Seminera
Lesona 5: Fandalinana ny soratra masina


Lesona 5

Fandalinana ny Soratra Masina

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hianatra ny fomba hahatakarana bebe kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina, hamantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika izay raketin’ny soratra masina, ary hampiharana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany. Rehefa mahita sy manao asa araka ireo fahamarinana mandrakizay hita ao amin’ny soratra masina ny mpianatra dia afaka mipaka lalina ao am-pon’izy ireo ny filazantsara. Mitadiava fomba handinihina indray ireo fampahalalana ato amin’ity lesona ity mandritra ny taona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny tanjon’ny fandalinana soratra masina

Mametraha zavatra fahita mahazatra toy ny pensilihazo, kahie, na fihirana eny amin’ny toerana mora hitan’ny maso ao amin’ny efitrano fianarana alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana. Misafidiana toerana iray izay tsy hahatonga ilay zavatra ho hita tsy amin’ny toerany na mora tsikaritry ny mpianatra. Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fitenenana amin’ny mpianatra fa manana zavatra very ianao ka mila ny fanampian’izy ireo hahitana izany. Asaivo mikaroka manerana ny efitrano izy ireo saingy aza tenenina aminy hoe inona ilay zavatra tadiaviny. Rehefa nikaroka elaela kanefa tsy nahita ny mpianatra dia hazavao amin’izy ireo ny zavatra tokony hotadiaviny, ary asaivo mitady indray izy ireo.

  • Nahoana no mora kokoa ny nahita ilay zavatra notadiavina tamin’ny faharoa?

Hazony ambony ny soratra masinao. Hazavao fa toy ny maha-mora kokoa ny mitady zavatra iray rehefa fantatsika hoe inona ilay tadiavina no mampisy lanjany kokoa ny fandalinantsika ny soratra masina rehefa fantatsika hoe inona no tadiavintsika rehefa mandalina isika.

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny zavatra tokony hotadiavintsika rehefa mandalina ny soratra masina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Alohan’ny hamakin’ilay mpianatra dia angataho ny mpianatra rehetra mba hihaino ny zavatra tokony ho hitany hatrany ao amin’ny soratra masina raha toa ka mitady izany izy ireo. (Azonao omena tahadikan’ity teny ity na teny hafa izay nambaran’ny mpampinany ato anatin’ity lesona ity ny mpianatra.)

Sary
Filoha Marion G. Romney

“Tsy afaka mandalina amin-kitsim-po ny soratra masina ny olona iray raha tsy mianatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria nosoratana mba hiterihizana fitsipika ny soratra masina” (“The Message of the Old Testament” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, aog. 17, 1979], 3, LDS.org).

  • Araka ny fanazavan’ny Filoha Romney, inona no tokony hotadiavintsika rehefa mandalina ny soratra masina isika ?

  • Inona no atao hoe fitsipika ?

Hamafiso na ampio ny valintenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Alohan’ny hamakin’ilay mpianatra dia asaivo mihaino ny atao hoe fitsipika ny antsasaky ny mpianatra. Asaivo mihaino ny antony maha-manan-danja ny fitadiavana fitsipika ao anatin’ny soratra masina ilay antsasany iray hafa.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Fahamarinana tsy misy fangarony ny fitsipika, ary nakambana mba hampiasaina amin’ny toe-javatra miseho maro samihafa. Ny fitsipika marina iray dia mampazava ny fanapaha-kevitra na dia ao anatin’ny toe-javatra tena mampikorontan-tsaina sy feno faneriterena aza” (Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 86).

  • Araka ny Loholona Scott, inona no atao hoe fitsipika? Nahoana no tena manan-danja ny fitadiavana fitsipika ao anatin’ny soratra masina?

Hazavao fa ireo fitsipika sy fotopampianaranan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fahamarinana fototra sy tsy miova izay mitondra fitarihana eo amin’ny fiainantsika. Fotopampianarana sy fitsipika no tian’ny Tompo sy ireo mpaminaniny hianarantsika avy amin’ireo fanambarana, toriteny, ary zava-nitranga voarakitra ao anatin’ny soratra masina.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra iray amin’ny fotopampianarana na fitsipika ampianarina ao anatin’ny soratra masina dia asao izy ireo mba hisaintsaina ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith. Anontanio izy ireo raha toa ka afaka mamantatra fahamarinana tsotra iray izay azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith. Mety hamantatra fotopampianarana sy fitsipika maro samihafa ny mpianatra. Ohatra iray izao fahamarinana manaraka izao: Raha toa isika mivavaka amim-pinoana dia hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra.

Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina

Mampisehoa voankazo iray izay tsy maintsy voasana alohan’ny hihinanana azy (ohatra : akondro na voasary).

  • Inona no tsy maintsy ataonao mialoha ny ahafahanao mampiasa ity zavatra iray ity amin’izay ilàna azy? (Esorina ny hoditra ivelany.)

  • Raha toa ka ao anatin’ity zavatra ity ny ampahany manan-danja sy ilaina, inona no anton’ilay hoditra ivelany? (Mba hiarovana sy hitondrana ny ao anatiny.)

Hazavao fa azo ampitahaina amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny soratra masina ilay voankazo ao anatin’ny hodiny. Azo ampitahaina amin’ireo zava-nitranga, olona ary toriteny ao amin’ny soratra masina ilay hoditra ivelany. Toy ny hiarovan’ny hoditra ilay voankazo ao anatiny sy hanampiany amin’ny fitondrana azy dia mitondra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ho antsika ireny tantara ao amin’ny soratra masina ireny amin’ny fomba izay manampy antsika hahatakatra sy hahatsiaro ary hampihatra azy ireny eo amin’ny fiainantsika.

Angataho ny mpianatra mba hizara ny zavatra nataony mba hanampiana azy ireo hahazo fahatakarana bebe kokoa momba ny zava-nisy, ny fitohizan’ny tantara, ny zava-nitranga ary ireo antsipirian-javatra hafa ao amin’ny soratra masina. (Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ny hevitr’izy ireo.) Rehefa avy nizara hevitra vitsivitsy ny mpianatra dia hazavao aminy ireto paika fandalinana ny soratra masina manaraka ireto ary makà minitra vitsy hampiharana izany.

Zava-nisy ara-tantara: Hazavao fa ny fizarana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana fampidirana ho an’ilay fizarana izay mamaritra ireo olana, fanontaniana, na zava-nitranga ara-tantara mifandray amin’ilay fanambarana ao amin’izany fizarana izany. Afaka manampy antsika hahatakatra ilay fanambarana ny fahalalana ireny antsipirian-javatra ireny.

Mba hampisehoana hoe tena afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny fanambarana iray ny fahalalana ireny antsipirian-javatra ireny dia manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8. Dia asaivo mamaky mangina ny fampidirana ilay fizarana ny mpianatra avy eo, ka hitady fampahafantarana izay manampy azy ireo hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana ny nanagadrana an’i Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty nandritra ny volana maromaro no manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Famaritana ny teny: Lazao fa mety ho tsy mahazatra loatra ny teny sasany nampiasaina ao amin’ny soratra masina. Ny Bible Dictionary (Rakibolan’ny Baiboly), ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ary ny rakibolana mahazatra dia afaka manampy antsika hahafantatra ny famaritana ireo teny sy hahatakatra ny dikan’izy ireny.

Mba hampisehoana ohatra iray dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:2. Hazavao fa ny teny hoe mihazona dia mety midika hoe mangataka andro na manemotra fotoana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahafantarana ity famaritana ity anao mba hahatakatra bebe kokoa ity andinin-tsoratra masina ity?

Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Hazavao fa raha vantany vao nampitombo ny fahatakarantsika ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andinin-tsoratra masina iray isika dia vonona hamantatra ireo fahamarinan’ny filazantsara fonosin’izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott. Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo andian-teny izay mamaritra ny zavatra tokony hataontsika mba hamantarana fahamarinana eo am-pandalinantsika ny soratra masina.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Eo am-pikatsahanareo fahalalana ara-panahy dia tadiavo ireo fitsipika. Avaho tsara izany amin’ny antsipirian-javatra nampiasaina mba hanazavana azy. … Mendrika ny hanaovana ezaka lehibe ny fandaminana ireo fahamarinana izay angonintsika mba ho lasa filazana ny fitsipika amin’ny fomba tsotra” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” 86).

  • Inona avy ireo andian-teny nampiasain’ny Loholona Scott mba hamaritana ny dingana arahina mba hamantarana ireo fahamarinana ao anatin’ny soratra masina? (“Avaho tsara izany amin’ny antsipirian-javatra nampiasaina mba hanazavana azy”; “alamino ireo fahamarinana izay angonintsika mba ho lasa filazana ny fitsipika amin’ny fomba tsotra.”)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny “mandamina ny fahamarinana” izay ianarantsika avy amin’ny andinin-tsoratra masina iray mba ho lasa filazana ny fotopampianarana na ny fitsipika amin’ny fomba tsotra?

