“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Matoky an’i Jesoa Kristy ho Mpitsara antsika,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Matoky an’i Jesoa Kristy ho Mpitsara antsika
Alaivo sary an-tsaina ny eritreritra sy ny fahatsapana mety hanananao raha asaina ho eo anatrehan’ ny Tompo ianao anio. Indray andro “isika tsirairay dia mbola hijoro hotsaraina eo anatrehany araka ny asa sy ny fanirian’ny fontsika.” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 2 Nefia 9:15). Ny zavatra hiainantsika rehetra eo anatrehan’ny Mpamonjy dia hiankina amin’ny fomba nanomanantsika ny tenantsika (jereo ny Almà 5:16–25). Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahatonga anao hahazo aina sy hatoky tena rehefa hiatrika Azy amin’ny Fitsarana Farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45).
Fizarana 1
Nahoana aho no afaka matoky an’i Jesoa Kristy ho mpitsara ahy?
Noho ny toetra masin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra, dia afaka mahazo antoka isika fa ho “Mpitsara marina” Izy (Mosesy 6:57) rehefa tonga ilay andro izay hijoroantsika eo anatrehany mba hanao tatitra momba ny fiainantsika (jereo ny Romana 14: 10–12). Izy no hamaritra tanteraka ny ambaratongam-boninahitra mendrika horaisintsika. Ao amin’ny bokin’ny Salamo isika dia mamaky hoe: “Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy” (Salamo 9:8; jereo koa ny 96:13).
Raha niresaka momba ireo fepetra maha-mendrika ny Tompo ho mpitsara antsika ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:
I Jesoa Kristy dia nanana ny fahamendrehana izay tsy nananan’olon-kafa. Andriamanitra izy, Jehovah, talohan’ny nahaterahany tao Betlehema. Tsy vatana fanahy fotsiny ihany no nomen’ny Rainy malalany Azy, fa i Jesoa koa no Zanany Lahitokana tao amin’ny nofo. Nanana fiainana tonga lafatra sy tsy nisy ota ny Tompontsika ka noho izany dia tsy niharan’ny fitakian’ny fahamarinana Izy. Tanteraka Izy amin’ny toetra rehetra, anisan’izany ny fitiavana, fangorahana, faharetana, fankatoavana, famelan-keloka ary fanetren-tena. …
Mijoro ho vavolombelona aho fa tamin’ny alalan’ny fijaliana sy fihoriana tsy hay eritreretina izay tamin’ny sarany tsy hita pesipesenina no nahazoan’ny Mpamonjy lalana mba ho Mpanavotra antsika, mpanelanelana antsika, Mpitsara Farany antsika. (“L’Expiation peut assurer votre paix et votre bonheur,” Liahona, nov. 2006, 42)
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, izay mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo tao Utah teo aloha, dia nilaza momba ny toerana miavaka ananan’ny Mpamonjy mba hitsara antsika:
Ny fahalalany ny zava-drehetra dia manome Azy fahalalana tonga lafatra momba ny zavatra rehetra nataontsika sy ny faniriantsika rehetra, na izay tsy nibebahana na tsy voaova, na izay nibebahana na efa tsara. Noho izany, aorian’ny fitsarany, dia hiaiky daholo isika rehetra fa “marina ny fitsarany” (Môzià 16:1. (“Ilay drafitra lehibe,” Liahona, mey 2020, 96)
Fizarana 2
Amin’ny fomba manao ahoana no hitsarana ahy?
Ny fieritreretana momba ny Fitsarana Farany dia mety ho sady mampitolagaga no mahavesatra. Indraindray isika dia mety hanontany tena raha toa ka ho vonona ny hotsarain’ny Tompo isika. Ny bokin’ny Apokalypsy dia manome fahamarinana manan-danja mikasika ny fomba hitsaran’ny Tompo antsika.
Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe:
Ny “boky” resahana eto dia ilay firaketana [ny asantsika] izay tanana eto an-tany. … Ny bokin’ny fiainana dia ilay firaketana tanana any an-danitra. (Enseignements des Présidents de l’Église: Harold B. Lee [2000], 226–27).
