara isika, dia afaka hanamasina antsika ho tombontsoantsika izany. [Jereo ny F&F 122:7; 2 Nephi 2:2.])

  • Na dia tsy hijaly toa an’i Elizabeth Jackson aza ianao dia amin’ny fomba ahoana ianao no mety hijaly noho ny filazantsara ? Ahoana no mety hitahiana anao avy amin’ireo zavatra iainanao ireo?

Hazavao fa nandritra ny andro vitsivitsy manaraka taorian’ny nahafatesan’i Aaron Jackson dia nandroso teo amin’ny 16 km teo ho eo ny andian-tsarety notarihin-tanan’i Martin. Maro ireo olona maty nandritra izany fotoana izany. Indray alina nandritra izany ampahan’ny dia izany dia tsy nisy olona natanjaka afaka nanangana lay intsony. I Elizabeth Jackson dia nipetraka teo ambony vato, nitrotro ny zanany iray izy ary ny zanany hafa dia teo anilany avy. Nijanona tamin’izany fitoerana izany izy hatramin’ny maraina. Nanomboka kivy i Elizabeth. Avy eo, ny alin’ny 27 ôktôbra dia nanana traikefa iray izy izay nitondra ny fanantenan’ny famonjena. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity tantara manaraka ity, ary asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny zavatra nianaran’i Elizabeth tao anatin’ny nofy.

“Hita soritra tokoa fa tao anatin’ny zava-mitranga ratsy toy izany dia lasa kivy aho. Lavitra teo amin’ny enina na fito arivo kilaometatra niala ny toerana nahaterahako aho, tao amin’ny tanàna haolo sy feno vato, tanànan’ny tendrombohitra, izay ratsy tokoa, ny tany dia rakotry ny oram-panala ary ny rano dia mandry, ary izaho sy ny zaza telo kamboty ray dia tsy nanana na inona iarovana azy ireo tamin’ny tafio-drivotra mahery vaika. Rehefa natory aho io alina io, ny 27 ôktôbra, dia nahita fahitana nampitolagaga ahy. Tao amin’ny nofiko dia nijoro teo akaikiko ny vadiko ary niteny hoe—‘Mitrakà ry Elizabeth fa efa akaiky ny fanafahana’” (Leaves from the Life of Elizabeth Horrocks Jackson Kingsford, 8; jereo ihany koa ny history.lds.org).

Lazao an’ireo mpianatra fa tanteraka ilay nofy rehefa nahatratra ny andian-tsarety notarihin-tanan’i Martin ireo mpamonjy voina avy tany Salt Lake City ny ampitson’iny.

Hazavao fa tamin’ny 4 ôktôbra 1856, herinandro maro talohan’ny nikijan’ny tafio-drivotry ny ririnina tamin’ireo andian-tsarety tarihin-tanana, dia nanao tatitra tamin’ny Filoha Brigham Young ny mpandeha fa mbola nisy andian’ny mpamaky lay tavela any amin’ny lemaka, kilaometatra maro niala teo. Ny ampitso, dia niresaka mikasika ny hamonjena ireo mpamaky lay an-tsarety tarihin-tanana ireo i Brigham Young, nandritra ny fivoriam-bavaka. Asao ny mpianatra iray hamaky ny ampahany manaraka amin’ny zavatra nolazainy. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny fitsipika iray izay nampianarin’ny Filoha Young tamin’ireo Olomasina. (Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ilay teny natao ny mpianatra mba hahafahany manaraka ny vakiteny.)

Sary
Filoha Brigham Young

“Maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika no any an-dohasaha miaraka amin’ny sarety tarihin-tanana, ary angamba ny ankamaroany dia eo amin’ny 1.000 kilaometatra miala eto amin’ity toerana ity no misy azy, ary tsy maintsy entina alaintsika ho eto izy ireo, tsy maintsy mandefa fanampiana ho azy ireo isika. …

“Izany no fivavahako; izany no baikon’ny Fanahy Masina izay ao amiko, dia ny hamonjena ny olona. … Ity no famonjena katsahako, dia ny hamonjy ny rahalahintsika izay eo am-bavahadin’ny fahafatesana, na izay mijaly fatratra raha tsy manampy azy ireo isika.

“Hiantso ireo Eveka aho anio, tsy hiandry hatramin’ny rahampitso, na hatramin’ny andro manaraka, ny ekipan’ny biby mpitarika miisa 60 mahavita azy sy ny sarety 12 na 15 aho … [ary koa] koba milanja 10,89 taonina sy mpandray anjara amin’ny vonjy voina mahavita azy miisa 40, ankoatra an’ireo izay mpitarika ny ekipa. …

“Holazaiko anareo rehetra fa ny finoanareo, ny fivavahanareo, ary ny fitorianareo ny fivavahanareo, dia tsy hanavotra na iray aza amin’ny fanahinareo any amin’ny Fanjakana Selestialy, raha tsy mampihatra ny fitsipika marina izay ampianariko ankehitriny ianareo. Mandehana ary ento etoana ireo vahoaka any amin’ny lemaka ireo” (“Remarks,” Deseret News, 15 ôkt. 1856, 252).

