“Lesona 7 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mandray am-pankasitrahana ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 7 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 7 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mandray am-pankasitrahana ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra
Nampianatra i Mosesy fa “marina sy mahitsy” i Jehovah (Deoteronomia 32:4). Nilaza ihany koa izy fa “mamindra fo sy miantra” ny Tompo (jereo ny Eksodosy 34:6). Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho sady marina no mpamindra fo? Ireo toetran’ Andriamanitra ireo dia tsy mampianatra momba ny fitiavan’ Andriamanitra anao fotsiny fa manome ohatra ihany koa amin’ny fomba ahafahanao mampiseho fitiavana ny hafa.
Fanamarihana: ao amin’ny soratra masina, ny fiantsoana hoe Andriamanitra dia afaka manondro na ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy. Izy roa ireo dia samy manome endrika azo tsapain-tanana ny toetran’ Andriamanitra rehetra tanteraka. Na inona na inona ianarantsika momba ilay Iray dia marina ihany koa amin’ilay Iray hafa (jereo ny Jaona 14:9; 17:21).
Fizarana 1
Inona no azon’ny fahamarinan’ Andriamanitra ampianarina ahy momba ny fitiavany?
Ny olona sasany dia mahita ilay “Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha” ho tsy mitovy fitondran-tena amin’ilay “Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao”. Mpamaly faty, mitaky zavatra be ary masiaka no fahitan’izy ireo ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, i Jehovah. Ary malemy fanahy, mpamela heloka ary mpamindra fo no fahitan’izy ireo ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Jesoa Kristy. Saingy araka ny nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha, dia i “[Jesoa Kristy] no ilay Jehovah Lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha, [ary] ilay Mesia ao amin’ilay Vaovao” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no ahafahan’ilay Andriamanitra iray ho sady mpitaky zavatra be nefa malemy fanahy, tezitra nefa mahari-po, marina nefa mpamindra fo?
Ireo toetra toa mifanohitra ireo no ohatra amin’ny halalina sy velaran’ny toetran’ Andriamanitra. Ny fahatakarana ny fomba anehoany ireo toetra rehetra ireo dia ahafahantsika matoky Azy tsara kokoa. Eritrereto ny olana mety ho sendra antsika eo amin’ny fiainantsika raha tsy maintsy misafidy amin’ny fahitana ny toetran’Andriamanitra isika—hoe na Izy marina sy mahitsy na Izy miantra sy mamindra fo. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia eritrereto ny fomba ifandraisan’ny toetran’ Andriamanitra rehetra amin’ny fitiavany tonga lafatra.
Andeha hatomboka amin’ilay toetra marina. Inona no eritreritra entin’izany teny izany ao an-tsainao? Indraindray ao amin’ny soratra masina dia toy ny hoe masiaka ny fahenoana izany fahamarinan’Andriamanitra izany. Ny fitantarana sasany ao amin’ny Testamenta Taloha dia mampiasa teny toy ny hoe fahavinirana sy fahatezerana mba hamaritana ny fahamarinanan’ Andriamanitra amin’ireo tsy mankatò sy ratsy fanahy (jereo ny Isaia 1:4; Jeremia 32:30”). Ohatra, noho ny tsy fankatoavan’ny olona dia noravana tamin’ny afo avy any an-danitra i Sodoma sy i Gomora (jereo ny Genesisy 19:15–25), ny zanak’i Isiraely dia naparitaky ny Asyria (jereo ny 2 Mpanjaka 15:27–31), ary ny firenen’i Joda nentin’ny Babyloniana ho babo (jereo ny 2 Mpanjaka 24:10–16). Raha fintinina dia matetika ny ratsy fanahy no niaina ny vesatry ny fahamarinan’ Andriamanitra.
Rehefa mamaky momba ny fahatezeran’ Andriamanitra isika, dia tsy tokony horaisintsika hoe ny fahatsapantsika sy fanehoantsika fahatezerana, amin’ny maha-olona lavo antsika, dia mitovy amin’ny fahatezerana marin’ Andriamanitra. Araka ny ampahatsiahivin’i Isaia antsika hoe: “Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy ny Tompo” (Isaia 55:8).
