“12. Ny Kilonga,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“12. Ny Kilonga,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
12.
Ny Kilonga
12.1
Tanjona sy rafitra
Ny Kilonga dia rafitra iray mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Izy io dia natao ho an’ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 11 taona.
12.1.1
Tanjona
Ny Kilonga dia manampy ny ankizy:
-
Hahatsapa ny fitiavan’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana.
-
Hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny anjara toerany eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
-
Hahatsapa sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
-
Hiomana sy hanao ary hitandrina fanekem-pihavanana masina.
-
Handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.
12.1.3
Kilasy
Rehefa ampy ny ankizy dia zaraina ho kilasy mifototra amin’ny taonany izy ireo.
Amin’ny ankapobeny ireo ankizy dia miala ao amin’ny Kilonga ka miroso ho any amin’ny Zatovovavy na ao amin’ny kôlejin’ny diakona ny volana janoary amin’ny taona izay hahafeno 12 taona azy ireo.
12.1.4
Fotoam-pihirana
Ny fotoam-pihirana dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana. Rehefa mihira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina.
Ny Fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira dia misafidy hira ho an’ny volana tsirairay mba hanamafisana ireo fitsipiky ny filazantsara izay ianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasiny sy any an-tranony.
12.1.5
Zaza madinika
Ny kilasin’ny zaza madinika dia manampy ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 3 taona hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana.
12.2
Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana
12.2.1
Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
12.2.1.2
Fianarana ny filazantsara
Fivorian’ny Kilonga isaky ny alahady. Olona iray ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga no mitarika ny fotoam-panokafana.
Tahaka izao manaraka izao ny fandaharam-potoana:
Ampaham-potoana amin’ny fivoriana |
Faharetany |
---|---|
Ampaham-potoana amin’ny fivoriana Fotoam-panokafana (vavaka, soratra masina na Fanekem-pinoana, ary lahateny ka ny ankizy no manao azy rehetra ireo) | Faharetany 5 minitra |
Ampaham-potoana amin’ny fivoriana Fotoam-pihirana | Faharetany 20 minitra |
Ampaham-potoana amin’ny fivoriana Fifindrana ho any amin’ny kilasy | Faharetany 5 minitra |
Ampaham-potoana amin’ny fivoriana Kilasy sy vavaka famaranana | Faharetany 20 minitra |
Ny kilasin’ny zaza madinika ho an’ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 3 taona dia maharitra 50 minitra. Ny Voyez vos petits enfants dia manolotra sosokevitra mikasika ny fandaharam-potoana.
Fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ny fampisehoana ataon’ny Kilonga isan-taona mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tanterahana mandritra ireo volana vitsivitsy farany amin’ny taona.
Ny fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira no manomana amim-bavaka io fampisehoana io. Manome toromarika ny episkôpà. Afaka mihira ireo ankizy, ary manao lahateny sy mizara tantara na soratra masina na fijoroana ho vavolombelona.
Fivoriana fiomanana ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana. Manomana fivoriana fiomanana ho any amin’ny tempoly sy handraisana ny fisoronana ny fiadidian’ny Kilonga isan-taona. Manome toromarika ny episkôpà. Ny fivoriana dia ho an’ny ankizy 10 taona. Asaina amin’izany ireo ray aman-dreny.
12.2.1.3
Asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Manomboka ny volana Janoary amin’ny taona izay hahafeno 8 taona an’ireo ankizy dia afaka manomboka manatrika ny fiaraha-mientan’ny Kilonga izy ireo.
Ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga dia atao amin’ny fotoana hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva.
-
Raha azo atao dia atao in-droa isam-bolana ny fiaraha-mientan’ny Kilonga.
-
Raha ny tokony ho izy dia mivory misaraka ny ankizilahy sy ny ankizivavy. Na izany aza anefa dia afaka mikambana izy ireo amin’ny fiaraha-mientana sasantsasany na any amin’ny toerana izay vitsy ankizy.
Maka antoka ny episkôpà fa ny tetibola sy ny fiaraha-mientana ho an’ny ankizilahy sy ny ankizivavy ao amin’ny Kilonga dia ampy tsara ary mifandanja tsara.
12.2.1.4
Fivoaran’ny tena manokana
Amin’ny fiezahan’ireo ankizy hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy, manomboka amin’ny taona handraisan’izy ireo 8 taona, dia asaina izy ireo hametraka tanjona ara-panahy, sy ara-piarahamonina sy ara-batana ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52).
