Institiota
Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fotoana mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny


“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fotoana mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 1, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fotoana mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny

tara-masoandro eo ambony tendrombohitra

Tongasoa eto amin’ny Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny. Ato amin’ity taranja ity ianao dia hianatra ireo fanambarana sy fotopampianarana fototra, ireo olona, ary ireo zava-nitranga tao anatin’ny tantara izay mifandray amin’ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ny fandalinana ombam-bavaka an’ireo zavatra ireo dia hanampy anao hampifandray ireo hevitra sy olona ireo amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra iainanao. Ianareo ihany koa dia ho afaka bebe kokoa ny hahazo fahalalana ara-panahy sy hanavaka ny marina amin’ny diso.

Ity tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ity dia hanome anao fahalalana fototra manan-danja hoentinao miatrika ny fotoam-pianarana. Ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona tsirairay mialoha ny fotoam-pianarana dia hanampy anao hanana traikefa ara-panahy sy manan-danja kokoa eo amin’ny fianarana.

Rehefa mianatra ombam-bavaka an’ity taranja ity ianao dia hahita ny fiasan’ny tanan’ny Tompo ao anatin’ny tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny ary handre ny feony ao anatin’ireo fanambarana ny Famerenana amin’ny laoniny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36). Any amin’ny fiafaran’ity lesona voalohany ity dia tokony ho afaka hanazava ny antony nilàna ny famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana ianao. Tokony ho fantatrao koa ny fomba nanomanan’ny Tompo ny lalana ho an’ny fotoampitantanan’ny fahamarinana iray vaovao amin’izao androntsika izao.

Fizarana 1

Inona no nitondra ho amin’ny Apôstazia Lehibe?

Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nanohy nitarika ny Fiangonana ireo Apôstôliny teo am-pihitaran’izany. Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôsôtôly Roambonifolo dia nanazava ny fomba nilatsahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tao anatin’ny apôstazia nony farany:

Ny Testamenta Vaovao dia milaza fa niasa mafy ireo Apôstôly tany am-piandohana mba hihazonana ilay fiangonana izay napetrak’i Jesoa Kristy mba hokarakarain’izy ireo sy hotandreman’izy ireo, saingy fantatr’izy ireo fa ho zava-poana taty aoriana ny ezaka nataony. Nanoratra ho an’ireo Olomasina Tesaloniana izay efa niandry fatratra ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany i Paoly, fa “tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana” (2 Tes. 2:3). …

Taty aoriana dia maty maritiora i Petera sy ireo Apôstôly namany, afa-tsy i Jaona ilay Malala izay fantatra fa tsy maty. Ny Apôstôly Jaona sy ireo mpikamban’ny Fiangonana dia miady mafy mba hijanona ho velona teo anatrehan’ireo famoretana nampivarahontsana. Mba ho voninahitra tsy misy fetra ho azy ireo, dia tsy maty mihitsy ny fivavahana Kristiana ary tena hery goavana tamin’ny fiafaran’ny taon-jato faharoa taorian’i J.K. Olomasina mahery fo maro no lasa fitaovana tamin’ny fanampiana ny fivavahana Kristiana haharitra.

Na dia teo aza ny halehiben’ny fanompoan’ireo Olomasina ireo, dia tsy nanana ny fahefan’ny apôstôly izay noraisin’i Petera sy ireo Apôstôly hafa tamin’ny alalan’ny fanendrena tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nataon’i Jesoa Kristy Izy tenany izy ireo. Rehefa very izany fahefana izany, dia nanomboka nijery ireo loharanom-pahalalana hafa ny olona mba hahatakarana ny fotopampianarana. Vokatr’izany dia fahamarinana tsotra sy sarobidy maro no very. (M. Russell Ballard, “Restored Truth,” Ensign, Nov. 1994, 65–66)

Nahita ny Apôstazia Lehibe tao amin’ny fahitana ny mpaminany Nefia. Hitany fa nandritra io apôstazia io, ny olon-dratsy dia “[hanaisotra] avy tao amin’ ny filazantsaran’ ny Zanakondry ireo ampahany maro izay tsotra sady sarobidy indrindra; ary ny maro koa tamin’ ireo fanekempihavanan’ ny Tompo dia efa nesoriny(1 Nefia 13:26). Hitany ihany koa fa “maro ireo zavatra tsotra sy sarobidy [hoesorina] avy tao anatin’ ny” Baiboly mandritra ny Apôstazia Lehibe (1 Nefia 13:28). Nisy anjely iray nilaza tamin’i Nefia hoe “noho ireny zavatra izay nesorina tamin’ ny filazantsaran’ ny Zanakondry ireny dia vahoaka maro izaitsizy tokoa no tafintohina, eny, hany ka manan-kery lehibe aminy i Satana” (1 Nefia 13:29).

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nahoana no nilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Ahoana no nanomanan’ny Tompo ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny?

