Lesona 79—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65: “Omaninareo ny lalan’ny Tompo … mba hahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra”
“Lesona 79—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65: -Omaninareo ny lalan’ny Tompo … mba hahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 79: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66
“Omaninareo ny lalan’ny Tompo … mba hahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra”
Ny andraikitra manan-danja iray an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mpikambana ao aminy dia ny manampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65, ny Tompo dia nanambara io andraikitra manan-danja io tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Olomasina. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny Fiangonana amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Sahanasa fianarana azo atao
Fiomanana amina asa atao
Inona no asa ankafizinao izay mitaky fiomanana betsaka?
Raha toa ianao ka manampy olona hiomana amin’io asa io, inona no tianao ho fantatr’izy ireo? Inona no fanampiana na loharano azonao omena azy ireo?
Tahaka ilay asa ataonao izay mitaky fiomanana goavana, dia misy koa ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy izay ilantsika fiomanana. Nanorina ny Fiangonany ny Tompo mba hanampiana antsika hiomana.
Inona no zavatra omanin’ny Fiangonany ho antsika?
“Omaninareo ny lalan’ny Tompo”
Tamin’ny 12 septambra 1831, dia nifindra 48 km mahery tany atsimo atsinanan’i Kirtland, Ohio, i Joseph Smith sy ny fianakaviany, hipetraka any amin’ny tranon’i John sy Alice Johnson any Hiram, Ohio. Nisy fotoam-pivavahana natao tao amin’ny tranon-dry Johnson ny Alahady 30 ôktôbra 1831. Tamin’io andro io ihany dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 ny Mpaminany.
Inona ireo teny na andian-teny mbola hanananao fanontaniana ny mahakasika azy?
Ahoana no hamintinanao ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ho fanambarana ny fahamarinana?
Nanambara izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany manana ny fahefana sy voairaka hanatanteraka ireo fanomanana ilaina ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Azo antoka fa naverina tamin’ny laoniny noho izany tanjona izany ny Fiangonana. … Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia irahina hanomana—ary manomana—an’izao tontolo izao ho amin’izany andro izany. (D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 82, 84)
Inona no eritreritrao na tsapanao momba io teny nambara io?
Nahoana no ny Fiangonana irery ihany no afaka manomana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy?
Inona no fiomanana tsapanao fa ilaina ho amin’io andro io?
“Antsoy ny Tompo mba handrosoan’ny fanjakany”
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:4–6 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy fa azontsika tsirairay atao mba hanampiana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany Fanindroany.
Inona no hitanao?
Inona ny sasany amin’ireo “asa mahatalanjona” nataon’ny Mpamonjy izay tanterahina amin’ny alalan’ny Fiangonany? (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2, 1.3, ChurchofJesusChrist.org.)
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo asa ireo antsika sy ny hafa hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny zavatra iray azontsika atao dia ny “[miantso ny Tompo] mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:5).
2:3
Ny fanasako … ho anareo dia ny hivavaka isan’andro mba hahazoan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izaho sy ianao dia velona mba hahita, ary mbola hahita hatrany, ny fanangonana an’i Isiraely amin-kery lehibe. Ary ianareo dia afaka ny ho anisan’ilay hery ao ambadik’izany fanangonana izany! (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], ChurchofJesusChrist.org)