Azon’izy ireo ampiasaina ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizyrehefa hametraka tanjona sy hirakitra izany an-tsoratra izy ireo.
12.3
Ireo mpitarika ny Kilonga eo anivon’ny paroasy
12.3.1
Ny Episkôpà
Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny taranaka vao misondrotra, ka tafiditra ao anatin’izany ny ankizy. Ny eveka dia afaka manome andraikitra mpanolotsaina iray mba hanampy azy amin’ny andraikiny ao amin’ny Kilonga. Ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany dia mihaona tsy tapaka miaraka amin’ny filohan’ny Kilonga.
Manatrika matetika ao amin’ny Kilonga ny eveka sy ireo mpanolotsainy.
12.3.2
Fiadidian’ny Kilonga
Ny eveka dia miantso ary manokana olon-dehibe vehivavy iray ho filohan’ny Kilonga ao amin’ny paroasy.
Any amin’ny vondrona madinika, dia mety ho ny filohan’ny Kilonga no hany mpitarika voantso ao amin’ny Kilonga. Amin’izay tranga izay dia miara-miasa amin’ireo ray aman-dreny izy eo amin’ny fandrindrana ireo lesona sy fotoam-pihirana ary ireo fiaraha-mientana. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia azo fenoina araka izao filaharany izao ireo antso fanampiny: mpanolotsaina, mpampianatra hira, mpampianatra sy mpitarika ny kilasin’ny zaza madinika, mpitantsoratra, ary mpitarika fiaraha-mientana.
Ny fiadidian’ny Kilonga dia manampy ny ray aman-dreny mba hanomana ny zanany hiditra sy hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
Mba hanatanterahana izany dia afaka manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Kilonga mba hanampy ny ray aman-dreny hanomana ny zanany hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Afaka manome andraikitra mpikambana iray hafa ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Kilonga mba hanampy ny ray aman-dreny eo amin’ny fanomanana ny zanany ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana.
Ireto manaraka ireto no andraikitra fanampiny sahanin’ny filohan’ny Kilonga. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.
-
Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy.
-
Manao fivorian’ny fiadidian’ny Kilonga tsy tapaka ary mihaona tsy tapaka amin’ny eveka na ny mpanolotsainy izay nomena andraikitra.
-
Manampy amin’ny fandrafetana ny fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo ankizy mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra (jereo ny 18.7.2).
-
Manomana sy mitarika ny fotoam-panokafana amin’ireo fivorian’ny Kilonga rehefa alahady.
-
Manompo ireo ankizy sy mpampianatra ary mpitarika tsirairay ao amin’ny Kilonga.
-
Mampianatra ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga ny andraikitr’izy ireo sy manampy azy ireo amin’ireo andraikitra ireo amin’ny alalan’ny fanomezana tari-dalana hiatrehan’izy ireo ny antsony (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 38).
-
Manara-maso ny firaketana, sy ireo tatitra, sy ny tetibola ary ny toe-bolan’ny Kilonga.
12.3.4
Mpampianatra hira sy mpitendry pianô
Ny mpampianatra hira sy ny mpitendry pianô dia mampianatra ireo ankizy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira mandritra ny fotoam-pihirana.
Raha tsy misy mpitendry pianô na tsy misy pianô dia azonʼireo mpitarika atao ny mampiasa horonam-peo.
12.3.5
Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasy zaza madinika
Ny fiadidian’ny Kilonga dia manolotra anarana lehilahy na vehivavy amin’ny episkôpà ho antsoina ho mpampianatra ao amin’ny Kilonga sy ho mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika. Ireo mpikambana ireo dia voantso hampianatra sy hanompo ankizy amina sokajin-taona voafaritra mazava.
Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika dia mampianatra avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga3–11 taona) sy ny Voyez vos petits enfantszaza madinika).
12.3.6
Mpitarika fiaraha-mientana
Ireo mpitarika fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia manompo ny ankizy rehefa mamolavola asa fanompoana sy fiaraha-mientana ho an’ireo ankizy manomboka ny volana janoary amin’ny taona hahafeno 8 taona an’ireo ankizy (jereo ny 12.2.1.3). Ireo asa fanompoana sy fiaraha-mientana dia mifantoka amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Mahafinaritra izy ireny sady mahaliana.
12.5
Torolalana sy fitsipika fanampiny
12.5.1
Fiarovana ny ankizy
Rehefa miara-manao zavatra amin’ny ankizy eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olon-dehibe dia tokony hisy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika eo.
Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy manaraka ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org