“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fanavotana ny maty,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)
“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Fanavotana ny maty
Eritrereto ny fotoana iray izay nanaovan’ny olona iray zavatra ho anao izay tsy vitanao samirery. Inona no zavatra tsapanao mikasika io olona io? Rehefa mandalina ianao dia eritrereto izay mety ho tsapan’ny fianakavianao efa maty ahakasika anao rehefa manao ho azy ireo ny zavatra izay tsy azony atao ho an’ny tenany ianao: manatanteraka ireo ôrdônansy tena ilaina ho famonjena azy ireo.
Fizarana 1
Inona no mitranga amin’ireo izay maty tao amin’ny tsy fahalalàna ny filazantsara?
Fanamarihana: Ho solon’ny famakiana ity fizarana voalohany amin’ity lesona ity dia azonao atao ny misafidy hijery ity horonan-tsary ity ary avy eo misaintsaina ireo fanontaniana any amin’ny fiafaran’ny fizarana.
Rehefa feno 17 taona i Joseph Smith dia nalahelo be izy noho ny fahafatesan’i Alvin zokiny lahy, izay tena tiany ary maminy tokoa. Ny fianakaviana Smith dia “nangataka mpitondra fivavahana Presbyteriana iray tany Palmyra, New York mba hitondra ny fotoana tamin’ny fotoam-pandevenana azy. Koa satria i Alvin dia tsy mpivavaka tao amin’ny fiangonan’ilay mpitondra fivavahana, dia nanambara ilay mpitondra fivavahana tao anatin’ny lahateniny hoe tsy afaka ny ho voavonjy i Alvin. Nitantara i William Smith, zandrilahin’i Joseph nanao hoe: -[Ilay pasitera] … dia nanantitrantitra mafy fa lasa any amin’ny helo i [Alvin], satria tsy vita batisa izy (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 401).
Mety ho henjana ny fandrenesana ny valintenin’ilay mpitondra fivavahana momba ny fahafatesan’i Alvin. Nifototra tamin’ny fahamarinana anefa ny fampianarany fa tsy maintsy manaiky an’i Kristy ary atao batisa ny olona rehetra mba ho voavonjy (jereo ny Jaona 3:5).
Tamin’ny 21 Janoary 1836, 12 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Alvin dia niara-nivory tamin’ny rainy sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith, tao amin’ny efitra ambony rihana an’ny Tempolin’i Kirtland izay efa akaiky ho vita. Nandritra io fivoriana io, ny Mpaminany dia nahita fahitana momba ny hoavy, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 ankehitriny.
“Gaga” i Joseph raha nahita an’i Alvin rahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy satria tsy mbola natao batisa i Alvin. Efatra taona taty aoriana, ny aogositra 1840, dia nanomboka nampianatra ny Olomasina ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty ny Mpaminany. Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra io fotopampianarana io tao amin’ny Testamenta Vaovao talohan’ny namerenan’ny Tompo izany tamin’ny androntsika (jereo ny 1 Korintiana 15:29).
Tao amin’ny taratasy iray ho an’ny vadiny, i Vilate Kimball dia nanoratra momba ny fientanentan’ireo Olomasina mikasika ity fotopampianarana vaovao naverina tamin’ny laoniny ity:
Ny Filoha Smith dia niresaka momba ny lohahevitra iray vaovao sy feno voninahitra. … Nilaza izy fa tombontsoa avy amin’ity fiangonana ity ny hatao batisa ho an’ireo havany rehetra izay maty talohan’ny nivoahan’ity filazantsara ity. … Rehefa manao izany isika dia lasa manao asa ho azy ireo, sy manome azy ireo ny tombontsoa handray anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany. Nilaza izy fa hotoriana amin’izy ireo ny Filazantsara ao amin’ny Tranomaizina. … Hatramin’ny nitoriana io lamina io dia nisamboaravoara tsy tapaka ny rano. Nandritra ny fihaonambe dia nisy loholona valo ka hatramin’ny folo tao anatin’ny renirano nifandimby nanao batisa. … Moa ve tsy fotopampianarana feno voninahitra tokoa izany? (Vilate Kimball, ao amin’ny Janiece Johnson and Jennifer Reeder, The Witness of Women: Firsthand Experiences and Testimonies from the Restoration [2016], 181)
Azo antoka fa nahatsapa fifaliana lehibe ny fianakaviana Smith rehefa natao batisa ho an’i Alvin rahalahiny i Hyrum.
