“Fampidirana ny Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny: Bokin’ny mpampianatra (Taranja 225),” Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)
“Fampidirana ny Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny: Bokin’ny mpampianatra (Taranja 225),” Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny: Bokin’ny mpampianatra
Fampidirana ny Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny: Bokin’ny mpampianatra (Taranja 225)
Fampidirana ny Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny: Bokin’ny mpampianatra (Taranja 225)
Tongasoa eto amin’ny Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny! Misaotra anao nanaiky ilay fahafahana hanampy ny mpianatrao hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.
Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia manambara fa:
Ny tanjonay dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora mpitovo hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra. (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 1)
Inona avy ireo tanjon’ity fampianarana ity?
Ity taranja ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra:
-
Hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.
-
Hampitombo ny fanirian’izy ireo sy ny ezaka ataony mba hiaina ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara ary ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa.
-
Hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy hahazo traikefa amin’ny fandrefesana ny maha-azo antoka ireo loharanom-pahalalana.
-
Hamantatra sy hanazava fotopampianarana sy fanambarana ary zava-nitranga ara-tantara momba ny Famerenana amin’ny laoniny.
Toy ny ahoana ny firafitr’ilay boky?
Ny votoatin’ity boky ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahazo traikefa manan-danja sy mampahery azy ireo na any ivelan’ny efitrano fianarana na ao anatiny. Ny lesona tsirairay dia ahitana tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra.
Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia natao mba hohalalininao sy ny mpianatrao mba hanomanana ny fotoam-pianarana. Tafiditra ao anatin’izany ny sahan-kevitra ara-tantara sy sary mifanaraka amin’ny lesona, fampianarana avy amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary fizarana izay antsoina hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” izay manondro loharanom-pahalalana fanampiny mifandray amin’ny lesona.
Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia mirakitra ihany koa fanontaniana sy atrikasa izay natao mba hanampiana ny mpianatra hanatsara ny fomba entin’izy ireo mianatra ao an-dakilasy. Ohatra, ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 6 hoe “Ny Bokin’i Môrmôna —Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika,” dia omena fahafahana ianao sy ny mpianatrao handalina ireo fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fomba hanampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hitahian’izany ny fiainantsika amin’ny fomba maro fanampiny:
Nanampy anao hanakaiky an’ Andriamanitra kokoa tamin’ny fomba ahoana ny fandalinana sy fiainana ireo fampianarana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Inona avy ireo soratra masina sasantsasany avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao ho lasa tahaka Azy kokoa? Raketo an-tsoratra ao amin’ny toerana natokana ho amin’izany ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Miomàna hizara ao an-dakilasy ny zavatra tonga tao an-tsainao.
Ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra mikasika ny fiomanana sy ny ezaka atao amin-kitsimpo izay takiana mba hianarana misimisy kokoa:
Raha tena maniry ny handalina misimisy kokoa ianao, raha misokatra amin’ny fianarana ny fonao sy ny sainao, ary raha arahinao asa izany faniriana izany, dia hitahy anao ny Tompo. Rehefa manao ny anjaranao ianao, izany hoe mivavaka amim-pinoana, miomana, mandalina, mandray anjara mavitrika, ary manao izay tsara indrindra vitanao, dia hampianatra anao ny Fanahy Masina, sy hampitombo ny fahaizanao mampihatra ny zavatra nianaranao, ary hanampy anao ho lasa tahaka izay tian’ny Tompo hahatongavanao.. (“Learning for the Whole Soul,” Ensign or Liahona, Aug. 2017, 27)
Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra dia natao mba hanampiana ny mpampianatra hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany tamin’ny fanomanana nataony sy hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany sy ny fijoroany ho vavombelona momba ny Tompo sy ny filazantsarany haverina tamin’ny laoniny. Ao amin’ny fampidirana ho an’ny lesona tsirairay ianao dia hahita famariparitana ny vokatra andrandraina ho azo avy amin’ny lesona. Izy io dia arahan’ny hevitra enti-mampianatra izay haroso izay manolotra ny firafitry ny lesona, ny votoatiny, ireo fanampiana hoentina manao fifanakalozan-kevitra, ary ireo hevitra hoentina mampihatra.
