Lesona 137
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–21
Fampidirana
Ity lesona ity dia ahitana ireo fotopampianarana nampianarin’i Joseph Smith nandritra ny fivorian’ny Fiangonana tao Ramus, Illinois, tamin’ny 2 aprily 1843. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 ireo fampianarana ireo. Ny Mpaminany da nampianatra momba ireo tranga ho avy, ka anisan’izany ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nampianariny ihany koa ny momba ny fahafahantsika mitazona ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina rehefa maty isika ka nazavainy ny fomba ahafahantsika mandray ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–17
Mampianatra mikasika ny Fiaviana Fanindroany i Joseph Smith
Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ity fehezan-teny manaraka ity: Maro ireo izay nanontany tena momba ny daty marin’ny Fiaviana Fanindroany.
-
Efa naniry ny hahafantatra ve ianao hoe rahoviana marina no hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?
Hazavao fa tamin’ny andron’i Joseph Smith dia nisy mpitory teny Kristianina malaza nantsoina hoe William Miller izay nilaza fa hitranga ny 3 aprily 1843 ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Iray andro alohan’ilay daty nolazain’i Miller ho Fiaviana Fanindroany dia niresaka tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith ka nilaza fa nivavaka izy mba hahalalana ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:14–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny zavatra nianaran’i Joseph Smith rehefa nivavaka momba ny fotoan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy.
-
Moa ve nambaran’ny Tompo an’i Joseph Smith ny daty marin’ny Fiaviana Fanindroany?
-
Inona no zavatra nasain’ny Tompo hataon’i Joseph Smith? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ilay andian-teny hoe “aza manelingelina Ahy intsony momba izany raharaha izany” amin’ny soratra masiny .
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Nantsoina ho iray amin’ireo Apôstôly aho mba ho vavolombelona manokan’i Kristy, … ary tsy fantatro hoe rahoviana no hiaviany indray. Raha ny fahalalako hatreto dia tsy misy mahafantatra na iza na izao ao amin’ireo rahalahiko ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo na ny ao amin’ny Fiadidiany Voalohany aza. Ary amim-panetrentena no hilazako fa raha tsy mahafantatra izahay dia tsy misy mahafantatra izany. … Hoy ny Mpamonjy: ‘Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala; tsia, na dia ny anjelin’ Andriamanitra any an-danitra aza, afa-tsy ny Raiko ihany’ [Joseph Smith—Matio 1:40].
“Mino aho fa rehefa niteny ny Tompo hoe ‘tsy misy’ mahalala, dia tena nilaza Izy fa tsy misy mahalala” (“When Shall These Things Be?” Ensign, des. 1996, 56).
-
Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:14–17 sy ny fanambarana nataon’ny Loholona Ballard? (Mety hahita karazana fahamarinana maro ireo mpianatra kanefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Andriamanitra irery no mahalala ny fotoana marina hitrangan’ny Fiaviana Fanindroany.)
Mariho fa amin’izao androntsika izao dia miezaka ny maminavina ny fotoana marin’ny Fiaviana Fanindroany na ny fiafaran’izao tontolo izao ny olona sasany.
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io fitsipika io manampy anao tsy ho voafitaky ny filazan-diso?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–19
Nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana sy ny faharanitan-tsaina eo amin’ity fiainana ity i Joseph Smith
Raha azo atao dia manehoa valizy na kitapo. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe handao ny tokantrano izy ireo ka handeha any amin’ny toerana izay tsy mbola nandehanany mihitsy taloha. Izay zavatra azo atsofoka ao amin’ilay valizy (na kitapo) ihany no avela entiny.
-
Inona no ho entinao ao amin’ilay valizy? (Asao ny mpianatra iray hanoratra ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe.)
Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe ny tontolon’ny fanahy no toerana andehanany izay hidirantsika rehefa maty isika.
-
Inona amin’ireo zavatra eny amin’ny solaitrabe ireo no ho azonao entina manaraka anao rehefa maty ianao?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18–19. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny zavatra avy eto an-tany izay azontsika entina manaraka antsika rehefa maty isika.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 18–19, dia inona no hiaraka amintsika rehefa maty isika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina izay azontsika eto amin’izao fiainana izao dia hiara-hitsangana amintsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ireo teny hoe fahalalana sy faharanitan-tsaina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Raha misaintsaina fotsiny ny zavatra izay hiara-hitsangana amintsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika dia toa hita miharihary fa hiara-hitsangana amintsika ny faharanitan-tsaintsika, izay midika hoe tsy ny fahatakarantsika zavatra fotsiny fa ny fahafahantsika mandray sy mampihatra ny fahamarinana ihany koa. Hiara-hitsangana amintsika ny talentantsika sy ny toetrantsika ary ny fahaiza-manaontsika; ary azo antoka koa ny fahaizantsika mianatra sy ny haavon’ny fifehezantsika tena ary ny fahaizantsika miasa” (We Will Prove Them Herewith [1982], 12).
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Maxwell, inona no dikan’ilay teny hoe faharanitan-tsaina ao amin’ny andininy 18–19?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 19, dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa? (Azonao atao ny manamarika fa ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina sasany dia tsy azo raha tsy “noho ny fahazotoana sy fankatoavana.”)
-
Oviana ianao no nahazo fahalalana na faharanitan-tsaina noho ny fahazotoanao sy ny fankatoavanao? (Azonao atao koa ny mizara traikefa toy izany, raha tianao.)
