Boky torolalana sy antso
10. Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna


“10. Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“10. Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

zatovolahy ao am-piangonana

10.

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

10.1

Tanjona sy firafitra

10.1.1

Tanjona

Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

10.1.2

Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

“Zanakalahy malalan’ Andriamanitra aho ary manana asa hampanaovina ahy Izy.

“Hitia an’ Andriamanitra aho sy hitandrina ireo fanekempihavanana nataoko, ary hampiasa ny fisoronany hanompoana ny hafa amin’ny foko, sy ny heriko, sy ny saiko, ary ny tanjako manontolo, miantomboka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviako.

“Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana aho mba hanompo, hampihatra finoana, sy hibebaka, ary hivoatra isan’andro dia ho mendrika ny handray ireo fitahian’ny tempoly sy ny fifaliana maharitra avy amin’ny filazantsara.

“Hiomana aho ny ho lasa mpitory ny filazantsara mazoto, sy ho vady mahatoky, ary ho ray be fitia amin’ny alalan’ny fampiharana ny maha-tena mpianatr’i Jesoa Kristy ahy.

“Hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao aho ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy ka handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany.”

10.1.3

Ireo kôlejy

10.1.3.1

Kôlejin’ ny diakona

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny diakona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho diakona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika.

Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:57–59; 84:111 ireo adidin’ny diakona. Ireo adidy hafa dia ahitana ny fizarana ny fanasan’ny Tompo sy ny fanampiana ny eveka amin’ny “fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68).

10.1.3.2

Kôlejin’ ny mpampianatra

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 14 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpampianatra ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika.

Adidin’ireo mpampianatra ihany koa ireo adidin’ny diakona. Adidin’izy ireo ihany koa ny manomana ny fanasan’ny Tompo sy ny manompo amin’ny maha-rahalahy mpanompo. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59; 84:111 ireo adidy fanampiny.

10.1.3.3

Kôlejin’ ny mpisorona

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 16 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpisorona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika.

Adidin’ireo mpisorona ihany koa ireo adidin’ny diakona sy ny mpampianatra. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–52, 73–79 ireo adidy fanampiny.

10.1.4

Ireo fanalahidin’ny fisoronana

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo fanalahidy ireo dia jereo ny 3.4.1.

10.1.5

Fanamboarana ireo kôlejy hifanaraka amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana

Ao amin’ny paroasy na sampana iray izay vitsy ny zatovolahy dia afaka miara-mivory ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna mandritra ireo lesona sy ireo fiaraha-mientana.

10.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

10.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

10.2.1.2

Fianarana ny filazantsara

Ny fivorian’ny kôlejy dia atao ny alahady faharoa sy fahaefatry ny volana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy (na iray amin’ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona) no mitarika. Mitarika ny kôlejy izy amin’ny fiarahana manonona ny faneva sy ny fiarahana mifampidinika momba ireo asa ampandraiketina sy ireo adidy ary ireo raharaha hafa.

Avy eo dia mitarika ny fampianarana ny filazantsara ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na ny olon-dehibe mpitarika iray.

10.2.1.3

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia tokony hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, hanamafy orina ny fianakaviana, hampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kôlejy, ary hanolotra fahafahana hitahiana ny hafa.

Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana sasany dia tokony hiarahan’ny zatovolahy sy ny zatovovavy atao, indrindra fa ho an’ireo zatovo zokiny.

Fiaraha-mientana fanao isan-taona. Ankoatra ny fiaraha-mientan’ny zatovo fanao mahazatra dia afaka ihany koa mandray anjara amin’ireto manaraka ireto ny zatovolahy isan-taona:

  • Lasy ho an’ny kôlejin’ ny Fisoronana Aharôna (jereo ny Torolalana ho an’ny lasin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.

  • Fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny tsatòka, na fihaonambe Ho Zatovo Mahery (HZM).

10.2.1.4

Fivoaran’ny tena manokana

Amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitoviana kokoa amin’ny Mpamonjy dia asaina ny zatovo hametraka tanjona mba hivoarana ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52).

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

10.2.2

Fikarakarana ireo izay sahirana

Manampy ny eveka ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna amin’ny “fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68). Tokony hanana fahafahana tsy tapaka izy ireo hanompo ny hafa ao amin’ny fianakaviany sy miaraka amin’ny fianakaviany, mandritra ireo fiaraha-mientan’ny zatovo, ary samirery.

