“Lesona 78—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43: -Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Rehefa nikatsaka ny hanorina an’i Ziona ireo Olomasina tany am-boalohany dia nangataka azy ireo i Jesoa Kristy mba hanao sorona sy hitondra anjara biriky amin’ny fomba samihafa. Ao anatin’ny ezaka mitohy ataontsika amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, dia mangataka Izy mba hanomezantsika Azy ny fontsika sy ny saintsika marisika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hanome ny fony sy ny sainy marisika ho an’ny Tompo.
Sahanasa fianarana azo atao
Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fangatahana ireo mpianatra hieritreritra ireo fananana manokana izay heverin’izy ireo ho sarobidy. Hevero ny hanome azy ireo fanontaniana izay afaka manamora ny fizarana amin’ny kilasy na ao anaty vondrona kely. Ohatra:
Ny toeram-pambolena sy fiompian’i Isaac Morley
Azonao atao ny mampiseho ilay sary tany am-piandohan’ity lesona ity ary manasa mpianatra iray hamaky mafy ity fampahalalana manaraka ity.
Niasa mafy i Isaac sy i Lucy Morley mba hanorenana toeram-pambolena sy fiompiana iray mirefy 32 hektara mahery teo akaikin’i Kirtland, Ohio. Teo anatrehan’ireo zavatra ninoan’izy ireo ara-pivavahana, dia nanasa olona izy ireo mba hipetraka tao amin’ny taniny, hizara ny fananany amin’izy ireo, ary hifampizara ny zava-drehetra. Rehefa nijanona tao Kirtland ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany dia nitory ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ireo izay nipetraka tao amin’ny toeram-pambolena fiompian-dry Morley izy ireo. Anisan’ireo niova fo i Isaac sy i Lucy Morley. Fotoana fohy taorian’ny batisan’izy ireo dia nandray an’i Joseph sy i Emma Smith mba hipetraka tao amin’ny toeram-pamboleny sy fiompiany ry Morley. (Jereo ny Susan Easton Black, Who’s Who in the Doctrine and Covenants [1997], 198.)
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20 , ary tadiavo ny torolalan’ny Tompo ho an’i Isaac Morley.
Inona araka ny eritreritrao no mety ho navalinao raha toa ianao ka teo amin’ny toe-javatra nisy an’i Isaac? Nahoana?
Nahoana no mety hanampy anao hankatò ny fahafantarana fa avy amin’ny Mpamonjy ilay fangatahana?
Hazavao fa efa nasaina nivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany i Isaac teo aloha ary nanda. Saingy rehefa nahazo ity fanambarana ity i Isaac dia nivarotra tamim-pankatoavana ny toeram-pamboleny sy fiompiany, nanome ny vola ho an’ny Fiangonana ary nifindra tany Missouri ny fianakaviany mba hanampy tamin’ny fananganana an’i Ziona. Azonao atao ihany koa ny manamarika fa nisy lehilahy hafa nolazaina tao amin’ity fanambarana ity mba tsy hivarotra ny fananany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:21, 26 ). Ireo lehilahy ireo dia nanokana ny fananany ho an’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fampiasana azy ireo mba hanohanana ny Fiangonana sy ny Olomasina tao Kirtland. Mety ho fotoana tsara izany mba hampahatsiahivana ny mpianatra ny fahamarinana nianarany momba ny Mpamonjy sy ny lalàn’ny fanokanana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–39 .
Mitaky ny fontsika sy ny saintsika marisika ny Tompo
Hazavao fa na dia mety tsy mitaky antsika hivarotra ny fananantsika aza ny Tompo dia misy zavatra angatahiny amintsika rehefa miezaka ny hanaraka Azy isika.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:22, 34 . Tadiavo ireo zavatra takin’ny Tompo amintsika.
Ampio ny mpianatra hamantatra fa ny Tompo dia mitaky antsika mba hanome Azy ny fontsika sy ny saintsika marisika .
Mieritrereta fomba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe manome ny fontsika sy ny saintsika marisika ho an’ny Tompo. Fomba iray hanaovana izany ny manasa ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa nasaina izy ireo mba hanoratra lesona iray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 . Afaka mandalina samirery na ao anaty vondrona kely ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra, avy eo manoratra fanazavana momba ny dikan’ny hoe manome ny fontsika sy ny saintsika marisika ho an’ny Tompo. Avelao izy ireo hizara sy hifanakalo hevitra momba ny zavatra nosoratany.
Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mba hahafantarana ny fomba ahafahan’izy ireo manome manokana ny fony sy ny sainy marisika ho an’ny Tompo.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary mitadiava hevi-baovao izay afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe manome ny fontsika sy ny saintsika marisika ho an’ny Tompo. Azonao atao ny manoratra fanazavana ao amin’ny diary fandalinanao.
Fampianarana ao amin’ny soratra masina
Ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy
Ahoana no maha-ohatra tsara an’i Jesoa Kristy amin’ny fanomezana ny fony sy ny sainy marisika ho an’ny Ray any An-danitra?
