“Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manompo tahaka ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 13 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Manompo tahaka ny Mpamonjy
Isika rehetra dia efa nahatsikaritra—ary indraindray tsy mbola nahatsikaritra—olona mila fanampiana. Mety mandalo andro sarotra fotsiny ny sasany. Mety miaina fanirery, tsy fahatokian-tena, hanoanana, fahadisoam-panantenana, na aretina ny sasany. Mety manontany tena isika hoe: inona no azoko atao? Rehefa mijery ny fiainan’ny Mpamonjy isika dia mahita ohatra be dia be amin’ny fomba “nandehandehanany nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38). Rehefa mijery ny ohatra nasehony ianao dia diniho ny zavatra nianaranao momba ny fanompoana mba hanomezana ny zavatra ilain’ny hafa.
Fizarana 1
Inona no azoko ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fanompoana?
Alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ny Mpamonjy nandritra ny Fanasana Farany, rehefa nahita mialoha ny fijaliana mahatsiravina niandry Azy tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:
Tao anatin’ny vesatry ny fihetseham-po lalina … no nitsangana moramora i Kristy, nisikina tahaka izay ho nataon’ny andevo na ny mpanompo, dia nandohalika mba hanasa ny tongotr’ireo Apôstôly. (Jereo ny Jaona 13:3–17.) Ity vondrona kelin’ny mpino tao anatin’io fanjakana vao naorina io dia efa akaiky hiatrika ireo fitsapana mafy indrindra holalovan’izy ireo, ka dia ho namela ny fitaintainany izay efa nihombo Izy mba hahafahany manompo sy mampatanjaka azy ireo indray. (“He Loved Them unto the End,” Ensign, nôv. 1989, 25)
Rehefa avy nosasan’ny Mpamonjy ny tongotr’ireo Apôstôly dia nomeny didy vaovao izy ireo, izay ho tena ilain’ireo rehetra hikatsaka ny hanompo amin’ny anarany.
Rehefa misaintsaina ny fiainan’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahita fa naneho tamintsika ny fomba fanompoana amim-pitiavana Izy.
Ny ankamaroantsika dia te hanompo ny hafa amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Saingy mety tsy fantatsika hoe ahoana na amin’ny fotoana inona no hanampiana. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa “ny manompo dia midika hoe manaraka izay zavatra tsapanao mba hanampiana olona iray hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany” (ao amin’ny Sheri L. Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson [2019], 349).
Ny Filoha Henry B. Eyring dia nanome ity torohevitra manaraka ity:
Ny [Tompo dia mikasa] ny hifampikarakaran’ ireo Olomasiny amin’ny fomba ikarakarany azy ireo. … Nahomby izy ireo rehefa mitarika ireo mpikarakara ny Fanahy Masina hahafantatra ny zavatra hain’ny Tompo fa tsara indrindra ho an’ilay olona izay ezahiny ampiana. (“Fanompoana entanim-panahy,” Liahona, mey 2018, 62)
Hanosika antsika matetika hanompo amina fomba kely sy tsotra ny Fanahy Masina Ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nampianatra toy izao:
Indraindray isika dia mieritreritra fa mila manao zavatra goavana sy mitaky herim-po vao “raisina” ho manompo ny namantsika. Kanefa ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa, sy amintsika ihany koa. Inona no nataon’ny Mpamonjy? … Izy … dia nitsiky, niresaka, niara-nandeha, nihaino, nanokana fotoana, namporisika, nampianatra, namoky sy namela heloka. Nitovy ny nanompoany ny fianakaviana sy ny namana, ny mpiray monina sy ny vahiny, ary nanasa ireo olom-pantatra sy ireo olon-tiany Izy mba higoka ireo fitahiana lehibe entin’ny filazantsarany. Ireo asa fanompoana sy fitiavana “tsotra” ireo dia manome ny maodely arahina ho an’ny fanompoana ataontsika ankehitriny. (“Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104)
Vakio ity teny nambaran’i Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany, manaraka ity, ary hevero ny zavatra azonao atao mba hahatonga ny fanompoana ho zavatra iainana manan-danja sy avy amin’ny tena manokana kokoa.
Raha manova ny fomba fijerintsika isika mba tsy ho resaka fanomezan-javatra loatra ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana fa famaliana kosa ny hetaheta mba hifandray aman’olona, fanomezana fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja, ary famoronana fifandraisana mahasoa sy tsara, dia afaka mandefa antsika amina toerana iray ny Tompo. … Te hampiasa anao ny Tompo. Misy asa tokony hataonao, ary natao ho anao sy sahaza ny fahaizanao manokana izany. Tsy misy olona hahasolo anao amin’ilay iraka ampanaovina anao. … Tadidio fa, tahaka ny Mpamonjy, ny tenanao dia isan’ireo fanomezana tsara indrindra azonao omena ireo olona hafa mila fanampiana. (“Turning Enemies into Friends” [Lahateny tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, jan. 23, 2018], speeches.byu.edu)
Fizarana 2
Inona no azoko ianarana avy amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy nataon’ny Mpamonjy momba ny fanompoana?
Tamin’ny andron’i Jesoa Kristy dia nisy fifankahalana lehibe teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Nataon’ny Jiosy tsinontsinona ny Samaritana satria izy ireo dia “manana ila Isiraelita sy ila Jentilisa” ary ny “ny fivavahan’izy ireo dia fifangaroana finoana sy fanao jiosy sy jentilisa” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Samaritana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Rehefa niezaka nanamarina ny zavatra nataony momba ilay didy hoe “tiava ny namanao” ilay mpahay lalàna iray (ny mpahay lalàna tamin’izany fotoana izany dia nanam-pahaizana momba ny lalàn’i Mosesy), dia nanontany ny Tompo izy hoe: “Iza ary no namako?” (Jereo ny Lioka 10:25–29.) Namaly tamin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny Tompo.
Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:
Eo amin’ny lalana mamovoka alehantsika mankany Jeriko dia voatafika sy maratra ary misedra fanaintainana isika.
Na dia tokony hifanampy aza isika dia matetika loatra no miampita ilay arabe, mamorona antony iray.
Saingy noho ny fangorahany, ilay Samaritana tsara fanahy dia mijanona ka mamehy ny ferintsika. … Entiny ao amin’ilay tranom-bahiny, izay maneho ihany koa ny Fiangonany isika. …
… I Jesoa Kristy dia manasa antsika ho lasa tahaka Azy, ho Samaritana tsara fanahy, hanao ny tranom-bahininy (ny Fiangonany) ho fialofana ho amin’ireo ratra sy tafiotry ny fiainana. (“Toerana ao an-tranom-bahiny” Liahona, mey 2021, 24–25)