Seminera sy Institiota
Lesona 22: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–16


Lesona 22

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–16

Fampidirana

I Joseph Smith dia nahazo ilay fanambarana ho an’ny tenany sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer tamin’ny Jona 1829, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18, fotoana fohy taorian’ny nanomezan’i Petera, Jakoba ary i Jaona ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Tany am-piandohan’ilay fanambarana dia nampianatra an’i Oliver Cowdery mikasika ny fanorenana ny Fiangonana ny Tompo. Dia niantso an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer Izy avy eo hitory fibebahana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–5

Nampianatra ny fomba hanorenana ny Fiangonany ny Tompo.

Ataovy sary eo amin’ny solaitrabe ity sary nampiarahina eto ity alohan’ny fotoam-pianarana.

fanehoana an-tsary ny fanorenana fiangonana

Vakio ity fampahalalam-baovao manaraka ity na mizarà fampahalalam-baovao mitovy amin’izany mikasika ny horohoron-tany iray izay mety hoe nitranga vao haingana na niseho teny akaikin’ny toeram-ponenanareo:

Tamin’ny 17 ôktôbra 1989, tamin’ny 5:04 hariva, dia namely an’i San Francisco, Californie, izay faritr’i Etazonia ny horohoron-tany iray mirefy 6,9 eo amin’ny mari-drefy Richter. Trano an’arivony no simba na rava. Tresaka ny fototry ny trano maro, izay nahatonga azy ireo namoahana fanambarana ho trano mampidi-doza.

  • Inona no mety ho olana anananareo raha mipetraka ao anatin’ny trano iray malemy fototra ianareo ?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 dia mirakitra ny fanambarana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mikasika ny fomba hanorenana ny Fiangonany eo amin’ny fototra azo antoka. Any am-piandohan’io fanambarana io dia miresaka ireo zavatra nosoratan’i Oliver Cowdery ny Tompo, izany hoe ny tenin’ny Bokin’i Môrmôna izay noraketin’i Oliver tamin’izy niasa tamin’ny naha-mpitantsoratry ny Mpaminany Joseph Smith azy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–4. Angataho ny mpianatra rehetra hitady ireo zavatra voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay hanampy amin’ny fanorenana an’ilay Fiangonana.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanorenana ilay Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:5. Angataho ny mpianatra rehetra hamantatra ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy raha toa isika ka manangana ny Fiangonany eo amin’ny fanorenan’ny filazantsarany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 5, dia eo amin’ny inona no iorenan’ny Fiangonana marina? Tokony hahitana taratra an’ity fotopampianarana manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Ny Fiangonana marina dia miorina eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.)

  • Inona no ampanantenain’ny Tompo antsika rehefa manangana ny Fiangonany eo amin’ny fanorenan’ny filazantsarany isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:6–16

Miantso an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ny Tompo mba hitory fibebahana

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba hamaritan’ny Tompo ny tontolo izay iainantsika. Rehefa avy nilaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:9 mba hamantatra ny zavatra nandidian’ny Tompo ho setrin’ny faharatsiana mitombo eto amin’izao tontolo izao.

  • Inona no nasetrin’ny Tompo ny faharatsiana mitombo eto amin’izao tontolo izao? (Niantso mpanompo hitory fibebahana Izy.)

Lazao amin’ny mpianatra fa niantso an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ny Tompo mba hitory fibebahana, tahaka ny niantsoany an’i Paoly, ilay Apôstôly fahiny mba hanao izany. Raha toa ka tsy nantsoina ho mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Oliver sy i David dia hanana anjara asa hanangana io kôlejy io izy ireo amin’ny andro farany. Hazavao fa hianatra bebe kokoa mikasika ny anjara asan’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ny mpianatra ao amin’ny lesona manaraka.

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fandalinana ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny hasarobidin’ny olona dia mampisehoa zavatra vitsivitsy izay heverinao fa manan-danja amin’ireo mpianatrao. Anontanio izy ireo hoe ohatrinona no mety hividianany ny zavatra tsirairay. Hazavao fa fomba iray hamaritana ny hasarobidin’ny zavatra iray ny fahafantarana ny sarany hananan’ny olona fahavononana hividianana izany. Mety hisy hilaza fa ny zavatra iray dia mendrika ny hovidiana amin’ny vidiny izay voafaritra, saingy rehefa vonona ny handoa io vola io mba hividianana ilay zavatra ihany ny olona iray hafa vao tena mety io vidiny io.

