Institiota
Lesona 5 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Tonga vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo


“Lesona 5 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Tonga vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 5 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 5 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Tonga vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana amin’i Jesoa Kristy dia “hanokatra ny varavarana hahazoana ny fitahiana ara-panahy rehetra sy ny tombontsoa misy” amin’ny olona rehetra (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Ensign, apr. 2018, 7). Ao amin’ity lesona ity dia homena fahafahana ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny filazantsara mitahy ny fiainan’izy ireo sy ny zavatra azony atao hanamafisana orina ny fanoloran-tenany handeha am-pahatokiana amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manambara i Jesoa Kristy fa Izy no Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Tadidio ny maha-zava-dehibe ny sahan-kevitra. Ny sahan-kevitra dia misy fiantraikany amin’ny hevitry ny andinin-tsoratra masina iray. Ny fanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny votoatiny, ao anatin’izany ny tanjon’ireo mpanoratra nentanim-panahy.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8:58). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nanao io fanambarana io i Jesoa taorian’ny nandavan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny hanaiky ny fanambarany fa Izy no Fahazavan’Izao tontolo izao ary nanao ny asan’ny Rainy Izy. Izy ireo dia nitaky ny hahalala hoe Iza marina Izy (jereo ny Jaona 8:25). Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:”

4:26
  • Nahoana io fanambarana avy amin’ny Mpamonjy io no nahatonga ny mpanora-dalàna sy Fariseo hitady hitora-bato Azy? (Mety ho zava-dehibe ny mamerina mijery ny sahan-kevitra ho an’ny Eksodosy 3 ary avy eo dia mamaky ny andininy 13–14 amin’izany toko izany sy ny fanambarana nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Ampio hitady fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: I Jesoa Kristy no Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha sy ilay Izy Aho Lehibe.)

  • Inona no ampianarin’ny anarana hoe Jehovah sy ny hoe Izy Aho antsika momba ny toetran’i Jesoa Kristy? (Rehefa mizara ny zavatra nianarany avy amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny mpianatra, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: tsy miova, mandrakizay, ary nisy tamin’ny alalan’ny tenany.) Manampy anao hatoky an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa i Jesoa Kristy dia tsy miova, mandrakizay ary nisy tamin’ny alalan’ny tenany?

Afaka manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny antony ahatokiany ny Tompo ianao.

Manasa antsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina i Jehovah.

Hevero ny hanontany hoe:

  • Fa nahoana no afaka manana fahatokiana ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo isika? (Amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia ataovy azo antoka fa azon’ny mpianatra ny famaritana ny hoe fanekempihavanana, hita ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina lalina kokoa momba ny lanja mandrakizain’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana amin’ny Tompo, dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ity rafi-tantara manaraka ity.

Nanaiky ny fanasana hatao batisa i Jim namanao. Na izany aza, rehefa avy nandeha tany amina varavarana misokatra tao amin’ny tempoly izy dia lasa nisalasala. Namboraka taminao izy hoe: “Tany amin’ny varavarana misokatra tany an-tempoly izay tena nahafinaritra, dia hitako fa rehefa mankany an-tempoly ianao dia tsy maintsy manao fanekempihavanana misimisy kokoa ankoatra ireo nataonao tamin’ny batisa. Mety be loatra Izany fanoloran-tena rehetra izany raha ho ahy.”

Asao hamakafaka ny fanambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 2 ny antsasaky ny mpianatra ary hitady ireo fitahiana amin’ny fandehanana amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Angataho hamakafaka ny Abrahama 2:8–11 ny antsasany ambiny ao amin’ilay kilasy ka hitady ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fitandremana ny fanekempihavanan’i Abrahama.

Rehefa avy omena fotoana hikarohana ny mpianatra, dia azonao ampiarahina tsiroaroa amin’olona nandalina ilay lahatsoratra hafa ary angataho izy ireo hizara ny fomba ahafahan’ny fahamarinana hitan’izy ireo manampy an’i Jim hanova ny fomba fijeriny momba ny fanekempihavanana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ny fanekempihavanan’ny filazantsara, dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny hevitrao no mitaky antsika hanao fanekempihavanana i Jesoa Kristy mba handraisana ireo fitahiany lehibe? Ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana?

  • Inona no ifandraisan’ny fanekempihavanan’i Abrahama sy ny tempoly masina? (Afaka mamaky ny fanambaran’ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana 2 ianao ary manampy ny mpianatra hahatakatra fa amin’ny alalan’ny tempoly ihany no ahafahantsika mandray ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay, izay fitahiana faratampon’ny fanekempihavanan’i Abrahama. Avy eo dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hizara ny fomba nitahiana na mety hitahiana azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanan’ny tempoly.)

    2:3

Avy eo dia azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana iray irin’izy ireo sy ny zavatra azony atao mba handraisana izany fitahiana izany. (Rehefa avy mirakitra an-tsoratra ny eritreriny ny mpianatra, dia azonao atao ny manome ity fomba fijerin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity: “Ny fitahiana sasany dia vetivety dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo” [“An High Priest of Good Things to Come,” Ensign, nôv. 1999, 38].)

Ho an’ny fotoana manaraka

Mialoha ny fotoam-pianarana manaraka dia hevero ny handefa izao hafatra manaraka izao any amin’ny mpianatra: Te hahalala ny zavatra azon’ny zanak’ondry, tolam-baravarana, mofo, anana ary tehina ampianarina anao momba an’i Jesoa Kristy ve? Diniho ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 6 hahalalanao izany.