“Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 14 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy
Rehefa miresaka momba ny fahagagana nataon’i Jesoa Kristy isika, dia mirona mifantoka amin’ireo tantara mitaona fanahy hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao. Na dia misy zavatra be dia be azontsika ianarana sy tokony hianarantsika aza avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo, dia efa mba neritreretinareo ve ireo fahagagana ataon’ny Tompo amin’izao androntsika izao sy eo amin’ny fiainanao? Rehefa mandalina ianao, dia katsaho ny hampitombo ny finoanao ny herin’ny Tompo sy ny fahavononany hanao fahagagana ho anao sy ny hafa.
Fizarana 1
Inona ny zavatra azoko ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny fahagagana nataony?
Nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany i Jesoa Kristy dia “Nandeha tamin’ny lalamben’i Palestina …, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ireny fahagagana ireny dia “zava-mahatalanjona miseho noho ny herin’ Andriamanitra” ary “ampahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahagagana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Izy ireny dia porofo iray tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia nampanantenaina (jereo ny Matio 11:4–5; Jaona 20:30–31).
Nanao fanamarihana toy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Sorompanavotan’ i [Jesoa Kristy], izay niafara tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty telo andro taty aoriana tao amina fasana nindramina, no fahagagana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olom-belona.” (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 109).
Nanazava ihany koa ny Loholona Rasband fa na dia mijoro ho vavolombelona momba ny maha Andriamanitra Azy aza ny fahagagana nataon’i Jesoa, dia natao “hampahatsiahivana antsika ny heriny, ny fitiavany, sy ny fikasihan’ny tanany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany, ary ny faniriany hampianatra mikasika izay zavatra manan-danja” ihany koa izy ireo (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” 111).
Eritrereto izay zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny fanasitranany lehilahy iray mararin’ny paralysisa. Lehilahy efatra no nilanja io lehilahy io nankao amin’ny trano nampianaran’i Jesoa. Rehefa hitan’izy ireo fa feno olona loatra ny trano ka tsy afaka niditra izy ireo, dia nanesorany ny tafon’ny trano ary nampidininy ho eo amin’ny Mpamonjy ilay lehilahy mararin’ny paralysisa (jereo ny Marka 2:1–4).
Jereo fa sady mamaly filàna ara-nofo no mamaly filàna ara-panahy ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy. Mahakasika ny fahaizan’ny Mpamonjy manasitrana ny vatana sy ny fanahy, ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny fahagagana lehibe indrindra dia tsy ao amin’ny zavatra toy ny hoe fampahiratana ny jamba, fanasitranana aretina iray, na fananganana ny maty mihitsy aza. …
… Fahagagana mbola lehibe lavitra ny fiovam-po mahery vaikan’ny zanakalahy na ny zanakavavin’ Andriamanitra (jereo ny Môzià 5:2). Ny fiovam-po, tafiditra ao anatin’izany ny fihetsika, ny laharam-pahamehana ary ny faniriana vaovao, dia mbola lehibe kokoa sy manan-danja kokoa noho ny fahagagana rehetra ahatafidiran’ny vatana. (“Miracles,” Ensign, jona 2001, 17)
Fizarana 2
Inona no vokatry ny finoako sy ny sitrapon’ny Tompo amin’ny fahagagana?
Tany am-piandohan’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tamin’ny fiainany tetỳ an-tany dia nisy lehilahy iray nararin’ny habokana nanatona an’i Jesoa mba hositranina. Araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, ny habokana dia afaka milaza karazana aretin-koditra be dia be izay afaka mamely ny hoditra, ny rentsika ary ny taolana. Raha tsy tsaboina dia mety hitarika ho amin’ny fahavoazan’ny rentsika, ny fahajambana, ny fiovam-bika ary ny fahafatesana anaty fanaintainana. Tamin’ny fotoanan’ny Mpamonjy, ilay lehilahy nanatona ny Mpamonjy dia mety ho noraisina ho “maloto” ary mety ho tsy niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina (jereo ny Levitikosy 13:45–46).
Nanao fanamarihana toy izao ny Loholona Jorge F. Zeballos ao amin’ny Fitopololahy:
Tsy nangataka na inona na inona ilay boka, na dia mety ho marina aza ny faniriany; vonona fotsiny ny hanaiky ny sitrapon’ny Tompo izy. (“Raha ho tompon’andraikitra ianareo,” Liahona, mey 2015, 125)
Rehefa tena maniry marina ny hanaiky ny sitrapon’ny Tompo isika, dia mila manana finoana ny tsy hositranina ihany koa isika. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Araka izany, na dia manana finoana matanjaka aza isika … dia tsy ny marary sy ny malemy rehetra no hositranina. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba. (David A. Bednar, “Accepting the Lord’s Will and Timing,” Ensign, Aug. 2016, 34)
Rehefa misaintsaina ireo fahagagana mety irinao amin’ny fiainanao ianao, dia diniho ity torohevitra avy amin’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:
Mety ho valim-bavaka no ahatongavan’ny fahagagana. Tsy voatery ilay angatahantsika izany, na ilay antenaintsika, saingy rehefa matoky ny Tompo isika, dia ho eo Izy, ary ho marina ny Azy. Hampifanarahany amin’izay fotoana ilantsika izany ilay fahagagana. …
… Misy fotoana isika manantena fahagagana hanasitranana olon-tiana iray, hamadihana zavatra tsy rariny nihatra, na mba hanalefahana ny fon’olona iray ao anatin’ny ngidy na diso fanantenana. Rehefa mijery amin’ny maso maha olombelona isika dia tiantsika ny Tompo hiditra an-tsehatra, hanamboatra izay simba. Amin’ny alalan’ny finoana no hahatongavan’ny fahagagana, saingy tsy voatery ho araka ny fandaharam-potoantsika na hizotra araka ny niriantsika. Moa ve izany midika fa tsy ampy ny fatokiantsika, na tsy mendrika ny hidiran’ny Tompo an-tsehatra isika? Tsia. Tena lalain’ny Tompo isika. (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 111)
Fizarana 3
Ahoana no ahafahako mahafantatra kokoa ireo fahagagana ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainako?
Nanao fanamarihana toy izao ny Filoha Oaks: “Fahagagana maro no mitranga isan’andro amin’ny asan’ny Fiangonantsika sy amin’ny fiainan’ny mpikambana ao amintsika” (“Miracles,” Ensign, June 2001, 17). Afaka mahita ireo fahagagana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika indraindray, saingy mety tsy mahita izany eo amin’ny fiainantsika.
Nampianatra zavatra mitovitovy amin’izany ny Loholona Rasband hoe:
Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo raha ampitahaina amin’i Jesoa nanangana ny maty. Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra. (“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 110)