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10. Asao ny mpianatra hampiasa io andininy io mba hanazavana ny hasarobidin’izy ireo eo imason’ Andriamanitra. Mety hanolotra fitsipika samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no sarobidy tokoa amin’ Andriamanitra toy izany ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Raisin’ Andriamanitra tsy amin’ ny maha-olona izay mety miaina ao anatin’ ny planeta kely mandritra ny fotoana fohy fotsiny ianareo—fa raisiny amin’ ny maha-Zanany anareo. Raisiny ho toy ilay olona izay vitanareo ny hiafara tahaka izany ary efa nomanina mba hiafaranareo rahatrizay. Tiany ho fantatrareo fa manan-danja Aminy ianareo” (“Manan-danja Aminy ianao,” Liahona, nôv. 2011, 22).

Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra ilay asa natao izay nanehoanao fa miankina amin’izay hananan’ny olona iray fahavononana hividianana azy ny hasarobidin’ny zavatra iray. Asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ny sarany izay nananan’ny Mpamonjy fahavononana mba haloa ho antsika.

  • Inona no sarany naloan’ny Mpamonjy ho an’ny fanahintsika ? (Azonao atao ny mampahatsiahy an’ireo mpianatra fa ilay andian-teny hoe “olon-drehetra” ao anatin’ireo andininy ireo dia entina ilazana ny olona rehetra.)

  • Amin’ny fomba ahoana no azontsika hanehoana fankasitrahana noho ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika ? (Na dia marina aza ireo valinteny samihafa dia antitrantero fa iray amin’ireo fomba tsara indrindra azontsika hanehoana ny fankasitrahantsika ny fibebahana.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny ambara manaraka ity: Lehibe tokoa ny hasarobidiko ka dia nijaly sy maty i Jesoa Kristy mba hahafahako mibebaka.

Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra mba hanoratra io fitsipika io ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

  • Amin’ny fomba ahoana no hiantraikan’io fahamarinana io amin’ny fahitanao ny tenanao ?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hiantraikan’io fahamarinana io amin’ny fomba hitondranao ny olona hafa ?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Tompo sy ny fahavononany ho faty ho antsika tsirairay avy.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mahatsapa fifaliana lehibe ny Tompo rehefa mibebaka isika?

  • Raha mino ny olona fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra, dia mety hitarika azy ireo hanao inona ny finoan’izy ireo? (Mety ahitana izao manaraka izao ireo valinteny: manaja ny hafa na manompo ny hafa na miomana hanao asa fitoriana.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14 mba hamantatra ny zavatra nasain’ny Tompo ho ataon’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer.

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “hitory fibebahana”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa an’io andian-teny io dia vakio ity teny nambara manaraka izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Ny hoe miantso ny olona hibebaka dia midika fotsiny hoe manampy ny olona hiverina amin’ Andriamanitra” (“Preparing for Your Spiritual Destiny” [Lahateny natao tamin’ny fampaherezam-panahy an’ny DFF, 10 jan. 2010], 7, speeches.byu.edu).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hibebaka ?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 ka tadiavo hoe inona no iainan’ny olona tsirairay rehefa manampy olona hanatona an’i Jesoa Kristy izy.

  • Inona ireo fitahiana homena ireo izay manampy ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Raha manampy ny hafa hibebaka sy hanatona ny Tompo isika dia hiara-paly amin’izy ireo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hahatsapa fifaliana ianao raha toa ka mitondra ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy ?

Asao ny mpianatra mba hizara traikefa iray izay nahatsapan’izy ireo na ny olona fantatr’izy ireo fifaliana satria nanampy olona hanakaiky bebe kokoa ny Tompo izy ireo. Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao manokana.

Asao ny mpianatra hanoratra zavatra iray izay azon’izy ireo atao mba hanampiana amin’ny asa famonjena fanahy. Angataho izy ireo hieritreritra olona manokana azon’izy ireo ampiana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:5. “Ny vatolampiko”

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:5 dia milaza fa ny Fiangonan’ny Tompo dia tokony hatsangana “eo amin’ ny fanorenan’ ny filazantsarako sy ny vatolampiko.” Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mamaritra ny vatolampy ho “enti-maneho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay fototra sy andry mafy orina (F&F 11:24; 33:12–13). Ny vatolampydia mety koa maneho fanambarana izay entin’ Andriamanitra mampahafantatra ny filazantsarany amin’ny olona (Mat. 16:15–18Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Vatolampy,” scriptures.lds.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10. “Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra”

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Olona manan-kaja ho an’ny Raintsika any An-danitra daholo ny olona rehetra mihaona amintsika. Rehefa takatsika izany dia afaka manomboka mahatakatra ny fomba tokony handraisantsika ny namantsika isika.

