Seminera sy Institiota
Lesona 6: Joseph Smith—Tantara 1:1–20


Lesona 6

Joseph Smith—Tantara 1:1–20

Fampidirana

Nanomboka nanao asa mikasika ny tantara ôfisialiny i Joseph Smith tamin’ny 1838. Nofariparitany tao anatin’izany ny fianakaviany sy ireo toerana nonenan’izy ireo. Nolazainy tamin’ny antsipiriany tao ihany koa ny fientanentanana tsy mahazatra momba ny fivavahana izay nihanaka tany New York andrefana tamin’ny 1820. Nitarika azy “ho amin’ny fandinihana lalina sy ny fahasahiranan-tsaina lehibe” momba ny hoe fiangonana iza no hidirana izany hafanam-po teo amin’ny fivavahana izany (Joseph Smith—Tantara 1:8). Rehefa avy nandalina ny soratra masina i Joseph, indrindra fa ny Jakôba 1:5, dia nanapa-kevitra ny hangataka valinteny avy tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka izy. Ho valin’ny vavaka nataony dia niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy zanany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:1–4

Nanoratra ny tantaran’ny Fiangonana i Joseph Smith

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy izao zavatra niainan’ny misiônera roa tany Kanada izao, araka ny nataon’ny Filoha Thomas S. Monson tatitra (ho avy ao aoriana ao ato anatin’ny lesona ny ambin’ilay tantara):

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Nandondona ny tranon’ Andriamatoa Elmer Pollars ny [misiônera] roa. … Natolotr’izy ireo ny hafatra nentiny ary nanontanian’izy ireo izy raha afaka miara-mivavaka. Tsy nanaiky izany izy raha tsy ny tenany no nanolotra ilay vavaka.

“Nampitolagaga ireo misiônera ny vavaka nataony. Hoy izy hoe : ‘Ray any An-danitra ô, tahio ireto misiônera roa mahonena sy diso lalana ireto mba hody any an-tranony avy ka tsy handany ny fotoany amin’ny filazana amin’ny vahoakan’i Kanada momba ny hafatra iray izay mampitolagaga ary tsy dia fantany loatra akory ny mahakasika izany.’

“Rehefa nitsangana avy nandohalika izy ireo dia nangataka ny misiônera mba tsy hiverina any an-tranony intsony Andriamatoa Pollard. Raha nandao azy izy ireo dia nilaza tamim-panesoana izy hoe : –Tsy afaka milaza amiko akory ianareo hoe tena mino fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith!– dia nakaratony ny varavarana” (“The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign or Liahona, Nov. 2005, 69).

  • Raha toa ianao ka iray tamin’ireo misiônera ireo, dia inona no ho nolazainao tamin’ Andriamatoa Pollard?

  • Ahoana no fomba ahafantaranan’ny olona iray fa tena mpampinanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo antony nanoratan’i Joseph Smith ny tantarany sy ny tantaran’ny Fiangonana.

  • Araka ny andininy 1, inona no niely teo anivon’ny vahoaka tany am-piandohan’ny Fiangonana? (Tsaho marobe izay natao mba hampialana ny olona ao amin’ny Fiangonana.)

  • Inona no antony nanoratan’i Joseph ny tantarany? (Mba hanomezana ny vahoaka tantara azo antoka sy araka ny tena izy momba ireo zava-nitranga tamin’ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny Laoniny.)

Hazavao fa ankehitriny dia mbola mitohy ny fisian’olona manokana sy andian’olona izay mampiely fampahalalana diso na mamitaka momba ny Fiangonana mba hampihozongozonana ny finoana.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny antony nanoratan’i Joseph Smith ny tantarany ka afaka manampy antsika tsy ho voatariky ny fampahalalana diso na mamitaka? (Ireo izay tena te hanana ny fahamarinana dia tokony hikaroka amim-pahazotoana amin’ireo loharanom-pahalalana azo antoka momba ny Fiangonana sy ny tantarany toy izay manaiky tsotra fotsiny izay mety ho fampahalalana henon’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany izay rehetra mety hipoitra avy amin’ny fikarohana amin’ny Internet.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny hamakian’ny “mpikatsaka fahamarinana” momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny tantara nosoratan’i Joseph Smith? (Ny fianteherana amin’ny tantara nosoratan’ny Mpaminany dia afaka manampy ny olona tsirairay tsy ho voafitaky ny fampahalalana diso na mamitaka.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny famakiana ny teny nambaran’i Joseph Smith manampy ny olona iray mba hahafantatra ny fahamarinana momba ny zavatra niainany?

