Seminera
Lesona 181: Finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena: Mandresy ireo sakana amin’ny alalan’ny Tompo


“Lesona 181: Finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena: Mandresy ireo sakana amin’ny alalan’ny Tompo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 181: Manorina fizakan-tena

Finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena

Mandresy ireo sakana amin’ny alalan’ny Tompo

tanora mitazona ny sarin’ny Mpamonjy

Ankoatra ny fitahiana antsika amin’ny famelan-keloka sy ny fanasitranana amin’ny fahotana dia afaka mitahy antsika koa ny Mpamonjy ao anatin’ny toe-javatra iainana toy ny fianarana, ny asa, ary ireo fifandraisana. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia manasa Azy mba hanampy antsika hizaka tena kokoa amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorina fizakan-tena.

Sahanasa fianarana azo atao

Mamindra tendrombohitra

Hevero ny hanao sarina tendrombohitra eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra hanao sarina tendrombohitra mitovy amin’izany ao anatin’ny diary fandalinany, ka handrakotra efa saika ny tapany ambony amin’ny pejy iray. Teneno ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mijoro eo anelanelan’izy ireo sy ny fanorenana fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo ilay tendrombohitra. (Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny fahatakarana ny dikan’ny fizakan-tena dia lazao fa tafiditra ao anatin’izany ny zavatra toy ny fahazoana hery ara-panahy ho an’ny tenany manokana, ny fandrantoana fianarana ary ny fahazoana vola ampy mba hahazoany izay ilainy.)

Angataho izy ireo hanoratra ao anatin’ilay tendrombohitra ny sakana sasany atrehin’izy ireo izay manasarotra ny fanorenana fizakan-tena eo amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainan’izy ireo. (Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ny tsy fahampian’ny asa azo atao, ny fahafahana mianatra, ny fahasalamana, na ny fanohanana ilaina avy amin’ireo olona akaiky azy ireo.) Manasà olona vonona hanolo-tena hanoratra ny sakana sasantsasany atrehin’izy ireo eo amin’ilay tendrombohitra nataonao sary eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no mety haha-toy ny tendrombohitra ireo sakana eo amin’ny fiainana indraindray?

  • Inona avy ireo fomba samihafa entin’ny olona miatrika ireo karazana olana ireo?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba kasainy hiatrehana ireo sakana izay tsy mamela azy ireo hanana fizakan-tena. Asao izy ireo mandritra ny lesona mba hikatsaka ombam-bavaka ny fomba handraisana hery avy amin’ny Mpamonjy mba handresena ireo olana atrehin’izy ireo.

Manasa ny herin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainantsika

Nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ireo izay miatrika olana sarotra eo amin’ny fiainany ny Filoha Russell M. Nelson.

16:22
Ny Filoha Russell M. Nelson

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny antso ataoko aminareo … dia ny hampitombo ny finoanareo manomboka anio. Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo, na dia lehibe toa ny Mont Everest aza ireo olana atrehanareo manokana. …

Hiovaova ireo tendrombohitrareo, saingy ny valiny tsirairay tandrify ireo olanareo dia natao hampitombo ny finoanareo. (Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; Hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 102–3)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson?

    Mety hanome famintinana maneho fahatakarana isan-karazany ny mpianatra. Fahamarinana iray manan-danja ny hoe rehefa mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia hampitombo ny fahafahantsika mandresy ireo olana Izy.

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana avy amin’ny Filoha Nelson ireo mihatra amin’ny ezaka ataontsika mba hahazoana fizakan-tena eo amin’ny fiainantsika?

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay mila fanampiana ianao mba hino fa tena hanampy azy ireo amin’ireo sakana eo amin’ny fiainan’izy ireo i Jesoa Kristy. Mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny boky soratra masina izay safidinao izay afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fanirian’i Jesoa sy ny heriny hanampy azy ireo.

Ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mety ho hitan’ny mpianatra dia mety hahitana ireto:

  • Ohabolana 3:5–6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra … fa Izy handamina ny lalanao.”

  • Matio 11:28–30: “Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.”

  • Jakoba 1:5–6: “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

  • 1 Nefia 3:7: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

  • 2 Nefia 28:30: Andriamanitra “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra …, ary fitsipika anampy fitsipika.”

  • Etera 12:27: “Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

  • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”

  • Inona no andalan-tsoratra nosafidinao? Ahoana no ahafahan’io andalan-tsoratra masina io manampy ilay namanao hahatakatra ny fanirian’ny Mpamonjy sy ny heriny hanampy azy?

  • Inona no traikefa manokana azonao zaraina mba hanampiana ny namanao hahafantatra fa vonona sy afaka manampy antsika i Jesoa?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamorona tsanganana roa eo ambanin’ilay tendrombohitra ao amin’ny pejin’ny diarin’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny manoratra eo an-tampon’ny tsanganana iray hoe “Ny anjarako amin’ny fanorenana fizakan-tena.” Azon’izy ireo atao ny manoratra eo an-tampon’ny tsanganana iray hafa hoe “Ny fomba mety hitahian’ny Mpamonjy ahy.”

Azonao atao ny mampiseho na mizara ny tahadikan’ity teny nambara manaraka ity. Asao ny mpianatra hamaky izany ka hitady ny zavatra azon’izy ireo ampiana ao amin’ireo tsanganana roa ireo. Afaka miasa irery, na tsiroaroa, na anaty vondrona kely ny mpianatra.

