“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manafaingana ny asany ny Tompo,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokinʼny mpampianatra (2019)
“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Manafaingana ny asany ny Tompo
Miaina ao anatin’ny fotoana iray izay hanafainganan’ny Tompo ny asa famonjeny isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73). Ity lesona ity dia natao mba hankaherezana ny finoan’ny mpianatra fa ny asan’ny Tompo dia handroso hatrany na dia eo aza ny fanoherana ary natao ihany koa mba hanampiana ny mpianatra hamolavola drafitra hanampiany amim-pahazotoana kokoa ny Tompo amin’ny fanafainganana ny asany.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nampianatra i Joseph Smith fa ny asan’ny Tompo dia handroso hatrany na dia eo aza ny fanoherana.
Asehoy ny mpianatra ny sarin’ny trano hazon’i Peter Whitmer Rainy (jereo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana) dia angataho izy ireo hizara izay fantany momba ny fitomboan’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny hatramin’ny nijoroany tamin’ny 1830. (Afaka mijery ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra.)
-
Inona no voalazan’ireo mpaminany momba ny hoavin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fahatakarana ny momba ny hoavin’ny Fiangonan’ny Tompo?
Hazavao fa tamin’ny 1842 dia nanoritsoritra ny hoavin’ny filazantsara sy ny Fiangonan’ny Tompo i Joseph Smith raha nanoratra taratasy iray izy ho setrin’ny fangatahana fampahalalana momba ny zavatra inoan’ny Fiangonana nataon’i John Wentworth, izay mpamoaka lahatsoratra ao amin’ny gazetiboky iray tao Chicago Illinois. Tao amin’io taratasy io ny Mpaminany dia nanoritsoritra ny “fijoroana, fivoarana, fanenjehana, ary finoan’ireo Olomasin’ny Andro Farany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 437).
Asehoy ity santionany amin’ilay taratasy ity dia mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:
Natsangana ny Fitsipiky ny Fahamarinana; tsy misy tanana tsy masina afaka hampitsahatra ny asa tsy handroso; afaka masiaka ny fanenjehana, afaka mikaon-doha ny mpanakorontana, afaka mivondrona ny tafika, afaka manaratsy ny fanosoram-potaka, fa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana sy amim-boninahitra ary mahaleo tena mandra-pitsofok’izany any amin’ny kaontinanta rehetra, nitsidika ny faritra rehetra, nandalo ny firenena rehetra, ary ren’ny sofina rehetra, mandra-pahatontosan’ny tanjon’ Andriamanitra, ary ilay Jehovah Lehibe hilaza hoe vita ny asa. (Teachings: Joseph Smith, 444)
Raha ilaina dia hazavao fa ny fanosoram-potaka dia hoentina hilazana zavatra diso mba haharatsy laza ny olona iray.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana momba ny asan’ Andriamanitra avy amin’ilay zavatra nolazain’i Joseph Smith sy ny zavatra nohalalininao tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia asehoy ity fahamarinana manaraka ity: Na dia eo aza ny fanoherana dia handroso hatrany ny asan’ Andriamanitra mandra-pahatontosan’ireo tanjony.)
Hazavao fa ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona fa mbola eo an-dalam-pahatanterahana ny faminanian’i Joseph Smith amin’izao androntsika izao. Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy.
Nasiaka ny fanenjehana. Niezaka nanaratsy ny fanosoram-potaka sy ny lainga ary ny fandikana vilana. Kanefa dia isaky ny folo taona, nanomboka tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny ka hatramin’izao dia nitohy nandroso “[t]amim-pahasahiana sy [t]amim-boninahitra ary [n]ahaleo tena” ny fahamarinan’ Andriamanitra. Ilay Fiangonana kely izay nijoro ny taona 1830 tamin’ny alalan’ny mpikambana izay azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana dia nitombo ho Olomasin’ny Andro Farany [an-tapitrisany] any amin’ny firenena samihafa maneran-tany ankehitriny, ary isika dia eo an-dalana hiditra ireo kaontinanta rehetra, sy hamangy ny vohitra tsirairay ary hanenika ny firenena tsirairay sy hanakoako amin’ny sofina tsirairay.
Asan’ Andriamanitra ity, ary ny asan’ Andriamanitra dia tsy ho voasakana. (M. Russell Ballard, “Hitohy handroso ny fahamarinan’Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2008, 83)
Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo iray minitra ny mpianatra hisaintsaina momba azy ireo mialoha ny hamaliany.
