Boky torolalana sy antso
29. Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana


“29. Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“29. Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Reny sy zanakavavy manatrika fivoriana fanasan’ny Tompo

29.

Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana

29.0

Teny fanolorana

Miara-mivory ny Olomasin’ny Andro Farany mba hivavaka, hifankahery, ary hampianatra sy hianatra ny filazantsara (jereo ny Almà 6:6; Môrônia 6:5–6). Nampanantena ny Mpamonjy fa: “Na aiza na aiza no hiangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20). Ny fiaraha-mivory dia fomba iray ahafahan’ny fontsika “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[na].” (Môzià 18:21).

Kanefa ny fanaovana fivoriana dia tsy tokony hahasolo na oviana na oviana ny fanompoana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy.

29.1

Fanomanana sy fitarihana fivoriana

Ireo mpitarika dia manomana sy mitarika ireo fivoriana “araka izay itarihan’ny Fanahy Masina azy, araka ireo didy sy ireo fanambaran’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:45; jereo koa ny Môrônia 6:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2). Mikatsaka fomba hanasana ny fitarihan’ny Fanahy izy ireo mandritra ny fivoriana ataony.

Maka antoka ireo mpitarika fa tsy miteraka vesatra ho an’ireo mpikambana na ho an’ny fianakavian’izy ireo ny isan’ireo fivoriana sy ny faharetany.

29.2

Ireo fivoriana ao amin’ny paroasy

29.2.1

Ny fivoriana fanasan’ny Tompo

29.2.1.1

Fanomanana ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny episkôpà no manomana sy mitarika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Maka antoka izy ireo fa ny fanasan’ny Tompo sy ny fampiorenana finoana an’i Jesoa Kristy no hifantohan’ilay fivoriana.

Maharitra adiny iray ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Mety ho hita ao anatin’izany ireto manaraka ireto:

  1. Feon-kira mialoha ny fivoriana (jereo ny 19.3.2 raha te hahita ireo torolalana).

  2. Fiarahabana.

  3. Fankasitrahana ireo manampahefana miahy na ireo mpitarika hafa izay mitsidika.

  4. Filazana. Tokony hatao fohy araka izay azo atao izany.

  5. Hira sy vavaka fanombohana. Jereo ny 19.3.2 sy ny 29.6.

  6. Raharahan’ny tsatòka sy ny paroasy, toy izao manaraka izao:

    • Fanohanana sy fisaorana ireo mpiandraikitra sy mpampianatra (jereo ny 30.3 sy ny 30.6).

    • Fanolorana ny anaran’ireo rahalahy hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna (jereo ny 18.10.3).

    • Fanekena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny paroasy, isan’izany ireo olona niova fo.

  7. Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza (jereo ny 18.6). Mazàna izy io no atao mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona (jereo ny 29.2.2).

  8. Fandraisana ireo olona niova fo ho mpikambana (jereo ny 18.8).

  9. Hira ho an’ny fanasan’ny Tompo sy fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Ny fanasan’ny Tompo no zavatra voalohany hifantohan’ilay fivoriana. Fotoana ahafahan’ny mpikambana mampifantoka ny eritreriny amin’ny Mpamonjy sy ny sorona nataony ho azy ireo io ôrdônansy io.

    Raha te hahalala kokoa mikasika ny fanomanana sy ny fanamasinana ary ny fizarana ny fanasan’ny Tompo dia jereo ny 18.9

  10. Hafatra avy amin’ny filazantsara sy fihiran’ny daholobe na hira hafa.

  11. Hira sy vavaka famaranana

  12. Feon-kira aorian’ny fivoriana.

29.2.1.4

Fisafidianana izay handaha-teny

Ny episkôpà no mifidy ireo mpandahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia manasa ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny zatovo.

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany amin’ny fampiasana soratra masina ireo mpandahateny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1252:9

29.2.2

Fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona

Tsy misy mpandahateny tendrena na fisafidianana hafa narindra tamin’ny fomba miavaka mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Fa manao fijoroana ho vavolombelona fohy kosa ilay olona mitarika ny fotoana ho solon’izany. Avy eo izy dia manasa ny mpikambana manatrika ny fivoriana mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona. Ny hoe mijoro ho vavolombelona dia midika hoe manambara ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara araka izay hitaoman’ny Fanahy Masina.

29.2.3

Ny fihaonamben’ny paroasy

29.2.4

Ny fivorian’ny episkôpà

Mety ho tafiditra ao anatin’ireo raharaha hodinihina ny:

  • Fandrindrana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy.

  • Fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny paroasy, indrindra fa ny zatovo sy ny ankizy.

  • Famantarana ireo mpikambana izay afaka miomana ny handray ireo ôrdônansy, anisan’izany ny fanendrena ho amin’ny fisoronana.

  • Famantarana ireo mpikambana ho antsoina amin’ireo antso ao amin’ny paroasy.

29.2.5

Fivoriana filankevitry ny paroasy

Ny eveka no mandrafitra sy miahy ary mitarika ireo fivoriana filankevitry ny paroasy. Tsy mandray fanapahan-kevitra lehibe ny filankevitra rehefa tsy eo ny eveka.

Manatrika ireo fivoriana filankevitry ny paroasy ireo mpitarika ny rafitra eo anivon’ny paroasy noho ny fananan’izy ireo anjara andraikitra anankiroa:

  1. Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izay manampy amin’ny fitahiana ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny paroasy.

  2. Amin’ny maha-solontenan’ny rafitra sahanin’izy ireo azy ireo.

Rehefa miara-mivory ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy, dia miresaka mikasika ireo zavatra izay hahazo tombontsoa avy amin’ny ezaka iombonana ataon’ny filankevitra iray manontolo izy ireo. Entanina mba hizara ny eritreriny sy ny fanentanam-panahy azony mahakasika ireo zavatra ireo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny filankevitra.

Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony hihoatra ny adiny iray ilay fivoriana filankevitry ny paroasy. Atombok’izy ireo amin’ny alalan’ny vavaka sy fanaovana tatitra fohy mikasika ireo asa nampanaovina tao anatin’ny fivoriana teo aloha izany. Ataon’ny eveka lohalarana ireo zavatra izay tena ilaina mba hitahiana ny tsirairay sy ny fianakaviana.

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manampy ny mpikambana rehetra hanorina finoana sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena ary hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana. Mizara ireo loharanom-panampiana sy fahaiza-manao mba hitahiana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina. Manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba ho lasa mizaka tena. (Jereo ny toko 22.)

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Mandinika ny fivoaran’ireo izay mianatra momba ny filazantsara, ary koa ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny mpikambana mizara ny filazantsara amin’ny hafa. (Jereo ny toko 23.)

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay. Mandinika ny fivoaran’ireo mpikambana izay miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Mandrafitra fomba hanampiana mpikambana maro kokoa ho mendrika ny handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo mpikambana mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. (Jereo ny toko 25.)

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia tsy maintsy mitazona ho tsiambaratelo izay fampahalalana momba ny fiainan’olona manokana na fampahalalana saropady (jereo ny 4.4.6

4:37

29.2.6

Fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy

Mialoha ny fivoriana tsirairay dia mamerina mijery ireo zavatra horesadresahina ny eveka sy ilay olona mitarika ny fivoriana.

  • Ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Ny zavatra ilain’ireo zatovo ao amin’ny paroasy sy ny fomba hiatrehana izany.

  • Ireo ezaka atao mba hifandraisana amin’ireo zatovo malaindaina na mpikambana vaovao.

  • Ireo fiaraha-mientana, tafiditra ao anatin’izany ireo fahafahana hanompo ireo izay sahirana. Vitaina mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy na ny kilasy ny ankamaroan’ny fanomanana (jereo ny toko 20).

  • Fanompoana (jereo ny toko 21).

  • Fanofanana ireo fiadidiana vaovao an’ny kôlejy sy ny kilasy.

29.2.8

Fitsinjaram-potoana ho an’ireo fivoriana isaky ny alahady

Mampiasa ny iray amin’ireto fitsinjaram-potoana adiny roa ireto ny paroasy ho an’ ireo fivoriana isaky ny alahady.

Drafitra 1

60 minitra

Fivoriana fanasan’ny Tompo

10 minitra

Fiomanana hiroso amin’ireo fotoam-pianarana sy ireo fivoriana

50 minitra

Alahady rehetra: Kilonga, anisan’izany ny zaza madinika

Alahady voalohany sy fahatelon’ny volana: Sekoly Alahady

Alahady faharoa sy fahefatra: fivorian’ny kôlejin’ny fisoronana sy ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana ary ireo fivorian’ny Zatovovavy

Alahady fahadimy: fivoriana ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibe. Ny episkôpà no mamaritra ilay lohahevitra sy manendry ireo mpampianatra.

