“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahazo fahalalana ara-panahy,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)
“Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 3, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mahazo fahalalana ara-panahy
Indraindray isika dia mety hahita fampahalalana vaovao izay tsy ampoizintsika na mampametra-panontaniana mikasika ny fotopampianarana, na ny fomba amam-panao, na ny tantaran’ny Fiangonana. Ny fomba handrafetanao ny fanontanianao sy ny toerana hitodihanao mba hitadiavana valim-panontaniana dia afaka, na hampatanjaka, na hampihena ny finoanao. Rehefa mandalina ny fomba hahazoana fahalalana ara-panahy ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy rehefa mitady valim-panontaniana amin’ny fomban’ny Tompo ianao.
Fizarana 1
Tsy maninona ve izany hoe mametra-panontaniana mikasika ny Fiangonana izany?
Ny soratra masina dia mamporisika antsika hatrany mba hametra-panontaniana amin’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 1:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63). Raha mbola nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra hoe:
Ry namako tanora malala, olona mpametra-panontaniana isika. Tahaka izany foana isika hatrizay, satria fantatsika fa ny fametrahana fanontaniana dia mitondra any amin’ny fahamarinana. Izany no fomba niantombohan’ny Fiangonana, avy tamin’ny zatovolahy iray izay nanana fanontaniana maro. Raha ny marina dia tsy azoko antoka hoe afaka mahita ny fahamarinana ny olona iray raha tsy mametraka fanontaniana. … Ny fametrahana fanontaniana no hiavian’ny fijoroana ho vavolombelona. … Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena. Fa fiantombohan’ny fitomboana izany. (“The Reflection in the Water,” Church Educational System devotional [Nov. 1, 2009], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
Fifaliana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny manome antsika fahalalana sy fahatakarana. Mitombo ara-panahy isika rehefa mametra-panontaniana sy mitady valim-panontaniana amin-kitsim-po sy amim-pinoana. Tadidio hoe satria ny Tompo dia manampy antsika hino Azy, dia mety tsy hanome ny valim-panontaniana rehetra ho an’ny fanontaniana rehetra izay ananantsika eo amin’ny fiainana Izy. Raha ny marina dia tsy voatery hitady ny valin’ny fanontaniana rehetra isika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona sy hijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana. Fa ny fametrahana fanontaniana amin-kitsimpo dia afaka manampy antsika hanohy hianatra sy hivoatra.
Fizarana 2
Ahoana no fomba tian’ny Tompo hitadiavako valim-panontaniana sy hahazoako fahalalana ara-panahy?
Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka manampy anao hametraka fanontaniana sy hamaha olana amin’ny fomban’ny Tompo:
-
Manao asa amim-pinoana.
-
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
-
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.
Rehefa mandalina ireto fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy eto ambany eto ireto ianao dia hevero ny hanisy marika ireo fehezan-teny na hevitra manan-danja izay manaitra anao indrindra mba hahafahanao mizara izany ao an-dakilasy sy miresaka izany any aoriana.
Manao asa amim-pinoana
Ny finoana dia manomboka amin’ny finoana fa velona Andriamanitra, mahalala ny zavatra rehetra Izy, ary loharanon’ny fahamarinana rehetra. Manao asa amim-pinoana isika rehefa misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo sy ny fandalinana ireo fampianarany ary ny fankatoavana ireo didiny. Manasa antsika ny Tompo hoe “Aza miroanahana, fa minoa kosa” (Môrmôna 9:27). Rehefa mametraka lamina iray hanaovana asa amim-pinoana isika eo amin’ny fiainantsika isan’andro dia manorina fototra mafy orina eo amin’i Jesoa Kristy izay manome antoka fa hijanona ho matanjaka isika, na dia miatrika fanontaniana sy olana sarotra aza (jereo ny Helamàna 5:12).
Rehefa sendra fampahalalana na zavatra nolazaina izay tsy takatrao ianao na mitsapa ny finoanao dia tsy mila miahiahy ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny amin’ireo zavatra niainana ara-panahy tany aloha tany. Mandritra ny fotoana tahaka izany dia nanoro hevitra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Aza mikoropaka sy mitsoaka an-daharana. Aza manary ny fitokianao. Aza adinoina ny zavatra efa tsapanao. Aza miahiahy ny zavatra niainana [ara-panahy] izay efa nolalovanao” (“Remember How You Felt,” New Era, Aug. 2004, 6.) Fa izao kosa no ataovy: “hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (Jeffery R. Holland, “Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94).
Rehefa “[mihazona] mafy izay efa fantatrao” ianao dia tadidio fa ny fihetsika sy ny fikasana izay entinao mametraka ireo fanontaniana sy mitady valim-panontaniana dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahafahanao mianatra avy amin’ny Fanahy Masina. Io dingana io dia mitaky fanetrentena, hitsim-po, ary tena finiavana mba hampihatra ireo fahamarinana izay raisinao avy amin’ny Tompo.