Zarao izao fampitandremana manaraka avy tamin’ny Loholona Neil L. Andersen izao:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava ny finoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’izao fotoana izao.

“Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatra tahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao” (Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 41).

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra hihaino ny fomba tokony hanombantombanantsika ny zavatra vakintsika momba ny Fiangonana sy ny tantarany. (Azonao omena tahadikan’ilay fanambarana ny mpianatra tsirairay mba hahafahan’izy ireo manaraka ny vakiteny.)

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ireo mpamaky Olomasin’ny Andro Farany dia tokony … ho … sarotiny amin’ny fandanjalanjana ny zavatra vakiny. …

“Mifototra amin’ny tenivavolombelon’ny Fanahy ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananantsika fa tsy mifototra amin’ny fampitambarana ny fisehoan-javatra ara-tantara na ny fanangonana izany. Raha izany no fototra iorenantsika dia tsy hisy fanovana ny fisehoan-javatra ara-tantara afaka mampihozongozona ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika hery hisaintsainana ka natao hampiasantsika tanteraka izy ireny. Fa nomeny antsika ihany koa ilay Mpampionona, izay nolazainy fa hitarika antsika amin’ny fahamarinana ka amin’ny alalan’ny herin’izany no ahafahantsika mahalala ny fahamarinan’ny zava-drehetra. Izany no ilay mpitarika lehibe indrindra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay mendrika sy vonona ny hiantehitra amin’izany” (“Reading Church History” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, Aog. 16, 1985], 7, LDS.org).

Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra nanaitra azy ireo tao amin’ny torohevitry ny Loholona Oaks sy ny antony mahatonga izany ho tena manampy.

Azonao atao ny manazava fa nanoratra ity tantara momba ny Fahitana Voalohany ity i Joseph Smith tamin’ny 1838 ho toy ny ampahany amin’ny tantara ôfisialin’ny Fiangonana mba havoaka ho an’izao tontolo izao. Misy tantara sivy fantatra momba ny Fahitana Voalohany—ny efatra nosoratana na notononin’i Joseph Smith ary ny dimy nosoratan’ny olona hafa izay namerina nilaza ny zavatra niainany. (Ho fampahalala bebe kokoa mikasika ireo tantara efatra nosoratan’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany dia jereo ny Milton V. Backman Jr., “Joseph Smith’s Recitals of the First Vision,” Ensign, Jan. 1985, 8–17.)

Azonao atao ihany koa ny manazava fa nisy tantara maro hafa momba ny Fahitana Voalohany izay narafitra tamin’ny fotoana samy hafa sy ho an’ny mpihaino samy hafa. Tao anatin’ireo tantara ireo dia nohamafisin’i Joseph Smith ireo lafiny samihafa mikasika ny Fahitana Voalohany saingy hitovizan’ireo tantara rehetra ireo ilay fahamarinana manan-danja fa tena nosokafana tamin’i Joseph Smith ny lanitra ary nahita iraka avy tany an-danitra izy, ary tao anatin’izany Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo. Satria ilay tantara tamin’ny 1838 dia ampahany amin’ny tantara sy fijoroana ho vavolombelona ôfisialin’i Joseph Smith ho an’izao tontolo izao, dia nampidirina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy izany.

  • Tahaka ny nanamafisan’i Joseph Smith ireo lafiny samihafa momba ny fahitany tao anatin’ny tantara maro nataony no nanamafisan’i Paoly Apôstôly ireo lafiny samihafa momba ny fahitany ny Mpamonjy tamin’ny mpihaino samy hafa (jereo ny Asa 9:1–9; Asa 22:5–11; Asa 26:12–20). Nahoana araka ny eritreritrao no nanamafy zavatra samihafa i Joseph Smith sy i Paoly isaky ny nilaza ireo tantaran’ny fahitany izy ireo?