Tao anatin’ny fahitana momba ny fanjakana selestialy ny Mpaminany Joseph Smith dia nahazo hevi-baovao fanampiny momba ny Fitsarana Farany. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Fa Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9; nampiana fanamafisana). Nampianatra ny mpaminany Almà fa horaisina ho tompon’andraikitra amin’ny tenintsika koa isika (jereo ny Almà 12:14).
Nampianatra ny Filoha Oaks fa ny Fitsarana Farany dia mihoatra noho ny fanombanana ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika:
Ny Fitsarana farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. … Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takina mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 32)
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa na manao ahoana na manao ahoana ny fiezahantsika amim-pahazotoana hiaina ny filazantsara, raha tsy misy ny fanampian’ny Tompo, dia tsy afaka ny ho tonga amin’izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavantsika mihitsy isika. Soa ihany fa i Jesoa Kristy dia tsy mpitsara antsika fotsiny fa “mpisolovava antsika amin’ny Ray” koa (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4; jereo koa ny 1 Jaona 2:1).
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny mpisolovava dia midika hoe “feo ho an’ny” na “olona iray izay miangavy ho an’ny hafa” (“Jesus the Christ—Our Master and More” [Brigham Young University devotional, Feb. 2, 1992], 4, speeches.byu.edu). Amin’ny maha-Mpisolovava antsika Azy, i Jesoa Kristy dia “mahalala ny fahalemen’ny olona ary ny fomba hamonjena ireo izay alaim-panahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1). Hisolovava antsika Izy ary hanao fanalalànana ho antsika rehefa mampihatra finoana Azy isika (jereo ny Môrônia 7:28; 2 Nefia 2:9; Hebreo 4:15–16).
Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza momba ny andraikitr’i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpisolovava antsika Azy:
Ny fisoloana vava ataon’i Kristy ho antsika eo anatrehan’ny Ray dia tsy miendrika fanoherana. I Jesoa Kristy … dia tsy hanohana na inona na inona ankoatra ny zavatra izay tian’ny Ray hatramin’izay. Tsy isalasalana fa ny Ray any An-danitra dia mamporisika ny fahombiazantsika sy mankasitraka izany.
Ny fisoloana vava ataon’i Kristy, farafaharatsiny amin’ny ampahany, dia ny hampahatsiahy antsika fa efa nanonitra ny fahotantsika Izy ary tsy misy na iza na iza ailika mba tsy ho takatry ny famindram-pon’ Andriamanitra. (“Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104– 5)
Tao anatina fanambarana iray noraisin’ny Mpaminany Joseph tamin’ny 1831, dia namariparitra ny anjara asan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy rehefa misolovava ireo izay mino Azy.
Fizarana 3
Ahoana no ahafahako manombana tsara kokoa ny fiomanako amin’ny Fitsarana Farany?
Nampianatra ny Filoha Oaks hoe: “Ny tanjon’io Fitsarana Farany io dia ny hamantarana raha toa ka nahatontosa ilay nofaritan’i Almà hoe -fiovana mahery vaika tao am-po- isika” (“Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona, mey 2019, 93). Io fiovana io dia tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin-kitsim-po.
Rehefa nampianatra ny vahoakan’i Zarahemlà i Almà dia nametraka fanontaniana tamin’izy ireo izy mba hahafahan’izy ireo manombana ny toetry ny fony sy hamaritra hoe manao ahoana ny fiomanany mba hotsarain’ny Mpamonjy (jereo ny Almà 5:14).
Rehefa mieritreritra ny zavatra azonao atao mba hiomanana tsara kokoa amin’ny Fitsarana Farany ianao, dia tadidio ity torohevitra feno fahendrena avy tamin’ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitapololahy ity:
Afaka mampiseho ireo fahalementsika ny Fanahy, kanefa afaka mampiseho antsika ny tanjatsika ihany koa Izy. Mila manontany isika indraindray hoe inona ireo zavatra mety ny fanaovantsika azy mba hahafahan’ny Tompo mankahery sy mandrisika antsika. … Faly Izy isaky ny mandroso isika. Ny lalana alehantsika no manan-danja bebe kokoa Aminy noho ny hafainganam-pandehantsika.
Mikiriza, ry rahalahy sy anabavy, kanefa aza kivy na oviana na oviana. (“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Liahona, nôv. 2015, 35).