Taorian’ny taon-jato maro nisian’ny apôstazia, izay olona vitsy dia vitsy no afaka nampiasa ny soratra masina tamin’izany, dia nanao izay azony natao ireo lehilahy sy vehivavy nentanim-panahy, ary matetika izany no nampidi-doza azy ireo mihitsy, mba hanampiana ny hafa hikatsaka ny fahamarinana. Tamin’ny fiafaran’ny taona 1300 dia nanomboka ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny teny Anglisy i John Wycliffe ary vokatr’izany dia voahelok’ireo manam-pahefana ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany ho mpanaraka hevi-diso izy. Ny famoronana ny gazety atao printy tamin’ny 1450 dia nahafahana namoaka tahadikan’ny Baiboly mora kokoa izay azon’ny olona maro kokoa nampiasaina. Tamin’ny taona 1500 dia nitaona an’i Martin Luther, Huldrych Zwingli, Jean Calvin, John Knox, Ann Askew, ary ny maro hafa ny Fanahin’ny Tompo, ary izy ireo dia nanomboka nanohitra ireo fahadisoana nisy teo amin’ny fiangonana izay natanjaka indrindra tamin’ny andron’izy ireo. Nanao fandikana vaovao ny Baiboly ihany koa i William Tyndale sy ny maro hafa. Maro tamin’ireo mpitondra fiovana ireo no namoy ny ainy ho tambin’ny zavatra nataon’izy ireo. Ny ezaka nataon’izy ireo dia nitondra ho amin’ny fananganana fiangonana Protestanta maromaro vaovao. Koa satria tsy nisy fahalalahana ara-pivavahana tany Eorôpa, dia nitondra ho amin’ny ady lehibe ny fitsanganan’ireo fiangonana maro ireo.

Nanosika ny maro tamin’ireo sy ireo olona hafa hitady fonenana vaovao ahafahany mivavaka amin-kalalahana ny fanenjehana ara-pivavahana, ka anisan’izany ireo Mpivahiny izay niala avy tany Angletera nankany Amerika tamin’ny fiandohan’ny taona 1600. Ny mpaminany Nefia dia nahita tao anatin’ny fahitana iray mpitondra fiovana ara-pivavahana maro tahaka izany izay nanori-ponenana tany Amerika taty aoriana.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 13:13–16, 19.

Ny taranak’ireo Mpivahiny sy ireo mpifindra monina hafa izay nikatsaka fahalalahana bebe kokoa dia nisaraka tamin’i Grande Bretagne, ary izany dia nitarika ho amin’ny Ady ho an’ny Fahaleovantena tao Amerika. Nisy miaramila iray nantsoina hoe Asael Smith izay niady ho an’ny Amerikana. I Asael, izay dadaben’ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ny rainy dia voarakitra an-tsoratra ho nilaza izao indray mandeha hoe: “Raiki-tampisaka ao anatin’ny fanahiko ao fa ny iray amin’ny taranako dia hanatanteraka asa hampivoatra ny tontolon’ny fivavahana” (Joseph Fielding Smith, Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:4). Nahita maso ny fiorenan’ny firenena vaovao i Asael, izay firenena voarafitry ny fahalalahana ara-pivavahana ny ampahany lehibe indrindra aminy.

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fiorenan’i Etazonia dia dingana iray tamin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny:

Faniriana ara-pivavahana no nitarika ireo mpanorina firenena iray vaovao ho any amin’ny kaontinanta Amerikana. Teo ambany fitarihan’ Andriamanitra no nahazoan’izy ireo ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny olom-pirenena rehetra niaraka tamin’ny Lalam-panorenana iray momba ny zo. Efatra ambin’ny folo taona taty aoriana, tamin’ny 23 desambra 1805 no teraka ny Mpaminany Joseph Smith. Efa akaiky ho vita ny fanomanana nilaina mba handraisana ny Famerenana amin’ny laoniny.

… Mijoro ho vavolombelona aho fa nandray anjara tamin’ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny [i Jesoa Kristy] efa hatrany alohan’ny nanorenana ity tontolo ity. (Robert D. Hales, “Preparations for the Restoration and the Second Coming: ‘My Hand Shall Be over Thee,’” Ensign or Liahona, Nov. 2005, 90, 92)

Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha M. Russell Ballard:

Joseph Smith Rainy, dadan’ny mpaminany, dia nijaly teo amin’ny ara-bola. … Nanao raharaha ara-barotra niaraka tamin’ny mpiara-miasa iray izy. Nalain’ilay mpiara-nanao raharaham-barotra taminy ny vola ary very izany. Nividy toeram-piompiana sy fambolena izay tsy nahomby izy ireo. Nividy iray indray izy ireo, dia tsy nahomby izany. Mbola nividy iray indray, fa mbola tsy nahomby ilay izy. Nony farany dia nifindra tany Palmyra i Joseph Smith Rainy. Nitarika azy ireo ny Tompo ka namindra ny fianakaviana Smith tany amin’ny toerana tokony hisy azy ireo. (M. Russell Ballard, “The Tapestry of God’s Hand” [Joseph Smith Memorial Fireside, Feb. 13, 2011, Logan Institute of Religion, Utah State University])

Araka izay namolavolan’Andriamanitra azy, dia teraka tamin’ny fotoana tena nety, sy ny toerana tena nety, ary tao anatin’ny toe-javatra tena nety i Joseph Smith mba hanomboka ireo trangan-javatra izay nifotoran’ny Famerenana amin’ny laoniny. Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Brigham Young hoe:

Voatendry mialoha tany amin’ny mandrakizay [i Joseph Smith] mba hiahy ity fotoampitantanana farany ity. Enseignements des présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 96)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo amin’ny alalan’ny fomba nanomanany ny lalana ho an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny?