“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Mpaminany Joseph Smith: Mpahita nofinidy” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)
“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Ny Mpaminany Joseph Smith: Mpahita nofinidy
Ny Tompo dia namariparitra ny Mpaminany Joseph Smith ho “mpahita nofinidy” izay hitondra ny olona ho amin’ny fahalalana ireo fanekempihavanan’ny Tompo (2 Nefia 3:7–8). Na izany aza dia efa hatrany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny no naneken’i Joseph Smith ireo fahatsapany ho tsy manam-pahalalana. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto ny fomba mety hamalianao amim-pinoana ireo antso avy amin’ny Tompo, na eo aza ireo fahalemenao. Saintsaino ihany koa ny fomba hamalianao an’ireo izay hanakiana an’i Joseph Smith noho ny fahalemeny.
Fizarana 1
Inona no azoko ianarana avy amin’i Joseph Smith momba ny fahafahako manokana hanompo ny Tompo?
Tamin’ny naha-tovolahy azy dia nahatsapa ho tototry ny antsony avy tamin’ny Tompo i Joseph Smith. Hoy izy momba ny tenany:
Nijoro irery aho, tanora tsy nahita fianarana, mba hiady amin’ny fahendren’izao tontolo izao … miaraka amin’ny fanambarana vaovao. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith[2007], 60)
Tovolahy tsy fantatra aho, … ka ny toe-javatra teo amin’ny fiainana dia nahatonga ahy ho tovolahy tsinontsinona ho an’izao tontolo izao, … teren’ny fahasahiranana hanana antom-pivelomana tsy zarizary amin’ny asa isan’andro. (Joseph Smith—Tantara 1:21–23)
Nihevitra i Joseph fa “hafahafa” izany hoe “ireo olona ambony fari-piainana anefa dia nanamarika ahy ihany ka nanaitra ny saim-bahoaka mba hiantsy fanenjehana mangidy” (Joseph Smith — Tantara 1: 22–23).
Alao sary an-tsaina ny fahatsapana mety ho nananan’i Joseph rehefa nandika ny 2 Nefia 3 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ary nianatra avy tamin’i Lehia fa i Josefa avy any Egypta dia naminany momba ny “mpahita nofinidy” iray amin’ny andro farany.
Tao anatin’ny fanambarana iray taty aoriana dia nohazavain’ny Tompo ny antony iray izay nisafidianany sy niantsoany an’i Joseph ho mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny:
Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry Joseph Smith mpanompoko: Izaho dia tena mankasitraka ny fanatitrao…; fa ho amin’izao tanjona izao no efa nananganako anao, dia ny hahazoako maneho ny fahendreko amin’ny alalan’ireo zava-malemy amin’ny tany. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1)
Raha naneho hevitra momba io andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny 2 Nefia 3 io ny Loholona Marcus B. Nash ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izy hoe:
Toa tsy mampino izany hoe hiantso ny malemy ny Tompo mba hanatontosa asa lehibe. Kanefa ireo izay miaiky ny fahalemen’izy ireo dia afaka ny ho amporisihin’izany fahalemena izany indrindra mba hitadiavana ny tanjaky ny Tompo. Ireo izay manetry tena amim-pinoana dia hampatanjahan’ Ilay manana ny hery rehetra any an-danitra sy ny tany (jereo ny Matio 28:18; Môzià 4: 9).
Hatramin’ny andro fahatanorany dia nanatona ny Tompo i Joseph Smith mikasika ireo zavatra ireo. …
I Joseph dia namariparitra ny tenany ho “zazalahy tsy fantatra … izay teren’ny fahasahiranana hanana antom-pivelomana tsy zarizary amin’ny asa isan’andro” (Joseph Smith — Tantara 1:23). Teraka tao anaty rafitry ny fiaraha-monina nanana fari-piainana ambany izy ary voafetra ny fanabeazana nananany. …
Tsapan’i Joseph mafy ny tsy fahampian’ny fanabeazana azony ka nitaraina izy indray mandeha fa voafandrika tao amin’ny “fonja tery kely saika toy ny haizina tanteraka [sic] rakofan’ny taratasy, penina sy ranomainty ary fiteny mibadabada sy tsy lavorary.” Na teo aza izany dia nantsoin’ny Tompo izy handika ny Bokin’i Môrmôna—ny 588 pejy rehetra araka izay natonta tany am-boalohany—izay nataony tao anatin’ny 90 andro latsaka! …
Eny, lohahevitra anankiray an’ny Bokin’i Môrmôna—sy teo amin’ny fiainan’ny Mpaminany Joseph—ny hoe ny malemy izay mikatsaka am-panetrentena ny Tompo amin’ny finoana dia atao matanjaka, mahery mihitsy aza, amin’ny asan’ny Tompo. Ity fampatanjahana ity dia hitranga na dia amin’ny zavatra heverina ho madinika aza. …
… Misy lesona iray hafa sy manokana kokoa: raha toa isika ka hiaiky ireo fahalementsika, toa an’i Joseph, ary hitodika amin’ny finoana amin’ny Tompo amin’ny fontsika rehetra, tapa-kevitra ny hanao ny sitrapony, isika koa dia hatao matanjaka avy amin’ny fahalemena. Tsy voatery midika izany fa voafafa ilay fahalemena eto amin’ny fiainana an-tany—saingy midika kosa izany fa hampatanjaka ny olona toy izany Andriamanitra. (“Joseph Smith: Strength Out of Weakness,” Ensign, Dec. 2017, 55–56, 58)
Fizarana 2
Inona no nolazain’ireo izay nifankahalala akaiky tamin’i Joseph Smith momba azy sy ny toetrany?
