Seminera
Lesona 77—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–17: “Takiana aminareo kosa ny hamela”


“Lesona 77—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–17: -Takiana aminareo kosa ny hamela,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 77: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–17

“Takiana aminareo kosa ny hamela”

olona roa ao amin’ny fianakaviana mifamihina

Nandritra ny dia iray niainga avy any Missouri nankany Ohio, i Joseph Smith sy ireo olona hafa dia niaina fifandirana sy fihetseham-po ratsy teo amin’izy samy izy, . Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64, i Jesoa Kristy dia nampianatra azy ireo mikasika ny tokony hamelan’izy ireo heloka. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ho lasa mpamela heloka kokoa.

Sahanasa fianarana azo atao

Misaintsaina ny famelan-keloka

Asao ny mpianatra hizara tantara iray momba ny famelan-keloka. ChurchofJesusChrist.org. Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

8:24
  • Mihevitra ny tenanao ho olona mamela heloka ve ianao? Nahoana raha eny, na nahoana raha tsia?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hamela heloka ny hafa ianao?

  • Iza avy ny olona tokony havelanao heloka?

Asao ireo mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mba hahafantarana izay olona mety ilain’izy ireo havela ny helony ary ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanehoana famelan-keloka kokoa.

Mamela heloka i Jesoa Kristy

Hevero ny hanasa ny mpianatra iray hamaky ity sahan-kevitra manaraka ity ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64.

Tamin’ny volana aogositra 1831, taorian’ny nanokanana an’i Ziona tany Missouri, dia niverina nody tany Ohio i Joseph Smith, i Oliver Cowdery, i Isaac Morley, i Ezra Booth ary ireo hafa. Ny hafanana tafahoatra, ny dia mampidi-doza ary ny tsy fitovian-kevitra amin’ny mpitarika no nitarika ny vondrona hifampitsikera sy hifanditra. Rehefa tonga tao an-trano izy ireo, dia mbola nisy ny fihenjanana teo amin’izy ireo (Jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 133–34, 136–37). Ho setrin’ny zavatra niainan’izy ireo, ny Tompo dia nanome ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–7 mba hitadiavana ny fomba namalian’i Jesoa Kristy an’ireo izay nanota.

ny Mpamonjy

Hevero ny hampiseho sarin’ny Mpamonjy anankiray. Angataho ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto. Aorian’izay dia asao ny mpianatra hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy na amin’ny mpiara-miasa iray.

  • Inona no toetran’i Jesoa Kristy hitanao ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona amin’ireo toetra ireo no tena ankasitrahanao? Nahoana?

Takiana amintsika ny famelana heloka

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11mba hitadiavana tadiavo ny fomba anasan’i Jesoa Kristy antsika hanaraka ny ohatra nasehony.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianaranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy izany.

  • Inona no manaitra anao mikasika ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Joseph sy ireo hafa?

    Ampio ireo mpianatra hamantatra ny fahamarinana hoe mitaky antsika hamela heloka ny olona rehetra i Jesoa Kristy. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ny mpianatra mba hanoratra izany ao anatin’ny soratra masiny.

    Makà fotoana ampy hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andininy 9–11. Mety hanampy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitaky antsika hamela ny olon-drehetra i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manana “ny fahotana lehibe kokoa” (andininy 9) isika rehefa misafidy ny tsy hamela ny hafa?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fitenenana ao am-pontsika hoe “aoka Andriamanitra hitsara ahy sy ianao” (andininy 11) hanampy antsika hamela ny heloky ny hafa?

  • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hanananao raha mamela heloka ny hafa ianao?

Mianatra mamela heloka ny hafa

Omeo fotoana ny mpianatra hametrahana fanontaniana na hizarana fanamby mifandray amin’ny famelan-keloka. Afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra, na amin’ny alalan’ny endrika latsa-bato tsy mitonona anarana, na amin’ny taratasy izay azo zaraina amin’ny iray kilasy.

  • Inona no fanontaniana mety hapetraky ny olona rehefa mikatsaka ny hamela heloka ny hafa izy ireo?

  • Inona avy ireo olana mety hatrehin’ny olona rehefa miezaka ny manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hamela heloka izy ireo?

Ny mpianatra dia mety hametraka fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy hamela ny hafa?” na “Ny famelako ny hafa ve midika fa mila maratra indray aho?”

Asao ny mpianatra mba hisafidy fanontaniana iray ho an’ny iray kilasy na ho an’ny tsirairay. Avy eo dia asaivo mitady valiny avy ao amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izy ireo.