Fintino ny Joseph Smith—Tantara 1:3–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa teraka tao Vermont i Joseph saingy nifindra tany Palmyra, New York tamin’izy 10 taona.

Joseph Smith—Tantara 1:5–13

Teo anivon’ny fisafotofotoana ara-pivavahana dia nanapa-kevitra ny hanontany an’ Andriamanitra izay fiangonana marina i Joseph Smith

Hazavao fa niaina nandritra ny fotoan’ny fisian’ny hafanam-po lehibe momba ny fivavahana i Joseph Smith. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:5–7. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny toe-javatra natrehan’i Joseph Smith. Asao ny mpianatra iray hanoratra eo amin’ny solaitrabe ireo teny sy andian-teny hitany. Dia asao ny mpianatra iray avy eo hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 10. Angataho ny mpianatra mba hitady ny famaritan’i Joseph Smith ny zavatra tsapany nandritra izany fotoana izany.

  • Inona no tsapan’i Joseph vokatr’ilay hafanam-po lehibe ara-pivavahana izay nanodidina azy?

  • Inona no sasany tamin’ireo fanontaniana izay nanahiran-tsaina azy?

  • Efa nisy nametraka fanontaniana mitovy amin’izany ve aminareo? Inona no nataonareo mba hamahana izany olana izany?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:11 ary hitady ny zavatra nataon’i Joseph Smith mba hahitana ny valin’ny fanontaniany.

  • Taiza no nitadiavan’i Joseph fanampiana mba hahazoana ny valin’ny fanontaniany?

  • Fitsipika inona ao amin’ny Jakôba 1:5 no nanampy an’i Joseph Smith hanana fahatokiana fa afaka mahita valiny amin’ireo fanontaniana izay nananany izy? (Mety amin’ny teny hafa no hilazan’ny mpianatra izany saingy tokony hamantatra izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Rehefa mangataka amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy. Azonao atao ny manazava fa hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fotoany sy amin’ny fombany Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyJoseph Smith—Tantara 1:12–13. Angataho ny mpianatra mba hamantatra ny fomba nitaoman’ilay fitsipika ao amin’ny Jakôba 1:5 an’i Joseph Smith.

Joseph Smith—Tantara 1: 14–20

Nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:14–15.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no niezaka nanakana an’i Joseph Smith tsy hivavaka i Satana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17. Angataho ny mpianatra mba hamantatra ny fomba fihetsik’i Joseph Smith tamin’ny fanoherana niainany. Angataho ihany koa izy ireo mba handinika ireo andian-teny avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Joseph izay manan-danja aminy na azony ampiasaina amin’ny fampianarana ny hafa momba ny Fahitana Voalohany.

  • Andian-teny inona avy ao amin’ireo andininy ireo no manan-danja aminareo? Nahoana?

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith.

  • Nahoana no manan-danja ny manana fijoroana ho vavolombelona fa nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaranao fa nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith?

Rehefa avy nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra vitsivitsy dia hazavao fa ny Fahitana Voalohany no ilay tranga fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny. Mitondra valinteny amin’ireo fanontaniana manan-danja mikasika ny fotopampianarana ihany koa ny Fahitana Voalohany. Asao ny mpianatra hamerina hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:15–17 ka hitady ireo fahamarinana azontsika hianarana avy amin’io tantara io. Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitsipika azontsika hianarana avy amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–16 izay afaka manampy antsika handresy ny fakam-panahy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy tokony hamantatra izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha toa isika mikatsaka mafy ny fanampian’ Andriamanitra rehefa miezaka manakivy antsika i Satana dia afaka hanafaka antsika Andriamanitra.)

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny toetran’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy? (Mety hahitana izao manaraka izao ny valinteny: Velona Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Olona misaraka miavaka tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.)

  • Inona no teny voalohany nambaran’ Andriamanitra tamin’i Joseph Smith? (Joseph.) Nahoana no manan-danja ny fahafantarana izany? Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’izany? (Mety hahitana ireto manaraka ireto ny valiny: Mahafantatra antsika amin’ny anarana ny Ray any An-danitra. Mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay hitany tato anatin’ity lesona ity dia azonao atao ny manontany ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no manan-danja ny fahafantarana sy fahatakarana ireny fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireny?

