Seminera
Lesona 75—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–23: Ny Lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena


“Lesona 75—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–23: Ny Lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–23,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 75: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–23

Ny Lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena

vehivavy mandalina ny soratra masina

Tamin’ny fahavaratry ny taona 1831, dia niverina avy any Missouri ny Mpaminany Joseph Smith ary nahafantatra fa ny sasany tamin’ireo Olomasina tao Kirtland dia nanao fahotana goavana, anisan’izany ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63, ny Tompo dia nampitandrina ny Olomasina momba ny halehiben’ny fahotan’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana manokana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena nomen’ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny maha-zava-dehibe ny hatsaran-toetra

i Jesoa mitsiky

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, dia hevero ny hampiseho sary mampiseho ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valinteny omen’izy ireo an’ilay fanontaniana voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hanazava ny zavatra nosoratany sy hizara ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana faharoa.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo toetra tian’ny Mpamonjy hananantsika?

    Ampidiro eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe manana hatsaran-toetra raha toa ka mbola tsy eo izany. Hazavao fa ny zavatra fonosin’ny fananana hatsaran-toetra dia ahitana ny fananana fahamendrehana ara-pitondrantena, ny fahadiovana ara-pitondrantena ary ny fananana hery sy tanjaka ara-panahy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hatsaran-toetra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena manan-danja ny hananantsika hatsaran-toetra?

  • Nahoana ny didin’ny Mpamonjy mba hanana hatsaran-toetra no iharan’ny fanafihana amin’izao androntsika izao?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny fananana hatsaran-toetra sy ny fahadiovana ara-pitondrantena ho azy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mieritreritra ireo fanontaniana ananany na ireo sakana izay atrehany manokana mifandray amin’io didy io. Amporisiho ny mpianatra mba hifantoka amin’ireo bitsika ara-panahy izay afaka manampy azy ireo hahatsapa faniriana lehibe kokoa hiaina fiainana madio sy mendrika.

Manameloka ny fahotana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo ny Mpamonjy

Ity fampahalalana ara-tsahan-kevitra ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiomana handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63.

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63, ny Mpamonjy dia niresaka momba ny fitondran-tena feno fahotana nataon’ny sasany tamin’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Nampitandrina ny amin’ny halehiben’ireo fahotana ireo Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–6) ary nizara fahamarinana momba ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana ara-pitondrantena.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–16 mba hitadiavana ireo fanasana sy fampitandremana nataon’ny Tompo.

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ireo teny na andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andininy ireo. Ohatra, mety hanampy ny manazava fa ny “fanitsakitsaham-bady” dia entina ilazana ny firaisana ara-nofo ataon’ny olona iray manambady sy ny olona iray hafa ankoatra ny vadiny. Ny hoe “mitsiriritra” olona iray dia midika hoe mijery olona iray amin’ny fomba izay mamoha ny filan’ny nofo. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena pôrnôgrafia. “Ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena dia milaza fa Andriamanitra dia tsy manome fankatoavana ny hanaovana firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray vita fanambadiana ihany” (Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 23).

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny fiantraikan’ny fahotana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo eo amintsika?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny teniny ao amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray izay mety tsara hohamafisina mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity ny hoe manameloka ny fitsiriritana sy ny endrika hafa rehetra amin’ny fahotana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo ny Mpamonjy.

Mampitombo ny fahatakarana mikasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny didin’ny Mpamonjy mba hadio ara-nofo dia antsoina matetika hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana io lalàna io.

Asao ny iray kilasy hieritreritra fanontaniana vitsivitsy izay mety hananan’ny zatovo mikasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena nomen’ny Tompo. Mety ho mora kokoa amin’ny mpianatra ny mametraka fanontaniana tsy mitonona anarana amin’ny alalan’ny fanoratana ny fanontanian’izy ireo. Misafidiana fanontaniana vitsivitsy mifanentana amin’izany ary tanisao eny amin’ny solaitrabe izany.

Mba hanampiana anao hiomana hamaly ireo fanontaniana anananao na ny hafa mikasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo dia halalino ireto fizarana manaraka ireto ao amin’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022): “Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra” (pejy 16–21) sy ny “Masina ny vatanao” (pejy 22–29).

Afaka miara-miasa amina namana iray na ao anatina vondrona kely ny mpianatra mba hitady ny valin’ireo fanontaniana izay nofidiny hifantohana. Ankoatra ny fandalinana ireo fizarana ao amin’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), dia azo asaina hikaroka loharanom-pitaovana hafa ao amin’ny filazantsara ihany koa ireo mpianatra.

Loharanom-pitaovana fanampiny maromaro azonao zaraina amin’ny mpianatra no hita ao amin’ny “Sahanasa fianarana fanampiny” any amin’ny faran’ny lesona.

Rehefa ampy tsara ny fotoana nomena ny mpianatra, dia asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany rehefa nandalina izy ireo. Manasà mpianatra maromaro mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Ny fanontaniana toy izao manaraka izao dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny fifanakalozan-kevitra.

  • Inona no hitanao ka nampitombo ny fahatakaranao mikasika ny antony andidiana antsika hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Rehefa avy nampitandrina ny Olomasina momba ny maha-zava-dehibe ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny Mpamonjy, dia namporisika azy ireo ny Mpamonjy mba hitandrina ny didiny, ary nampanantena fitahiana noho ny fankatoavana Izy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:19–20, 23 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy.

  • Inona avy ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay mitandrina ny didiny?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fitahiana ireo mitaona antsika hiaina fiainana feno fahamendrehana?

Mety hisy mpianatra vitsivitsy efa nanao fahotana mifandray amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ampahatsiahivo ny iray kilasy fa rehefa miezaka amin-kitsim-po ny hibebaka amin’ny fahotantsika isika dia tanterahin’ny Mpamonjy ny famelan-keloka tanteraka sy ny fanasitranana tanteraka. Mba hanampiana ny olona izay matahotra fa efa nanao fahadisoana, dia azonao atao ny manantitrantitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43.

Tadidio ny zavatra nianaranao

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy tsapany nandritra ny fianarany androany. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana azy ireo hanoratra ny valinteniny amin’ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona avy ireo fihetseham-po na fahatsapana nanananao rehefa avy nandalina ianao androany?

  • Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fiantraikan’izany safidy izany eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao na tokony hovainao?

Farano ny lesona amin’ny fampahatsiahivana ireo mpianatra ny fampanantenan’ny Mpamonjy hoe hitahy ireo rehetra izay miezaka amim-pahatokiana hankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena nomen’ny Tompo.