Afaka mahita valiny ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fikarohana ireo teny toy ny hoe “Jesoa,” “mamela,” “Mpamonjy,” ary “famindram-po” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Azonao atao koa ny manome andinin-tsoratra masina, toy ny Matio 5:7; 18:21–35; sy ny Môzià 26:30–31, ary ireo teny nambara ara-paminaniana voatanisa etsy ambany.

Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika hamela ny hafa:

13:21
Loholona Gerrit W. Gong

Indraindray ny fahavononantsika hamela ny heloky ny hafa dia mahatonga antsika sy izy ireo hino fa afaka mibebaka sy mahazo famelan-keloka isika. Indraindray dia tonga amin’ny fotoana samy hafa ny fahavononana hibebaka sy ny fahafahana mamela heloka. Mpanalalana antsika amin’ Andriamanitra ny Mpamonjy antsika, Izy koa anefa dia manampy antsika hahafantatra hoe iza isika sy hanatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa rehefa manatona Azy isika. Indrindra fa rehefa lalina ny ratram-po sy ny fanaintainana, dia sarotra ny manamboatra ny fifandraisantsika sy manasitrana ny fontsika, izay tsy ho vitantsika samirery. Kanefa ny lanitra dia afaka manome antsika tanjaka sy fahendrena mihoatra ny an’ny tenantsika mba hahafantarana izay fotoana tokony hananana faharetana sy ny fomba tsy hiraharahaina intsony izay zavatra nampahory. (Gerrit W. Gong, “Sambatra sy mandrakizay,”Liahona, nôv. 2022, 85)

Nampianatra izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

2:3
Loholona Jeffrey R. Holland

“Aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo” [Lioka 6:37], hoy i Kristy raha nampianatra tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Ary amin’izao androntsika izao: “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10]. Manan-danja kosa anefa ho an’ny sasany aminareo izay miaina ao anatin’ny fahoriambe ny mieritreritra ny zavatra tsy nolazainy. Tsy nilaza Izy hoe: “Tsy mahazo mahatsapa fahoriana lalina na alahelo lalina avy amin’ireo zavatra niainana tena mandratra izay nihatra taminareo noho ny zavatra nataon’ny hafa ianareo.” Tsy nilaza koa Izy hoe, “Mba hamelana heloka tanteraka dia tsy maintsy manohy fifandraisana mandratra fo na miverina miaina toe-javatra feno fanararaotana sy manimba ianareo.” Kanefa na dia eo aza ny fanafintohinana faran’izay mahatsiravina mety hitranga amintsika, dia tsy afaka mandresy ny fahoriantsika isika raha tsy rehefa mametraka ny tongotsika eo amin’ny lalan’ny fahasitranana marina ihany. Ilay lalana dia ilay lalan’ny famelan-keloka izay nandehanan’i Jesoa avy any Nazareta, izay miantso antsika tsirairay avy hoe: “Avia, hanaraka Ahy” [Lioka 18:22]. (Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 78–79)

Asao ny mpianatra hizara ny valin-teny hitany na ny zavatra tsapany momba ny famelan-keloka. Azon’izy ireo atao koa ny mizara ohatra mikasika ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hamela heloka ny hafa. Ampahatsiahivo ny mpianatra mba tsy hizara zavatra niainana na antsipirian-javatra izay an’ny tena manokana loatra.

  • Inona no zavatra manokana azontsika atao izay hanampy antsika hamela ny hafa?

Ny valin-teny mety hozarain’ny mpianatra dia ahitana ireto manaraka ireto:

  • Mandalina ny tantaran’ny Mpamonjy sy ireo hafa izay mpamela heloka

  • Mieritreritra hoe inona no fiovana hitranga eo amin’ny fiainantsika raha mamela heloka isika

  • Manao vavaka amin-kitsim-po izay hametrahantsika ny enta-mavesatsika eo amin’ Andriamanitra sy hangatahantsika ny fanampiany amin’ny famelana ny hafa

  • Manaiky fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka miova ny fontsika rehefa mandeha ny fotoana mba hahafahantsika mamela ny hafa amin’ny farany

Fampiharana ataon’ny tena manokana

Tany am-piandohan’ny lesona dia nasaina nieritreritra olona iray izay tokony havelan’izy ireo heloka ireo mpianatra. Asao izy ireo hisaintsaina izany toe-javatra izany sy hikatsaka fitaomam-panahy rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao na ny zavatra tsapanao.

  • Inona no azonao atao mba hianteheranao amin’ny Mpamonjy mba hamela heloka?

  • Inona no ezaka hataonao mba hanarahanao ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy hahaizanao mamela heloka kokoa?

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.” Ireo hevitra ho an’ny asa fanaovana tsianjery dia ao amin’ny tovana eo ambanin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”