Rehefa tojo tontolon’ny fivavahana feno “fifanjevoana sy ny adilahy teo anivon’ ireo fivavahana samy hafa” (Joseph Smith—Tantara 1:8) i Joseph Smith dia ho mora taminy ny ho lasa kivy sy hamela ny fony ho feno fisalasalana, ary “[h]ijanona ao amin’ ny haizina sy ny fifangaroan-kevitra” (andininy 13). Naleony kosa anefa nanadihady ny soratra masina ary dia tena nahavariana azy ilay hafatra hita ao amin’ny Jakoba 1:5 mba “hangataka amin’ Andriamanitra.” Nanao asa amim-pinoana izy ka nandeha tany anaty ala dia “nandohalika … ary nanomboka nanolotra an’Andriamanitra ny fanirian’ny fo[ny]” (Joseph Smith—Tantara 1:15). Novaliana tamin’ny fahitana avy any an-danitra ny vavaka tamin-kitsimpo nataony. Nandao ilay ala izy rehefa avy nianatra ho an’ny tenany manokana ny valin’ireo fanontaniany (andininy 20).
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Mba hamakafakana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo hevi-dehibe sy fanontaniana ary olana ara-piarahamonina mikasika ny fotopampianarana dia raisintsika amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy izy ireny. Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana ireo zavatra amin’ny fomba fahitan’ny Tompo azy ireny (jereo ny 1 Korintiana 2:5, 9–11). Io fomba io dia manampy antsika hihevitra ireo zavatra amin’ny fomba fijerin’ny Tompo fa tsy amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no zavatra efa fantatro momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny fomba hifandraisany amin’ireo zanany?” sy ny hoe “Inona avy ireo fampianaran’ny filazantsara izay mifandray amin’io foto-kevitra na olana io na manazava azy io?”
Ireo fanontaniana izay mifandray amin’ireo zava-nitranga ara-tantara dia tokony hofakafakaina ihany koa amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Mety hanampy ihany koa ny mamakafaka ireo fanontaniana ara-tantara ao anatin’ilay sahan-kevitra ara-tantara tena izy amin’ny alalan’ny fieritreretana ny kolontsaina sy ny fenitra nisy tamin’ny fotoanandro nitrangany fa tsy manery hampanjaka ny fomba fijery sy ny fitondrantena ankehitriny. Ohatra, raha nahita razambe izay niaina tany amin’ny taona 1800 ianao, izay nanambady teo amin’ny faha-14 na 15 taonany, dia mety horaisinao ho toy ny fanambadiana diso aloha loatra izany, raha tsy hoe mahatakatra ianao fa zavatra fahita mahazatra izany tamin’izany vaninandro izany.
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy mitondra ny hery manavotry ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana ary ny fotopampianarana ireo antsipirian-javatra ara-tantara. Ny hoe variana amin’ny antsipirian-javatra tsy dia manan-danja loatra ka tsy mahita ireo fahagagana mitranga amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia toy ny mandany fotoana amin’ny fandinihana boaty iray misy fanomezana ka tsy mahafantatra ny hatsaran’ilay fanomezana mihitsy.
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Alaivo sary an-tsaina hoe niampanga ny iray amin’ireo olona tianao ho nanao zavatra tsy mety ny olona tsy fantatra iray. Ahoana no hamantaranao raha milaza ny marina izy na diso fijery? Inona no mety ho loza ateraky ny finoana ilay olona tsy fantatra kanefa tsy nanao fanadihadiana lalina momba ilay zavatra?
Noho ny internet, dia afaka mahazo fampahalalana tsara tsy mbola nisy toy izany isika. Mifanindran-dalana amin’izany dia ampahitan’ny internet fampahalalana tsy azo antoka izay mitobaka an-keriny isika. Koa satria ny internet tsy manivana ho azy ireo fampahalalana mampivily lalana, na mamitaka, na diso ho antsika, dia tsy maintsy isika mihitsy no manivana izany. Nampitandrina ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa “Mila mailo isika rehefa mikatsaka fahamarinana sy misafidy ireo loharano” (“Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25).
Anisan’ny dingana nofidin’ny Tompo mba hahazoana fahalalana ara-panahy ny nametrahany loharano izay hanambarany fahamarinana sy fitarihana ho an’ny zanany. Ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra dia ahitana ny fahazavan’i Kristy, ny Fanahy Masina, ny soratra masina, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo olona mahatoky ao amin’ny fianakaviana. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ireo mpaminanin’ny Tompo eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao—dia loharanom-pahamarinana tena iankinan’ny aina. Nisafidy sy nanendry ireo olona ireo mba hiresaka eo amin’ny toerany ny Tompo.
Afaka mianatra fahamarinana amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana azo itokisana ihany koa isika. Na izany aza anefa dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana tsy azo itokisana ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana. Afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana ny fianarana mamantatra ireo loharano tsy azo itokisana sy miala amin’izany. Ireto fanontaniana sy torolalana manaraka ireto dia afaka manampy rehefa mamantatra ny maha-azo antoka ireo loharanom-pahalalana ianao: