Lesona 182—Mitantana amim-pahendrena ny vola: Miezaka manorina fizakan-tena ara-bola
“Lesona 182—Mitantana amim-pahendrena ny vola: Miezaka manorina fizakan-tena ara-bola,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Mitantana amim-pahendrena ny vola,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 182: Manorina fizakan-tena
Mitantana amim-pahendrena ny vola
Miezaka manorina fizakan-tena ara-bola
Ny zatovo dia hanana fahafahana maro azo araraotina any aoriana izay ho tonga miaraka amin’ny andraikitra ara-bola, toy ny fanaovana asa fitoriana, na ny fianarana, na ny fanorenana tokantrano. Rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy sy manaraka fitsipika ara-bola feno fahendrena izy ireo dia manasa ny fitahian’ Andriamanitra mba hanome izay ilainy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba fampiharana ny finoana an’ Andriamanitra rehefa manorina fizakan-tena ara-bola izy ireo.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Mibanjina ny hoavy
Iza amin’ireo tanjonao ireo no mitaky fiomanana ara-bola?
Rahoviana araka ny eritreritrao no fotoana tsara indrindra hanombohana fanaovana drafitra ara-bola ho an’ny hoavinao? Nahoana?
Manao ahoana ny fatokian-tenanao momba ny hoavinao ara-bola? Nahoana?
Mandritra ity lesona ity dia mitadiava ombam-bavaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahatakarana ireo fitsipika izay afaka manampy anao amin’izao fotoana izao sy any aoriana mba hitantanana ny volanao amim-pahendrena.
Fampanantenana avy amin’ny Tompo
Tamin’ny 1834, ny Fiangonana dia sahirana ara-bola noho ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland sy ireo fanatontosan-javatra tsara hafa. Nomen’ny Tompo torohevitra izy ireo izay afaka miantefa amintsika ihany koa rehefa miatrika adidy ara-bola isika amin’ny fanatratrarana ireo faniriantsika ara-drariny.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:4 (Tamin’io fotoana io dia nila nividy tany ny Olomasina, saingy azontsika atao ny mampitaha izany amin’ireo andraikitra izay miandry antsika any aoriana.)
Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ao amin’ireo soratra masina ireo manampy anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy rehefa miomana amin’ny zavatra ilainao ara-bola ianao?
Nahoana araka ny eritreritrao no ampahany manan-danja ao anatin’ny fitantanana ny volantsika ny fandoavana fahafolonkarena? (jereo ny Malakia 3:8–10).
Ankoatra ny fandoavana fahafolonkarena, inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika manao ho laharam-pahamehana ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra toy izay ny fikatsahana harena?
Ahoana no ahafahan’ny fampivelarana ny fahazarana manangona vola amin’ny maha-zatovo anao hitahy anao mandritra ny androm-piainanao?
Laharam-pahamehana ara-bola
Ahoana no hanaovanao ho laharam-pahamehana ireo zava-mitranga na fanapahan-kevitra ara-bola ireo? Inona no nianaranao avy amin’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny soratra masina mba hanohanana ny valin-teninao?
Inona avy ireo olana mety hateraky ny fikorontanan’ny laharam-pahamehana ara-bola?
Inona no mety holazainao amin’ny olona iray izay mahatsapa fa ny vola laniany ara-pivelomana amin’izao fotoana izao no tokony ho laharam-pahamehana fa tsy ny fandoavana fahafolonkarena?
Nanontany izao manaraka izao momba ny fandoavana fahafolonkarena ny Loholona Stanley G. Ellis ao amin’ny Fitopololahy:
Manana finoana mba hatoky ny fampanantenan’[ny Tompo] momba ny fahafolonkarena ve isika fa metimety kokoa ny fiainantsika miaraka amin’ny 90 isan-jaton’ny vola miditra amintsika miampy ny fanampian’ny Tompo toy izay miaraka amin’ny 100 isan-jaton’ny vola miditra amintsika isan-taona ary miady irery isika? (Stanley G. Ellis, “Matoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotra,” Liahona, nôv. 2017, 114)
Fehin-kevitra
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao momba ny fitantanana amim-pahendrena ny volanao?
Inona no zavatra iray tsapanao fa tian’ny Tompo hianaranao androany?