“Nisy vehivavy iray izay nianjadian’ny fitsapana sy ny fahoriana tao anatin’ny taona maro nilaza tamin-dranomaso hoe: ‘Lasa nahatsapa aho fa toy ny vola taratasy 20 dôlara efa tranainy—miforiporitra, misy rovitra, maloto, nampiasaina be ary misy diany. Saingy mbola ilay vola 20 dôlara ihany aho. Misy ilana ahy. Na dia tsy dia mitovy amin’ilay mbola vaovao intsony aza aho ary na dia voakasokasoka sy nampiasaina be loatra, dia mbola manana ny sandan’ny 20 dôlara tanteraka’” (“Ianareo no tanako,” Ensign na Liahona, mey 2010, 69).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16.. “Raha toa aza ka miasa … ianareo”

Ity tantara manaraka ity dia maneho ny ezaka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson mba hitondra fanahy any amin’ny Mpamonjy:

Filoha Thomas S. Monson

“Maro sy amin’ny endriny maro samihafa ireo andraikitro tamin’ny naha-eveka ahy ary niezaka araka izay vitako aho hanao izay zava-drehetra notakina tamiko. Tafiditra tamin’ny ady iray … i Etazonia tamin’izany. Koa satria maro tamin’ireo mpikambana tato amintsika no nanompo ho miaramila tao amin’ny tafika, dia nomen’ny birao foiben’ny Fiangonana andraikitra ireo eveka rehetra mba hanome ireo miaramila tsirairay ireo famandrihana tamin’ny Church News sy ny Improvement Era, ireo gazetibokin’ny Fiangonana tamin’izany andro izany. Ho fanampin’izany, dia nangatahina ny eveka tsirairay mba hanoratra taratasy manokana isam-bolana ho an’ny miaramila tsirairay izay avy ao amin’ny paroasiny. Nanana lehilahy 23 nanompo ho miaramila ny paroasinay. Ny kôlejin’ny fisoronana dia nanao ezaka tamin’ny fanampiana ny vola hanaovana ny famandrihana ireo gazetiboky ireo. Noraisiko ilay asa, eny ilay adidy, hanoratra taratasy miisa 23 isam-bolana. Tao aorian’izay taona maro izay dia mbola manana ny tahadikan’ny maro tamin’ireo taratasy nosoratako ireo aho sy ny valiny izay voaraiko. Mirotsaka ny ranomasoko rehefa mamerina mamaky ireo taratasy ireo aho. Fifaliana tokoa ny mamerina mijery indray ny fanolorantenan’ny miaramila iray hiaina ny filazantsara, na ny fanapahan-kevitry ny tantsambo iray hihazona ny finoany miaraka amin’ireo fianakaviany.

“Indray hariva dia natolotro ny rahavavy iray tao amin’ny paroasy ireo amboaran-taratasy miisa 23 ho an’io volana io aho. Ny andraikiny dia ny mandefa ireo taratasy ireo ary mihazona ny lisitr’ireo adiresy izay niovaova foana. Nanopy maso tamin’ny valopy iray izy ary tamim-pitsikiana no nanontaniany ahy hoe: ‘Eveka a! Tsy mety kivy mihitsy ve ianao? Misy taratasy ho an-drahalahy Bryson indray ity. Ity no taratasy faha-17 nalefanao ho azy kanefa izy tsy mbola nandraisana valiny mihitsy.’

“Namaly aho hoe : ‘Angamba mety hamaly izy amin’ity volana ity.’ Tena izay tokoa no nitranga tamin’io volana io. Vao sambany tamin’izay no namaliany ny taratasiko. Tena fahatsiarovana mamy, zava-tsarobidy ny valin-taratasy avy taminy. Nanompo tany amin’ny toerana lavitra izy, nitoka-monina, manina te-hody ary nanirery. Nanoratra izy hoe: ‘Ry eveka malala, tsy dia tia manoratra taratasy aho.’ (Afaka nilaza izany taminy koa aho raha volana maromaro tany aloha.) Toy izao no tohin’ny taratasiny: ‘Misaotra noho ireo Church News sy ireo gazetiboky, fa ambonin’izany dia misaotra anao aho noho ireo taratasy nosoratanao ho ahy manokana. Nandray fanapahan-kevitra lehibe teo amin’ny fiainako aho. Notendrena ho mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna aho. Tretrika ny foko. Faly tokoa aho.’

