“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66
Topimaso ankapobeny
Niverina tany Ohio niainga avy any Missouri i Joseph Smith sy ireo loholona hafa. Nisy tsy fitovian-kevitra teo amin’ny loholona sasany nandritra ilay dia, nefa nampihavana ny fihetseham-pon’izy ireo izay nifono fifandirana ny ankamaroany. Raha niomana ny hifindra tany Hiram, Ohio, ary nanampy ny hafa hiomana handeha ho any Missouri i Joseph Smith, dia nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64. Ny Tompo ao amin’ny fanambarana dia nandidy ny mpikamban’ny Fiangonana mba hifamela heloka ary nampianatra azy ireo momba ireo fahafoizan-tena takiny. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65, dia nambarany fa handeha hiparitaka manerana ny firenen-drehetra ny filazantsara ho fanomanana ny Fiaviana Fanindroany ary tokony hivavaka ny Olomasina mba handroso ny fanjakan’ Andriamanitra.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–17
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ho lasa mpamela heloka kokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina olona iray teo amin’ny fiainany izay mety hila ny famelany.
-
Horonan-tsary: “Sambatra sy mandrakizay” (13:09; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 9:47 hatramin’ny 10:39)
-
Sary haseho: Ny Mpamonjy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hanome ny fony sy ny sainy marisika ho an’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Mialoha ity lesona ity dia omeo ny mpianatra ilay andian-teny hoe “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34). Asao izy ireo hieritreritra ny dikan’io andian-teny io, na ny fomba ahafahantsika manome ny fontsika sy ny saintsika marisika ho an’ny Tompo.
-
Amporisiho ny fiomanana amin’ny traikefa amin’ny fianarana: Ny hevitra ho an’ny fanomanana ny mpianatra teo aloha dia ohatra iray amin’ny fomba hamporisihana ny fiomanana amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Raha mila fanazaran-tena bebe kokoa momba izany, dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mamoròna fanasana izay hanampy ny mpianatra hiomana amin’ny amin’ny traikefa amin’ny fianarana manaraka” hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana.
-
Sary haseho: Ny toeram-pambolena sy fiompian’i Isaac Morley; fo sy saina izay mora voasarika
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny Fiangonana amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitady ny porofon’ny firoboroboan’ny Fiangonana. Afaka mifanakalo hevitra amin’ny ray na reny na ny mpikambana iray ao amin’ny paroasiny izy ireo mikasika ny fomba nahitany ny fielezan’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao. newsroom.ChurchofJesusChrist.org
-
Horonan-tsary: “Fanantenana ho an’i Isiraely” (1:01:34; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 51:42 ka hatramin’ny 52:04)