Ity manaraka ity dia ohatra amin’ny fomba hisintonan’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra zavatra avy amin’ny fanomanana nataon’ny mpianatra, ary mbola avy amin’ny lesona 6 ihany:
Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra dia asao izy ireo hizara sy hanazava soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy azy ireo hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. (Ireo mpianatra izay nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia afaka mijery ny zavatra nosoratan’izy ireo any amin’ny fiafaran’ny fizarana 4.) Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra ao amin’ny vondrona misy azy mikasika ny hoe ahoana no hanampiana azy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa rehefa miaina ireo fampianarana voarakitra ao amin’ireo soratra masina izay nofidiny izy ireo.
Eo am-pamakianao ireo lesona ato amin’ity boky ity dia mifantoha tsara amin’ny fomba hisintonan’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra zavatra avy amin’ny fanomanana nataon’ny mpianatra. Ny fianteherana tsy tapaka amin’ny fiomanana nataon’ny mpianatra dia hanampy azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiomanana ho an’ny kilasy tsirairay.
Ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra dia maneho amin’ny alalan’ny ohatra ihany koa ireo zavatra fototra amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara (jereo ny Fampianarana sy fianarana ny filazantsara, 10, 23–31, 38–41). Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana ny mpianatra hamantatra sy hanakatra ary hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary ny fanasana azy ireo koa hanazava sy hizara ary hijoro ho vavolombelona.
Ahoana no ahafahako mifantoka amin’ny mpianatra sy manampy azy ireo hiaina zavatra manan-danja amin’ny fianarana ity taranja ity?
Hitahy ireo mpianatrao ianao amin’ny alalan’ny fiandrandrana sy ny famporisihana azy ireo hanatanteraka ny anjara asany amin’ny maha-mpianatra azy na any ivelan’ny toeram-pianarana na ao anatiny. Ireo fomba vitsivitsy azonao hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny fanomanana ataon’ny mpianatra, ny fanasana azy ireo hametraka fanontaniana momba ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana na ny lohahevitry ny lesona, ny fanomezana azy ireo fahafahana hanazava fotopampianarana sy fitsipika amin’ny teniny manokana sy hizara zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona mifanaraka amin’izany, ary ny fanasana azy ireo hiaina bebe kokoa ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.
Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Afaka ny ho mpampianatra mahery kokoa isika mihoatra noho izay ataontsika indraindray. Rehefa manatanteraka andraikitra mampatahotra toy izany ianao dia … tsarovy fa ny mpianatra dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Fa ny mpianatra dia afo ilaina arehitra. (Jeffrey R. Holland, “Angels and Astonishment” [Church Educational System Training Broadcast, June 12, 2019], ChurchofJesusChrist.org/broadcasts/article/article/2019/06/14holland)
Ny firafitry ny lesona izay aroso ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra dia tokony hanampy anao hanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra ao an-dakilasy mba hamantatra sy hanaraka ireo bitsiky ny fanahy. Ireo tahirin-kevitra ihany koa dia tokony hanampy anao hanasa ny mpianatra hampihatra ny zavatra ianaran’izy ireo sy sy ho tonga tahaka ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa. Diniho ity ohatra avy amin’ny Lesona 19 hoe “Fanavotana ny maty” ity:
Ity taranja ity dia narafitra ho fampianarana mandritra ny tapa-taona ary ahitana lesona 28 izay nosoratana mba hanaovana fotoam-pianarana maharitra 50 minitra. Raha indray mandeha isan-kerinandro ihany ny mpianatrao no mianatra mandritra ny 90 ka hatramin’ny 100 minitra dia mampianara lesona roa natambatra isaky ny fotoam-pianarana. Aza sahiran-tsaina amin’ny fampianarana ny votoatin-javatra rehetra ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra fa mifantoha kosa amin’ny fanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fotopampianarana na ireo fitsipika izay manan-danja indrindra amin’izy ireo sy amin’ny fanampiana azy ireo hiaina feno kokoa ireo fahamarinanao ireo.
Ahoana no ahafahako miomana amin’ny fomba mahomby mba hampianatra?
Hanampy anao ny Ray any An-danitra rehefa miomana ny hampianatra ireo zanany ianao. Ny ezaka ataonao mba hiaina amim-pahazotoana ny filazantsara dia hanampy anao ho mendrika hanana ny Fanahy amin’ny fiomananao hampianatra.
