“Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)
“Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana
Eritrereto ny fotoana farany nandraisanao anjara tamin’ny ôrdônansin’ny fisoronana iray na nahazoanao tsodranon’ny fisoronana. Inona no tsapanao nandritra izany zavatra niainana izany? Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny fomba nanomezan’ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana anao fahafahana hahazo ireo fitahiana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
Fizarana 1
Tamin’ny fomba ahoana no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana teto an-tany?
Nanana fanontaniana momba ny fahefan’ny fisoronana i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery teo am-pandikan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Namaky tao amin’ny 3 Nefia i Joseph sy i Oliver fa rehefa avy nampianatra an’ireo mpianany Nefita roa ambin’ny folo i Jesoa dia nomeny ny fahefan’ny fisoronana hanaovana batisa ireo mpianatra avy eo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68; 3 Nefia 11:21–27).
Nahakasika an’i Joseph sy i Oliver ireo fampianarana ireo. … I Joseph … dia tsy mbola natao batisa mihitsy, ka dia naniry hahafantatra misimisy kokoa mikasika io ôrdônansy io sy ny fahefana ilaina hanatanterahana izany.
Tamin’ny 15 mey 1829, dia nisava ny orana ary nandeha tany an’ala i Joseph sy i Oliver, teo akaikin’ny Renirano Susquehanna. Nandohalika izy ireo ary nanontany an’ Andriamanitra mikasika ny batisa sy ny famelana ny fahotana. Raha nivavaka iny izy ireo dia nanambara fiadanana tamin’izy ireo ny feon’ilay Mpanavotra, ary nisy anjely niseho tao anaty rahom-pahazavana. Nilaza izy fa izy no Jaona Mpanao Batisa ary nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohan’izy ireo. Heniky ny hafaliana ny fon’izy ireo rehefa nanenika azy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra.. (Olomasina: ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 66–67)
Dia nomen’i Jaona Mpanao Batisa azy ireo tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny Fisoronana Aharôna, araka ny voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13.
Fotoana fohy taorian’ny nandraisan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Fisoronan’i Aharôna avy amin’i Jaona Mpanao Batisa, dia nandray ny Fisoronana Melkizedeka avy amin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13). Tsy fantatra ny daty mazava tsara nisehoan’io zava-nitranga io. Na izany aza dia milaza ny porofo ara-tantara izay misy fa nitranga tamin’ny mey na jona tamin’ny taona 1829 izany.
Nampahafantatra misimisy kokoa tsikelikely momba ny fisoronana sy ny asan’izany ny Tompo ary nandefa iraka izay nanome fanalahidin’ny fisoronana fanampiny ho an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Ity tabilao manaraka ity dia maneho ny famerenana amin’ny laoniny.
Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany
Daty |
Iraka avy any an-danitra sy fanambarana |
Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany |
---|---|---|
Daty 1829 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana Jaona Mpanao Batisa | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Manome tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny fahefana sy ny fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13) |
Daty 1829 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana Petera sy Jakoba ary Jaona | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanome tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanalahidin’ny fanjakana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13) |
Daty 1830 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanambara ny dingana arahina hanaovana ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, ary nitanisa ny adidin’ireo mpihazona ny fisoronana |
Daty 1832 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanambara ny tantara sy ny tanjona ary ny fanekempihavanan’ny fisoronana |
Daty 1831, 1835 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanambara ny anarana, ny fitantanana, ary ny firafitr’ireo anjara fanompoana sy kôlejin’ny fisoronana |
Daty 1836 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana Mosesy | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanome ny fanalahidy hanangonana ny mpianakavin’i Isiraely (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11) |
Daty 1836 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana Elià | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanome “ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12) |
Daty 1836 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana Elia | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanome ny fanalahidin’ny herin’ny famehezana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16) |
Daty 1839 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanambara fahalalana mikasika ny fitondran-tenan’ireo mpihazona ny fisoronana |
Daty Tsy fantatra | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana Adama, Gabriel, Rafaela, ary anjely isan-karazany | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanambara ny fotoampitantanan’izy ireo, sy ny zony, sy ny fanalahidiny ary ny herin’ny fisoronan’izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:21) |
Daty 1978 | Iraka avy any an-danitra sy fanambarana | Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana ary ny fahalalana momba izany Nanambara fa afaka mandray ny fisoronana ny mpikambana lehilahy mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy |
Fanamarihana: Horesadresahina bebe kokoa ao amin’ny lesona 16 hoe “Ny tempolin’i Kirtland sy ny fanalahidin’ny fisoronana” ny dikan’ireo fanalahidin’ny fisoronana manokana.
