“Lesona 19 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manampy ny Tompo amin’ny fanavotana ny maty,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Manampy ny Tompo amin’ny fanavotana ny maty
Inona no tsaroanao mikasika ireo razambenao? Na betsaka na kely ny zavatra fantatrao dia manan-danja ny mahatsiaro fa tena nisy izy ireo. Ny tsirairay avy dia zanakavavy na zanakalahy malalan’ny Ray any An-danitra. Mieritrereta momba ny hoe firy amin’ireo razambenao na ireo olona hafa teo amin’ny tantara no niaina sy maty kanefa tsy nanana fahalalana momba an’i Jesoa Kristy na koa tsy nanana fahafahana handray ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny fomba nanampian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tao amin’ny tontolon’ny fanahy mba hanolorana ireo fitahian’ny filazantsara amin’ny olona rehetra. Saintsaino izay azonao atao mba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny fanavotana ny maty.
Fizarana 1
Mampianatra inona antsika momba Azy ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tao amin’ny tontolon’ny fanahy?
Fony izy nanompo tao amin’ny Fitopololahy, ny Loholona Spencer J. Condie dia nilaza hoe:
Ny zava-nitranga momba ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia raisin’ireo izay ao anatin’ny fivavahana Kristianina ho fehin-kevitra fototra. Ny zavatra nataon’ny fanahy tsy mety matin’i Jesoa taorian’ny nahafatesany sy talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty anefa dia zava-miafina ho an’ny rehetra, ankoatran’ny Olomasin’ny Andro Farany. (“The Savior’s Visit to the Spirit World,” Ensign, July 2003, 32)
Zava-miafina ho an’ny maro ny tontolon’ny fanahy satria vitsy ny filazana momba izany ao amin’ny Baiboly. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, i Jesoa Kristy dia naminany ny “handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’ Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona” (Jaona 5:25; jereo ihany koa ny andininy 24, 26–28). Toy izao no nolazain’i Jesoa tamin’ilay mpangalatra nibebaka teo anilany raha teo amin’ny hazo fijaliana: “Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa [na, ny tontolon’ny fanahy]” (Lioka 23:43. Nampianatra i Petera taty aorian’ny fahafatesan’i Jesoa fa Izy dia “[nandeha] sy nitor[y] teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina” (1 Petera 3:19; 4:6).
Tamin’ny 1918, ny Filoha Joseph F. Smith dia nisaintsaina ireo teny nataon’i Petera ireo ary nandinika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa nahita fahitana miavaka momba ny tontolon’ny fanahy izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11).
Nandritra io fahitana io, ny Filoha Joseph F. Smith dia lasa fisainana tamin’ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy ny filazantsara tamin’ireo fanahin’ny maty rehetra satria nandalo tao nandritra ny fotoana fohy monja Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–28).
Fizarana 2
Ahoana no ahafahako manampy ny Tompo amin’ny fanavotana ny maty?
Noho ny fitiavana sy ny famindram-pon’izy Ireo tsy manam-petra, dia nanomana lalana ho an’ny olona rehetra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handraisana ireo ôrdônansy tena ilaina amin’ny fisandratana—ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary ny famehezana ny fanambadiana. Rehefa jerena amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia mahita mpanara-dia ny Mpamonjy eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika izay miara-miasa Aminy ho an’ny famonjena ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Ny asa famonjena ho an’ny maty dia fahafahana masina azontsika andraisantsika anjara amin’izao fotoana izao sy mandritra ny androm-piainantsika sisa. Ny fomba iray ahafahantsika manampy amin’ity asa ity dia amin’ny alalan’ireo ôrdônansy isoloan-tena izay tsy azo tanterahina raha tsy any amin’ny tempoly irery ihany.
Manasa ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny Tompo, amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, mba hanomana ny tantaram-pianakaviany manokana sy hamantatra ireo izay mila ôrdônansin’ny famonjena. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Amin’ny fanaovana ho an’ny hafa izay tsy azon’izy ireo atao ho an’ny tenany, dia maka tahaka ny lamin’ny Mpamonjy isika, izay nanao ny Sorompanavotana mba hitahiana ny fiainan’ny olona hafa. (“La préparation personnelle aux bénédictions du temple,” Liahona, mai 2001, 34)
Toy izao no nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny asa fisoloana tena atao any amin’ny tempoly:
Ny ezaka ataontsika eo amin’ny toeran’ny maty dia mijoro ho vavolombelona tsara fa i Jesoa Kristy no ilay Andriamanitra Mpanavotra ny olombelona rehetra. Ny fahasoavany sy ireo fampanantenany dia mitolotra na dia amin’ireo izay tsy mitady Azy aza mandritra ny fahavelomany. (“The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, Nov. 2000, 11)
Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny lisitr’ireo fitahiana “mahatalanjona tokoa” azontsika raisina rehefa mirotsaka amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly isika:
Fahatakarana bebe kokoa ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany;
Fitarihan’ny Fanahy Masina bebe kokoa mba hahatsapana tanjaka sy fitarihana eo amin’ny fiainantsika;
Finoana lehibe kokoa, mba hahafahan’ny fiovam-po ho an’ny Mpamonjy ho lalina sy maharitra;
Fahafahana sy fahazotoana bebe kokoa hianatra sy hibebaka noho ny fahatakarantsika hoe iza isika, avy aiza isika ary noho ny fahitana mazava kokoa hoe ho aiza isika;
Fitarihana manadio sy manamasina ary mampahalala onona bebe kokoa ao am-pontsika;
Fifaliana bebe kokoa avy amin’ny fahafahana mahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’[ny Tompo];
Fitahiana bebe kokoa ho an’ny fianakaviana, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika ankehitriny, na niainany taloha na hiainany ary na manao ahoana na manao ahoana izay mety ho tsy fahalavorarian’ny tetiarantsika;
Fitiavana sy fankasitrahana bebe kokoa hatrany ny razambentsika sy ny havantsika mbola velona, mba tsy hahatsapantsika ho irery intsony;
Hery bebe kokoa hamantarana ireo izay mila fanasitranana, ka noho izany, hanompo ny hafa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo;
Fiarovana bebe kokoa amin’ny fakam-panahy sy ny fisarihana mahery vaika ataon’ny fahavalo; ary
Fanampiana bebe kokoa mba hanasitranana ireo fo mihotakotaka, na maratra, na feno tebiteby, ary hitsaboana izay maratra.
Raha toa efa nivavaka mba hahazo fitahiana toy izany ianao dia mandraisa anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Rehefa manao izany ianao dia hovalina ny vavaka ataonao. Rehefa tanterahina ho an’ireo izay efa nodimandry ny ôrdônansy dia sitrana koa ireo zanak’ Andriamanitra ety an-tany. (“Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,,” Liahona, mey 2018, 47)