  • Inona no nampianarin’ny Filoha Brigham Young an’ireo Olomasina? (Ny mpianatra dia mety hahita fitsipika samy hafa, fa alaivo antoka ny hahatakarany fa amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika, dia tokony hanampy ireo izay mila fanampiana isika.)

Hazavao fa lehilahy sy vehivavy maro no namaly izany ansto izany ary tao anatin’ny roa androtaorian’ny lahatenin’ny Filoha Young dia lasa nandeha nitady ireo mpifindra monina ny lehilahy nitondra kalesy feno vatsy.

  • Amin’ny fomba ahoana ity hetsika famonjena ity no mety ho fahafoizan-tena ho an’ireo Olomasina tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake?

  • Inona ireo fahafoizan-tena sasany azontsika atao mba hanampiana ireo mila fanampiana ara-nofo?

  • Inona ireo fahafoizan-tena azontsika atao mba hanampiana ireo mila fanampiana ara-panahy?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Asao ireo mpianatra mba hihaino fomba fanampiny afaka hanampiantsika ireo mila fanampiana.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Feno fankasitrahana aho fa ankehitriny dia tsy very any amin’ny lemak’i Wyoming intsony ny vahoakantsika. Fantatro anefa fa mbola misy eny anivontsika eny ny olona izay mila fanampiana sy mendrika ny hovonjena. Ny iraka nomena antsika amin’ity fiainana ity, amin’ny maha mpanara-dia ny Tompo Jesoa Kristy antsika dia ny famonjena ny hafa. Eo ny tsy manan-kialofana, ny noana, ary ireo tsy manana na inona na inona. Ny toe-javatra misy azy ireo dia miharihary. Efa nahefa be isika. Mbola afaka manao bebe kokoa mba hanampiana ireo izay tsy manana afa-tsy ny kely mba ivelomana isika.

“Afaka manolo-tanana mba hanatanjahana ireo izay miosona ao amin’ny loton’ny pôrnôgrafia, ny fahavetavetana maharikoriko sy ny zava-mahadomelina isika. Maro no tena lasa niankin-doha ka nanjary lasa tsy nanana hery hibaikoana ny hoaviny intsony. Ory izy ireo no sady ketraka. Afaka hanolorana tanana sy vonjena izy ireo. …

“Tsy tokony hiahiahy ny amin’ireo izay any amin’ny lemak’i Wyoming isika ankehitriny. Tokony hiahiahy kosa ny amin’ireo izay manodidina antsika, ny amin’ireo fianakaviantsika, ny amin’ireo sampana sy tsatòka misy antsika, ary ny amin’ireo mpifanolobodirindrina sy fiaraha-monina misy antsika isika” (“Our Mission of Saving,” Ensign, nôv. 1991, 59).

  • Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahita olona nanampy ireo izay nila fanampiana ara-panahy na ara-nofo? Ahoana no nanampian’izy ireo?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina sy hivavaka mba hahafantarany ny fomba hahafahana manampy ny olona iray. Azonao atao ny manome fotoana kely azy ireo mba handraisany an-tsoratra ny hevitra hananany ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahafantatra fa hotahiana isika rehefa miharitra ireo fisedrana amim-pinoana dia asao ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka ity:

Ny taona 1856 dia ampy handehanana ho any Utah amin’ny kalesy ny vola nananan’i Francis sy i Betsy Webster, nefa nataon’izy ireo fanatitra ho an’ny petrabola izay natsangana mba hanampiana ny Olomasina hifindra monina any Utah (ny Petrabola Maharitra ho an’ny Fifindra-monina) izany. Ny fanomezan’izy ireo dia namela olon-tokana sivy hafa mba hanao ny dia amin’ny sarety tarihin-tanana. I Francis sy i Betsy, izay teo am-piandrasana ny zanak’izy ireo ho teraka, dia nandeha tany Salt Lake City niaraka tamin’ny andian-tsarety notarihin-tanan’i Martin ary niara-nijaly tamin’ireo mpiray dia hafa.

Taona maro taty aoriana, raha nipetraka tao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny Rahalahy Webster dia nihaino ny mpikamban’ny Fiangonana sasany nitsikera mpitarika noho ny zava-nitranga nahatsiravina tamin’ny sarety tarihin-tanana izy. Tsy nahatohitra ny tenany izy ka nitsangana ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahian’ny fandehanana niaraka tamin’ny andian-tsarety notarihin-tanan’i Martin. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Francis Webster ary asao ireo mpianatra mba hamantatra ny fomba iray notahiana ireo izay nijaly niaraka tamin’ireo andian-tsarety.