  • Oviana no nitahian’ny iray na maromaro tamin’ireny fahamarinana ireny ny fiainanao? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa masina loatra na an’ny tena manokana ireo traikefa sasantsasany ka tsy tokony hozaraina.)

Hazavao fa nahazo ny valin’ireo fanontaniany ihany koa i Joseph Smith nandritra ny Fahitana Voalohany. Asao ny mpianatra mba handalina mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:18–20.

  • Inona no zavatra nianaran’i Joseph tao anatin’ny valin’ny vavaka nataony?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay tantara momba ireo misiônera izay novakina tany amin’ny fanombohan’ny lesona. Asao ny mpianatra iray hamaky ny ambin’ilay tantara:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Niverina teo amin’ny varavaran’ Andriamatoa Pollard izy roalahy. Namoha varavarana Atoa Pollard sady niteny tamin-katezerana hoe : ‘Tsy efa nitena anareo aho ry zatovolahy mba tsy hiverina intsony?’

“Dia niteny, niaraka tamin’ny fahasahiana rehetra azony nangonina, ilay mpiara-mitory zandriny iray nanao hoe: –Pollard, rehefa nandao ny varavaranao izahay dia nolazainao hoe tsy tena mino akory fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Te hijoro ho vavolombelona aminao aho, Andriamatoa Pollard, fa fantatro fa mpaminan’ Andriamanitra i Joseph Smith, ary tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy no nandikany ilay rakitsoratra masina fantatra amin’ny hoe Bokin’i Môrmôna, ary tena nahita an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Zanany izy.– Dia niala teo amin’ny tokonam-baravaravana ireo misiônera.

“[Nijoro ho vavolombelona Andriamatoa Pollard taty aoriana nanao hoe:] ‘Tsy nahita tory ny alin’iny. Nihodin-kavia aho, nihodin-kavanana. Henoko niverimberina tao an-tsaiko ireo teny manao hoe : “Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Fantatro izany. … Fantatro izany. … Fantatro izany.” Tsy andriko izay ahatongavan’ny maraina. Niantso an-tariby an’ireo misiônera aho. … Niverina izy ireo ary tamin’ity indray mitoraka ity dia nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra izahay mivady sy ny fianakaviako ka nikatsaka marina ny fahamarinana. Vokatr’izany dia nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy avokoa izahay rehetra’” (“The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” 69).

Amporisiho ny mpianatra mba hamaky manokana ny Joseph Smith—Tantara ka hangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ireo hampatanjaka ny fijoroana ho ho vavolombelona ananany fa marina ny tantara nosoratan’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany. Azonao atao ihany koa ny mamporisika azy ireo hitady fahafahana mizara ny hafatra momba ny Fahitana Voalohany amin’ny olona iray hafa. Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay nifampiresahanareo androany izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Joseph Smith—Tantara. Oviana no navoaka ny tantara ôfisialin’i Joseph Smith?

Nanomboka nanoratra ny tantara ôfisialiny i Joseph Smith tamin’ny 1838, izay navoaka tao amin’ilay gazety hoe Times and Seasons tamin’ny 1842. Taty aoriana, io tantara io dia lasa ampahany amin’ireo boky enina ao amin’ny A Comprehensive History of the Church nataon’i B. H. Roberts tamin’ny 1957. Ny Joseph Smith—Tantara, araka ny hita ao amin’ireo bokin’ny Fiangonana dia nosintonina tamin’ilay tantara ôfisialin’i Joseph Smith ary navoaka ho ampahany amin’ilay kibokin’ny misiônera izay nantsoina hoe ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ny 1851. Nankatoavina ho soratra masina ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ny 1880.

Joseph Smith—Tantara 1: 3. Toy ny ahoana ny fiainan’i Joseph Smith tany am-piandohana?

