Lesona 180—Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo: Ny fanorenana fizakan-tena dia mitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy
“Lesona 180: Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo: Ny fanorenana fizakan-tena dia mitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 180: Manorina fizakan-tena
Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo
Ny fanorenana fizakan-tena dia mitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy
Ny Mpamonjy dia nanambara hoe: “Ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko. … Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–16). Manampy ny Olomasiny hanorina fizakan-tena i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo mamelona ny tenany sy mianatra hitahy ny hafa tahaka Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny ilana ny fanorenana fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Fizakan-tena
Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nanazava ny lanjan’ny fianarana mamelona ny tenantsika:
Misy fomba fiteny taloha milaza fa raha manome trondro ny olona iray ianao, dia hihinana iray andro izy. Fa raha ampianarinao manarato izy, dia hihinana mandritra ny androm-piainany. (Gordon B. Hinckley, “The Perpetual Education Fund,” Ensign, May 2001, 52)
Ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fizakan-tena:
Ny Tompo dia nanambara hoe, “Ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15]. Io fanambarana io dia fampanantenana avy amin’ny Tompo fa hanome antsika fitahiana ara-nofo Izy ary hanokatra ny varavarana mba hananana fizakan-tena, izay fahafahana ho antsika mba hamatsy ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviantsika. …
Matokia fa zanaky ny Raintsika any An-danitra ianao. Tiany ianao ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy. Fantany ianao ary Izy dia vonona ny hanome ireo fitahiana ara-panahy sy ara-batana entin’ny fizakan-tena. (The First Presidency, in My Foundation for Self-Reliance [2016], 3)
Inona no ianaranao avy amin’ireo fanambarana mikasika ny fizakan-tena ireo?
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fanorenana fizakan-tena raha mbola tanora ianao?
Raha misy olona mahatsapa ho sahirana amin’ny fieritreretana ny fomba hahatongavana any amin’ny fizakan-tena, inona no azonao ampahatsiahivina azy momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izay afaka manome fanantenana azy ireo?
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifototra amin’ny iray amin’ireto lohahevitra ireto: fianarana, na fahasalamana, na asa, na fitantanam-bola, na ny hery ara-panahy:
Ahoana no hamaritanao ny olona iray izay mizaka tena amin’io sehatra io?
Ahoana no ahafahan’ny zatovo iray manomboka manorina fizakan-tena amin’izany sehatra izany? Ahoana no ahafahan’izy ireo manasa ny Tompo mba hanampy azy ireo?
Inona no soa azo avy amin’ny fianarana manao zavatra bebe kokoa ho an’ny tenantsika amin’io sehatra io?
Fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo
Nivoatra tao anatin’ny fahasoavana niampy fahasoavana ny Mpamonjy
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–13, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jaona Mpanao Batisa momba ny fivoaran’ny Mpamonjy. (Ny ampahany amin’ny asa soratr’i Jaona Mpanao Batisa dia nambara tamin’i Joseph Smith ary voarakitra ao amin’ny fizarana 93.)
Araka ny eritreritrao, dia inona ny dikan’ny hoe ny Mpamonjy dia “nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana”? (andininy 13).
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanohizana ny fahasoavana miampy fahasoavana hanampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hanorenana fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo?
Manorina fizakan-tena eo amin’ny fiainanao manokana
Manao ahoana ny fahatokian-tenako eo amin’ny fanorenana fizakan-tena eo amin’ny sehatra samihafa eo amin’ny fiainako?
Nahoana no manampy ny manomboka mampivoatra ny fahaizako mamelona ny tenako amin’ireo sehatra ireo?
Ahoana no ahafahako mampandray anjara ny Tompo amin’ny fanorenana fizakan-tena bebe kokoa eo amin’ny fiainako?