“Tsy faly mihoatra noho izay tsapan’ny evekany rahalahy Bryson. Nianarako tamin’ izay ny fampiharana ilay fomba fiteny izay manao hoe: “Ataovy ny anjaranao, izay no tsara indrindra. Ankino amin’ ny Tompo ny ambiny.” (Henry Wadsworth Longfellow, “The Legend Beautiful,” ao amin’ny The Complete Poetical Works of Longfellow [1893], 258).

“Taona maro taty aoriana, raha nanatrika ny Tsatòkan’i Cottonwood Salt Lake aho, izay nanompoan’i James E. Faust ho filoha, dia nizara izany tantara izany aho mba hoentina hamporisihana ny olona tsy hanadino ireo miaramilantsika izay manompo. Taorian’io fivoriana io dia nisy lehilahy ranjanana iray nanatona ahy. Noraisiny ho ao an-tanany ny tanako sady niteny izy hoe : ‘Eveka Monson, tadidinao ve aho ?’

“Tadidiko tampoka hoe iza izy. ‘Rahalahy Bryson!’ Hoy aho nihiaka. ‘Manao ahoana ianao? Inona no antsonao ao amin’ny Fiangonana?’

“Tamin’ny valinteny feno fifaliana no nilazany hoe: ‘Salama aho. Manompo ao amin’ny fiadidian’ny Kôlejin’ny loholona aho. Mamerina ny fisaorako anao hatrany aho noho ny fiahianao ahy sy tamin’ireo taratasy nosoratanao ho ahy izay sarobidy tamiko tokoa.’

“Ry rahalahy, mila ny fanampianareo izao tontolo izao” (“Manam-piniavana sy mendrika ny hanompo,” Liahona, mey 2012, 68–69).

Filoha Thomas S. Monson

“Tamin’izaho eveka dia tsikaritro indray Alahady maraina fa tsy tonga nanatrika ny fivorian’ny fisoronana ny iray tamin’ireo mpisorona tao amin’ny paroasinay. Napetrako teo am-pelatanan’ny mpanoro-hevitra ny kôlejy ary nandeha tany an-tranon’i Richard aho. Nilaza tamiko ny reniny fa niasa tany amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara tao West Temple izy.

“Nandeha fiara tany amin’ilay toeram-piantsonan’ny fiara aho nitady an’i Richard ary nitady hatraiza hatraiza fa tsy nahita azy. Tampoka teo, dia nisy nanosika ahy hiondrika hijery tao amin’ilay toerana fanamboarana ny fanambanin’ny fiara izay efa ela niasana tokoa izay manakaiky ilay trano. Nahita maso roa nibaliaka aho avy tao anatin’ny haizina. Henoko i Richard niteny hoe: “Hitanao aho ry Eveka! Hiakatra aho.” Taorian’izay dia ankavitsiana ny fotoana tsy nanatrehany ny fivorian’ny fisoronana.

“Nifindra tao amin’ny tsatòka teo akaiky teo ilay fianakaviana. Nandeha teny ny fotoana dia naharay antso an-telefaonina aho, izay nilaza tamiko fa nantsoina hanao asa fitoriana tany Mexique i Richard ka nanasa ahy ilay fianakaviana mba handray fitenenana nandritra ny fivoriana nanaovany fijoroana ho vavolombelona ho fanaovam-belona. Nandritra ilay fivoriana, rehefa namaly i Richard, dia nilaza izy fa ilay fotoana nandraisany fanapahan-kevitra hanatanteraka asa fitoriana dia tonga indray Alahady maraina—tsy tao am-piangonana, fa tamin’ny fotoana nitazanany ambony avy ao anatin’ny lavaka maizina iray ka nahitany ny tanan’ilay filohan’ny kôlejiny izay nitsotra nisintona azy.

“Tao anatin’ireo taona maro nifandimby dia nifandray tamiko foana i Richard, nitantara mikasika ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fianakaviany ary ny asa fanompoana tamim-pahatokiana nataony tato am-piangonana, tao anatin’izany ny antsony tamin’ny naha-eveka azy” (“They Will Come,” Ensign, mey 1997, 46).