Ny taona nanaraka, tamin’ny 1841, dia nanambara ny Tompo fa “ity ôrdônansy ity dia an’ny tranoko” ary rehefa vonona ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly dia tokony hatsahatry ny Olomasina ny fanaovana batisa ho an’ny maty ao anaty renirano (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124: 29–34). Nanome torolalana fanampiny momba ny fanavotana ny maty i Joseph Smith tao anatin’ny taratasy roa nosoratany ho an’ny Olomasina raha niafina izy noho ny fiampangana diso. Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 sy 128 ny votoatin’ireo taratasy ireo. Nampianatra ny Mpaminany fa rehefa tanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny ôrdônansin’ny filazantsara, toy ny batisa ho an’ny maty, ary hazonina araka ny tokony ho izy ny firaketana an-tsoratra dia amin’izay ihany no fehezina eto an-tany sy any an-danitra ilay ôrdônansy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–7; 128:1-9).
Fizarana 2
Inona no nambaran’ny Tompo bebe kokoa momba ny fanavotana ny maty tao amin’ilay fahitana nomeny ny Filoha Joseph F. Smith?
Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nanohy nanambara fahamarinana momba ny drafiny hanavotra ny maty “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12 ny Tompo). Tamin’ny taona 1918 dia nahazo fahitana izay nitondra fahamarinana fanampiny momba ny fanavotana ny maty ny Filoha Joseph F. Smith. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 izany fahitany izany.
Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôsôtôly Roambonifolo dia nanazava ny fomba nanomanana ny Filoha Joseph F. Smith mba handray io fahitana miavaka io:
Nandritra ny androm-piainany ny Filoha Smith dia namoy ny rainy [fony izy 5 taona], ny reniny [fony izy 13 taona], rahalahy anankiray, anabavy anankiroa, vady roa ary zanaka telo ambin’ny folo. Zatra fahoriana sy famoizana olon-tiana izy. …
Tena nampahory azy tokoa [ny taona 1918]. Nalahelo izy noho ireo aina nafoy tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izay tsy nitsaha-nitombo ka olona 20 tapitrisa mahery no maty. Tetsy andanin’izany ihany koa dia nihanaka nanerana izao tontolo izao ny valan’aretina gripa mahery vaika ary nahafaty olona mihoatra ny 100 tapitrisa izany.
Nandritra io taona io no namoizan’ny Filoha Smith olona telo sarobidy … tao amin’ny fianakaviany. Ny Loholona Hyrum Mack Smith tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay zanany lahimatoa sady raibeko, dia maty tampoka noho ny appendicite vaky.
Nanoratra ny Filoha Smith hoe:“Tankina aho—[vonton’] alahelo!… Vaky ny foko; ary toa tsy manana hery iainana! … Indrisy! Tiako izy! … Avy amin’ny fanahiko lalina no hisaorako an’ Andriamanitra ho azy! Saingy indrisy! Nila azy aho! Nila azy isika rehetra! Nilain’ny Fiangonana tokoa izy. … Ary ankehitriny, … Indrisy! Inona no azoko atao! … Indrisy! Ampio aho Andriamanitra ô! …”
Ary dia araka izany, tamin’ny 3 ôktôbra 1918, rehefa niaina alahelo lalina noho ny olona an-tapitrisany maty maneran-tany noho ny ady sy ny valan’aretina ary koa noho ny nahafatesan’ireo tao amin’ny fianakaviany, dia nandray ilay fanambarana avy any an-danitra ny Filoha Smith, izay antsoina hoe “ny fahitana momba ny fanavotana ny maty.” (M. Russell Ballard, “,Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty” Liahona, nôv. 2018, 72)
Nahazo ny fahitana avy tamin’ Andriamanitra i Joseph F. Smith rehefa nisaintsaina ny sorompanavotan’ny Mpamonjy sy namaky ny famaritan’ny Apôstôly Petera ny asa fanompoan’i Jesoa tao amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny Fanomboana Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11).
Tamin’ny toe-javatra hafa, ny Filoha Smith dia nampianatra fa ny vehivavy mahatoky dia voantso koa hitory ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo Gospel Doctrine, ed. faha-5[1939], 461).
Fizarana 3
Ahoana no ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny asa fanavotana ny maty manampy ahy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?
Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanambara hoe: “Heveriko fa ny asa isoloana tena ho an’ny maty dia saika manakaiky ny sorona masin’ny Mpamonjy mihitsy noho ny asa hafa fantatro. …” [“Excerpts from Recent Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, Jan. 1998, 73]
Isika tsy mahatombina te hanavotra ny maty, ary ny fotoana sy ny loharanom-pitaovana afointsika hanatanterahana izany fanoloran-tena izany no tena fanehoana indrindra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy. Izany dia mandrafitra ny fanambarana mahery vaika indrindra izay azontsika atao mahakasika ny maha-Andriamanitra Azy sy ny asa masina nanirahana Azy. …
Maneho ny tsy maha-manam-petra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fikarohana ireo razambentsika sy ny fanatanterahana ho azy ireo ny ôrdônansin’ny famonjena izay tsy ho azon’ny tenany manokana tanterahina. (D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, Nov. 2000, 10)