Hazavao fa mora kokoa ny mamantatra ny sasany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara satria nambara amin’ny fomba mivantana izy ireo ao amin’ny soratra masina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ireo fahamarinana izay voalaza mivantana ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mety hilaza izany amin’ny fomba hafa ny mpianatra saingy tokony hamantatra izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha miaritra tsara ny fisedrana lalovantsika isika dia hanandratra antsika Andriamanitra ary hanampy antsika handresy ireo fahavalontsika.

Hazavao fa fotopampianarana sy fitsipika marobe no tsy voalaza amin’ny fomba mivantana ao amin’ny soratra masina kanefa hita sy voafaritra ao anatin’ny andininy maromaro. Mitaky ny fahafantarana ireo fahamarinana izay aseho ao anatin’ilay andinin-tsoratra masina sy ny filazana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy tsotra ny famantarana ity karazana fotopampianarana na fitsipika ity. Mba hanampiana ny mpianatra hianatra hamantatra fotopampianarana sy fitsipika izay tsy voalaza amin’ny fomba mivantana dia asao izy ireo mba hametraka fanontaniana toy ny hoe : “Inona no azoko ianarana avy amin’ity?” “Inona no hafatra na hevi-dehibe ao amin’ireo andininy ireo?” na “Inona no mety tian’ny Tompo hianarako avy amin’ity?”

Asao ny mpianatra hampihatra ny famantarana fotopampianarana sy fitsipika amin’ny alalan’ny famerenana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8. Angataho ny mpianatra mba hanoratra fahamarinan’ny filazantsara iray ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina izay azontsika ianarana avy amin’ny vavaka nataon’i Joseph sy ny valintenin’ny Tompo tamin’izany vavaka izany. Rehefa ampy ny fotoana nanaovany izany dia manasà mpianatra maromaro hamaly ilay fotopampianarana na fitsipika hitan’izy ireo avy tao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mety hahitana izao manaraka izao ny fahamarinana hitan’ny mpianatra:

Maheno ny vavaka ataontsika Andriamanitra.

Afaka manome fiadanana ho antsika Andriamanitra rehefa miantso Azy ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika.

Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika eo amin’ny fiainantsika

Miverena indray amin’ilay voankazo iray izay noresadresahan’ny mpianatra teo aloha tato anatin’ity lesona ity.

  • Inona no lanja ananan’ilay voankazo raha toa ka tsy ampiasaina mihitsy raha vantany vao novoasana?

  • Raha toa ka azo ampitahaina amin’ny voankazo iray izay novoasantsika ireo fotopampianarana sy fitsipika hitantsika ao anatin’ny soratra masina, inona no tokony hataontsika raha vao fantatsika ireny fahamarinana ireny? (Hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.)

Hazavao fa rehefa lasa mahatsapa ilay fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hitantsika tao anatin’ny soratra masina isika dia hahatsapa faniriana mba hampihatra azy ireny eo amin’ny fiainantsika. Asao ny mpianatra hizara amin’ny namana iray ny fomba ahafahany mampihatra ny iray amin’ireo fahamarinana hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ireo andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Raha toa [ianao] ka lasa mahafantatra tsara ireo fanambarana, dia tsy hisy fanontaniana—na ho anao manokana, na ara-tsôsialy na ara-pôlitika na arak’asa—izay tsy tokony hahazoam-baliny. Hita ao anatin’izany ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay. Hitantsika ao ireo fitsipiky ny fahamarinana izay hamaha ireo fisafotofotoana sy ireo olana ary ireo zava-tsarotra rehetra izay hatrehin’ny fianakavian’olombelona na ny olona tsirairay ao anatin’izany” (“Teach the Scriptures” Fihaonambe ho an’ireo mpampianatra eo anivon’ny DEE , 14 ôkt. 1977, 3–4, LDS.org).

  • Inona avy ireo andian-teny izay nanaitra anao? Nahoana?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fomba nitahian’ny fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ny soratra masina ny fiainanao rehefa nahita ka nampihatra izany ianao. Eritrereto ny hanasa ny mpianatra mba hizara Fotopampianarana na fitsipika izay izay hitan’izy ireo tao amin’ny soratra masina sy ny fomba nitahian’izany ny fiainan’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra mba hikaroka amim-pahazotoana ireny fahamarinana mandrakizay ireny eo am-pandalinan’izy ireo ny soratra masina ary hampihatra izany eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Mahita sy mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanolotra izao torolalana izao mikasika ny fandalinana soratra masina:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Anisan’ireo zavatra tena manan-danja azonao atao ny … mifantoka tanteraka amin’ny soratra masina. Halalino amim-pahazotoana izany. Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy. Ianaro ny Fotopampianarana. Fehezo ireo fitsipika izay hita ao anatin’izany” (“The Power of the Word,” Ensign, May 1986, 81).

Hamoaka printy