“Natao mariazy tamin’ny 24 janoary 1796 ny ray aman-drenin’i [Joseph Smith] dia i Lucy Mack sy Joseph Smith rainy ary nipetraka tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena tany Tunbridge, Vermont. Nanofa toeram-piompiana sy fambolena iray [tao Sharon, Vermont] tamin’i Solomon Mack, rain’i Lucy i Joseph sy Lucy tamin’ny fahavaratry ny taona 1805 ary nampianatra ihany koa i Joseph tamin’ny ririnina. Tao no teraka ny zanak’izy ireo fahadimy, dia i Joseph Smith zanany, izay teraka tamin’ny 23 desambra 1805. Nampianatra ireo fitsipiky ny fivavahana tamin’ny zanany i Lucy sy Joseph ary namporisika manokana ny fandalinana ny Baiboly i Lucy. Niahiahy momba ireo fiangonan-drazana i Joseph rainy saingy nihazona finoana matanjaka an’ Andriamanitra hatrany” (The Pearl of Great Price Student Manual [Church Educational System manual, 2000], 54).

“Lehibe tao amin’ilay toeram-piompiana sy fambolen’ny fianakaviana i Joseph Smith ary efa saika ho ny ohatra nasehon’ny fianakaviany no nanana fitaomana lehibe indrindra teo aminy. … Nandritra ny fahazazany dia nanomboka nanangona sy nampiseho toetra izay hanampy azy hanatontosa ny iraka nanendrena azy mialoha i Joseph Smith.

“… Nikolokolo fifandraisana mafy orina teo amin’ny fianakaviana izy, nianatra niasa mafy, nijoro tamin’ny heviny, nanompo ny hafa, ary nitia ny fahafahana” (Church History in the Fulness of Times, 2nd ed. [Boky torolalana ho an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003], 15).

“Nifindra toerana matetika ny fianakavian’i Joseph Smith tamin’ny fahazazany, nitady tany lonaka sy fomba hafa hahazoana fidiram-bola. … Tamin’ny 1811 dia nifindra tao amin’ny tanàna kely tao Lebanon Andrefana, New Hampshire ry Smith mianakavy. … Tonga tao Lebanon Andrefana ny tefoedra. … Narary tsirairay ny zanaky ny fianakaviana Smith. …

“Sitrana tamin’ny aretina [tefoedra] i Joseph, zanany, izay fito taona, roa herinandro taty aoriana saingy tratran’ny olana ara-pahasalamana fanampiny izay nitaky ny fanaovana fandidiana niisa efatra tamin’ny farany. Ny olana ara-pahasalamana goavana indrindra nihatra taminy dia ny fivontosana sy ny fifindran’ny mikraoba teo amin’ny taolan-dranjony havia. … Nianjadian’ny fanaintainana lehibe i Joseph nandritra ny roa herinandro.” Nandalo fandidiana mba hanalana ilay fifindran’ny mikraoba teo amin’ny ranjony i Joseph “ka tsy nofatorana na nisotro divay mba hampamamo azy”(Church History in the Fulness of Times, 22–23).

“Tamin’ny 1816, i Joseph rainy dia nandeha tany Palmyra, New York mba hanadihady mikasika ilay tany tsara nefa mora. I Joseph zanany izay zazalahy folo taona tamin’izany dia nahatsiaro fa na dia tsy mbola sitrana tanteraka tamin’ilay fandidiana teo amin’ny ranjony aza izy dia nasain’ilay mpitatitra izay nanampy ny fianakaviana Smith tamin’ny dian’izy ireo nandeha tamin’ny ranomandry 64 kilaometatra isan’andro nandritra ny andro maromaro izy, fotoana izay tena niainany harerahana sy fanaintaina goavana” (The Pearl of Great Price Student Manual, 54).

“Niasa mafy i Joseph Smith, rainy, izay nanan-janaka folo—feno iraika ambin’ny folo tamin’ny 1821—mba hivelomana. Taorian’ny nipetrahany roa taona tao Palmyra dia nahangona vola ampy handoavana ny vola voalohany hividianana tany misy ala mirefy zato ara tao amin’ny tanàna iray akaikin’i Farmington izy. Nandritra ny taona voalohany dia nanapaka hazo tamin’ny velaran-tany telopolo ara izy sy ireo zanany lahy, nanomana ny tany ho amin’ny fambolena, ary namboly varimbazaha. … Nitantara i Joseph Smith zanany taty aoriana fa ‘nitaky asa mafy avy tamin’ny rehetra izay afaka nanampy ny fanohanana ny fianakaviana.’ [“History of Joseph Smith By Himself,” 1832 (nosoratana tao Kirtland, Ohio, teo anelanelan’ny 20 jolay sy ny 27 Nôv. 1832), Departemantan’ny Tantara an’ny OAF, Salt Lake City, p. 1.] …

“Voafetra ny fahafahan’i Joseph nandeha nianatra tamin’izany fotoana izany. Nambarany fa noho ny ‘ankohonan-drainy izay niaina tao anatin’ny fahantrana’ izany. ‘Tsy mba nanana fahafahana hahazo tombontsoa tamin’ny fianarana izahay. Tsy ilaina akory noho izany ny milaza hoe zara raha nampianarina namaky teny sy nanoratra ary nanao ireo lalàna fototry ny kajy aho ka izay no mba nandrafitra ny fahalalako ara-haisoratra rehetra tany am-pianarana’ [“History of Joseph Smith By Himself,” pp. 1–2]” (Church History in the Fulness of Times, 29–30).

Joseph Smith—Tantara 1:15–17. Ireo tantara momba ny Fahitana Voalohany

Ho fampahalalana fanampiny mikasika ireo tantara efatra momba ny Fahitana Voalohany dia jereo ny Milton V. Backman Jr., “Joseph Smith’s Recitals of the First Vision,” Ensign, Jan. 1985, 8–17. Lahatsoratra iray hafa tena manampy hahafantarana ireo tantara samihafa momba ny Fahitana Voalohany ny Joseph Smith’s Testimony of the First Vision,” nataon’i Richard L. Anderson Ensign, April 1996, 10–21.

Joseph Smith—Tantara 1:15–17. Ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Gordon B. Hinckley momba ny tena maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany ho an’ny Fiangonana:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Miankina amin’ny maha-marina ity Fahitana Voalohany feno voninahitra ity ny momba antsika rehetra amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika. Izany no zava-nitranga nanokatra ity fitantanana ny fotoam-pahafenoana ity. Tsy misy zavatra hampiorenantsika ny fotopampianarantsika, na zavatra ampianarintsika na iainantsika izay manan-danja kokoa noho ity fanambarana voalohany ity. Manaiky aho fa raha toa ka niresaka tamin’ Andriamanitra sy ny Zanaka Malalany i Joseph Smith dia marina avokoa ny zavatra hafa rehetra resahantsika. Izany no zava-niseho izay mampisokatra ny vavahady mitondra mankany amin’ny lalan’ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay” (“What Are People Asking about Us?” Ensign, nôv. 1998, 71).

Joseph Smith—Tantara 1:15–17. Ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany sy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Joseph Smith

Nanambara ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany ny Filoha Joseph F. Smith raha ampitahaina amin’ireo zava-niseho hafa hatramin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty:

Sary
Filoha Joseph F. Smith

“Ny zava-niseho lehibe indrindra hatramin’izay teto amin’izao tontolo izao, hatramin’ny fitsanganan’ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ny maty tao am-pasana sy ny fiakarany tany an-danitra, dia ny fahatongavan’ny Ray sy ny Zanaka tamin’io Joseph Smith zazalahy io, mba hanomanana ny lalana ho fametrahana ny fototry ny fanjakany— fa tsy ny fanjakan’ny olona—izay tsy hitsahatra na hirodana velively. Rehefa nanaiky izany fahamarinana izany aho dia mora amiko ny manaiky ny fahamarinana hafa rehetra izay voalazany sy nambarany nandritra ny asa nanirahana azy izay naharitra efatra ambin’ny folo taona teto amin’izao tontolo izao. Tsy nampianatra fotopampianarana iray izy ka hoe tsy marina izany. Tsy mbola nampihatra fotopampianarana iray izy izay norarana mba tsy hampihariny. Tsy nanohana ny fahadisoana na oviana na oviana izy. Tsy mba voafitaka na oviana na oviana izy. Nahita izy; naheno; ary nanao araka ny nandidiana azy; noho izany, Andriamanitra dia tompon’andraikitra amin’ny asa vitan’i Joseph Smith—fa tsy i Joseph Smith. Ny Tompo no tompon’andraikitra amin’izany, fa tsy ny olona” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 495–96).