Tamin’ny ezaka nataonao hanaraka an’i Jesoa Kristy, ahoana no nitondran’ny fanomezana Azy ny fonao sy ny sainao marisika fiovana teo amin’ny fiainanao?
Azonao atao ny maka fotoana hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa misy fahasamihafana eo amin’ny fanaovana fotsiny izay angatahin’ny Tompo amintsika sy ny fankatoavana Azy amin’ny fontsika sy ny saintsika marisika.
Hevero ny hanasa ireo mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo didy maro izay asain’ny Tompo mba hotandremantsika na zavatra mitaky fahafoizan-tena izay mety angatahiny mba hataontsika. Angataho ny mpianatra mba hifanakalo hevitra tsiroaroa na anaty vondrona kely mikasika ny fomba ahafahantsika manome ny fontsika sy ny saintsika marisika ho an’ny Tompo rehefa manao ireo zavatra ireo isika. Ohatra, afaka mifanakalo hevitra izy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika manome ny fontsika sy ny saintsika marisika ho an’ny Tompo eo am-piezahana mitandrina ny andro Sabata ho masina.
Fandinihana ataon’ny tena manokana
Raha nisafidy ny hanoratra didy na zavatra mitaky fahafoizan-tena eny amin’ny solaitrabe ianao dia asao ny mpianatra hijery ilay lisitra ary hisaintsaina ny faharisihany hanao ireo zavatra ireo. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanao sarina fo sy saina ao amin’ny diary fandalinany. Azonao atao ny mampiseho ny sary etsy ambany mba halain-tahaka. Asao izy ireo hisaintsaina ny fatran’ny fony sy ny sainy omeny ny Mpamonjy ary avy eo handoko ny habetsahan’ny zavatra tsapany fa omeny Azy. Azonao atao avy eo ny manasa azy ireo hisaintsaina sy hanoratra ny valin-teniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
Inona no zavatra nianaranao androany izay afaka mampitombo ny fanirianao hanome ny Tompo ny fonao sy ny sainao marisika?
Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanomezana ny fonao sy ny sainao ho an’ny Mpamonjy anao ho tonga tahaka Azy bebe kokoa?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy nianarany. Azonao atao ihany koa ny mijoro ho vavolombelona na mizara traikefa iray rehefa nahita olona iray nanome ny fony sy ny sainy marisika ho an’ny Tompo ianao.
Ny teny hoe fahafolonkarena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:23 dia manondro ny fandraisana anjaran’ny Olomasina rehetra ho an’ny Fiangonana, indrindra eo ambanin’ny lalàn’ny fanokanana, fa tsy hoe ny isan-jaton’ny vola miditra akory. Nampanantena ny Tompo fa ireo izay nankatò ny lalàn’ny sorona sy ny fanokanana dia tsy ho tratran’ilay afo izay handringana ireo tsy mibebaka amin’ny andro farany. Nohazavaina bebe kokoa ny fahatakarantsika ny lalàn’ny fahafolonkarena tamin’ny 1838, rehefa nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119 ny Tompo.
Nilaza izao ny Loholona Jörg Klebingat ao amin’ny Fitopololahy:
10:23
Manaova ny tsara noho ny antony tsara. Ny Tompo, izay “mitaky ny fo sy ny saina marisika” (F&F 64:34 ) sy “mpamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (F&F 33:1 ), dia mahafantatra ny antony andehananao any am-piangonana—hoe ny vatanao fotsiny ve no manatrika eo, sa tena mitsaoka marina ianao. … Tsarovy fa ny fanaovana an-tselika ny zavatra ara-panahy dia tsy nitondra fahasambarana velively hatramin’izay. Ataovy lasa fiainanao manontolo ny Fiangonana sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, fa tsy hoe ampahan’ny fiainanao hita ety ivelany na eo amin’ny fiarahamonina fotsiny. (Jörg Klebingat, “Manatona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra amim-pahatokiana ,” Liahona , nôv. 2014, 36)
Ny Loholona Donald L. Hallstrom, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, dia nizara hoe:
Ny fo dia fanehoana an’ohatra ny fitiavana sy ny fanolorantena. Mahafoy tena isika ary mitondra enta-mavesatra ho an’ireo izay tiantsika, izay tsy ho nentintsika mihitsy raha noho ny antony hafa. Raha tsy misy ny fitiavana, dia mihena ny fanolorantena ataontsika.
Raha tia ny Tompo amin’ny fontsika manontolo isika, dia vonona ny hanome Azy izay rehetra ananantsika. …
Ny hoe manana “saina marisika” dia midika hoe fanomezana ny ezaka tsara indrindra vitantsika sy ny eritreritsika tsara indrindra ary fikatsahana ny fahendren’ Andriamanitra. Midika izany fa ny fandalinana hanolorantsika tena indrindra mandritra ny fiainana dia ireo zavatra maharitra mandrakizay. Midika izany fa tsy maintsy misy fifandraisana tsy azo sarahina eo amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra sy ny fankatoavana izany. (Donald L. Hallstrom, “The Heart and a Willing Mind ,” Ensign , June 2011, 31–32)
Mba hahatakarana bebe kokoa ny fomba ahafahantsika manolotra ny fontsika sy ny saintsika ho an’ny Tompo dia azonao atao ny mijery “Ny avy ao am-pontsika manontolo ” izay nataon’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manomboka amin’ny mari-potoana 12:25 hatramin’ny 13:37.