Hazavao fa araka ny voalazan’ny andininy 19, ireo izay mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa amin’izao fiainana izao dia hanana tombony mifanentana amin’izany any amin’ny tontolo ho avy.
-
Ahoana araka ny hevitrao no afaka manome tombony antsika any amin’ny tontolo ho avy ny fahazoana fahalalana sy faharanitan-tsaina eo amin’izao fiainana izao?
Hazavao fa ny zavatra ianarantsika eto amin’izao fiainana izao, eo amin’ny ara-batana sy ara-panahy, dia hanampy antsika hamakivaky ny mandrakizay. Ho afaka ny hampiorina ny fiainantsika eo amin’ny fahalalana izay azontsika eto amin’ity fiainana ity isika mba hitovy bebe kokoa amin’ny Ray any An-danitra.
Mba hanampiana ireo mpianatra hanohy hahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina dia amporisiho izy ireo mba hanohy handray anjara ao amin’ny seminera amin’izao fotoana izao ary hanao drafitra hanatrika ny institiota aorian’ny fahazoan’izy ireo mari-pahaizana noho ny fahavitan’ny fianarana tao amin’ny seminera. Asao ireo mpianatra mba hanoratra tanjona iray izay afaka manampy azy ireo hahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21
Manazava ny fomba hahazoantsika fitahiana i Joseph Smith
Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe te-hampivoatra ny sora-tanany izy ireo, koa dia manapa-kevitra ny hihazakazaka dimy kilaometatra isan’andro, mandritra ny dimy andro isan-kerinandro, mandritra ny iray volana.
-
Inona no ho vokatr’izany? Nahoana?
-
Inona no hataonao mba hanatsarana ny sora-tananao?
Mariho fa tahaka ny ilaintsika ny fahatakarana ny fomba hahazoana ireo vokatra iriantsika no ilaintsika mahatakatra ny fomba hahazoana ireo fitahiana izay irian’ny Ray any An-danitra homena antsika.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21 Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny fomba ahafahantsika mahazo ireo fitahiana izay irian’ny Ray any An-danitra homena antsika .
-
Araka ny voalazan’ny andininy 20–21, dia ahoana no fomba ahazoantsika ny fitahiana iray avy amin’ Andriamanitra?
Asao ireo mpianatra mba hanoratra fitsipika “raha–dia” izay mifototra amin’ny andininy 20–21. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hamaky mafy ny fanambarany. Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha te hahazo fitahiana iray avy amin’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy mankatò ny lalàna izay ifotorany.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa an’io fahamarinana io dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity (azonao atao ny mandika izany mialoha ny fotoam-pianarana). Asao ny mpianatra handika ilay tabilao ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay andinin-tsoratra masina voalohany izay voasoratra. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny lalàna iray sy ny fitahiana izay mifanentana amin’izany. Rehefa manao tatitra ny valinteniny izy ireo dia fenoy ireo banga mifanentana amin’izany eo amin’ilay tabilao. Asao ireo mpianatra mba hameno ny tabilaony.
Raha te hahazo fitahiana iray avy amin’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy mankatò ny lalàna izay ifotorany.
Andinin-tsoratra masina |
Lalàna |
Tsodrano |
---|---|---|
Rehefa avy nahavita io asa nampanaovina io ireo mpianatra dia asao izy ireo hieritreritra ireo fitahiana izay noraisiny noho ny fankatoavany ny lalàna iray. Asao izy ireo mba hizara ny zavatra niainany.
Asao ireo mpianatra hanoratra ireo fitahiana izay tiany ho azo. Avy eo dia asao izy ireo hanoratra ny lalàna na ireo lalàna izay ilaina hankatoaviny mba hahazoana ireo fitahiana ireo.
Hamafiso fa ny lalàna sy ny fitahiana sasany dia miendrika manokana fa ny hafa kosa dia miendrika ankapobeny kokoa. Hamafiso ihany koa fa mety ho tonga amin’ny fiainana ho avy ny sasantsasany amin’ireo fitahiana nampanantenaina.
Ho famaranana ny lesona androany dia asao ireo mpianatra hamerina hijery ny sasany amin’ireo fahamarinana izay nianarany avy amin’ireo fampianaran’i Joseph Smith izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 anao hankasitraka an’i Joseph Smith?
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Brigham Young momba ny fahaizan’i Joseph Smith manazava ireo zavatr’ Andriamanitra ity.
“Ny zavatra tena mampiavaka tanteraka ny toetran’ny Rahalahy Joseph Smith dia ny hoe afaka manazava ireo zavatry ny lanitra izy mba ho takatry ny olona mety maty. Rehefa nitory teny tamin’ny olona izy—nanambara ireo zavatr’ Andriamanitra, ny sitrapon’ Andriamanitra, ny drafitry ny famonjena, ireo tanjon’i Jehovah, ny fifandraisantsika aminy sy amin’ireo olon’ny lanitra rehetra dia nanazava ny fampianarany araka ny fahazoan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay izy ka nahatonga izany ho mazava tsara tahaka ny lala-masaka. Izany dia tokony handresy lahatra ny olona tsirairay izay nandre azy ny amin’ny fahefana sy hery avy any an-danitra nananany, satria tsy nisy olona hafa afaka nampianatra tahaka ny nataony, ary tsy misy olona afaka nanambara ireo zavatr’ Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ireo fanambaran’i Jesoa Kristy” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 347).
Farano izany amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny antson’i Joseph Smith ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Asao ireo mpianatra hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianarany rehefa nandalina ireo fampianaran’ny Mpaminany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 izy ireo.