Nanome izao fomba fijery manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Mamaky ombieny ombieny isika ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny soratra masina maoderina momba ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ny olon-dratsy sy ny zavatra ataony ao anatin’ny fahatezerany amin’ireo izay mandika ny lalàny. Ahoana no maha-porofon’ny fitiavany ny fahatezerana sy fahavinirana? … Tena tonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra hany ka mitaky amim-pitiavana antsika hankatò ny didiny Izy satria fantany fa amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàny ihany no ahafahantsika ho tonga lafatra tahaka Azy. Noho izay antony izay, ny fahatezeran’ Andriamanitra sy ny fahavinirany dia tsy manohitra ny fitiavany fa porofon’ny fitiavany. (“Love and Law,” Liahona, nôv. 2009, 27)
Ny fandaharam-potoanan’ny fahamarinan’ Andriamanitra ihany koa dia famantarana ny fitiavany ny zanany. Raiso ohatra ny tantaran’i Noa sy ny safo-drano. Tamin’ny andron’i Noa dia “ratsy teo anoloan’ Andriamanitra ny tany” (Mosesy 8:28). Niely patrana ny herisetra ary nanao ratsy hatrany ny olona. Nandritra ny 120 taona teo ho eo i Noa dia nampitandrina ny olona fa raha tsy mibebaka izy ireo dia horavan’ny safo-drano (jereo ny Mosesy 8:17–30). Tsy noraharahain’izy ireo ny fiangavian’ Andriamanitra feno fitiavana, ary ny olona rehetra ankoatra an’i Noa sy ny ankohonany dia maty tao anatin’ilay safo-drano avokoa (jereo ny Genesisy 8:15–21).
Raha vao jerena voalohany dia toa fampiharana fahamarinana hentitra sy henjana fotsiny no fahitana io trangan-javatra io. Saingy avy amin’ny fahitana azon’i Enoka momba ny andron’i Noa, dia mahazo fahatakarana miavaka momba ny fifandraisana misy eo fahamarinan’ Andriamanitra sy ny fitiavany isika.
Momba io trangan-javatra mampihetsi-po io, ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:
Izany tranga tokana sy mahaliana izany, dia mampianatra bebe kokoa ny tena toetran’ Andriamanitra noho izay rehetra azon’ny boky fandalinana ara-teôlôjia omena. …
Tena sary tsy voafafa momba ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika izany! … Manao ahoana ny hamoran’ny mitia olona iray izay tena tia antsika manokana! (“The Grandeur of God,” Liahona, nôv. 2003, 72)
Rehefa mieritreritra momba ny dikan’ny fitiavan’ Andriamanitra aminao ianao, dia eritrereto ny fomba tsara indrindra hamaritana izany amin’ny hafa. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Maro ny fomba amaritana sy iresahana ny fitiavan’ Andriamanitra. Anisan’ny teny faheno matetika ankehitriny ny hoe “tsy misy fepetra” ny fitiavan’ Andriamanitra. Na dia marina aza izany amin’ny lafiny iray, dia tsy hita na aiza na aiza ao anaty soratra masina ilay famaritana hoe tsy misy fepetra. Tsy izany fa nofaritana ho “fitiavana lehibe sy mahagaga” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:3], “fitiavana tanteraka” [1 Jaona 4:18; Môrônia 8:16], “fitiavana manavotra” [Almà 5:26], ary “fitiavana mandrakizay” [Jeremia 31:3] ny fitiavany ao amin’ny soratra masina. Ireo no teny tsara ampiasaina kokoa satria ilay teny hoe tsy misy fepetra dia mety hampita hevitra diso mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra, tahaka ny hoe, tsy manome tsiny amin’ny zavatra rehetra ataontsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany, na hoe tsy mitaky na inona na inona amintsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany na koa hoe ny rehetra dia voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitr’ Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany. Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy manam-petra ary haharitra mandrakizay, saingy ny dikan’izany ho antsika tsirairay dia miankina amin’ny fandraisantsika tsirairay izany fitiavany izany. (“Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48)
Fizarana 2
Inona no azon’ny famindram-pon’ Andriamanitra ampianarina ahy momba ny fitiavany?
