“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy
Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia “niantso ny olon-drehetra Izy mba hanaraka ny ohatra nomeny” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ny fiezahana hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fahatongavana tahaka Azy kokoa dia lalan-kodiavina arahina mandritra ny fiainana. Tsikelikely no anaovantsika izany ary amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy ihany (jereo ny Môrônia 10:32). Eo am-pandalinanao ny tahirin-kevitra ato amin’ity lesona ity dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahatonga ireo ezaka ataonao mba hitovy amin’ny Mpamonjy ho lasa amin’ny nahim-po kokoa.
Fizarana 1
Olona tahaka ny ahoana no tian’ny Tompo hahatongavako?
Fotoana fohy taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita dia niseho tamin’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy vao nantsoina i Jesoa Kristy. Nampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny filazantsarany Izy ary nampianatra azy ireo momba ny andraikiny (jereo ny 3 Nefia 27:13–26). Avy eo ny Mpamonjy dia nilaza hoe: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27).
Io fanasana “ho” tahaka ny Mpamonjy io dia mitolotra amin’ny mpianatra rehetra. Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Rehefa misafidy ny hatao batisa isika, dia manomboka mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ary misafidy ny hampifanaraka ny mombamomba ny tenantsika amin’ny Azy. Mampanantena manokana isika fa ho lasa tahaka Azy sy hampivelatra ireo toetrany. (“Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 23)
Makà fotoana fohy hisaintsainana ny sasany amin’ireo toetran’ny Mpamonjy.
Ny fanekena ho tonga tahaka ny Mpamonjy dia mitondra antsika mihoatra noho ny fahafantarana ny momba Azy. Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:
Mifanohitra amin’ireo toeram-pampianaran’izao tontolo izao izay mampianatra antsika hahafantatra zavatra, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fanamby antsika mba ho tonga karazan’olona. …
Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 32)
Toy izao no nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson momba ny fikatsahantsika ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy:
Ny lehilahy [na vehivavy] manana fiainana manakaiky ny oha-piainan’i Kristy dia lehilahy [na vehivavy] lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, sy fahefana, ary voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina amin’ny fahalebiazana sy ny maha-olona voatahy ary ny maha-olona heni-pifaliana dia ny fanakaikezan’ny fiainana iray hitovy amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra. Izy no lalana marina sy fahamarinana feno ary fiainana miavosa. (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, Dec. 1988, 2)
Fizarana 2
Inona no azoko atao mba hahatonga ahy ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?
Ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra momba ny dingana hahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa:
Tsara ny mahatakatra ilay didy hoe ho tonga tahaka Azy, saingy izany fahatakarana izany dia ilaina ampiarahina amina faniriana fatratra hiova, dingana iray isaky ny mandeha, mandresy ny maha-olona araka ny nofo. Mba hananana ilay faniriana dia tsy maintsy mahafantatra isika hoe iza moa i Jesoa Kristy. Tsy maintsy mahafantatra momba ny toetrany isika, ary tsy maintsy mitady ireo toetrany ao amin’ny soratra masina sy amin’ny fotoam-pivavahana ary amin’ny toerana masina hafa. Rehefa manomboka mahafantatra kokoa ny momba Azy isika dia hahita taratra ireo toetrany eny amin’ny hafa. Izany dia hankahery antsika amin’ny fikatsahantsika manokana, satria raha mahavita manatratra ny toetrany ny hafa, amin’ny fomba sasany, dia hahavita ihany koa isika. (“Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 13).
Araka ny nampianarin’ny Loholona Whiting dia afaka mahita ireo toetran’i Jesoa Kristy manerana ny soratra masina isika (jereo ohatra ny Matio 5:3–11; Almà 13:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–7). Nampianatra ihany koa ny Apôstôly Petera fa amin’ny alalan’ilay “herin’ Andriamanitra” ao amin’ny Mpamonjy dia afaka mahazo ny “toe-panahy araka an’ Andriamanitra” ao amin’ny Mpamonjy isika (2 Petera 1:3, 4).
Mety hahatsapa ho difotra na ho kivy ianao indraindray rehefa mampitaha ny tenanao amin’ny Mpamonjy. Amin’ny fotoana toy izany dia tadidio fa na dia ny Mpamonjy aza “tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana fa nandray fahasoavana niampy fahasoavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12). Afaka mahita fifaliana ianao amin’ny alalan’ny fandrosoana tsikelikely.
Tsarovy fa tsy afaka manao izany samirery ianao. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:
Fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Tsy afaka hambolena izany raha tsisy ny fanampiany.
Ny fanampiana iray izay ilaintsika rehetra dia omena antsika maimaimpoana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka, fatokiana ny heriny, sy ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. … Rehefa mikatsaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa isika dia mila manao tomban’ezaka tsy tapaka ny fiainantsika sy miantehitra amin’ny fahatsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany, amin’ny alalan’ny fibebahana marina. (“Developing Christlike Attributes,” Liahona, Nov. 2008, 8, 9)
Fizarana 3
Inona no toetra tahaka ny an’i Kristy izay tian’ny Tompo ifantohako ny fambolena azy?
Rehefa mieritreritra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy tianao hovelana ianao dia fantaro ny tanjakao sy ny fahalemenao. Azonao atao ny mampiasa ireto sahanasa fianarana manaraka ireto mba hamantarana ny toetra tianao hifantohana avy hatrany.
Rehefa manohy miasa amin’ny fambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ianao dia avereno jerena tsy tapaka ny fandrosoanao. Aza ampitahaina amin’ny hafa ny tenanareo. Mifalia amin’ireo fahombiazana kely. Mianara avy amin’ireo hadisoanao. Matokia fa hanome fanampiana sy hery ny Mpamonjy rehefa miezaka ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa ianao.