Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 1


Famerenana fifehezana fotopampianarana 1

Tadiavo ary ataovy tsianjery ny: Lioka 2:10–12 ka hatramin’ny Lioka 24:36–39

Sary
Seminary class.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita sy hanao fanazarana amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Great power can come from memorizing scriptures. To memorize a scripture is to forge a new friendship. It is like discovering a new individual who can help in time of need, give inspiration and comfort, and be a source of motivation for needed change.

(Richard G. Scott, “The Power of Scripture,” Ensign or Liahona, Nov. 2011, 6)

  • Nahoana no ilaina ny mahafantatra ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

Mety hahatadidy ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo momba ny lanjan’ny fitadidiana soratra masina ity ianao:

Mba hanampiana anao hianatra ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 voalohany, dia hevero ny handikana ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao na ampidiro ao anatin’ny findainao ny application Maîtrise de la doctrine ary hampiasao ireo sahanasa ao amin’ilay application mba hanampiana anao hianatra tsianjery.

Andalan-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa atý amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Ary hoy Jeso[a]: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana Ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa no tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Miankina amin’ny habetsahan’ireo mpianatra , dia hevero ny hanomezana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra amin’ireo 11 ho an’ny mpianatra tsirairay. Raha ilaina, dia azo omena mpianatra maro ny andalan-tsoratra masina tokana.

Entano ireo mpianatra hifanakalo toerana ao an-dakilasy ary hiasa miaraka amin’ny namany mba hitady sy hanisy marika, raha misafidy ny hanao izany izy ireo, ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 rehetra ary ireo andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina. Amporisiho ireo mpianatra hiovaova namana afaka minitra vitsivitsy.

Asao ireo mpianatra hanao ity zavatra manaraka ity rehefa mifanerasera izy ireo (mety hanampy ny fanoratana ireto torolalana manaraka ireto eo amin’ny solaitrabe):

  1. Mametraha fanontaniana mba hifankahalalanakokoa (ohatra, “Inona avy ireo fialambolinao?” na “Aiza no toerana anisan’ny tianao indrindra?”).

  2. Mifanampia amin’ny fitadiavana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina izay nampandraiketina. Hevero ny hanisiana marika ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masinao.

  3. Zarao ny antony maha-manan-danjany fahamarinana ao amin’ilay andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina.

  4. Ezaho hatao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Safidio ny Hamaly ny andiam-panontaniana.

Ampifandraiso amin’ny andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina eo ankavanana ny andalan-tsoratra masina fifehazana fotopampianarana eo amin’ny ankavia.

Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo farafahakeliny, ary ataovy ity manaraka ity:

  • Soraty tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina.

  • Zarao ny antony inoanao fa manan-danja ny mahafantatra ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Mandritra ireo andro vitsivitsy manaraka, dia miezaha manao tsianjery toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina telo na mihoatra farafahakeliny amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mitadiava fomba hahafahan’ny fahafantarana ireo andinin-tsoratra masina ireo mitahy ny fiainanao sy ny fiainan’ireo olona fantatrao.

Hamoaka printy