“9. Fikambanana Ifanampiana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“9. Fikambanana Ifanampiana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
9.
Fikambanana Ifanampiana
9.1
Tanjona sy firafitra
9.1.1
Tanjona
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana.
Ny teny filamatry ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hoe “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:8
9.1.2
Ny maha mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana
Afaka manatrika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny zatovovavy iray rehefa feno 18 taona. Rehefa feno 19 taona izy na koa rehefa miala ao amin’ny tranony toy ny rehefa handeha ho any amin’ny oniversite na rehefa hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia tokony handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.
Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ihany koa ireo vehivavy izay manambady ka latsaky ny 18 taona.
9.2
Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana
9.2.1
Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
9.2.1.2
Fianarana ny filazantsara mandritra ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana
Ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana no anatanterahana ny fivoriana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no mamolavola ireo fivoriana ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana no mitarika ny fotoana.
Ireo fivoriana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mifantoka amin’ny lohahevitra avy amin’ny lahateny iray na maro natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra.
9.2.1.3
Fiaraha-mientana
Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka mamolavola fiaraha-mientana. Atao amin’ny andro hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana.
9.2.2
Mikarakara ireo izay mila fanampiana
9.2.2.1
Fanompoana
Mandray fanendrena hanompo avy amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.
9.2.2.2
Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy
Mikatsaka ny hahazo an-tsaina sy handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny ny rahavavy mpanompo. Mety mila fanampiana tsy maharitra ireo mpikambana amin’ny fotoan’ny aretina, ny fiterahana, ny fahaverezan’asa na amin’ny toe-javatra hafa.
Rehefa ilaina dia mangataka fanampiana amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy mpanompo.
9.2.2.3
Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana maharitra sy ny fizakan-tena
Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona dia manampy ireo mpikambana amin’ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana maharitra sy ny fizakan-tena araka izay handrindran’ny eveka izany.
Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na mpitarika iray hafa no manampy ilay olona na ilay fianakaviana hamolavola Drafitra ho amin’ny fizakan-tena
9.2.2.4
Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy
Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy dia manolotra fampiononana sy fanampiana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Azon’izy ireo atao ny manampy amin’ny fandevenana araka ny tari-dalana omen’ny eveka.
Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.5.8
9.2.3
Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara
Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa fitoriana ny filazantsara ao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka atao ireo (jereo ny 23.5.1).
9.2.4
Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay
Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ilay mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka atao ireo (jereo ny 25.2.2).
9.3
Ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana
9.3.1
Eveka
Mihaona matetika amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana isam-bolana farafahakeliny ny eveka. Mifanakalo hevitra momba ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fanompoana ataon’ireo rahavavy manompo.
9.3.2
Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana
9.3.2.1
Fiantsoana fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana
Miantso vehivavy iray mba ho filohan’ny Fikambanana Ifanampianan’ny paroasy ny eveka. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra anarana vehivavy iray na roa aminy izy ho mpanolotsaina.
Ny sasany amin’ireo rantsana kely dia mety tsy hanana filohan’ny Zatovovavy na filohan’ny Kilonga. Azon’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana atao ny manampy ireo ray aman-dreny hanao drafitra momba ireo fampianarana ho an’ny zatovo sy ny ankizy ao amin’ireny rantsana ireny.
9.3.2.2
Andraikitra
Ireto manaraka ireto dia andraikitry ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.
-
Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy.
-
Mitarika ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana handraisana anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).
-
Mandamina sy manara-maso ny asa fanompoana ataon’ireo rahavavy mpanompo.
-
Mifampidinika amin’ireo mpikambana olon-dehibe ao amin’ny paroasy araka ny torolalana omen’ny eveka.
3:16 -
Mandrindra ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana mba hampatanjahana ireo rahavavy tanora ao amin’ny paroasy, na ireo manambady na ireo tsy manambady.
-
Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay manokana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana farafahakeliny indray mandeha isan-taona.
-
Manara-maso ny firaketana sy ny tatitra ary ny toe-bolan’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny LCR.ChurchofJesusChrist.org
9.3.2.3
Fivorian’ny fiadidiana
Manao fivorian’ny fiadidiana tsy tapaka ny fiadidiana sy ny mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana. Ny filoha no mitarika ireo fivoriana ireo. Ny fandaharam-potoana dia mety ahitana ireto singa manaraka ireto:
-
Manao drafitra momba ny fampatanjahana ireo rahavavy sy ny fianakavian’izy ireo.
-
Mandrindra ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
-
Mandray andraikitra eo anatrehan’ireo asa avy amin’ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy.
-
Manadihady ireo fampahalalana voaray avy amin’ireo dinidinika momba ny fanompoana.
-
Mandinika ny momba ireo rahavavy hanompo ao amin’ireo antso sy fanendrena ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.
-
Manomana ireo fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana.
9.3.3
Mpitantsoratra
Afaka mandroso anarana rahavavy iray ho mpitantsoratry ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana.
9.4
Fanampiana ny Zatovovavy hiomana handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana
Miara-miasa amin’ireo zatovovavy sy ny ray aman-drenin’izy ireo ary ireo mpitarika ao amin’ny Zatovovavy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fanomanana azy ireo handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.
Ireo mpitarika dia manolotra hatrany fomba ahafahan’ireo zatovovavy sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana manorina finamanana. Fomba iray manan-danja hahafahana mifandray ny fiarahana manompo amin’ny maha-rahavavy mpanompo.
9.6
Torolalana sy fitsipika fanampiny
9.6.2
Fahaizana mamaky teny sy manoratra
Raha ilaina dia miara-miasa amin’ny eveka sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ary ny filankevitry ny paroasy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampiana ireo mpikambana hianatra mamaky teny sy manoratra.