Rehefa miomana ianao dia mieritrereta fomba azonao hanamboarana ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatrao sy ny toe-javatra iainan’izy ireo. Araho ity torohevitra avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity rehefa mampifanarana ny lesona ianao:
Matetika ny Filoha [Boyd K.] Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, dia izay vao mampifanaraka ny lesona amin’izay ilaina. Raha mahafantatra tsara ny lesona nomena izay asaina ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy Masina isika mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakam-panahy mahazo antsika mba hanomboka amin’ny fampifanarahana ny lesona amin’izay ilaina fa tsy hanomboka amin’ny fanarahana izay efa misy ao. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka izay misy ao aloha vao mampifanaraka ny lesona amin’izay ilaina dia tena fomba tsara ahafahana mijanona amin’ny fototra azo antoka. (Dallin H. Oaks, “A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 7 aog. 2012], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
Mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenanao mandritra ny fiomananao hampianatra:
-
Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina?
-
Nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ve aho?
-
Mahatsapa ho vonona tsara ny hampianatra ny ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ve aho? Misy zavatra ilaiko amboarina ve mba hifanaraka tsara amin’ny zavatra ilain’ny mpianatro?
-
Ahoana no ahafahantsika mianatra avy amin’ny soratra masina amin’ny fomba mahomby ao an-dakilasy?
-
Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatra hifantoka amin’ny Mpamonjy sy hianatra avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity?
-
Ahoana no ahafahako manampy amin’ny fomba mahomby indrindra ny mpianatro mba hianatra sy hahatakatra ireo fitsipika mikasika ireo lafin-javatra ao amin’ny filazantsara ireo ary hahazo fijoroana ho vavolombelona bebe kokoa momba izany?
-
Inona no azoko atao mba hampidirana amin’ny fomba manan-danja ny zavatra izay nianaran’ny mpianatra avy amin’ny fanomanan’izy ireo ny fotoam-pianarana sy ny traikefa azony teo amin’ny fiainany?
-
Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara feno amin’ny lesona?
-
Ahoana no ahafahako manovaova ireo atrikasa hoenti-mianatra sy ireo fomba hoenti-mianatra izay ampiasaiko amin’ny fotoam-pianarana tsirairay?
-
Ahoana no ahafahantsika manorina tontolo ahafahana mianatra izay manasa ny Fanahy ary manome fahafahana sy andraikitra an’ireo mpianatra mba hifampianatra? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:78, 122.)
Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona amin’izay ilain’ireo manana fahasembanana?
Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Amboary ireo atsikasa sy ny zavatra andrandraina mba hampandraisana anjara azy ireo sy hanampiana azy hahomby (jereo ny pejy misy ireo Loharanom-pitaovana ho an’ny olona manana fahasembanana ao amin’ny disabilities.ChurchofJesusChrist.org).
Inona no andrasana amin’ireo mpianatra mba hahazoany ny isa tratrarina?
Mba hahazoana ny isa tratrarina izay mitondra mankany amin’ny fahavitan’ny fianarana dia takina ny mpianatra mba:
-
Handalina farafahakeliny ny 75 isan-jaton’ireo lesona ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.
-
Hanatrika ny 75 isan-jaton’ny fotoam-pianarana.
-
Hamita ny iray amin’ireo fomba fianarana: manao diary fandalinana, manoratra ny valin’ny fanontaniana famoronan-dahatsoratra miisa telo, na mamorona samirery dia mamita tetikasa iray momba ny fianarana (nahazoana lalana avy amin’ny mpampianatra) izay mifandray amin’ny votoatin’ilay taranja. Jereo ato ny antsipiriany bebe kokoa momba izany: ChurchofJesusChrist.org/si/institute/learning-experiences.
Raha mirakitra an-tsoratra ny valin’ny fanontaniana sy ireo atrikasa rehetra ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra, dia mahafeno ny fepetra takiana amin’ny fianarana ihany koa izany. Tsy mila mandefa ny valinteniny any aminao ny mpianatra. Mila mampiseho anao ny zavatra vitany fotsiny izy ireo amin’ny fifaranan’ilay enim-bolana.