Mahafinaritra ny manana an’ Andriamanitra hitahy antsika rehefa mankatò isika. Saingy sarotra ny tsy maintsy hiaina ny vokatry ny safidy tsy mety ataontsika. Ary rehefa goavana ny vokany dia mety hampihorohoro. Amin’ny fotoana toy izany dia mety hiangavy ny Tompo hamindra fo isika.
Amina tranga hafa maro be, na izany aza, ireo izay manota dia tsy mahatsiaro ho mila ny famindram-pon’ Andriamanitra. Hevero ny zavatra nahazo an’i Kôriantona, zanakalahin’i Almà zanany. Taorian’ny nialany tamin’ny iraka nampanaovina azy ary nanaovany fahotana goavana, i Kôriantona dia nahatsapa fa “tsy rariny” raha saziana sy miaina fahoriana ny mpanota iray (jereo ny Almà 42:1).
I Jesoa Kristy, miaraka amin’ny fitiavany lalina manokana anao sy ny rehetra, dia mijoro manelanelana antsika sy ny fahamarinana izay miandry antsika (jereo ny Môzià 15:9). Efa nefainy ilay saran’ny otantsika izay tena mampahory mafy. Ary te hanome famindram-po ireo mivalo Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–18). Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nampianatra hoe:
Tsy afaka mahazo ny lalantsika mankany an-danitra isika. Ny fitakian’ny fahamarinana no hijoro ho toy ny sakana izay tsy vitantsika ny mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika manokana.
Saingy tsy very akory ny fanantenana. …
Ny fahotantsika, na dia tahaka ny jaky aza dia afaka ho tonga fotsy tahaka ny oram-panala. Satria ny Mpamonjy malalantsika dia “nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” [1 Timoty 2:6],dia atolotra antsika ny fidirana mankao amin’ny fanjakany mandrakizay. (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po,” Liahona, mey 2015, 108)
Eritrereto indray ny fahitan’i Enoka momba ilay Safo-drano. Nianatra i Enoka fa any amin’ny tontolon’ny fanahy, na dia ireo tsy nankatò izay maty tao amin’ny Safo-drano aza dia afaka hipoitra amin’ny farany ary hijoro “eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra;” raha mampiseho finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo ary mibebaka amin’ny fahotany (Mosesy 7:57; jereo ihany koa ny Mosesy 7:38, 55–56; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6–8, 28–37).
Ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny fomba anomezan’ny fahasoavan’ny Tompo antsika fahafahana be dia be mba hiovana:
Tena talanjona amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy isika amin’ny fanomezana antsika fahafahana faharoa handresy fahotana na tsy fahombiazan’ny fo.
Tsy misy na iza na iza maniry kokoa ny fahombiazantsika mihoatra noho ny Mpamonjy. …
Satria fantatry ny Mpamonjy fa ilay lalana ety sy tery dia feno fisedrana ary ny tsy fahombiazana dia zava-mitranga eo amintsika isan’andro, dia nanefa sarany tsy misy fetra Izy mba hanomezana fahafahana vaovao betsaka araka izay ilaintsika mba hahatontosantsika am-pahombiazana ny fitsapana antsika eto an-tany. …
Satria tsy maniry ny tsy hivoatra intsony isika mandrapahatongavantsika ho tahaka ny Mpamonjy, dia mila manohy miarina isika isaky ny lavo, manam-paniriana hitombo sy handroso hatrany na eo aza ireo fahalementsika. (“Hatramin’ny fito-polo im-pito,” Liahona, mey 2018, 22, 23)