-
Inona avy ireo ohatra sasany avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na amin’izao androntsika izao izay maneho fa, na dia eo aza ny fanoherana, dia mitohy mandroso hatrany ny asan’ Andriamanitra?
-
Manampy anao hiomana hiatrika ny fanoherana ny zavatra inoanao amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra?
Manafaingana ny asany ny Tompo.
Asehoy ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity, izay nolazainy fony izy Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Indraindray isika mihevitra ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laonin’ny ho toy ny efa vita, sy efa nitranga tany aloha—Nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith, nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana izy, najoro ny Fiangonana. Kanefa raha ny marina dia zavatra mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny, ary miaina ao anatiny mihitsy isika amin’izao fotoana izao. (Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory ve ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny?” Liahona, mey 2014, 59)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra fa mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny?
Hazavo fa tany amin’ny faraparan’ny desambra 1832 dia nandidy ny loholona tany Kirtland Ohio mba hiomana “handeha any anivon’ny Jentilisa indray mandeha farany” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:84).
Vakio miaraka amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73–74, 80–81, ary asao izy ireo hieritreritra ny hanisy marika ny fampanantenana avy amin’ny Tompo sy ireo didy mifandraika amin’izany.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fampanantenana ity dia asao izy ireo hamaky izao teny manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson izao izay hita any amin’ny teny fampidirana an’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ity lesona ity:
Andro mampientanentana izao andro izao. Manafaingana ny asany eo ambanin’ny masontsika ny Tompo. Tena mahafaly be izany. Ary tena mafy ihany koa. Takina betsaka ny tsirairay avy amintsika—mihoatra noho ny hatrizay. Ary betsaka ihany koa ny zavatra omena antsika. (Russell M. Nelson, “Personal Invitation,” ChurchofJesusChrist.org)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ireo sy avy amin’ny teny nolazain’ny Filoha Nelson momba ny anjara asantsika amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo? (Mety hizara hevitra mitovy amin’ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Manana ny andraikitra ny handray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo isika.)
Asao ny mpianatra hieritreritra momba ireo lafin-javatra ao amin’ny asa famonjen’ny Tompo izay nianaran’izy ireo avy tamin’ity fandaharam-pianarana ity ny momba azy. Azonao atao ny manao famerenana kely momba ny fandaharam-pianarana na azonao tanisaina ireo lohatenin-desona mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ireo lohahevitra manan-danja. Azonao angatahana ihany koa ny mpianatra hizara izay zavatra nanaitra azy ireo momba ireo andalan-tsoratra masina sy fanasana avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana hita ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.
-
Inona avy ireo lafin-javatra sasany ao amin’ny asa famonjen’ny Tompo izay andraikitsika ny mandray anjara aminy? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ireo mpianatra. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fanangonana an’i Isiraely, ny fitoriana ny filazantsara, ny fanavotana ny maty, ny fanarahana ireo mpaminany, ny fahafoizana ho an’ny hafa, ny fanompoana, ny fanomezana fanampiana ny sahirana, ny fitsaohana any amin’ny tempoly, ary ny fanajana ny Sabata.)
-
Amin’ny fomba manokana tahaka ny ahoana no ahitanao ny fanafainganan’ny Tompo ny asany ao amin’ireo lajin-javatra izay notanisaintsika teo?
Asao ny mpianatra haka minitra vitsivitsy handinihana ombam-bavaka ny mety hanirian’ny Tompo azy ireo mba handray anjara mivantana amin’ny fanafainganana ny asany. Omeo fotoana izy ireo hanoratana drafitra ny amin’ny zavatra hataony mba hanampiana ny Tompo. Rehefa manoratra ny drafiny izy ireo dia azonao aroso ny hampidirana zavatra voafaritra tsara momba ny fomba sy ny fe-potoana hanaovany an’ilay asa.
Azonao atao ny manoratra ny drafitrao manokana mialoha ny fotoam-pianarana, izay hanoritsoritanao ny zavatra sasany ho ataonao (na hotohizanao ny fanaovana azy) mba handraisana anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo. Mialoha ny hanoratan’ny mpianatra ny drafiny dia hevero ny hizara ny anao mba ho atao ohatra.
Rehefa nomena fotoana sahaza ny mpianatra dia asao izy ireo hijoro ho vavolombelona momba izay nianarany sy tsapany teo am-pandraisany anjara amin’ity fandaharam-pianarana ity. Zarao fohifohy ny fijoroana ho vavolombelona sy toky anananao ny amin’ireo fitahiana izay ho azon’ny mpianatra rehefa manohy mandray anjara mavitrika amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo izy ireo.