Ny Tompo dia nanambara tamin’i Josefa tany Egypta fa ny taranany dia hanome voninahitra be ny Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny (jereo ny 2 Nefia 3:7). Nanambara ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Ny olona izay nahafantatra an’i Joseph Smith sy niaraka taminy teo akaikiny tao amin’ny fitarihana ny Fiangonana dia tia sy nanohana azy ho mpaminany. Nisafidy ny ho faty teo akaikiny i Hyrum rahalahiny. I John Taylor, izay niaraka taminy koa tamin’ny namonoana azy, dia nilaza hoe: “Mijoro ho vavolombelona aho manoloana an’ Andriamanitra sy ireo anjely ary ny olona, fa olona tsara sy mendri-kaja ary tsara toetra izy …—fa fakan-tahaka ny toetrany manokana sy ny toetrany amin’ny olona—ary niaina sy maty tamin’ny naha olon’ Andriamanitra azy izy” (The Gospel Kingdom [1987], 355; jereo koa ny F&F 135:3). Nanambara i Brigham Young hoe: “Tsy mino aho hoe misy lehilahy miaina eto an-tany ka nahafantatra an’i [Joseph Smith] kokoa noho izaho; ary sahy aho milaza fa, ankoatra an’i Jesoa Kristy, dia tsy misy olona tsara noho izy izay niaina na miaina eto an-tany” (tao amin’ny Journal of Discourses, 9:332). (Dallin H. Oaks, “Joseph, The Man and the Prophet,” Ensign, May 1996, 71)
I Jane Snyder Richards dia nilaza momba ny toetran’i Joseph nanao hoe:
I [Joseph Smith] dia iray amin’ireo olona manana toetra tena manintona indrindra izay nifanena tamiko. … Amin’ny maha-Mpahita sy Mpanambara azy dia tsy natahotra izy ary sahy niteny, nefa nanetry tena, tsy nieritreritra mihitsy ho nihoatra noho ny mpitondra-teny, ka tamin’ny alalany no nitenenan’ Andriamanitra. Amin’ny maha-Mpitarika ny olony azy dia navitrika sy nandroso foana izy, nefa nanetry tena hatrany sy nihevitra ny momba azy ireo sy ny fahasahiranana niainan’izy ireo. (Jane Snyder Richards, tao amin’ny “Joseph Smith, the Prophet,” Young Woman’s Journal, Dec. 1905, 550)
I Edwin Holden dia nitantara fa feno ny fitiavan’ Andriamanitra ny Mpaminany, vonona hampahery sy hitahy ny hafa:
Tamin’ny 1838 dia nanao kilalao isan-karazany teny an-tokontany, anisan’izany ny lalao baolina, i Joseph sy ny tovolahy sasany. Dia nanomboka reraka izy ireo. Hitany izany, dia nantsoiny izy ireo ka nolaizainy hoe: “Andao isika hanamboatra trano hazo.” Dia lasa izy ireo, i Joseph sy ireo zatovolahy, ka nanamboatra trano hazo ho an’ny vehivavy mpitondratena iray. Toy izany no fomban’i Joseph, nanampy hatrany araka izay azony natao. (The Juvenile Instructor, Mar. 1, 1892, 153)
I Eliza R. Snow dia nanoratra momba ny fanetrentena sy ny fahamarinan’ny Mpaminany:
Nipetraka tao amin’ny fianakavian’i Joseph Smith aho, ary nampianatra ny fianakavian’izy ireo, ka nanana fahafahana maro hanamarihana ny “fombany sy ny firesahany isan’andro” amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy; ary arakaraka ny nahafantarako azy no namantarako bebe kokoa fa mpaminanin’ Andriamanitra izy… Nanetry tena toy ny ankizy kely izy teo amin’ireo fanoloran-tenany. (Eliza R. Snow, “Sketch of My Life,” Relief Society Magazine, Mar. 1944, 136)
I Mary Frost Adams dia nahatsiaro ny iray tamin’ireo asa soa nataon’i Joseph:
Raha ben’ny tanàna tao Nauvoo i Joseph, dia nisy Olomasin’ny Andro Farany mainty fihodirana iray nantsoina hoe Anthony nosamborina noho ny fivarotana toaka tamin’ny Sabata, izay nifanohitra tamin’ny lalàna. Nataon’i Anthony izany mba hanangonana vola hividianana ny fahafahan’ny zanany izay andevo tany Atsimo. Nividy ny vadiny sy ny fahafahany izy ary teo dia te haka ny zanany hiaraka amin’izy ireo. Na dia tsara aza ny tanjon’i Anthony dia nilaza ny Mpaminany hoe: “Miala tsiny aho ry Anthony, fa tsy maintsy ankatoavina ny lalàna, ary tokony handoa onitra isika.” Na izany aza, “ny ampitson’iny, dia nanolotra soavaly tena tsara ho an’i Anthony ny Rahalahy Joseph, ka nasainy nivarotra izany izy ary hampiasa ilay vola azo tamin’izany hividianana ilay zaza.” (“Joseph Smith, the Prophet,” Young Woman’s Journal, Dec. 1906, 538)