10.2.2.1

Ny fanompoana

Mandray ny fanendrena hanompo ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay mahafeno 14 taona azy ireo. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.

10.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia manana adidy “hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59).

Mamporisika ireo zatovolahy ireo ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy hizara ny filazantsara mandritra ny fiainan’izy ireo.

10.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ireo mpihazona ny Fisoronana Aharona dia afaka manampy amin’ny fomba maro amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay.

  • Manaja ireo ray aman-dreniny sy maneho ohatra amin’izany fiainana tahaka ny an’i Kristy izany ao an-tokantranony.

  • Miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly, anisan’izany ny fanambadiana mandrakizay.

  • Mamantatra ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).

  • Mandray anjara matetika amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty, araka izay tratra.

10.3

Ny episkôpà

Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny mikarakara ireo zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny paroasiny. Mamantatra ny anaran’izy ireo izy ary mahatakatra ny toe-javatra iainan’izy ireo any an-tokantranony. Manatrika matetika ny fiaraha-mientana sy ny fivoriana alahady ataon’izy ireo izy.

Ny eveka no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona.

Ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny episkôpà no miandraikitra ny kôlejin’ny mpampianatra. Ny mpanolotsaina faharoa no miandraikitra ny kôlejin’ny diakona.

Ireto manaraka ireto no andraikitra fanampiny sahanin’ny episkôpà amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna:

  • Mihaona amin’ny zatovolahy tsirairay indroa isan-taona farafahakeliny (jereo ny 31.3.1).

  • Manampy ireo zatovolahy hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Manara-maso ny firaketana sy ny tatitra ary ny fitantanam-bolan’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.

Manampy amin’ireo andraikitra ireo araka izay angatahana aminy ireo mpanorohevitra ao amin’ny kôlejy sy ireo tompon’andraikitra manokana.

10.4

Ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo

10.4.1

Fiantsoana sy fanohanana ary fanokanana

Miantso mpisorona iray na roa ny eveka ho mpanampy azy amin’ny fitarihana ny kôlejin’ny mpisorona.

Miantso ny filohan’ny kôlejin’ny diakona sy ny an’ny mpampianatra ny olona iray ao amin’ny episkôpà. Rehefa ampy ny isan’ny mpihazona Fisoronana Aharôna afaka manompo dia mandinika ombam-bavaka mpikambana iray ao amin’ny kolejiny ireo zatovolahy ireo mba hatolotra ho mpanolotsaina sy ho mpitantsoratra.

Rehefa avy nanome an’ireo antso ireo ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà dia manolotra ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny kôlejy misy azy ireo. Ny eveka no manokana ireo mpanampy azy sy ny filohan’ny kôlejin’ny diakona sy ny an’ny mpampianatra. Manolotra fanalahidin’ny fisoronana an’ireo filohan’ny kôlejy izy. Afaka manome andraikitra ireo mpanolotsainy izy mba hanokana ireo mpikambana hafa ao amin’ny fiadidiana sy ireo mpitantsoratra.

10.4.2

Andraikitra

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny kôlejy handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).

  • Miezaka mamantatra sy manompo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kôlejy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny zatovo eo anivon’ny paroasy (jereo ny 10.4.4).

  • Mampianatra an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:85–88).

  • Mandrafitra sy mitarika ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 10.2.1.2).

  • Mandrafitra sy manatanteraka ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana ataon’ny kôlejy (jereo ny 10.2.1.3).

10.4.3

Fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy

Mivory tsy tapaka ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Ny filohan’ny kôlejy no mitarika ireo fivoriana ireo. Olon-dehibe roa farafahakeliny no manatrika: mpikambana iray ao amin’ny episkôpà, na mpanoro hevitra iray, na tompon’andraikitra manokana iray.

10.4.4

Filankevitry ny zatovon’ny paroasy

Jereo ny 29.2.6raha mila fampahalalana misimisy kokoa momba ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.

10.8

Torolalana sy fitsipika fanampiny

10.8.1

Fiarovana ireo zatovo

Rehefa mifanerasera amin’ny zatovo eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olon-dehibe dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo.

Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org