14:16
Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa. Omeo tantara samy hafa momba ny tantaran’ny Fiangonana ny mpianatra tsirairay ao amin’ny ekipa tsirairay, toy ireo voatanisa etsy ambany. Asao ny mpianatra hamaky ilay tantara ary avy eo hizara izany amin’ny namany miaraka amin’ny fanazavana ny hoe, nahoana no ohatra tsara ireo olona ireo amin’ny fanomezana ny fony sy ny sainy ho an’ny Tompo. Afaka mizara ohatra manokana avy amin’ny fiainany manokana na avy amin’ny olona iray fantany avy eo ny mpianatra.
Taorian’ny nifindrany tany Missouri dia niatrika fanenjehana ara-pivavahana mahery vaika ny fianakavian’i Isaac sy i Lucy Morley. Niaina tao anatin’ny tahotra hatrany izy ireo sao hodoran’ny mpihetraketraka ny tranony. Niafina tao anaty tanin-katsaka nandritra ny iray volana i Isaac mba handosirana ireo mpihetraketraka. Nandritra ny fanenjehana dia nitoetra ho mahatoky tamin’ny finoany ry Morley. Indray mandeha, dia anisan’ireo lehilahy enina nanolotra ny ainy i Isaac raha toa ka tsy tsimbinin’ ireo mpihetraketraka ny ny ain’ireo namany. Namindra imbetsaka ny fianakaviany i Isaac sy i Lucy, ary nikarakara mandrakariva izay hahasoa ny hafa izay niezaka ihany koa nandositra ny fanenjehana. Farany dia nandeha niankandrefana niaraka tamin’ireo Olomasina i Isaac sy i Lucy. Teo ambany fitarihan’i Brigham Young dia nanampy tamin’ny fanorenana an’i Manti, Utah izy ireo. (Jereo ny Susan Easton Black, Who’s Who in the Doctrine and Covenants [1997], 199–200.)
Nandritra ny dia niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph dia nasaina nijanona tao Independence Missouri i Edward Partridge ary nanampy tamin’ny fananganana an’i Ziona. Natahotra i Edward fa toy ny tsy hahavita ilay asa. Tao anatin’ny taratasiny ho an’i Lydia vadiny dia nanoratra izy hoe: “Matahotra aho fa mihoatra noho izay azoko atao ny toerana misy ahy mba ho eken’ny Raiko any An-danitra. Mivavaha ho ahy mba tsy ho lavo aho” (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days , vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 131 ). Nandray ilay taratasy i Lydia ary nanomana ny fianakaviany hifindra any Independence sy hamonjy ny vadiny. Naneho ny tsy finoany ireo mpifanolobodirindrina teo anatrehan’ny fandaozan-dry Partridge ny tranon’izy ireo tsara tarehy sy ny fandraharahana izay niroborobo. Fantatr’i Lydia fa ho sarotra ny handao ny tranony, saingy nino izy fa ho voninahitra amin’ny fametrahana ny fototry ny tanànan’ Andriamanitra izany. (Jereo ny Saints , 1:130–31 , 134–35 .)
7:53
3:31
Raha te hahatakatra bebe kokoa ny fomba handraisana fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra ny mpianatrao dia azonao atao ny manampy azy ireo hampifandray ny zavatra takin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 sy ny fomba ifandraisan’ny Ray any An-danitra amintsika, araka ny ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 . Rehefa avy nandalina ny dikan’ny hoe manome ny Tompo ny fony sy ny sainy marisika ny mpianatra ao amin’ny fizarana 64 , dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo handray fanambarana. Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ny andiam-pehezan-teny 1–3 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023), mba hitadiavana ny lamina napetraky ny Tompo ho antsika mba handraisana fanambarana avy Aminy.
Avy eo izy ireo dia afaka mizara ohatra momba ny “zavatra madinika” izay azontsika atao izay mitondra fiovana lehibe eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanarahana an’i Jesoa Kristy.
Afaka manasa ireo mpianatra ihany koa ianao hamaky ny Almà 37:6–7 na hizara tantara avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana na ny soratra masina izay maneho izany fahamarinana izany.
3:15
Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:41–43 ary hitady fomba amariparitan’ny Tompo an’i Ziona. Azonao atao ny manazava fa ny faneva dia “saina, izay mampivondrona ny vahoaka noho ny tanjona na ny toetra iraisana.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faneva ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org ). Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hikaroka ny “Histoires du monde ” ao amin’ny fizarana “Histoire de l’Église” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hitady tantara momba ny olona avy amin’ny firenena maro mivondrona ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Afaka mamaky tantara iray izy ireo ary mizara izany amin’ny mpiara-miasa aminy na ao anaty vondrona kely.