“Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 6 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy
Efa tsikaritrao ve hoe impiry ny soratra masina no mampiasa sariohatra mba hampianarana antsika momba an’i Jesoa Kristy? Ohatra, ampitahaina amina rano Izy (jereo ny Jaona 4:14), mofo (jereo ny Jaona 6:48), fahazavana (jereo ny Jaona 8:12), vatolampy (jereo ny Helamana 5:12), masoandro (jereo ny Malakia 4:2), ary mpiandry ondry (jereo ny Salamo 23:1). Na dia talohan’ny nahaterahany aza dia nampiasa sariohatra i Jehovah mba hanampiany ireo mpanaraka Azy hiandrandra ny fiaviany sy ny heriny manavotra. Rehefa mianatra ohatra maromaro ao amin’ity lesona ity ianao, dia hevero ny fomba ahafahan’ireo sariohatra ao amin’ny soratra masina mampitombo ny fahatakaranao sy ny fitiavanao ny Mpanavotra anao.
Fizarana 1
Inona no azoko ianarana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny sariohatry ny fanaovana sorona biby?
Izao no voalazan’ny lahatsoratra iray miresaka momba ny herin’ny sariohatra hoe: “Ny sariohatra ao amin’ny filazantsara dia mety ho zavatra, tranga, zavatra atao na fampianarana izay maneho fahamarinana ara-panahy. … ‘Ny sariohatra dia ahazoantsika manome endrika any an-tsaina ny hevitra na fihetseham-po izay mety hanohitra ny herin’ny teny raha tsy misy an’izany. Mitondra antsika mihoatra ny teny izy ireo ary manome antsika fahaiza-miteny amin’ny fanehoana fahatsapana’ [Joseph Fielding McConkie sy i Donald W. Parry, Guide to Scriptural Symbols (1990), 1]” (“Why Symbols?,” Ensign, feb. 2007, 13, 14).
Ao amin’ny soratra masina dia iray amin’ireo sariohatra mahery vaika voalohany momba ny Mpamonjy ny fanaovana sorona biby. Taorian’ny nihinanan’i Adama sy i Eva ilay voankazo voarara ka tsy maintsy nandaozany ny Saha Edena, dia nodidiana hanompo ny Tompo izy ireo ary hanolotra zanak’ondry ho sorona ho Azy.
Rehefa naka hevitra avy amin’ny sariohatry ny fanaovana sorona biby ny Apôstôly Petera dia nijoro ho vavolombelona fa “ny rà soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” ihany no ahafahana manavotra antsika (1 Petera 1:19; jereo ihany koa ny Almà 34:36).
Ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo dia nitandrina ny lalànan’ny fanaovana sorona biby ho sariohatry ny sorona nataon’i Jesoa Kristy—ary izany sorona izany dia fampahatsiahivana fa hanao sorompanavotana ho azy ireo Izy. Izany dia nanampy azy ireo hiandrandra izany andro izany.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:
Tamin’ny alalan’ny fanolorana teto ambonin’ny tany ireo zanak’ondry tandindona azy ireo manokana, i Adama sy ny taranany dia naneho ny fahatakarany sy ny fianteheran’izy ireo amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Ilay Voahosotra. (“Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 44)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahan’ny sariohatry ny Paska manentana ahy hikatsaka ny hery manavotra ananan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako?
Nitohy nandritra ny fotoan’ny Testamenta Taloha ny fanaovana sorona zanak’ondry voalohan-teraka. Io fanao io dia vao mainka tonga nanan-danja izaitsizy tokoa tamin’ny Isiraelita rehefa nafahana tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana izy ireo.
Ny tantaran’ny fanafahana an’i Isiraely tamin’ny fahababoana tany Egypta dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba anavotan’ny Tompo antsika amin’ny endrika fahababoana samihafa iainantsika. Na dia hoe endrika fanandevozana ara-batana aza voalohany indrindra ny fanandevozana ny Isiraelita, ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa afaka miaina fanandevozana koa isika noho ny ota, fiankinan-doha na finoana hevi-diso (jereo ny “Fitomaniana: Mitandrema amin’ny Fanandevozana,” Liahona, nôv. 2013, 88–91).
Nandany teo ho eo amin’ny 400 taona teo ny Isiraelita tamin’ny naha-andevo azy tany Egypta. Saingy tsy nanadino azy ireo ny Tompo. Fantany ny alahelon’izy ireo ary reny ny tomaniny. Tonga hanafaka azy ireo izy ary niantso an’i Mosesy mba hanampy. Talohan’ny fanafahana ny Isiraely dia nampahafantarin’ny Tompo ny Paska, izay feno sariohatra natao hampianarana ny herin’ny Mpamonjy hamonjena ny rehetra izay hanaraka Azy.
Sariohatry ny Paska
Andinin-tsoratra masina |
Sariohatra |
Ny mety ho heviny |
Soratra masina manohana izany* |
---|---|---|---|
Andinin-tsoratra masina | Sariohatra Nanao sorona zanak’ondry ny trano tsirairay | Ny mety ho heviny Ho an’ny rehetra ny hery manavotra ananan’i Jesoa Kristy. | Soratra masina manohana izany* |
Andinin-tsoratra masina | Sariohatra Zanak’ondry lahy tsy misy kilema | Ny mety ho heviny
| Soratra masina manohana izany* |
Andinin-tsoratra masina | Sariohatra Nafafy tamin’ny tolam-baravaran’ny trano tsirairay ny rà | Ny mety ho heviny
| Soratra masina manohana izany* |
Andinin-tsoratra masina | Sariohatra Mofo tsy misy masirasira (mofo tsy asiana lalivay ka mahatonga ny mofo ho simba sy bobongolo) | Ny mety ho heviny
| Soratra masina manohana izany* |
Andinin-tsoratra masina | Sariohatra Anana mangidy | Ny mety ho heviny
| Soratra masina manohana izany* |
Andinin-tsoratra masina | Sariohatra Valahana voasikina, kapa eny amin’ny tongotra, tehina eny an-tànana, mihinana faingana | Ny mety ho heviny
| Soratra masina manohana izany* |
Ireto torolalana manaraka ireto dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba handikana ny sariohatra ao amin’ny soratra masina:
-
Miezaha manakatra ny sariohatra ao amin’ny sahan-kevitr’ilay andininy.
-
Ampiasao ny fitaovana fandalinana, toy ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
-
Fantaro raha nisy mpaminany taloha na mpaminany maoderina nilaza zavatra momba ireo andininy ireo sy ny sariohatra ao aminy na tsia.
-
Diniho sy saintsaino ary ento am-bavaka ilay andininy sy ny sariohatra ao amin’izany.
,”
Fizarana 3
Inona avy ireo sariohatra hafa ao amin’ny Testamenta Taloha afaka mampianatra ahy momba ny hery manavotra ananan’ny Mpamonjy?
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny ôrdônansy sy ny fomba rehetra voatendrin’ Andriamanitra, ny sorona rehetra, ny sariohatra ary ny fitoviana … [dia] napetraka … mba hijoroana ho vavolombelona momba an’i [Jesoa Kristy]. …
Mahasoa ary azo atao ny mitady fitoviana amin’i Kristy na aiza na aiza sy ny mampiasa azy ireny hatrany amin’ny fahatsiarovana tanteraka Azy sy ireo lalàny ao an-tsaintsika. (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 28, 453)