“Mangataka anareo aho mba hanatsahatra izany fitsikerana izany satria tsy fantatrareo velively ny zavatra resahinareo. Ireo zava-nitranga ara-tantara fotsiny eto dia tsy misy dikany satria tsy nanome fanazavana mazava mikasika ny fanontaniana mipetraka izany. Hadisoana ve ny nandefasana ilay andian-tsarety tany, manoloana ny toetrandro ratsy? Eny. Fa izaho kosa dia tao anatin’io andiany io ary ny vadiko ihany koa. … Nijaly nihoatra ny azonareo eritreretina izahay ary maro no maty noho ny hatsiaka sy ny hanoanana. Fa efa naheno olona tafavoaka velona tamin’io andian-tsarety io namoaka teny mitsikera na dia iray ve ianareo? …

“Nijery todika matetika aho mba hahafantarana hoe iza no nanosika ny saretiko nefa tsy nahita na iza na iza ireo masoko. Fantatro fa teo ny Anjelin’ Andriamanitra tamin’izay.

“Nanenina ny nandeha tamin’ny alalan’ny sarety tarihin-tanana ve aho? Tsia. Na tamin’izay na tamin’ny fotoana hafa tamin’ny fiainako. Tombontsoa ny nanefa ny sarany izay nefainay mba hifankahafantatra amin’ Andriamanitra ary feno fankasitrahana aho fa nanana ny fahafahana ny ho tonga aty Ziona tao anatin’ilay Andian-tsarety tarihin-tanana Martin” (tao amin’ny William R. Palmer, “Pioneers of Southern Utah,” The Instructor, boky 79, lah. 5 [mey 1944], 217–18).

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Francis Webster? (Ireo mpianatra dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity: Raha miaritra ireo fijaliana amim-pinoana isika dia afaka hahafantatra an’ Andriamanitra.)

  • Inona ireo karazana toetra na fitondran-tena hitanao amin’ireo izay niharitra fijaliana amim-pinoana? Amin’ny fomba ahoana no nahafantaranao an’ Andriamanitra avy amin’ireo fisedrana nianjady taminao?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo ny amin’ny iray amin’ireo fitsipika nianarana tamin’ny lesona androany. Azonao atao ny manampy ny fijoroana ho vavolombelonao manokana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Mitarika aiza ny fisedrana sy ny fahoriana?

Raha nandinika ny fahafoizan-tenan’ireo mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia hoy izy hoe:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ao anatin’ny fahorian’ny fiainana isika no toa mihaino bebe kokoa ny bitsika malefaka sy masin’ny Mpiandry Ondry Masina.

“Ny fiainan’ny rehetra dia ahitana ny fotoana feno fanaintainana, sy mahakivy ary ny mandronjina. Toa misy amin’ny fahafenoany ny tebiteby, ny alahelo ary matetika ny ratram-po ho an’ny tsirairay, anisan’izany ireo izay mikatsaka amim-kitsimpo ny hanao ny marina sy ny hahatoky. Ny Apôstôly Paoly dia nilaza momba ny fanambiny manokana: ‘Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho … , dia nasiana tsilo tamin’ny nofo, dia iraky satana hamely ahy’ [2 Korintiana 12:7].

“Ny tsilo manindrona, izay miraikitra amin’ny nofo, sy marary, dia matetika manova ireo fiainana izay toa tsy misy dikany intsony sy very fanantenana. Io fiovana io dia tonga amin’ny alalan’ireo dingan’ny fanadiovana izay matetika heverina ho henjana sy sarotra. Amin’ny alalan’izany fomba izany ny fanahy dia afaka ho tonga toy ny tanimanga malefaka eo an-tanan’ny Tompo amin’ny fanorenana fiainam-pinoana, fiainana misy antony, fiainana kanto ary fiainana mahery. Ny afo manadio ho an’ny sasany dia miteraka ny fahaverezan’ny finoana sy fahatokisana an’ Andriamanitra fa ireo izay manana fomba fijery mandrakizay kosa dia mahatakatra fa ny fanadiovana dia tafiditra ao anatin’ny lalan’ny fanatanterahana. …

“Ny fisedrana sy ny fanoherana dia afaka manomana antsika ho lasa olom-baovao” (“Refined in Our Trials,” Ensign, feb. 2006, 4).

Mijanona ho mahatoky ao anatin’ny tany foana ara-kolontsaina

Ny Loholona Neal A. Maxwell dia milaza momba an’ilay fanoherana misy mandritra ny diantsika manokana amin’ity izao tontolo izao ity:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Raha mahatoky isika dia hahita, any aoriana any, fa ireo mpisava lalana sy razambe nahavita azy izay mendri-boninahitra noho ny fandresena ny fisedran’ny dia tany an-tany foana, dia hanome voninahitra ny mpanara-dia mahatoky ankehitriny noho ny fahombiazany amin’ny fandalovana ny tany foana feno fahadisoam-panantenana sy ny fandalovany ny tany foana ara-kolontsaina iray, izay nihazonany hatrany ny finoana” (If Thou Endure Well [1996], 28).

Hamoaka printy