Drafitra 2

50 minitra

Alahady rehetra: Kilonga, anisan’izany ny zaza madinika

Alahady voalohany sy fahatelon’ny volana: Sekoly Alahady

Alahady faharoa sy fahefatra: fivorian’ny kôlejin’ny fisoronana sy ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana ary ireo fivorian’ny Zatovovavy

Alahady fahadimy: fivoriana ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibe. Ny episkôpà no mamaritra ilay lohahevitra sy manendry ireo mpampianatra.

10 minitra

Fotoana hamonjena ny fivoriana fanasan’ny Tompo

60 minitra

Fivoriana fanasan’ny Tompo

29.3

Ireo fivoriana ao amin’ny tsatòka

29.3.1

Ny fihaonamben’ny tsatòka

29.3.2

Ny fivoriamben’ny fisoronana ao amin’ny tsatòka

29.3.3

Ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny tsatòka

29.3.4

Fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka

29.3.5

Ny fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avo ao amin’ny tsatòka

29.3.6

Ny fivorian’ny fiadidian’ny tsatòka

29.3.7

Fivorian’ny filankevitra avo

29.3.8

Ny fivoriana filankevitry ny tsatòka

29.3.9

Ny fivorian’ny kômitin’ny mpitarika ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka

29.3.10

Ny fivorian’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka

29.3.11

Ny fivoriana filankevitry ny eveka eo anivon’ny tsatòka

29.5

Fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana sy fotoam-pivoriana hafa ho an’ny olona nodimandry

29.5.1

Fitsipika ankapobeny

Antony manan-danja hanaovana ireo fotoam-pivavahana ho an’ny maty ny mijoro ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjena, indrindra fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tokony ho traikefa ara-panahy mendrika ireny fotoam-pivavahana ireny.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hampiditra ireo fombafomban’ny fivavahana na ny vondrona hafa ao amin’ireo fotoam-pivavahana ataon’ny Fiangonana ho an’ireo olona nodimandry.

29.5.2

Fanolorana fanampiana ho an’ny fianakaviana

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana, izy ireo dia “hiara-malahelo amin’izay malahelo … ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:9). Rehefa misy mpikambana iray maty dia mamangy ilay fianakaviana ny eveka mba hampionona azy ireo.

Manolotra fanampiana avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ny eveka, isan’izany ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana.

29.5.4

Ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana (raha izany no fomba amam-panao)

Ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana izay tarihin’ny eveka, na ao amin’ny tranon’ny Fiangonana na any amin’ny toerana hafa, dia fivorian’ny Fiangonana sady fivoriana ara-pivavahana. Tokony ho fotoana iainana zavatra ara-panahy izany.

Tokony hanomboka ara-potoana ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana. Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony haharitra mihoatra ny adiny 1 sy sasany izany, mba ho fanajana ireo izay manatrika.

Ireo fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana, raha ny tokony ho izy, dia tsy atao andro alahady.

29.6

Ireo vavaka mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana

Tokony ho fohy sy tsotra ary tononina araka izay hitarihan’ny Fanahy ny vavaka ao amin’ireo trano fivorian’ny Fiangonana. Afaka manolotra vavaka fanombohana na vavaka famaranana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra efa vita batisa. Afaka mivavaka any amin’ny Kilonga ny ankizy tsy vita batisa.

29.7

Fampitana an-tsary ireo fivoriana sy fanaovana fivoriana amin’ny alalan’ny visioconférence

Afaka manome lalana, ho tranga maningana, ny eveka mba hanaovana fampitana an-tsary mivantana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ary ny fanambadiana atao ao amin’ny trano fivorian’ny Fiangonana.

Tsy tokony ho tafiditra ao anatin’ny fampitana an-tsary mivantana ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo.

Amin’ny fivoriana sasany dia azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka atao ny manome lalana ireo mpikambana tsy afaka manatrika mivantana handray anjara amin’ny fomba virtoaly. Ireto avy no fivoriana mety ho tafiditra amin’izany:

  • Fivorian’ny mpitarika, toy ny fivorian’ny fiadidiana na ny filankevitra.

  • Fivorian’ny Kôlejy sy Fikambanana Ifanampiana ary Zatovovavy.

  • Ireo kilasin’ny Sekoly Alahady.

  • Ireo kilasin’ny Kilonga sy ny fotoam-pihirana.

29.8

Fakana sary sy firaketana amin’ny horonan-tsary ireo fivoriana

Mba hihazonana ny fahamasinan’ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hisy haka sary na hanao firaketana amin’ny horonan-tsary ireo fivoriana fanasan’ny Tompo na ireo fihaonamben’ny tsatòka.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fampitana an-tsary ireo fivoriana dia jereo ny 29.7.