Institiota
Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy: Mpanavotra Masintsika


“Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy: Mpanavotra Masintsika,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (20190)

“Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 9, Fitaovana ho an’ny mpampianatra

Jesoa Kristy: Mpanavotra Masintsika

Tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia nampianarina tamin’ny fomba mazava kokoa momba ny toetran’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy i Joseph Smith sy ireo Olomasina. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hampitombo ny finoany ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary hamantatra ny fomba hanasana feno kokoa ny heriny hiasa eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nianatra momba ny toetran’i Jesoa Kristy i Joseph Smith.

Fahitana Voalohany, nataon’i Walter Rane

Mampisehoa sary maneho ny Fahitana Voalohany. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa isan’ireo tanjona nahatonga an’i Joseph Smith nivavaka tamin’io fotoana io ny hanontany an’ Andriamanitra hoe fiangonana inona no tokony hidirany ho mpikambana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:13–19). Ao amin’ny fitantarany tamin’ny taona 1832 an’ilay fahitana anefa dia nilaza antony iray hafa nahatonga azy nankany amin’ilay ala mba hivavaka tamin’io andro io i Joseph.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Omeo fotoana fohy ny mpianatra hieritreretana ireo fotoana teo amin’ny fiainany izay nahatsapany ho nijaly noho ny fahotany sy ny fahalemeny. Dia angataho avy eo ny mpianatra hamaky mangina ny andian-pehezan-teny faharoa sy fahatelo ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Inona no nianaran’i Joseph momba ny toetry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Mpamindra fo sy mpamela heloka ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy.)

Hazavao fa nanohy nianatra momba ny toetran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ireo fanambarana avy Aminy i Joseph sy ny Olomasina. Asehoy ireto andinin-tsoratra masina ireto, na soraty eny amin’ny solaitrabe izany: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:10; 38:14; 58:42; 61:2; 62:1; 64:2–4. Omeo fotoana ny mpianatra hamakiana ny vitsivitsy amin’ireo andinin-tsoratra masina, ary angataho izy ireo hamaky izany toy ireny hoe miresaka aminy mivantana ireny ny Tompo. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba hampitomboan’ny tenin’ny Mpamonjy ao anatin’ireo andininy ireo ny fahatakaran’izy ireo momba ny toetrany tia mamindra fo sy mamela heloka. Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no tena manan-danja ho antsika ny mahatakatra fa mpamindra fo sy mpamela heloka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hazavao fa ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith dia iray amin’ireo zavatra niainana maro izay nanomana an’i Joseph hijoro ho vavolombelona lehibe an’i Jesoa Kristy. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa araka ny voalazan’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia i Joseph Smith no “mpanambara amin’ny fomba tsara indrindra an’i Jesoa Kristy amin’ny toetra marina ananany amin’ny maha-Mpanavotra masina Azy” (D. Todd Christofferson, “Ateraka indray,” Liahona, mey 2008, 79; nampiana sora-mandry).

  • Niova toy ny ahoana ny fahatakaranao sy ny fahatsapanao mikasika an’i Jesoa Kristy noho ny fisian’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny?

Sady tsy misy fetra no mahakasika ny tena manokana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith dia namela an’izao tontolo izao hahatakatra an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany amin’ny fomba izay tsy azo noheverina nandritra ny taon-jato maro. Ao anatin’ireo soratra masina maro izay mampianatra antsika mikasika ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho an’ny olombelona ireo fampianaran’i Almà sy Amioleka. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 34:10, 12, sy 14 dia hitady ny fomba namariparitan’i Amioleka ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy. Angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany.

Ataovy sary na asehoy ity kisary manaraka ity:

kisary, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, tapany 1
  • Amin’ny fomba ahoana no maha-”tsisy fetra sady mandrakizay” ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? (Amporisiho ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany avy amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Cecil O. Samuelson Zanany, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, dia angataho ny iray kilasy hihaino ireo teny nampiasainy mba hamaritana ny Sorompanavotan’ny Tompo:

Maharakotra tokoa an’izao tontolo izao sy ny olona rehetra hatrany am-boalohany ka hatrany amin’ny farany ny Sorompanavotany. Kanefa aoka isika tsy hanadino fa ao anatin’ireo zavatra voafehiny sy ny fahafenoany dia zavatra tena ho an’ny tena manokana ihany koa izany sy novolavolaina manokana mba hifanaraka tsara amin’ny toe-javatra iainantsika tsirairay avy. Fantatry ny Ray sy ny Zanaka tsara kokoa isika tsirairay mihoatra noho ny fahafantarantsika ny tenantsika ary nanomana sorompanavotana ho antsika Izy Ireo izay mifanaraka tanteraka amin’ny zavatra ilaintsika sy ny olantsika ary ireo zavatra izay ataontsika.

Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany an’ilay Zanany ary isaorana anie ny Mpamonjy noho ny Sorompanavotany. Marina sy misy fiantraikany izany ary hitondra antsika any amin’ny toerana tokony hisy antsika sy tiantsika haleha. (Cecil O. Samuelson Zanany, “Inona no dikan’ny Sorompanavotana ho Anao?Ensign, apr. 2009, 51)

  • Inona no teny nampiasain’ny Loholona Samuelson mba hamariparitana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Ampidiro eo amin’ilay kisary ny hoe an’ny tena manokana sy ireo teny hafa hitan’ny mpianatra:

kisary, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, tapany 2
  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatsiaro fa raha toa ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ka mipaka any amin’olona maro tsy hita isa sy any amin’ny tontolo maro, dia zavatra tena ho an’ny tena manokana ihany koa izany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa izy ireo tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny fitaovana hoenti-manomana ny lesona, dia nasaina mba hanisy marika ireo fahamarinana nanaitra azy ireo. Raha ilaina dia omeo fotoana kely ny mpianatra hijerena ireo soratra masina sy fampianarana avy amin’ny mpaminany izay nasian’izy ireo marika tao amin’io fizarana io.

  • Inona ireo fahamarinana nanaitra anareo dia nahoana? (Asehoy ireo fahamarinana ireo na soraty eny amin’ny solaitrabe.)

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia eritrereto ny hangataka azy ireo hamerina hilaza (sy hamerina hanoratra) ireo fitsipika amin’ny fombany manokana, amin’ny alalan’ny fampiasana ny hoe Izaho ahy, ary -ko. Mety hivaky toy izao manaraka izao ireo fahamarinana: Nalain’i Jesoa Kristy ho eo Aminy ireo fahotako, fahoriako, fanaintainako, ary fakam-panahy manjo ahy mba hahafantarany ny fomba hanampiany ahy. Lehibe tokoa ny hasarobidiko ka dia nijaly sy maty i Jesoa Kristy mba hahafahako mibebaka. Nijaly noho ny fahotako i Jesoa Kristy mba hahafahako mibebaka sy tsy hijaly tahaka Azy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana sy ny finoana ireo fahamarinana ireo manampy anao hanana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana tonga ao anatinao rehefa mieritreritra ny zavatra nijalian’ny Mpamonjy ho anao sy ny antony nanaovany izany ianao?

Asehoy ity fanontaniana manaraka ity: Inona no hataoko mba hanasana ny herin’i Jesoa Kristy hiasa feno kokoa eo amin’ny fiainako?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ombam-bavaka an’io fanontaniana io sy hanoratana valinteny iray ao amin’ny diariny na ny fandraisany an-tsoratra. Rehefa misaintsaina izy ireo dia hevero ny haneho ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity. Asao ny mpianatra hitady torohevitra izay afaka manampy azy ireo hanasa ny herin’ny Mpamonjy hiasa eo amin’ny fiainany:

Atombotsika amin’ny fianarana ny momba [an’i Jesoa Kristy] izany. “Tsy azo heverina ny hamonjena [antsika] ao amin’ny tsy fahalalana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:6]. Arakaraka ny ahafantarantsika momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41], izany hoe arakaraka ny ahatakarantsika ny fotopampianarany [jereo ny 2 Nefia 31:2–21] sy ny zavatra nataony ho antsika, no ahafantarantsika bebe kokoa fa Izy dia afaka manome ny hery izay ilaintsika ho an’ny fiainantsika. …

Rehefa manokana fotoana hianarana momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany isika dia manjary voasarika hanao zavatra iray hafa izay ilaina mba hahafahana mahazo ny heriny: misafidy ny hanam-pinoana Azy sy hanaraka Azy isika. …

Mampitombo ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika koa isika rehefa manao fanekempihavanana masina ka mitandrina tsara araka ny tokony ho izy ireo fanekempihavanana ireo. Ireo fanekempihavanana ataontsika dia mamatotra antsika Aminy ary manome antsika ny herin’ Andriamanitra. …

Rehefa mahafantatra ny Mpamonjy fa tena miandrandra Azy marina ianareo, rehefa tsapany fa ny fanirianareo lehibe indrindra dia ny hisintona ny heriny ho eo amin’ny fiainanareo, dia hotarihin’ny Fanahy Masina ianareo hahafantatra mazava tsara ny zavatra tokony hataonareo [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63]. (Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 39–42)

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa noho ny Sorompanavotany dia manana hery hanatanjahana, hankaherezana, hanasitranana, ary hamindrana fo sy hamelana heloka antsika i Jesoa Kristy.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ny mpianatra hieritreritra hoe mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainany raha tsy misy ireo mpaminany velona. Angataho ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra fanomanana ny fotoam-pianarana ary ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hiresadresaka ireo fitahiana azo avy amin’izany hoe tarihin’ny mpaminany velona izany.