Nanambara ny naha-tena nisy ny Fahitana Voalohany ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Na naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara na tsia. Na very ny Fiangonana izay naorin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany na tsia. Na nahita izany fahitana mahatalanjona izany i Joseph Smith na tsia. Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna na tsia. Na naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’ny mpaminanin’ny andro farany izay nofinidin’ Andriamanitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na tsia.

“Tsy tena sarotra be araka izany ny fahamarinana. Na ireo zavatra ireo nitranga araka ny nijoroako ho vavolombelona na tsia. Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy, ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ananan’ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky an-tapitrisany maro hozaraina ho an’izao tontolo izao dia ny hoe marina ny zavatra nolazaiko anareo androany maraina. Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary tantanan’ny mpaminany velona iray izany ankehitriny. Fantatro ireo zavatra ireo!” (“Restored Truth,” Ensign, nôv. 1994, 67–68).

Joseph Smith—Tantara 1:15–17. Ireo fisedrana izay tonga mialoha na aorian’ny traikefa ara-panahy

Niresaka momba ny fahoriana sy ny fifanoherana ary ny haizina izay mety ho tonga mialoha na aorian’ireo traikefa ara-panahy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlekin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Fahamarinana mazava sy mahatonga saina ny hoe mialohan’ireo fotoana isehoan-javatra lehibe, indrindra mialohan’ireo fotoana isehoan-javatra ara-panahy lehibe, dia mety ho tonga ny fahoriana sy ny fifanoherana ary ny haizina. Atolotry ny fiainana ho antsika ny sasany amin’ireo fotoana isehoan-javatra ireo, ary indraindray dia tonga izy ireny rehefa iny akaiky handray fanapahan-kevitra manan-danja na hanao dingana goavana iray eo amin’ny fiainantsika iny isika.

“… [Misy koa] ny fifanoherana izay tonga matetika tokoa aorian’ny nandraisana fanapahan-kevitra mazava, aorian’ny nanomezan’ireo fotoan’ny fanambarana sy fahatokian-tena fiadanana ho antsika sy toky iray izay neritreretintsika fa tsy hiala amintsika na oviana na oviana. …

“… Mino aho fa amin’ny alalan’ny fombantsika tsirairay manokana dia entin’ Andriamanitra mankany amin’ilay ala kely na ilay tendrombohitra na ilay tempoly isika ary asehony antsika eo ny zava-mahagaga mikasika ny drafiny ho antsika. Mety tsy hahita izany tanteraka araka ny nahitan’i Mosesy na i Nefia na ny rahalahin’i Jareda azy isika, saingy mahita betsaka tokoa araka izay ilaintsika isika mba hahafantarana ny sitrapon’ny Tompo ho antsika sy hahafantarana fa tia antsika mihoatra noho ny fahatakarantsika amin’ny maha-olombelona antsika Izy. Mino ihany koa aho fa ny fahavalo sy ireo mpanaradia azy izay fadiranovana sy mpiteti-dratsy dia miezaka ny hanohitra ny traikefa toy izany ary dia miezaka manamaizina izany aorian’ny zava-miseho. …

“Ny fiadiana tao anatin’ny haizina sy ny fahakiviana ary ny fangatahana ny fahazavana no nanokatra ity fotoampitantanana ity. Izany no mbola mampandeha izany, ary izany no hampandeha anao hatrany. …

“Manaiky ny fisian’ny fifanoherana sy ny fahoriana aho, kanefa mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ilay Andriamanitra be Voninahitra, sy ny amin’ilay Zanak’ Andriamanitra mpanavotra, ary ny amin’ny fahazavana sy fanantenana ary hoavy mamirapiratra. Mampanantena anareo aho fa Andriamanitra dia velona sy tia anareo, ny tsirairay aminareo, ary nametraka faritra sy fefy tsy azo ihoaran’ny herin’ny haizina izay manohitra izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, ilay mpandresy ny fahafatesana sy ny helo ary ireo lavo izay manao teti-dratsy” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 2 mar. 1999], 1, 2, 6–7, speeches.byu.edu

Hamoaka printy