Ny Eveka W. Christopher Waddell ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nanazava ny fomba iarahan’ny ezaka ataontsika sy ny finoantsika ny Tompo miasa.

Ny Loholona W. Christopher Waddell

Hatrany am-piandohana ny Tompo no nanome fitarihana ny vahoakany mba hanampiana azy ireo hiomana, ara-panahy sy ara-batana, amin’ireo loza sy fitsapana izay fantany fa ho tonga ho isan’ny zavatra iainana eto amin’ity tany ity. Mety ho loza lalovan’ny tena manokana na mahakasika ny rehetra izany saingy ny fitarihan’ny Tompo dia hanome fiarovana sy fanohanana raha toa ka henointsika, sy arahintsika ny torolalany. …

Tsy mitaky ny hanaovantsika mihoatra izay vitantsika ny Tompo saingy andrasany amintsika kosa ny hanaovantsika izay vitantsika, rehefa afaka manao izany isika. …

Ny hoe voaomana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana sy ny fizakan-tena dia midika hoe “mino fa amin’ny alalan’ny fahasoavana, na hery mampatanjaka, an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka ataontsika manokana, dia afaka mahazo ireo zavatra ilaina fototra ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ilaintsika ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika.” (W. Christopher Waddell, “Mbola nisy hanina ihany,” Liahona, nôv. 2020, 42–43, 44)

Zarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ny mpianatra ary vitao ity sahanasa sy fifanakalozan-kevitra manaraka ity. Mety ho isan’ny ohatra vitsivitsy hitan’ny mpianatra ny nilan’i Joseph Smith valiny mba hahazoana tanjaka ara-panahy bebe kokoa (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–20) sy ny nilan’ny rahalahin’i Jareda nanome izay nilain’ny fianakaviany teo amin’ny ara-batana rehefa nandeha tany amin’ny tany nampanantenaina izy ireo (jereo ny Etera 2:183:6).

Mitadiava tantara iray avy ao amin’ny soratra masina na ny tantaran’ny Fiangonana izay ahitana olona iray nampiasa ny ezaka nataony manokana sy ny finoany an’i Jesoa Kristy mba handresena ireo sakana amin’ny fivoaran’izy ireo.

  • Inona no sakana natrehin’izy ireo?

  • Inona no ezaka manokana nataon’izy ireo mba handresena ilay sakana?

  • Ahoana no nanampian’ny Tompo azy ireo noho ny finoany?

    Rehefa vitan’ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrona dia asao ny mpikambana iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba hanoratra eo amin’ny solaitrabe eo an-tampon’ilay tendrombohitra ny anaran’ilay olona avy ao amin’ny soratra masina na ny tantaran’ny Fiangonana izay noeritreretin’izy ireo.

    Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra rehetra ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ireo olona ireo ka azonao ampiharina amin’ny ezaka ataonao manokana mba hanorina fizakan-tena miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy?

Ahoana no mety hahombiazan’izany eo amin’ny fiainana andavanandro?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa mila manao asa fampiharana izy ireo sady matoky ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy mba hitahy ny ezaka ataon’izy ireo. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hisafidy ny iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto ary hieritreritra ny fomba ahafahan’ilay olona mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy rehefa miezaka ny ho lasa mizaka tena kokoa izy ireo.

  1. Te handeha hanao asa fitoriana sy handranto fianarana ny zatovolahy iray, saingy tsy manam-bola ampy hanaovana izany izy.

  2. Manana olana ara-pahasalamana ny zatovovavy iray izay manakana azy tsy afaka hiditra amin’ny asa maro izay misokatra ho an’ny hafa.

  3. Mijaly noho ny tebiteby mafy ny tovolahy iray. Sarotra dia sarotra ho azy ny toe-javatra iainana ara-tsôsialy, anisan’izany ny fianarany sy ny asany.

  4. Te hahomby any an-tsekoly ny zatovovavy iray saingy tsy afaka mianatra tahaka ny ankamaroan’ireo mpiara-mianatra aminy. Vokatr’izany, dia manahy izy fa tsy ho voaray any amin’ny oniversite izay antenainy hianarana.

Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo rafi-tantara ireo:

  • Inona avy ireo zavatra azon’io olona io atao mba hamahana ny olany amin’ny fomba izay ahafahan’ny Tompo manampy azy?

  • Inona no mety hataon’izy ireo mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Iza no azon’izy ireo hakana hevitra? Afaka manasa ny fanampian’ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany?

Raha toa ka mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana ilay fanontaniana farany dia arosoy ny hevitra fa ireo izay ao anatin’ilay rafi-tantara dia afaka mila hevitra amin’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ary ny olona matihanina. Ankoatra izany dia afaka mila hevitra amin’ny Ray any An-danitra izy ireo amin’ny alalan’ny vavaka mikasika ny fomba tsara indrindra hiatrehana ny toe-javatra iainan’izy ireo.

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny mety ho fiantraikan’ny fisafidianana ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny toe-javatra iainany ankehitriny sy amin’ny hoavy. Avy eo dia asao izy ireo hisaintsaina sy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diarin’izy ireo:

  • Inona no sehatra iray eo amin’ny fiainanao izay tianao hananana fizakan-tena kokoa?

  • Inona no azonao atao mba handresena ireo sakana mety hatrehinao?

  • Ahoana no ahafahanao manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mitady ny fanampiana ilainao ianao?