Fizarana 3
Inona no tokony asetriko rehefa sendra fampahalalana ratsy momba ny Mpaminany Joseph Smith aho?
Na vao nanomboka aza ny asan’i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara dia efa nambara mialoha tamin’ny faminaniana fa maro no hanaratsy azy sy hiampangana azy ho manao asa ratsy sy manana tanjona ratsy. Noraketin’i Joseph Smith tao amin’ny tantarany ny faminaniana iray natolotry ny anjely Môrônia rehefa niseho tamin’i Joseph tamin’ny 1823 izy. Vao 17 taona i Joseph tamin’izany fotoana izany.
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanolotra fomba ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany mamaly ireo tsikera manohitra ny Mpaminany Joseph Smith:
Tokony hahagaga antsika ve ny fanaratsiana [an’i Joseph Smith]? Nantsoina hoe very saina ny Apôstôly Paoly [jereo ny Asan’ny Apostoly 26:24]. Nopetahana anarana hoe fatra-pitia hanina sy mpisotro divay ary manana demonia ilay Mpamonjy Malalantsika, dia ilay Zanak’ Andriamanitra [jereo ny Matio11:19; Jaona 10:20]. …
Maro amin’ireo izay tsy mino ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny no tsy mino tsotra izao fa afaka miresaka amin’ny olona ety an-tany ny olona avy any an-danitra. Tsy azo heverina hoy izy ireo ny nisian’izany hoe takela-bolamena naterin’ny anjely iray ary nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra izany. Noho izany tsy finoana izany dia mitsipaka haingana ny fijoroan’i Joseph ho vavolombelona izy ireo ary mampalahelo fa misy aza olona vitsivitsy izay manao ratsy amin’ny alalan’ny fanalana baraka ny fiainan’ny Mpaminany sy milaza lainga mikasika ny toetrany. …
Ho an’ireo fanontaniana momba ny toetran’i Joseph dia afaka mizara ny tenin’ireo olona an’arivony nahafantatra azy manokana isika ary nanolotra ny ain’izy ireo hanaovana ny asa izay napetrany. …
Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra isika fa tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. Ny fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra toy ny ahoana aza, dia tsy marina tsotra izao. …
Azontsika atao ny mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra fa ireo fampahalalana mikasika an’i Joseph, na marina aza, dia mety haseho amin’ny endriny mivaona tanteraka amin’ny hevitra nofonosiny tamin’ny andro niainany sy ny toe-javatra niainany. …
Ny mpino tsirairay dia mila fanamafisana ara-panahy mikasika ny iraka masina nampanaovina ny Mpaminany Joseph Smith sy mikasika ny toetrany. Marina izany ho an’ny taranaka rehetra izay mifandimby. Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy. …
Mety ho tonga amintsika tsirairay amin’ny fomba samy hafa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith. Mety ho tonga izany rehefa mandohalika mivavaka ianao ary mangataka amin’ Andriamanitra mba hanamafisany fa mpaminany marina i Joseph Smith. Mety ho tonga izany rehefa mamaky ny fitantaran’ny Mpaminany ny Fahitana Voalohany ianao. Mety hirotsaka ao amin’ny fanahinao ny fijoroana ho vavolombelona iray rehefa mamerimberina mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. … Ho mafy orina amin’ny alalan’ny finoana sy ny hitsimpo ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith. (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 28–31)