Fizarana 2
Inona no ifandraisan’ny fahefan’ny fisoronana amin’ny fanalahidin’ny fisoronana?
Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith hoe:
Ny fisoronana amin’ny ankapobeny dia fahefana omena ny olona mba hanaovana ny asan’ Andriamanitra. Ny lehilahy rehetra natokana amin’izay mety ho anjara fanompoana misy ao amin’ny fisoronana dia manana izany fahefana izay nomena azy izany.
Saingy ny asa rehetra tanterahana amin’ny alalan’ity fahefana ity dia ilaina tanterahina amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mahamety azy sy amin’ny fomba tokony hanaovana izany ary manaraka ny lamin’ny fisoronana. Ny hery hitantanana ireo asa ireo no antsoina hoe fanalahidin’ny Fisoronana.. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [1998], 224)
Nampianatra ihany koa ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
“Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ireo mpihazona fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambonin’ny tany” [Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 2.1.1]. Ny asa sy ôrdônansy rehetra tanterahana ato anatin’ny Fiangonana dia tanterahana rehefa nahazo lalana mivantana na misy mpanelanelana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidy ho an’izany andraikitra izany. Araka ny nazavain’ny Loholona M. Russell Ballard hoe “Ireo izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana … dia manome fahafahana ara-bakiteny an’ireo izay manompo amim-pahatokiana eo ambany fitarihany mba hampiasa ny fahefan’ny fisoronana ka hahazo ny herin’ny fisoronana.” …
Amin’ny farany, dia Jesoa Kristy Tompo no mihazona ny fanalahidy rehetra an’ny fisoronana, fisoronana izay Azy. Izy no mamaritra hoe fanalahidy inona no zaraina amin’ny olombelona ary ahoana no fomba ampiasana azy. (Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana,” Liahona, mey 2014, 49–50)
Fizarana 3
Ahoana no hanampian’ireo ôrdônansin’ny fisoronana antsika mba hahazo ny hery manavotry ny Mpamonjy?
Ao amin’ny Fiangonana, ny ôrdônansy dia fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ny ôrdônansy sasany dia tena ilaina ho an’ny fisandratantsika. Antsoina hoe ôrdônasin’ny famonjena ireo ôrdônansy ireo. Ao anatin’izany ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana. Manao fanekempihavanana lehibe amin’ny Tompo isika amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy tsirairay ireo. (“Ordinances,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org)
Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny hery izay azontsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana:
Mba hahatanteraka ireo tanjon’ny Ray any An-danitra dia mila manana fahafahana hahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy ireo zanak’ Andriamanitra [jereo ny 1 Nefia 11:31; 2 Nefia 2:8]. Ny fisoronana no mitondra ireo fahafahana ireo. … Ny fisoronana dia zava-dehibe satria ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ety an-tany dia tsy tanterahina raha tsy amin’ny alalan’ny fahefany. Raha tsy manome fahafahana hahazo tombontsoa avy amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fisoronana dia mba ho inona moa no tanjony? …
… Amin’ny alalan’ny fisoronana dia miharihary ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra izay manao sy mitandrina ireo fanekempihavanan’ny filazantsara ary mandray ireo ôrdônansy mifandray amin’izany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21]. Amin’ny alalan’izany fomba izany no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika manatona an’i Kristy, ho voadio, ary lasa mihavana amin’ Andriamanitra. Misy ny fahafahana mahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy, amin’ny alalan’ny fisoronana. (Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2017, 65)
Ny Filoha Oaks ihany koa dia nanolotra ity fanazavana manaraka ity mikasika ny maha-fomba hahazoana ny hery manadion’ny Tompo ny Fisoronana Aharôna:
Ny batisa dia ho an’ny famelana ny fahotana, ary ny fanasan’ny Tompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana entiny. Samy tokony hialohavan’ny fibebahana izy roa ireo. …
Tsy misy na dia iray aza [amintsika] ka hoe niaina tsy nanao fahotana hafa taorian’ny batisa[ntsika]. Raha tsy misy fanadiovana fanampiny atolotra aorian’ny batisantsika dia samy very avokoa isika tsirairay raha ny ara-panahy. …
Didina isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavanana mifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. …
Tsy afaka ny hoe diso manantitrantitra be loatra ny lanjan’ny Fisoronana Aharôna isika mikasika izany. Tanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famonjen’ny batisa sy ny ôrdônansim-panavaozan’ny fanasan’ny Tompo ireo dingana manan-danja mikasika ny famelana ny fahotana rehetra ireo. (Dallin H. Oaks, “The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, Nov. 1998, 38)